FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Aprily p. 2-7
  • Nampiofanin’i Jehovah Aho Hatramin’izaho Mbola Tanora

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nampiofanin’i Jehovah Aho Hatramin’izaho Mbola Tanora
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NITOHY NY FAMPIOFANANA
  • MAHAFALY NY ASAN’NY MPISAVA LALANA
  • LASA TANY SÉNÉGAL
  • NANAO MPISAVA LALANA TANY NOUVEAU-BRUNSWICK SY QUÉBEC
  • TSY HADINONAY MIHITSY IREO MPIARA-MANOMPO MIASA MAFY
  • NIANATRA AVY TAMIN’IREO RAHALAHY TSY NIVADIKA AHO
  • NIFINDRA TETO ETAZONIA IZAHAY
  • Notahin’i Jehovah Aho Satria Nandray Lesona avy Tamin’ny Olon-kafa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Nitodika tany amin’ilay Loharanon’ny tena rariny izahay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Nahazo Fitahiana Aho Satria Nisy Niahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Ampiofanin’i Jehovah ny Mpitory Ilay Fanjakana
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Aprily p. 2-7
Rahalahy David Splane miasa ao amin’ny biraony.

TANTARAM-PIAINANA

Nampiofanin’i Jehovah Aho Hatramin’izaho Mbola Tanora

NOTANTARAIN’I DAVID SPLANE

NOJEREKO tsara ilay taratasy nomen’ilay rahalahy ahy. Izao no voalaza tao: “David Splane, 8 Aprily 1953: ‘Torio hoe Akaiky ny Fara Andro.’” Nanontaniako ilay rahalahy hoe: “Fa inona ity?” Dia hoy izy: “Lahateninao amin’ny Sekolin’ny Fanompoanaa iny.” Dia namaly aho hoe: “Izaho aza tsy nisoratra anarana tamin’izany ko!”

Aleo aloha atombotsika hatramin’ny voalohany e! Teraka tany Calgary, any Kanada aho, nandritra ny Ady Lehibe II. Nandondòna tao aminay ilay mpisava lalana tanora atao hoe Donald Fraser taloha kelin’ny 1950. Nanaiky hianatra Baiboly i Neny tamin’izay. Tena tiany ny fahamarinana fa voafetra ny zavatra vitany noho ny aretiny. Nandroso ihany anefa izy ary natao batisa tamin’ny 1950. Nampalahelo fa maty izy tsy ampy roa taona taorian’izay. Mbola tsy Vavolombelona i Dada tamin’izany nefa ny mpiara-manompo no navelany hanao ny lahatenim-pandevenana.

Nanasa ahy hivory ny anabavy be taona iray atao hoe Alice andro vitsivitsy taorian’ny fandevenana. Voahosotra izy io. Efa hitany namonjy fivoriana faran’ny herinandro niaraka tamin’i Neny mantsy aho, rehefa ilay natanjatanjaka iny i Neny ka afaka nandeha. Niera tamin’i Dada aho aloha. Nanaiky izy dia niaraka tamiko koa satria te hisaotra an’ilay rahalahy nanao ny lahatenim-pandevenana. Nieritreritra izy hoe tamin’io “ihany” izy no ho any. Sekolin’ny Fanompoana sy Fivoriana Momba ny Fanompoana no natao tamin’io hariva io. Nety be tamin’i Dada io fivoriana natrehiny voalohany io. Nianatra nikabary mantsy izy dia nahaliana be azy ny zavatra henony tao. Nanapa-kevitra izy hoe hanatrika an’io fivoriana io foana isan-kerinandro. Lasa nanatrika fivoriana hafa koa izy tatỳ aoriana.

Rehefa hanomboka ny fivoriana ny mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana tamin’izany, dia notononiny daholo ny anaran’izay nisoratra anarana tamin’ilay sekoly. Izay voatonona anarana dia namaly hoe “tonga.” Indray andro izay aho niteny hoe tiako raha mba tononina koa ny anarako amin’ny fivoriana manaraka. Nidera ahy ilay rahalahy fa tsy nanontany akory raha azoko tsara ny dikan’izany.

Tsy haiko akory hoe nanolo-tena hanao sekoly aho tamin’izany! Tiako fotsiny raha mba voatonona ny anarako. Notononina tokoa ny anarako ny herinandro nanaraka, dia falifaly erỳ aho namaly hoe “tonga.” Faly daholo ny olona niarahaba ahy taorian’ilay fivoriana. Herinandro vitsivitsy taorian’izay no nitranga ilay noresahiko terỳ aloha.

Natahotra be aho! Nila nanao lahateny enina ka hatramin’ny valo minitra mantsy ny rahalahy tamin’izany. Tsy nisy an’izany anjara hoe mamaky Baiboly fotsiny izany. Nanampy ahy hanomana an’ilay lahateny i Dada, dia efa impolo kely aho no nasainy namerimberina an’ilay izy. Nahazo torohevitra tsara avy amin’ny mpiandraikitra ny sekoly aho taorian’ilay anjara. Nampiofana ahy foana i Jehovah nandritra ny taona maro, ka nampiasa an’i Dada, ireo rahalahy sy anabavy ampy traikefa, ary ny fandaminana.

NITOHY NY FAMPIOFANANA

I Alice, ilay noresahiko terỳ aloha, no nampiofana ahy tamin’izaho vao nanomboka nitory. Nasaina namaky andinin-teny telo ny mpitory tamin’izany, izay vao nanolotra boky. Rehefa anjarako no niteny, dia i Alice no nanombo-dresaka sy nampahafantatra ny tenany, dia avy eo nasainy novakiko ny andinin-teny voalohany. Notohizako ny resaka avy eo, dia novakiko ny andinin-teny faharoa sy fahatelo ary tamin’ny farany aho nanolotra boky. Lasa nahay nanombo-dresaka aho tatỳ aoriana. Natao batisa i Dada tamin’ny faramparan’ny taona 1954, dia izy indray no nampiofana ahy teny amin’ny fanompoana. Nanao izay azony natao izy mba hanampiana ahy ho tia an’i Jehovah, na dia izy irery aza no nitaiza ahy. Tsy nataony an-tsirambina mihitsy ny zavatra ara-panahy. Tsy nanapaka fivoriana mihitsy izahay, dia nandeha nanompo foana rehefa faran’ny herinandro.

Tsy tena nahay be aho tany am-pianarana. Nahasoa ahy anefa ny zavatra nianarako tany nandritra ny 12 taona. Lasa nahay nanao kajy, ohatra, aho sady lasa nahay fitsipi-pitenenana anglisy. Ilaiko be amin’ny fanendrena ahy amin’izao ny fianarana teny anglisy sy ny fianarana mamorona lahatsoratra nataoko tamin’izany. Miara-miasa amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana mantsy aho.

Matetika ny olona no manontany hoe maninona aho no tia mozika. Samy tia mozika i Dada sy Neny. Nianatra nitendry piano àry aho tamin’izaho fito taona. Hitan’ilay mpampianatra anefa hoe tsy nahay mihitsy aho, dia niteny tamin’i Dada izy hoe sao dia tokony hijanona aho. Tsy tena nazoto tamin’ilay izy mihitsy aloha aho tamin’izany e!

Nahita olon-kafa hampianatra ahy i Dada volana vitsivitsy tatỳ aoriana. Sady nianatra piano aho tamin’izany no nianatra nihira, dia tena nahay. Feo voalohany aho sady tsara feo, dia nandresy tamin’ny fifaninanana sasany. Nianatra mozika aho satria te ho lasa mpampianatra mozika, amin’izay misy vola hanaovako mpisava lalana. Rehefa akaiky ho vita anefa ny fianarako, dia hitako hoe ho lany fotoana be hiomanana ho amin’ny fanadinana aho. Najanoko àry ilay izy fa tonga dia nanao mpisava lalana aho tamin’ny 1963.

MAHAFALY NY ASAN’NY MPISAVA LALANA

Voatendry ho mpisava lalana manokana tany Kapuskasing, any Ontario, aho rehefa avy nanao mpisava lalana nandritra ny herintaona. I Daniel Skinner no namako tany, ary zokiko lavitra be izy. Nampianatra ahy zavatra be dia be momba ny fandaminana fiangonana izy. Voatendry ho anisan’ny Komitin’ny Fanompoan’ny Fiangonana aho tamin’izaho 20 taona, ka be dia be ny zavatra mbola nila nianarako. Tena faly be aho satria mampiofana tanora indray izao ny fandaminana. Azon’i Jehovah ampiasaina tsara izy ireny na dia mbola tanora kely aza, raha miezaka mafy.

Tsy mora ny nipetraka tany Kapuskasing. Nahatratra 44 degre ambanin’ny zero ny mari-pana rehefa ririnina, fa indraindray mba niakatra 33 degre ambanin’ny zero. Matetika anefa izahay sy Dan no nandeha an-tongotra. Na izany aza dia anisan’ny tena nahafaly ahy tany ny nihaona tamin’ilay anabavy atao hoe Linda Cole. Nivady izahay tatỳ aoriana.

Mpitory nafana fo i Linda, ary nanana fitsidihana nahafinaritra be dia be. Nalala-tanana izy, be fitiavana, ary tia nifandray tamin’ny olona. Allen sy Goldie no anaran’ny ray aman-dreniny. Anabavy tsy nivadika i Goldie, fa i Allen kosa nanohitra tamin’ny voalohany. Na izany aza, dia nentin’ny mamany nivory foana i Linda ary John sy Gordon anadahiny. Nampiofaniny teny amin’ny fanompoana koa ry zareo. Nisy fotoana tafaraka nanao mpisava lalana izy efa-mianaka. Nanaiky ny fahamarinana ihany i Allen taona maro tatỳ aoriana, ary nafana fo niaraka tamin’ny fiangonana.

Voasa hanatrika ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana aho tamin’ny 1965 mba handray fampiofanana fanampiny. Tao amin’ny Betelan’i Kanada ilay izy no natao ary naharitra iray volana. Nasaina hameno fangatahana hanatrika ny sekolin’i Gileada aho nandritra an’ilay fiofanana. Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe ho vitako izany hanao misionera izany, fa nofenoiko ihany ilay fangatahana. Voasa hanatrika ny kilasy faha-42 aho. Nahazo fanamarihana avy tamin’ny mpampianatra foana izahay tany Gileada. Nampirisihina hianatra zavatra betsaka momba ny fandaminana aho tamin’ny fanamarihana voalohany azoko. Tena nety be tamiko izany torohevitra izany satria izaho vao 21 taona.

Anisan’ny nianaranay tany Gileada ny fomba hifandraisana amin’ny mpiasan’ny radio sy tele ary ny mpanao gazety. Tena nahaliana ahy ilay izy. Tsy nampoiziko mihitsy hoe tena ilaina atỳ aoriana iny lesona iny. Mbola hohazavaiko izany ao aoriana kely ao.

LASA TANY SÉNÉGAL

Voatendry ho any Sénégal izaho sy Michael Höhle, dia nandeha nankany izahay andro vitsivitsy taorian’ny fizarana diplaoma. Zato teo ho eo ny mpitory tany tamin’izany.

Nasaina nanompo tany amin’ny biraon’ny sampana indray mandeha isan-kerinandro aho, volana maromaro tatỳ aoriana. Efitra iray tao amin’ny trano iray nipetrahan’ny misionera no “biraon’ny sampana” tamin’izany. I Emmanuel Paterakis no mpikarakara ny sampana. Nalentiny tao an-tsaiko hoe solontenan’ny fandaminan’i Jehovah ao amin’io tany io ny biraon’ny sampana, na dia tsotra kely aza. Nanapa-kevitra ny Rahalahy Paterakis, indray mandeha, hoe hanoratra taratasy fampaherezana ho an’ny misionera rehetra izahay. Sarotra tamin’izany ny nanao kopia taratasy sady lafo, dia nosoratana tsirairay tamin’ny milina fanoratana ilay izy. Asa be izany satria tsy tokony hisy diso na dia iray aza!

Rehefa niomana hody any aminay aho ny harivan’iny, dia nanome valopy ahy ny Rahalahy Paterakis. Izao no nolazainy: “David a! Intỳ misy taratasy ho anao avy tany amin’ny Fikambanana.” Rehefa nosokafako ilay izy, dia iray tamin’ireo taratasy nasaina nosoratako ihany no tao. Nianarako avy tamin’iny hoe mila manaja ny fandaminana foana aho, na kely na lehibe ny biraon’ny sampana eo an-toerana.

Rahalahy Splane miara-maka sary amin’ny rahalahy sy anabavy vitsivitsy, ary mitsikitsiky ry zareo.

Miaraka amin’ireo misionera hafa tany Sénégal, 1967

Betsaka ny mpitory lasa namako tao amin’ny fiangonana, dia matetika aho no niaraka tamin-dry zareo rehefa asabotsy hariva. Nahafinaritra ireny fotoana ireny. Mbola mifandray foana izahay hatramin’izao. Ny teny frantsay no nampiasaiko tany Sénégal, dia mbola ampiasaiko foana io fiteny io rehefa mitsidika sampana aho.

Lasa mpifamofo izahay sy Linda tamin’ny 1968. Niezaka nitady asa tapa-potoana tany Sénégal aho nandritra ny volana maromaro taorian’io, amin’izay izahay roa mba afaka manao mpisava lalana. Naleon’ny olona tany anefa nampiasa teratany toy izay vahiny. Niverina tany Kanada àry aho, dia nivady izahay roa ary voatendry ho mpisava lalana manokana tany Edmundston, any Nouveau-Brunswick, tanàna kely eo akaikin’ny faritanin’i Québec.

David sy Linda Splane mijoro eo amin’ny lalana iray feno voninkazo sady mitsikitsiky.

Tamin’ny mariazinay, 1969

NANAO MPISAVA LALANA TANY NOUVEAU-BRUNSWICK SY QUÉBEC

Tsy nisy mpitory tany tamin’izany, dia vitsy kely ny mpianatra Baiboly. Niditra be tamin’ny fiainan’ny olona ny Fivavahana Katolika. Saika ny trano rehetra no nisy soratra hoe tsy mandray Vavolombelon’i Jehovah. Tsy niraharaha an’ireny soratra ireny izahay, fa nandehananay daholo ny trano rehetra na nisy soratra na tsia. Nanoratra hoatr’izao tao amin’ny gazety teo an-toerana ny fikambanana katolika isan-kerinandro: “Andao hataontsika haza lambo ny Vavolombelon’i Jehovah.” Efatra ihany anefa ny “lambo” tao an-tanàna tamin’izany, izany hoe i Victor sy Velda Norberg ary izaho sy Linda. Fantatray tsara àry hoe izahay no tiany holazaina!

Tsy hohadinoiko mihitsy ilay fitsidihan’ny mpiandrakitra ny faritra voalohany tany. Rehefa tapitra ny herinandro, dia izao no nolazain’ilay mpiandraikitra: “Ny tsara ifantohanareo angamba aloha, dia ny hanampy ny olona hahafantatra ny marina momba ny Vavolombelon’i Jehovah.” Izay àry no nifantohanay, dia nahomby ilay izy. Lasa hitan’ny olona tsikelikely hoe manetry tena ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy hoatran’ireo mpitondra fivavahana katolika manambony tena. Misy fiangonana kely iray any amin’izao.

Herintaona teo ho eo izahay no tao amin’io faritany mitokana io, dia avy eo nasaina nanampy fiangonana lehibe iray tao amin’ny Tanànan’i Québec. Nahafinaritra ny niaraka tamin’ireo rahalahy sy anabavy be fitiavana tao nandritra ny enim-bolana. Voatendry hanao ny asan’ny faritra izahay avy eo.

Nandritra ny 14 taona izahay no nanao ny asan’ny faritra tao amin’ny faritanin’i Québec. Tianay be ilay izy! Nandroso be mantsy ny asa tao tamin’izany, dia matetika izahay no nahita fianakaviana maromaro iray fiangonana niara-nandroso ho amin’ny batisa.

TSY HADINONAY MIHITSY IREO MPIARA-MANOMPO MIASA MAFY

Mahatehotia ireo mpiara-manompo kanadianina miteny frantsay. Tsotra ry zareo, falifaly, ary mafana fo. Tsy mora tamin-dry zareo foana anefa ny nanaiky ny fahamarinana sady nanohitra be ny fianakavin-dry zareo indraindray. Rahonan’ny ray aman-dreniny ny tanora sasany hoe: “Raha tsy ajanonao ny fianaranao miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy mahazo mipetraka ato intsony ianao!” Tsy nanaiky lembenana anefa ireny tanora ireny. Tsy maintsy hoe nahafaly be an’i Jehovah izao izany!

Tsy haiko ny tsy hiresaka momba an’ireo mpisava lalana maharitra sy manokana tao Québec. Nazoto be mantsy ry zareo. Avy any amin’ny faritra sasany tao Kanada ny ankamaroany. Nila nahafehy tsara ny teny frantsay ry zareo sady nila nianatra ny kolontsaina teo an-toerana. Nisy vokany be tamin’ny fomba fisainan’ny olona tany koa ny Fivavahana Katolika, dia tsy maintsy nizatra an’izany ry zareo.

Matetika ny mpisava lalana manokana no nasaina nanokatra faritany. Tsy tia Vavolombelona anefa ny olona teo an-toerana, dia sarotra ny nahita trano hipetrahana indrindra moa fa hoe asa tapa-potoana. Na ny mpivady vao aza tsy maintsy niara-nipetraka tamin’olon-kafa amin’izay mba azo nifampizarana ny hofan-trano. Mety ho nahatratra hatramin’ny valo ry zareo no niara-nipetraka. Niasa mafy ireny mpisava lalana be zotom-po ireny. Nanao izay azony natao ry zareo mba hanampiana ny mpianatra Baiboly. Tsy mila fanampiana intsony izao ny ao Québec, dia mandeha manitatra faritany any an-toeran-kafa indray ireny mpisava lalana ireny.

Niezaka nanompo niaraka tamin’ny tanora izahay isaky ny asabotsy maraina, tamin’izahay nitsidika fiangonana. Nanampy anay hahalala ny olana natrehin-dry zareo izany. Misionera any an-tany hafa izao ny sasany na manana andraikitra hafa.

Tsy afaka niantoka ny fandanianay ny fiangonana sasany tamin’izany, dia nisy fotoana tsy tody hatramin’ny faran’ny volana ny volanay. Tsy maintsy niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah izahay tamin’ireny satria izy ihany no tena nahalala an’izay nilainay. Mbola tsy nanary anay mihitsy izy. Afaka nitsidika fiangonana foana izahay.

NIANATRA AVY TAMIN’IREO RAHALAHY TSY NIVADIKA AHO

Noresahiko teo hoe tena nahasoa ahy ny fianarana tany Gileada momba ny fifandraisana amin’ny mpanao gazety. Imbetsaka izahay tany Québec no afaka nitory tao amin’ny radio sy tele ary gazety. Matetika aho no voatendry hiara-miasa tamin’i Léonce Crépeault. Mpiandraikitra ny faritra koa izy ary efa zatra nifampiraharaha tamin’ny mpanao gazety. Rehefa niresaka tamin’ireny tompon’andraikitra amin’ny fampahalalam-baovao ireny anefa izy, dia tsy niseho ho nahay fa niteny hoe: “Azafady, tompoko! Mpitory fotsiny izahay mirahalahy ireto. Tsy tena mahay miteny amin’ny radio sy tele izahay. Asaina mampahafantatra ny olona momba ny fivoriambe iray alamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izahay. Tena faly izahay raha afaka manampy anay ianareo.” Tonga dia vonona hanampy anay ny olona rehefa nahita azy nanetry tena hoatr’izany.

Nasain’ny biraon’ny sampana niara-niasa tamin’ny Rahalahy Glen How indray aho, tatỳ aoriana, rehefa nisy raharaha sarotra nety ho nahaliana ny mpanao gazety. Anisan’ny mpisolovavan’ny fandaminana ny Rahalahy How. Tena nanampy ahy ny fampiofanana azoko tany Gileada sy ny traikefa azoko avy tamin’ny Rahalahy Léonce. Tena tombontsoa be ny niara-niasa tamin’ny Rahalahy How. Tsy natahotahotra mihitsy izy rehefa nandamina raharaha ara-pitsarana. Ny tena nampiavaka azy anefa dia hoe olon’Andriamanitra izy. Tena tia be an’i Jehovah izy.

Nasaina nanao ny asan’ny faritra tany amin’ny faritra andrefan’i Kanada izahay tamin’ny 1985, amin’izay mba afaka nikarakara an’i Dada. Nampalahelo fa maty izy telo volana taorian’izay. Mbola nanohy ny asan’ny faritra tany ihany izahay hatramin’ny 1989. Gaga be izahay tamin’io taona io satria voasa hanompo teto amin’ny Betelan’i Etazonia. Efa ho 19 taona anefa izahay no nanao ny asan’ny faritra tamin’izany. Efa an-jatony ny trano nipetrahanay nandritra an’ireny fotoana ireny, ary efa inarivony izahay no niara-nisakafo tamin’ny rahalahy sy anabavy tia mandray vahiny. Tena mankasitraka an’ireo nandray anay tao an-tranony sy niara-nisakafo taminay izahay.

NIFINDRA TETO ETAZONIA IZAHAY

Nasaina niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana aho rehefa tonga tany Brooklyn izahay. Tsy hohadinoiko mihitsy ny fampiofanana azoko tao. Izao no anisan’ny nianarako tao: Tsy mety ny tonga dia mieritreritra hoe haiko daholo ny tsipirian’ny zavatra iray, fa mila manadihady tsara aho aloha. Voatendry tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana indray aho tamin’ny 1998. Mbola mianatra manoratra lahatsoratra foana aho ao hatramin’izao. Ny Rahalahy John Barr no mpandrindra ny Komitin’ny Fanoratana tamin’izany, dia tombontsoa be ny niara-niasa taminy nandritra ny taona maro. Mbola tsaroako hatramin’izao ny fampiofanana nomeny ahy sy ny fotoana niarahako taminy. Nanana toetra kristianina niavaka mantsy izy.

David sy Linda Splane miara-maka sary amin’i John sy Mildred Barr.

Miaraka amin’i John sy Mildred Barr

Manetry tena be ireo rahalahy sy anabavy miasa ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana, dia faly aho miara-miasa amin-dry zareo. Miantehitra amin’ny fanampian’i Jehovah foana ry zareo rehefa manatanteraka ny fanendrena azony sady ekeny hoe tsy ny fahaizany no ahavitany an’ilay izy fa noho ny fanampian’ny fanahy masina.

Rahalahy Splane mitarika ny antoko-mpihiran’ny Tilikambo Fiambenana. Misy rahalahy sy anabavy 20 ao amin’ilay izy, ary mitendry piano ny anabavy iray.

Mitarika ny antoko-mpihiran’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fivoriana fanao isan-taona, 2009

Rahalahy Splane falifaly manolotra Baiboly amin’ny anabavy iray.

Manolotra Baiboly ho an’ny mpanatrika, tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tany Séoul, any Korea, 2014

Tombontsoa be ho anay roa ny nitsidika mpiara-manompo tany amin’ny tany 110. Izahay mihitsy no nahita hoe tia be an’i Jehovah ny misionera, ny Komitin’ny Sampana, ary ny mpanompo manontolo andro hafa. Tena faly koa izahay nahita fa mafana fo sy tsy mivadika ny mpitory ka manao loha laharana an’ilay Fanjakana foana, na eo aza ny ady, olana ara-bola, ary fanenjehana. Tsy maintsy hoe tia be an-dry zareo izao i Jehovah!

Tena nanampy be ahy i Linda nandritra an’izay taona maro izay, rehefa miezaka mamita ny fanendrena ahy aho. Tia olona izy, dia mitady fomba hanampiana ny hafa foana. Mahay manombo-dresaka koa izy. Betsaka ny olona nampiany hanatona an’i Jehovah, anisan’izany ireo tsy mitory intsony. Tena fanomezana avy amin’i Jehovah izy! Efa mandroso taona izahay, dia faly izahay hoe misy rahalahy sy anabavy tanora manampy anay rehefa manao dia lavitra izahay, na rehefa misy zavatra hafa ilainay.​—Mar. 10:29, 30.

Faly be aho rehefa manao jery todika an’izay 80 taona niainako izay. Mitovy amin’izay tsapan’ny mpanao salamo no tsapako, rehefa nilaza izy hoe: “Nampianatra ahy hatramin’izaho mbola tanora ianao, Andriamanitra ô, ary hatramin’izao aho dia mbola manambara ny zavatra mahatalanjona ataonao.” (Sal. 71:17) Izany foana no tiako hatao raha mbola velona koa aho.

a Anisan’ny fivoriana andavanandro izao io fampiofanana io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara