8-14 JONA 2026
HIRA 8 Jehovah no Fialofantsika
Manatanteraka ny Fikasany Foana Ilay “Andriamanitry ny Fahamarinana”
“Nanavotra ahy ianao, ry Jehovah Andriamanitry ny fahamarinana ô!”—SAL. 31:5.
HEVITRA HODINIHINA
Hanampy antsika hatoky ity lahatsoratra ity fa hotanterahin’i Jehovah daholo ny fampanantenany, ary tsy ho ela ilay Fanjakana dia hanafoana ny lainga sy ny fitaka rehetra.
1. Nahoana isika no afaka matoky an’i Jehovah? (Salamo 31:2-5)
MIAINA eto amin’ny tontolo fehezin’i Satana isika, dia fahita ny olona mandainga sy mamitaka ary mamadika. Tsy hay intsony hoe iza no azonao itokisana. Mifamitaka ny mpandraharaha, mamitaka an’ireo mpanjifa ny mpanao dokam-barotra, ary na ny namana akaiky aza mivadika amin’ny teniny indraindray. Mampahery anefa ny mahalala hoe afaka matoky an’i Jehovah foana isika. “Andriamanitry ny fahamarinana” mantsy izy. (Vakio ny Salamo 31:2-5.) Efa maha izy azy mihitsy izany. Afaka matoky isika hoe hotanterahiny foana ny teniny.
2. Inona no hodinihintsika ato?
2 Hodinihintsika ato hoe nahoana isika no afaka matoky tanteraka an’i Jehovah. Ho hitantsika avy eo hoe ahoana no hamaranan’Andriamanitra ny tontolo ratsin’i Satana, ary inona izao no efa ataony mba hanatanterahana ny fikasany. Hanampy antsika ho be herim-po sy tsy hatahotra izany rehefa miresaka ny marina momba an’i Jehovah isika.
NAHOANA ISIKA NO AFAKA MATOKY AN’ILAY ANDRIAMANITRY NY FAHAMARINANA?
3. Nahoana isika no afaka matoky tanteraka an’i Jehovah?
3 Afaka matoky an’i Jehovah isika satria izy no Mpamorona. Izy no nanao ny lanitra sy ny tany ary izy koa no Loharanon’aina. (Gen. 1:1; Sal. 36:9; Apok. 4:11) Izy no mahatonga antsika sy ny biby ary ny zavamaniry ho velona foana noho ny fomba namoronany ny tontolo iainana. Mahafehy tsara an’izao rehetra izao izy hatramin’izay ka ho mandrakizay. Azontsika atao àry ny manankina ny fiainantsika sy ny hoavintsika aminy, satria Mpamorona faran’izay hendry sy mahery izy.
4. Ahoana no ahafantarantsika fa tia antsika i Jehovah?
4 Afaka matoky an’i Jehovah isika satria tia antsika izy. Namorona ny olombelona i Jehovah satria tiany hankafy fiainana hoatr’azy ry zareo. Nilaza ny fikasany i Jehovah ao amin’ny Genesisy 1:26 hoe: “Andao isika hanao olona mitovy endrika amintsika, misy itovizana amintsika.” Nomeny safidy malalaka isika. Nataony tsara tarehy koa ny tany mba honenantsika. (Sal. 115:16) Nomeny asa mahafinaritra ny ray aman-drenintsika voalohany ka nasainy nanova ny tany ho paradisa. (Gen. 1:28; 2:15) Be dia be koa ny zavatra nomeny an-dry zareo, anisan’izany ny sakafo matsiro sy ny biby ary ny zavamaniry isan-karazany. Hita avy amin’izany hoe “ho mandrakizay ny fitiavan’i Jehovah sy ny tsy fivadihany.”—Sal. 103:17.
5. a) Nahoana no tsy rava ny fikasan’i Jehovah na dia nikomy aza i Adama sy Eva? b) Inona ny sasany amin’ny fampanantenan’i Jehovah efa tanteraka? (Jereo ilay efajoro hoe “Milaza ny Marina Foana Andriamanitra.”)
5 Afaka matoky an’i Jehovah isika satria mitana ny teniny foana izy. Tsy hoe ‘tsy misy antony ny namoronany ny tany fa nataony honenana.’ (Isaia 45:18, 19) Voaheloka ho faty anefa i Adama sy Eva rehefa nikomy. Hoatran’ny hoe rava ny fikasan’Andriamanitra tamin’izay. Manatanteraka ny fampanantenany foana anefa i Jehovah. (Isaia 46:10, 11) Tsy miova ilay fikasany hoe ho feno olo-marina ny tany. Izany no nahatonga azy hamela an’i Adama sy Eva hiteraka. Nomeny koa ny Zanany lahitokana mba ho vidim-panavotana hamonjena ny taranak’i Adama, amin’izay koa ry zareo afaka manantena hiaina mandrakizay.—Jaona 3:16.
INONA NO EFA ATAONY MBA HANATANTERAHANA NY FIKASANY?
6. Inona ny faminaniana nolazain’i Jehovah taorian’ilay fikomiana tany Edena?
6 Iza no nitaona an’i Adama sy Eva hikomy tamin’Andriamanitra? “Ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana.”a (Apok. 12:9; Gen. 3:4, 5; Jaona 8:44) Namoaka didim-pitsarana i Jehovah hoe haringana izy. (Gen. 3:15) Mandra-pahatongan’izay anefa, dia be dia be no hiandany aminy sy hanao ratsy hoatr’azy. Hisy olona tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy anefa.
7. Iza no miandany amin’ny Devoly, ary ahoana no hiafaran’izy ireo?
7 Anjely mivadika sy olona tsy te hankatò an’Andriamanitra ireo miandany amin’i Satana Devoly ireo. Lasa anisan’ny taranak’i Satana ry zareo satria manohitra ny fikasan’Andriamanitra. Amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra anefa, dia haringany i Satana sy izay miandany aminy.—Dan. 2:44; Rom. 16:20.
8. Inona no nataon’i Jesosy tamin’ny 1914? (Jereo koa ny sary.)
8 Inona no manampy antsika hatoky fa ho tanteraka ilay fikasan’Andriamanitra handringana an’i Satana sy izay miandany aminy? Nanomboka niady tamin’i Satana sy ny demoniany i Jesosy tamin’ny 1914, dia natsipiny tetỳ an-tany ry zareo. (Apok. 12:7-9) Marina hoe tany an-danitra iny ady iny, fa hita tetỳ an-tany ihany ny vokatr’ilay izy. Hoy ny Baiboly: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.” (Apok. 12:12) Nanomboka tamin’izay, dia ny tany no tena nifantohan’i Satana, ka izay no mahatonga ny fiainana hiharatsy na aiza na aiza. “Loza ho an’ny tany” tokoa! Tsy ho ela anefa i Jesosy dia “hamita ny fandreseny”, ka tsy ho eo intsony i Satana sy ireo miandany aminy. (Apok. 6:2) Hoporofoin’i Jesosy hoe diso ny lainga rehetra naelin’i Satana momba an’i Jehovah. (Sal. 45:4-6) Ho fantatry ny olona rehetra hoe Andriamanitry ny fahamarinana i Jehovah!—Ezek. 38:23.
Ady Lehibe I: U.S. National Archives photo; baomba: USAF photo; valanaretina: blvdone/stock.adobe.com; olona mikomy: inhauscreative/E+ via Getty Images
Niharatsy foana ny fiainana maneran-tany nanomboka tamin’ny 1914 (Fehintsoratra 8)
ANGONINY IREO TIA NY FAHAMARINANA
9. Iza no angonin’i Jehovah amin’izao?
9 Misy zavatra ataon’i Jehovah anefa mandra-pahatongan’izay. ‘Hangoniny ho ao amin’i Kristy daholo ny zava-drehetra, izany hoe ny zavatra any an-danitra sy ny zavatra eto an-tany.’ (Efes. 1:10) “Ny zavatra any an-danitra” dia ny voahosotra, izany hoe ireo nofidin’i Jehovah hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. “Ny zavatra eto an-tany” kosa dia ireo hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Miezaka mafy ireo mpanompon’i Jehovah ireo mba hampibaribary ny laingan’i Satana sy hanampy ny olona tso-po hahalala ny fahamarinana.
10. Inona no ataon’i Jehovah mba ho afaka amin’ny laingan’ny fivavahan-diso ny olona? (Apokalypsy 14:6, 7)
10 Ahoana no anangonan’i Jehovah an’ireo olona tia fahamarinana ireo? Irahiny hitory maneran-tany ny vahoakany, ary mbola tsy nisy asa fitoriana lehibe hoatr’izany hatramin’izay. (Vakio ny Apokalypsy 14:6, 7.) Marina hoe mampiasa olombelona i Jehovah mba hitoriana ny vaovao tsara, kanefa mitondra ny anjara birikiny koa ny anjely. Io asa fitoriana io no mampiharihary ny lainga ampianarin’i Babylona Lehibe, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra. Ireny fivavahana ireny mantsy no nampiasain’ny Devoly nandritra ny taonjato maro mba hampielezana lainga momba an’i Jehovah. (Apok. 18:2, 4) Tsy ho ela dia ho rava tanteraka ny fivavahan-diso rehetra. Ireo tia an’ilay Andriamanitry ny fahamarinana kosa hanome azy an’ilay voninahitra mendrika azy.—Apok. 17:16.
11. Ahoana no amantarana ny tena mpivavaka amin’i Jehovah?
11 Avy amin’ny firenena sy foko isan-karazany ireo tia ny fahamarinana ireo, ary tsy mitovy koa ny fari-piainany. (Apok. 7:9, 10) Vao maheno ny “vaovao tsara” ry zareo, dia tonga dia miaiky hoe nahita ny fahamarinana ka vonona hiaraka amin’ny vahoakan’i Jehovah. (Mar. 13:10) Rehefa mandeha ny fotoana, dia hita kokoa hoe miavaka amin’ireo tsy manompo an’Andriamanitra ireo tena manompo azy. Nilaza mialoha i Malakia mpaminany hoe: “Ho hitanareo indray fa tsy mitovy ny olo-marina sy ny ratsy fanahy, ary ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo azy.” (Mal. 3:18) Asehon’ny mpanompon’i Jehovah amin’ny fitondran-tenany sy ny asa fitoriana ataony, fa manompo an’ilay Andriamanitry ny fahamarinana ry zareo.
12. Nahoana no manampy amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah ny asa fitoriana?
12 Rehefa mitory ny “vaovao tsaran’ilay Fanjakana” isika, dia mankatò ny didin’i Jesosy sady manatanteraka faminaniana. (Mat. 24:14; 28:18-20) Lasa mpanara-dia an’i Kristy àry ny olona avy any amin’ny firenena rehetra sady manantena ny hanompo an’ilay Andriamanitry ny fahamarinana mandrakizay. Tombontsoa miavaka ilay hoe mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah!
MATOKY NY FAMPANANTENAN’I JEHOVAH ISIKA
13. Iza no tena ataon’i Satana lasibatra, ary nahoana?
13 Tezitra be i Satana Devoly satria fantany fa “fohy ny fotoana ananany” alohan’ny handravana ny tontolony. (Apok. 12:12, 13) Ataony lasibatra ny Kristianina voahosotra, izany hoe ireo ‘manaraka ny didin’Andriamanitra sy asaina mitory momba an’i Jesosy.’ (Apok. 12:17; 14:12) Ataon’i Satana lasibatra koa izay manohana an-dry zareo sy ny asa ataony.
14. Inona no hitranga rehefa hanafika ny vahoakan’i Jehovah ireo miandany amin’i Satana? (Jereo ny sary.)
14 Hanafika ny vahoakan’i Jehovah ireo miandany amin’i Satana, aorian’ny fandravana an’i Babylona Lehibe. Ny ady Aramagedona no hamarana an’io fanafihana io. (Apok. 16:13, 14, 16) Hamonjy an’izay manompo an’i Jehovah i Jesosy sy ny tafiny any an-danitra, dia handringana an’izay sisa tavela amin’ny tontolon’i Satana. (Apok. 19:19-21) Tsy hisy intsony amin’izay ny mpandainga sy ny ratsy fanahy ary ny mpamitaka. (Apok. 21:8) Hiharihary hoe manao ny rariny sy milaza ny marina foana i Jehovah.
Jesosy sy ny tafiny any an-danitra mandringana ny fahavalon’Andriamanitra amin’ny ady Aramagedona (Fehintsoratra 14)
15. Nahoana isika no afaka matoky fa hanatanteraka ny fampanantenany i Jehovah? (Isaia 65:16, 17) (Jereo koa ny sary.)
15 Misara-bazana mihoatra noho ny hatramin’izay izao tontolo izao. Ny mpanompon’i Jehovah kosa miray saina foana satria ampiany. Manangona an’ireo tia ny fahamarinana izao i Jehovah. Mitahy ny vahoakany sy ny asa ataon-dry zareo koa izy ary tsy misy mahasakana azy amin’izany. (Vakio ny Isaia 65:16, 17.) Matoky isika hoe ho tanteraka ny fampanantenany amin’ny hoavy. Manome toky antsika ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Romanina 8:38, 39 hoe: “Na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na fanjakana, na zavatra amin’izao fotoana izao, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na zavaboary hafa, dia tsy hisy hahavita hampisaraka antsika amin’Andriamanitra ka hahatonga azy tsy ho tia antsika intsony. Asehony amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika izany fitiavany izany.”
Tsy hotsaroana intsony ny olana atrehintsika amin’izao rehefa any amin’ny tontolo vaovao (Fehintsoratra 15)
16. Nahoana ianao no matoky tanteraka an’i Jehovah?
16 Betsaka ny antony mahatonga antsika hatoky an’i Jehovah, ilay Andriamanitry ny fahamarinana. Izy no Mpamorona antsika sady tena tia antsika. Mitombo haingana ny vahoaka be satria lasa manompo an’i Jehovah ny olona avy any amin’ny firenena rehetra. (Isaia 60:22; Zak. 8:23) Fantatsika fa manatanteraka ny fikasany foana izy, ary tsy ho ela izy dia hanafoana ny lainga aelin’i Satana. Mivavaka hoatran’i Davida isika hoe: “Hoderaina anie i Jehovah Andriamanitra! Izy irery ihany no manao zava-mahagaga. Hoderaina mandrakizay anie ny anarany be voninahitra, ary enga anie ny voninahiny hameno ny tany manontolo!”—Sal. 72:18, 19.
HIRA 2 Jehovah no Anaranao
a Tsy hay hoe iza no tena anaran’io anjely io. Ilay hoe “Devoly” [na Mpanendrikendrika] sy Satana [na Mpanohitra] kosa no ahafantarana azy.