11-17 MEY 2026
HIRA 7 Jehovah, Herinay sy Tanjakay
Matokia An’ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao
I Jehovah “no Avo Indrindra manerana ny tany manontolo!”—SAL. 83:18.
HEVITRA HODINIHINA
Inona no hanampy antsika hatoky kokoa hoe i Jehovah no Mpanjakan’izao Rehetra Izao? Ary nahoana isika no afaka matoky fa hanampy antsika hiatrika olana izy dieny izao sy amin’ny hoavy?
1. Inona no nanjo an’i Joba?
MAFY ny nanjo an’i Joba, ilay lehilahy nanam-pinoana fahiny. Maty daholo ny zanany, fongana ny fananany, ary narary mafy izy. Tsy nohajain’ny olona intsony koa izy. Nisy olona niseho ho namany mba tonga nitsidika azy, nefa tsy nampahery akory ny ankamaroan’ny zavatra nolazain-dry zareo. Na ny vady malalany aza lasa kivy be ka niteny taminy hoe: “Manozòna an’Andriamanitra, dia aleo ianao maty!” (Joba 2:9; 15:4, 5; 19:1-3) Inona no mety ho vokatr’izany rehetra izany tamin’i Joba? Tsy natoky an’ilay tena Andriamanitra intsony ve izy? Nieritreritra ve izy hoe tsy miaro an’ireo tia sy manompo azy i Jehovah?
2-3. Inona no mety hoeritreretintsika rehefa mijaly isika, ary inona no ianarantsika avy amin’ny bokin’i Joba?
2 Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora atrehina” isika izao, ka mety hiatrika ny mafy koa indraindray. (2 Tim. 3:1) Mety hahatonga antsika tsy hatoky an’i Jehovah intsony izany. Rehefa misesisesy ny olana mahazo antsika dia mety ho kivy be isika, ka lasa hieritreritra hoe tsy hisy masoandro hihiratra intsony. Nisy mihitsy aza lasa saina hoe mba tena miahy azy ve i Jehovah.
3 Aza kivy raha efa nahatsapa hoatr’izany ianao. Hitan’i Joba hoe tsy mahafoy an’izay tsy mivadika aminy i Jehovah. Afaka ny hatoky tanteraka an’ilay Raintsika any an-danitra hoatr’izany koa isika. Mba hahavitantsika an’izany, dia handinika ny bokin’i Joba isika ary hojerentsika hoe nahoana izy io no manome toky an’ireto: 1) I Jehovah irery no Mpanjakan’izao rehetra izao. 2) Afaka mifehy ny zava-mitranga eran-tany ilay Andriamanitra mahery indrindra, mba ho azo antoka hoe ho tanteraka ny fikasany, ho voaro ny fifandraisantsika aminy, ary tsy haharitra mandrakizay ny fijaliantsika.
TONGA TEO KOA I SATANA
4. Iza no resahin’ny bokin’i Joba hoe nanatrika an’ilay fivoriana natao tany an-danitra?
4 Nivory teo anatrehan’i Jehovah tany an-danitra ‘ireo zanany’, indray andro, “dia mba tonga niaraka tamin’izy ireo teo koa i Satana.” (Joba 1:6) Eo no ahitana voalohany an’ilay anarana hoe “Satana” ao amin’ny Baiboly. Midika hoe “Mpanohitra” izy io, satria izy no fahavalon’i Jehovah lehibe indrindra. Efa nivadika tamin’Andriamanitra i Satana tamin’io. Lasa fahavalon’i Jehovah àry izy sady lasa fahavalon’ny fianakaviany any an-danitra sy eto an-tany. Araka ny Genesisy 3:15, dia tsy anisan’ny fianakavian’i Jehovah ara-panahy intsony i Satana, izany hoe tsy anisan’ilay “vehivavy” hipoiran’ilay ‘taranaka.’
5. Inona no ianarantsika avy amin’ilay resaka nifanaovan’i Jehovah sy Satana nandritra an’ilay fivoriana tany an-danitra?
5 Tian’i Jehovah ho fantatsika izay nitranga nandritra an’io fivoriana tany an-danitra io, dia nasainy nosoratana tao amin’ny Baiboly ilay izy. Hita tamin’ny tenin’i Satana hoe mpanendrikendrika sy ratsy fanahy izy. (Joba 1:9; ampitahao amin’ny Apokalypsy 12:10.) Manome toky antsika io zava-nitranga tany an-danitra io fa na manana fahefana fara tampony aza i Jehovah dia manao ny rariny foana izy. Hita avy amin’izy iny koa hoe ilay Mahery Indrindra no mamaritra an’izay azon’ny zavaboariny atao.
NOFERAN’I JEHOVAH NY ZAVATRA AZON’I SATANA NATAO
6. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe izy no nifehy an’ilay fivoriana tany an-danitra? (Joba 1:7, 8)
6 Vakio ny Joba 1:7, 8. I Jehovah no niteny voalohany, dia nanontaniany i Satana hoe: “Efa nandinika an’i Joba mpanompoko ve ianao?” Matoa izy no nanomboka an’ilay resaka, dia midika izany hoe izy no nifehy an’ilay fivoriana, ary fantany izay tian’i Satana hatao. Andao hojerentsika hoe ahoana no nampiasan’i Jehovah ny heriny mba hanampiana an’i Joba.
7. Inona no antony anompoan’ny olona an’i Jehovah, araka ny hevitr’i Satana? (Joba 1:10, 11)
7 Vakio ny Joba 1:10, 11. Mpanjakan’izao rehetra izao i Jehovah sady mahery indrindra. Afaka mampiasa ny fahefany sy ny heriny izy mba hanatanterahana an’izay tiany. Fantany foana koa izay tena mety amin’ny toe-javatra tsirairay. (Jer. 32:17; Dan. 4:35) Nilaza anefa i Satana hoe tsy nampiasa ny heriny sy ny fahefany araka ny tokony ho izy i Jehovah. Nilaza mihitsy aza izy fa notambatambazan’Andriamanitra ny olona mba hanompo azy, dia anisan’izany i Joba. Nolazainy koa hoe fitadiavana tombontsoa fotsiny no anompoan’ny olona an’i Jehovah. Dia ahoana no nataon’i Jehovah?
8-9. Ahoana no ahitana hoe noferan’i Jehovah izay azon’i Satana natao? Nahoana izy no nanao an’izany? (Joba 1:12) (Jereo koa ny sary.)
8 Vakio ny Joba 1:12. Navelan’i Jehovah hitsapa an’i Joba ny Devoly, nefa nasiany fetrany izany. Nolazain’Andriamanitra mazava tsara taminy hoe: “[I Joba] fotsiny no aza asiana!” Teo anatrehan’izay rehetra nanatrika an’ilay fivoriana i Jehovah no niteny hoe misy fetrany ny azon’i Satana atao. Tsy nanan-tsafidy i Satana fa tsy maintsy nankatò. Mbola hoatr’izany koa amin’izao. Nampiasa ny fahefany sy ny heriny àry i Jehovah mba hiarovana ny lazany sy hiarovana an’i Joba.
9 Tena tsy nahomby ny tetik’i Satana. Mbola tsy nivadika tamin’ilay Rainy any an-danitra foana mantsy i Joba. (Joba 1:22) Mbola te hiala nenina anefa ilay Mpanohitra.
Navelan’i Jehovah haneho ny heviny teo anatrehan’ny anjely hafa i Satana (Fehintsoratra 8-9)
10. Nahoana i Jehovah no mbola namela an’i Satana hampijaly an’i Joba? (Joba 2:2-6)
10 Vakio ny Joba 2:2-6. Nataon’i Satana mafy kokoa ny fanafihany manaraka, amin’izay i Joba mivadika. Nilaza izy fa hanozona an’Andriamanitra, hono, i Joba mba hiarovana ny ainy. Dia inona no nataon’i Jehovah? Navelany hampijaly an’io lehilahy tsy nivadika io ny Devoly. Mbola noferan’i Jehovah ihany anefa ny zavatra azon’i Satana natao. Hoy izy: “Ny ainy ... no aza esorina!” Tsy nanan-tsafidy i Satana fa tsy maintsy nankatò an’izany. Nasehon’i Jehovah indray àry hoe izy no manana ny fahefana ambony indrindra, satria izy no nametra an’izay azon’i Satana natao, dia tsy afaka nandika an’izany i Satana.
NOFARANAN’I JEHOVAH NY FAHORIAN’I JOBA
11. Rehefa avy namarana ny fahorian’i Joba i Jehovah, dia inona ny valisoa nomeny azy? (Joba 42:10-13)
11 Vakio ny Joba 42:10-13. Rehefa niharihary hoe tsy nivadika i Joba, dia tsy navelan’i Jehovah hampijaly azy intsony i Satana. Nanao zavatra i Jehovah mba hamaranana ny fijalian’ilay mpanompony tsy mivadika. Mbola tsy afaka nanohitra ny fanapahan-kevitr’i Jehovah indray ilay Mpanohitra teo. Tsy navelan’i Jehovah hampijaly an’ilay mpanompo malalany intsony i Satana.
12. Inona no hataon’i Jehovah amin’ireo mpanompony matoky fa mahavita mamonjy izy? Manomeza ohatra.
12 Be dia be ny Vavolombelona novonjen’i Jehovah nandritra ny andro farany. Hoatr’izany izao tamin’ny 1945. Nisy Vavolombelon’i Jehovah 230 noteren’ny miaramila alemà hanao dia an-tongotra niainga avy teo amin’ny toby fitanana iray ka hatrany an-dranomasina mba hovonoina. Tafavoaka velona daholo anefa ry zareo. Izao no nosoratany: “Ela ny ela ka nifarana ihany ilay fitsapana nangidy. Hoatran’ny hoe navotana avy tao amin’ny farihy misy afo mivaivay ireo tsy maty tamin’izy iny, ka na fofon’afo aza tsy heno taminy. ... Nahazo hery avy tamin’i Jehovah kosa ry zareo, ka vao mainka natanjaka ny finoany.” Izao koa no nolazain-dry zareo: “Tokana ihany ny fanirianay ... rehefa avy novonjena avy tao an-davaky ny liona izahay. Tianay raha mba afaka manompo an’i Jehovah ... mandrakizay izahay. Tena efa valisoa lehibe izany aminay.”—Ampitahao amin’ny Daniela 3:27; 6:22.
13. Inona no toky anananao rehefa miatrika fitsapana ianao? (Jereo koa ny sary.)
13 Mafy be koa angamba ny fiainantsika ka hoatran’ny hoe atsipy ao an-davaky ny liona isika. (1 Pet. 5:8-10) Mety ho torotoro fo isika indraindray, ary ho lasa saina raha hisy farany ihany ny fitsapana mahazo antsika. Manampy antsika ny misaintsaina ny zavatra niainan’i Joba rehefa hoatr’izany. Afaka matoky tanteraka isika hoe mahavita mamarana ny fijaliantsika i Jehovah, na amin’izao izany na ao amin’ilay tontolo vaovao ho avy. Efa nofaritan’i Jehovah mialoha ny fotoana hamaranany an’izao tontolo ratsy izao, ary tsy havelany hihoatra izany na dia iray andro aza.
Hamarana ny fijalian’ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah (Fehintsoratra 13)
TIAN’I JEHOVAH NY MPANOMPONY TSY MIVADIKA
14-15. Inona no hataon’i Jehovah amin’ireo mpanompony tsy mivadika, ary nahoana? (Joba 14:15) (Jereo koa ny sary.)
14 Vakio ny Joba 14:15. Manana fifandraisana miavaka amin’ireo tsy mivadika aminy ilay Raintsika any an-danitra. Sarobidy be aminy ry zareo, ka na sanatria maty aza dia hatsangany indray. Hiova ho fifaliana ilay fahoriana vokatry ny fahafatesana.—Isaia 65:17.
15 Mbola niaina teo amin’ny tontolo ratsin’i Satana i Joba, taorian’ilay fitsapana nahazo azy. Resahin’ny Baiboly anefa hoe nomen’i Jehovah valisoa miavaka izy. Nositraniny i Joba, ary nomeny zavatra tsara be dia be mihoatra noho izay nananany teo aloha. Vao santionany fotsiny amin’ny zavatra hataon’i Jehovah ho an’i Joba amin’ny hoavy ireo fitahiana rehetra ireo. Nasehon’i Jehovah fa tiany ho sambatra sy hankafy fiainana ny mpanompony tsy mivadika. Raha ny marina aza, dia avelan’i Jehovah hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany izay rehetra tsy mivadika aminy. (Apok. 21:3, 4) I Jehovah no Mpanjakan’izao rehetra izao, ary efa faniriany ny hanao an’izany. Tena mampionona antsika ny misaintsaina an’izany rehefa miatrika olana isika.
Nahazo fitahiana be dia be avy tamin’i Jehovah i Joba sy ny vadiny, taorian’ilay fitsapana (Fehintsoratra 14-15)
16. Inona koa no mahatonga antsika hatoky hoe i Jehovah no Mpanjakan’izao rehetra izao?
16 Mbola maty ihany i Joba na dia nataon’i Jehovah ela velona aza. Mpanjakan’izao rehetra izao sady Mahery Indrindra anefa i Jehovah, ka na hatramin’ny fahafatesana aza ananany fahefana. (Deot. 32:39) Efa nifidy fotoana izy hananganana an’ireo izay akaikin’ny fony, ka tsy misy afaka manakana azy amin’izany.—Rom. 8:38, 39.
MATOKIA TANTERAKA AN’I JEHOVAH
17. Inona no mampiseho hoe tsy nahomby ny tetik’i Satana hamongotra ny vahoakan’i Jehovah?
17 Betsaka ny porofo hitantsika tao amin’ny bokin’i Joba fa azo itokisana tanteraka i Jehovah. Tena faly isika hoe tsy navelan’i Jehovah hamongotra ny vahoakany i Satana. Sivy tapitrisa eo ho eo izao ny mpanompony tsy mivadika aminy. Porofo mivaingana izany hoe izy no Mpanjakan’izao rehetra izao. Imbetsaka isika no nahita fa tsy nisy nahomby izay fiadiana namboarina hamelezana ny mpanompon’i Jehovah. (Isaia 54:17) Tsy nahavita nanorotoro antsika ny mpitondra fanjakana matanjaka sy ny mpitondra fivavahana, na dia hoatran’ny atody miady amam-bato aza isika eo anatrehan-dry zareo. Tsy misy mahavita misakana antsika tsy hitory ny fahamarinana momba an’i Jehovah sy hampiseho hoe mpandainga sy mpanompo olona i Satana. Na ny fahafatesana aza tsy mahasakana antsika, satria hatsangan’i Jehovah izay tsy nivadika nefa maty.—Hosea 13:14.
18. Nahoana isika no tsy matahotra an’izay hitranga amin’ny hoavy?
18 Hatoky kokoa isika hoe ho vitantsika ny hiatrika ny hoavy rehefa misaintsaina ny tantaran’i Joba. Hoatran’ny hoe tsy misy mpiaro ny mpanompon’i Jehovah mandritra ny fahoriana lehibe, dia hanafika an-dry zareo i Satana sy ny mpomba azy. Hoatran’ny tamin’ny andron’i Joba anefa, dia hasehon’i Jehovah hoe izy no manam-pahefana ambony indrindra ka tsy havelany hampijaly ny vahoakany mandrakizay i Satana. Tsy ho ela izy dia hamarana ny fijaliana vokatry ny nataon’i Satana. Hohidiana ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka mandritra ny 1 000 taona ny Devoly sy ny demoniany. (Lioka 8:31; Apok. 20:1-3) Ho ringana mandrakizay i Satana sy izay rehetra miandany aminy amin’ny farany. (Apok. 20:10) Efa nilaza mantsy i Jehovah fa hotorotoroina ny lohan’i Satana. Ho vita tanteraka ny aminy!—Gen. 3:15; Rom. 16:20.
19. Inona ny valisoa miandry an’izay matoky tanteraka an’i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)
19 Tsy andrintsika ny tontolo vaovao satria amin’izay isika ho lavorary sady tena ho sambatra. Ho tsara lavitra noho izay eritreretintsika ny fiainana amin’izany. Mampanantena i Jehovah hoe: “Ataoko vaovao ny zava-drehetra.” (Apok. 21:5) Inona no dikan’izany? Sambany, taorian’izay nitranga tany Edena, vao tsy hampijaly sy tsy hitarika ny olona hanao ratsy intsony i Satana sy ny demoniany. Izay isika vao ho maivamaivana tanteraka. Tsy hanana olana amin’ny resaka torimaso ianao, satria tsy hisy intsony ny zavatra mampanahy. Maro ny fahagagana ho hitan’ireo ho tafavoaka velona amin’ny Aramagedona. Tsy hisy intsony ny aretina, ary hatsangana ireo havantsika nodimandry. Hiadana sy hankafy fiainana isika amin’izay, araka ny efa fikasan’ilay Raintsika any an-danitra ho antsika.
Hahazo fitahiana be dia be avy amin’i Jehovah ireo mpanompony niaritra fitsapana taloha, nefa tsy nivadika (Fehintsoratra 19)
20. Tapa-kevitra hanao inona ianao?
20 Enga anie isika ho tapa-kevitra ny hatoky tanteraka an’i Jehovah sy hanohana ny zony hitondra, n’inona n’inona fitsapana mbola hatrehintsika amin’izao andro farany izao. Andao hasehontsika foana hoe tiantsika ilay Raintsika any an-danitra ary hoporofointsika fa diso i Satana. Afaka matoky isika hoe ho tsara be ny hoavy rehefa mitondra i Jehovah, ilay Mpanjakan’izao rehetra izao. Efa tsy andriny mantsy ny hamaly soa ny mpanompony tsy mivadika aminy.
HIRA 153 Omeo Herim-po Aho