FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Aprily p. 14-19
  • Manàna Fomba Fijery Tsara Rehefa Miatrika Olana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manàna Fomba Fijery Tsara Rehefa Miatrika Olana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • AHOANA NO TOKONY HO FAHITANAO NY OLANA?
  • MISY VOKANY RATSY NY FOMBA FIJERY TSY METY
  • INONA NO AZONTSIKA ATAO REHEFA MIATRIKA OLANA ISIKA?
  • Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Olana Mahazo Anao?
    Mifohaza!—2009
  • Tadidio hoe “Andriamanitra Velona” i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Manampy Antsika Hiaritra i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Ekeo hoe Voafetra ny Zavatra Fantatrao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Aprily p. 14-19

15-21 JONA 2026

HIRA 122 Hatanjaho ny Finoanao!

Manàna Fomba Fijery Tsara Rehefa Miatrika Olana

“Na dia azom-pahoriana sy miatrika zava-tsarotra aza aho, dia mahafinaritra ahy foana ny didinao.”​—SAL. 119:143.

HEVITRA HODINIHINA

Tsy hivadika mihitsy ianao rehefa miatrika olana raha manana fomba fijery tsara.

1-2. Inona no mila ataontsika mba ho vitantsika ny hiatrika olana? (Jereo koa ny sary.)

IHARAN’NY tsy rariny ve ianao, sa toherin’ny fianakavianao, sa enjehina mihitsy aza noho ny finoanao? Marary ve ianao, sa miaritra ny vokatry ny fahanterana, sa nisy zavatra mafy be nahazo anao, ohatra hoe maty ny olona akaiky anao? Mety ho “feno zava-tsarotra sy alahelo” ny fiainanao, hoatran’ny an’ny mpanompon’i Jehovah maro.​—Sal. 90:10.

2 Tsy maintsy manana fomba fijery tsara isika vao hahavita hiatrika olana. Ahoana izany? Intỳ misy ohatra: Mety ho sendra zavatra mampidi-doza isika rehefa mitondra fiara. Mila hitantsika tsara aloha ilay izy, izay isika vao afaka manao zavatra mba tsy hiharan-doza. Tsy hahita tsara anefa isika raha maloto ny fitaratra eo aloha. Raha te hahavita hiatrika olana koa isika, dia tokony ho araka ny tena izy ny fahitantsika azy, izany hoe mifanaraka amin’ny fomba fijerin’i Jehovah. Hojerentsika ato hoe: 1) Ahoana no tokony ho fahitanao ny olana? 2) Nahoana no misy vokany ratsy ny fomba fijery tsy mety? Ary 3) inona no azontsika atao raha tiantsika ny hanana fomba fijery tsara foana rehefa miatrika olana isika?

Lehilahy iray mitondra fiara, dia maloto be ilay fitaratra eo aloha. Tsy ampoiziny mihitsy hoe misy barazy eo aloha eo.

Tokony hety tsara ny fahitantsika ny olana mahazo antsika mba ho vitantsika ny hiatrika azy ireny (Fehintsoratra 2)


AHOANA NO TOKONY HO FAHITANAO NY OLANA?

3. Inona no tsy maintsy ekentsika raha mbola eto amin’izao tontolo ratsy izao isika?

3 Tsy afa-miala amin’ny olana isika eto amin’izao tontolo ratsy izao. Tsy maintsy miatrika olana isika raha mbola tsy lavorary, ary raha mbola i Satana koa no mitondra an’izao tontolo izao. Arakaraka ny anatonan’ny farany koa no vao mainka mampitombo ny olana. Mety ho loza araka ny natiora izany, na noho ny ataon’ny olombelona. (Mat. 24:8; 2 Tim. 3:13) Raha tonga dia alamin’i Jehovah daholo ireny olana ireny, dia hoatran’ny hoe manampy an’i Satana hitondra an’izao tontolo izao izy. Tsy afa-miala amin’ny “loza” àry isika.​—Mpito. 9:12.

4. Inona koa ny olana atrehintsika noho isika Kristianina?

4 Betsaka kokoa ny olana atrehintsika satria isika Kristianina. Matetika i Jesosy no nilaza tamin’ny mpianany hoe henjehina ry zareo satria manara-dia azy. (Mat. 24:9; Jaona 16:2) Mahasoa antsika ny mahalala an’izany satria manampy antsika hanana finoana matanjaka foana. (1 Tes. 3:3, 4) Matoky isika hoe mbola mandeha eo amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay rehefa miaritra ny mafy sady tsy mivadika. Asehontsika koa hoe miandany amin’i Jehovah isika amin’ilay adihevitr’izy sy Satana. Nilaza i Satana hoe tombontsoa fotsiny no mahatonga antsika hanompo an’Andriamanitra. Ataony mijalijaly àry isika mba hanaporofoana an’izany. (Joba 1:9-11) Hampifaly an’i Jehovah anefa isika raha miaritra noho isika tia azy.​—Ohab. 27:11.

5. Inona no ianarantsika avy amin’ny Mpitoriteny 7:13, 14? (Jereo koa ny sary.)

5 Mamela ny olana hitranga i Jehovah. Tsy manao ratsy mihitsy izy na mitsapa antsika amin’ny zava-dratsy. (Jak. 1:13) Nanoratra anefa i Solomona Mpanjaka hoe “asan’ilay tena Andriamanitra” ny “andro isian’ny loza.” (Vakio ny Mpitoriteny 7:13, 14.) Tsy te hilaza akory izy hoe i Jehovah no mahatonga ny olana hitranga fa mamela an’ilay izy hitranga fotsiny Izy. Nanome torohevitra tsara ho antsika i Solomona mba hananantsika fomba fijery mety rehefa miatrika olana. Voalohany, mila manaiky ny zava-misy isika. Tsy hoe mihiratra foana akory ny andro eto amin’ny tontolon’i Satana, fa misy koa ny andro manjombona. Rehefa mba mihiratra kosa ny andro, dia isaory i Jehovah noho izy tsara toetra, ary raiso ho fanomezana avy aminy ilay izy. Faharoa, nampahatsiahy antsika i Solomona hoe tsy fantatsika na ho tsara na ho ratsy ny zavatra hitranga amin’ny andro tsirairay. Samy tratran’ny sampona mantsy na ny marina na ny tsy marina.

Sary: Lehilahy iray ao an-tanimboliny. Misy fotoana mihiratra ny androny, dia misy fotoana manjombona. 1. Vokatra ny voatabihany, dia falifaly izy mioty voatabiha masaka. 2. Tsy vanona ny voatabihany, dia kivy izy mijery an’ilay voatabiha lo.

Mila ekentsika fa tsy hoe handeha tsara foana akory ny fiainana eto amin’ny tontolon’i Satana (Fehintsoratra 5)


6. Inona no mety hahatonga an’i Jehovah hamela antsika hiatrika olana? (Hebreo 12:7, 11)

6 Tian’i Jehovah hiantehitra aminy isika fa tsy hiantehitra amin’ny tenantsika. Tsy miafina aminy ny olana mahazo antsika sady hanampy antsika foana izy. Marina hoe mety havelany ‘hamakivaky lohasaha maizim-pito’ isika. Mbola mitari-dalana antsika foana anefa izy sady omeny toky isika hoe tiany ary omeny hery hiaretana. (Sal. 23:4) Lasa hitantsika koa ny fahalementsika rehefa miatrika olana isika. Ampian’i Jehovah hanatsara ny toetrantsika isika amin’izay. (Vakio ny Hebreo 12:7, 11.) Mbola nila niezaka nanetry tena kokoa, ohatra, i Joba. Marina hoe tsy avy amin’i Jehovah ny olana nahazo azy. Navelan’i Jehovah hitranga anefa ilay izy ary nohararaotiny mba hampianarana azy lesona sarobidy. (Joba 42:1-6) Fantatsika hoe na inona na inona olana mahazo antsika, dia tsy havelan’i Jehovah hijanona eo mandrakizay izany. ‘Hivoaka ho mpandresy tanteraka’ isika raha miaritra sady tsy mivadika.​—Rom. 8:35-39.

7. Nahoana ianao no afaka ny ho faly na dia enjehina noho ny finoanao aza?

7 Afaka ny ho faly isika na dia enjehina aza. Raha enjehina noho ny finoanao ianao, dia aza mieritreritra hoe tsy mitahy anao intsony i Jehovah. Izany aza no manaporofo fa mankasitraka anao izy. (Mat. 5:10-12) Raha manana fomba fijery tsara ianao, dia mbola hahatsapa hoe misy vidiny na dia enjehina noho ny finoanao aza. Afaka ny ho faly hoatran’ny apostoly koa ianao. (Asa. 5:40-42) Ankoatra izany, dia mety ho afaka hanampy olona tsy Vavolombelona ianao mba hianatra ny fahamarinana sy “hanome voninahitra an’Andriamanitra.” (1 Pet. 2:12) Afaka ny hahomby hoatran’i Josefa ianao na dia mbola eo aza ilay fitsapana, fa tsy voatery hiandry an’ilay izy ho tapitra.​—Gen. 39:3, 23.

8. Inona koa no handrisika antsika hiaritra?

8 Tsy maintsy hifarana ny olana atrehintsika. Hita amin’ny tantaran’i Joba hoe mbola hifarana ny olana mahazo antsika. ‘Notahin’i Jehovah mantsy ireo taona faramparany niainany.’ (Joba 42:12) Hitahy antsika koa i Jehovah ao amin’ny tontolo vaovao. Fohy sady feno fahoriana ny fiainantsika amin’izao raha oharina amin’ilay fiainana mandrakizay hankafizintsika amin’ny hoavy. Tsy mandrisika anao hiaritra hatramin’ny farany ve izany?​—Mat. 24:13.

MISY VOKANY RATSY NY FOMBA FIJERY TSY METY

9. Nahoana no misy vokany ratsy ny fomba fijery tsy mety?

9 Na inona na inona olana mahazo antsika, dia vao mainka ho mafy amintsika izany raha tsy manana fomba fijery tsara isika. Mety hieritreritra, ohatra, isika hoe i Jehovah no nahatonga an’ilay izy. Nisy fotoana izao i Joba nieritreritra hoe i Jehovah no nahatonga ny olana nahazo azy, dia lasa te hanaporofo izy hoe “izy no marina fa tsy Andriamanitra.” (Joba 32:2) Nanome tsiny an’i Jehovah koa i Naomy tamin’ny olana nahazo azy. (Rota 1:13, 20, 21) Soa fa tonga saina i Joba sy Naomy, raha tsy izany dia simba ny fifandraisan-dry zareo tamin’i Jehovah. (Ohab. 19:3) Nampian’i Jehovah ry zareo hanitsy ny fomba fijeriny, dia notahiny satria tsy nivadika.

10. Inona no mety hampiady saina anao rehefa miatrika olana ianao?

10 Na dia tsy mieritreritra aza isika hoe avy amin’i Jehovah ny olana mahazo antsika, dia mety hanomboka hisalasala isika raha mbola miahy antsika izy. Mety hahakivy izany. (Ohab. 24:10) Samy niatrika olana, ohatra, i Davida Mpanjaka sy Habakoka mpaminany, dia nisy fotoana ry zareo nisalasala raha nihaino ny antso vonjy nataon-dry zareo i Jehovah na tsia. (Sal. 10:1; Hab. 1:2) Na izany aza, dia nivavaka foana ry zareo. Nanome toky an’ireo mpanompony tsy nivadika ireo i Jehovah hoe hanampy an-dry zareo izy, dia hanao hoatr’izany koa izy aminao.​—Sal. 10:17.

11. Inona no mety hitranga raha tsy manana fomba fijery tsara isika rehefa misy olana?

11 Raha tsy manana fomba fijery tsara isika, dia mety ho tampoka amintsika ny olana. Mety hieritreritra aza isika hoe tsy tokony ho tratran’izany. (1 Pet. 4:12) Tsy neken’ny sain’ny mpianatr’i Jesosy hoe henjehina sy hovonoina i Jesosy. (Lioka 18:33, 34) Na dia efa nolazain’i Jesosy mazava tsara aza hoe inona no hanjo azy, dia tsy tena nino an’izany ny apostoly Petera. Fantatr’i Jesosy hoe raha hoatran’ny an’i Petera ny fomba fisainany, dia tsy hahavita hanao ny sitrapon’i Jehovah izy. Noteneniny mafy àry i Petera. (Mar. 8:31-33) Na dia efa taorian’ny nahafatesan’i Jesosy aza, dia mbola ela ny mpianany vao nahatakatra ny zava-nitranga. Nanampy an-dry zareo foana anefa i Jesosy. Rehefa avy nitsangana tamin’ny maty izy, dia ‘nanazava tsara ny Soratra Masina tamin’izy ireo’ mba ho azon-dry zareo hoe nahoana izy no tsy maintsy nijaly. (Lioka 24:25-27, 32, 44-48) Rehefa nisaintsaina an’izay nampianarin’i Jesosy ry zareo, dia lasa vonona ny hiatrika ny fanenjehana nihatra taminy tatỳ aoriana. Saintsaino foana àry hoe inona no lazain’ny Baiboly momba ny fanenjehana sy ny olana, mba ho vonona hiatrika azy ireny ianao.

12. Inona no mety ho tsapantsika raha tsy araka ny tena izy ny fahitantsika ny olana mahazo antsika?

12 Raha tsy araka ny tena izy ny fahitantsika ny olana mahazo antsika, dia mety hieritreritra isika hoe tsy rariny ilay izy na hoe mafy loatra nefa tsy tena izay akory. Niresaka fomba iray mety hitrangan’izany i Jesosy rehefa nilaza an’ilay fanoharana momba ny mpiasan’ny tanimboaloboka. Nalahelo ny sasany tamin-dry zareo satria tsy ara-drariny, hono, ny karamany. Izao anefa no nolazain’ny tompony tamin’ny iray tamin-dry zareo: “Tsy manao ny tsy rariny aminao aho ka!” (Mat. 20:10-13) Tsy hoe nanao ny tsy rariny ilay mpampiasa fa ry zareo no diso hevitra. Misy mpanompon’i Jehovah mahatsapa hoatr’izany koa amin’izao, rehefa misy tombontsoam-panompoana tsy azony na nesorina taminy. Inona àry no azontsika atao mba hitovy amin’ny an’i Jehovah ny fahitantsika ny olana mitranga?

INONA NO AZONTSIKA ATAO REHEFA MIATRIKA OLANA ISIKA?

13. Inona no mety hitranga rehefa isika no miatrika olana?

13 Hainao tsara angamba ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly miresaka momba ny fijaliana. Mety ho efa nampiasa azy ireny aza ianao mba hanampiana ny hafa hiatrika olana. Rehefa ianao anefa no miatrika olana, dia mety ho sarotra aminao ny hanana ny fomba fijerin’i Jehovah an’ilay izy. Mety hieritreritra, ohatra, ianao hoe sazin’i Jehovah, na tsy henoiny ny vavaka ataonao. Inona no azonao atao raha lasa mieritreritra hoatr’izany ianao?

14. Inona no azonao angatahina amin’ny vavaka rehefa miatrika olana ianao? (Filipianina 4:13)

14 Mangataha fanampiana amin’i Jehovah. Resaho amin’i Jehovah ny olana mahazo anao sy izay tsapanao momba an’ilay izy. Resaho aminy mazava tsara hoe ahoana no tianao hanampiany anao. Afaka mangataka fanahy masina aminy koa ianao mba hahazoana hery sy fahendrena hiaretana. Tadidio anefa hoe tsy voatery ho araka ny noeritreretinao ny fomba amalian’i Jehovah ny vavaka ataonao. (Efes. 3:20) Mety haniraka anjely na mpiara-manompo hanohana anao, ohatra, izy. (Sal. 34:7) Ekeo àry izay fanampiana omeny. Matokia hoe mifanentana amin’ny olana mahazo anao ny habetsahan’ny fanahy masina omeny anao.​—Vakio ny Filipianina 4:13.

15. Inona no hanampy anao hiaritra rehefa misy olana? (Jereo koa ny sary.)

15 Tohizo foana ny fahazarana ara-panahy. Ataovy foana izay azonao atao na dia tsy mitovy amin’ny vitanao taloha aza. Mila fenoinao ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny sainao, indrindra rehefa “azom-pahoriana sy miatrika zava-tsarotra” ianao. (Sal. 119:143) Miezaha foana mamaky Baiboly tsy tapaka sy mianatra azy io ary misaintsaina an’izay vakinao. Miezaha koa hanompo araka izay vitanao. Mazotoa mivory sy mandray anjara amin’izany, ary miaraha foana amin’ny mpiara-manompo fa aza mitokantokana.​—Ohab. 18:1.

Marary any amin’ny hopitaly ny rahalahy iray. Manatrika ny Fianarana “Tilikambo Fiambenana” amin’ny “vidéoconférence” izy, dia manaraka amin’ny gazetiny sy ny Baiboliny.

Miezaha mba tsy hanapatapaka ny fahazarana ara-panahy (Fehintsoratra 15)


16. Inona ny hevi-diso mety ho tonga ao an-tsainao rehefa miatrika olana ianao, ary ahoana no hanitsiana an’izany? (2 Korintianina 10:4, 5)

16 Ampiasao ny Baiboly mba hanitsiana hevi-diso. Rehefa mitranga ny olana, dia mety hoe mila mandrava hevitra “efa mafy orina” ianao, anisan’izany ny hevi-diso momba ny tenanao na momba an’i Jehovah. (Vakio ny 2 Korintianina 10:4, 5.) Afaka manampy anao ny ‘fahalalana an’Andriamanitra’ hita ao amin’ny Baiboly sy ao amin’ny boky sy gazety navoakan’ny fandaminana. Mihevitra ve, ohatra, ianao hoe tsy mankasitraka anao intsony i Jehovah? Raha izany, dia ianaro ny tantaran’ny apostoly Paoly. Niatrika olana faran’izay mafy izy nandritra ny fanompoany. Ireny anefa no vao mainka nandresy lahatra azy hoe mpanompon’i Kristy izy ary nankasitrahany. (2 Kor. 11:23-27) Mieritreritra ve ianao hoe tsy tena namela ny fahadisoanao i Jehovah? Raha izany dia ataovy lisitra ny andinin-teny mampiseho hoe mamela heloka izy. (Isaia 43:25) Vakio ireny andinin-teny ireny avy eo, dia saintsaino. (Sal. 119:97) Nisy loza nitranga ve ka lasa nieritreritra ianao hoe tsy miaro ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah? Manaova fikarohana momba ny hoe nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana, sy hoe ahoana no hiarovany ny fifandraisantsika aminy na inona na inona mitranga. (Sal. 91:9-12) Mamakia koa tantarana rahalahy sy anabavy nahavita niatrika ny mafy.a

17. Inona no tokony hataontsika rehefa miatrika olana isika?

17 Rehefa mba sendra andro tsara ianao, izany hoe tsy misy zava-tsarotra, dia misaora an’i Jehovah. Hararaoty koa izany mba hisaintsainana an’ireo zavatra tsara nomeny anao. (Mpito. 7:14) Rehefa mitranga anefa ny olana, dia miezaha hanana fomba fijery tsara ary matokia foana an’i Jehovah. Raha izay no ataonao dia hasian’i Jehovah ‘lalan-kivoahana mba hahazakanao an’izany.’ (1 Kor. 10:13) Ahoana kosa no hanampiantsika ny mpiara-manompo rehefa miatrika olana ry zareo? Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Inona no hanampy antsika hanana fomba fijery tsara rehefa miatrika olana isika?

  • Nahoana no misy vokany ratsy ny fomba fijery tsy mety?

  • Inona no azontsika atao rehefa mitranga ny olana?

HIRA 150 Mitadiava An’i Jehovah mba ho Voavonjy

a Jereo ao amin’ny jw.org, ohatra, ilay tantaram-piainana hoe “Nanjombona ny Fiainan’ilay Fianakaviana Kanefa Tafarina Ihany Izy Ireo.” Tantaraina ao hoe inona no nanampy ny Rahalahy David Maza sy ny fianakaviany rehefa maty tampoka ny zanany lahy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara