Zoma 16 Oktobra
Aza avela hivily mankany amin’ny lalan’ilay vehivavy ny fonao. Aza mandehandeha eny amin’ny lalany.—Ohab. 7:25.
Mety hitranga amin’ny mpanompon’i Jehovah rehetra ny zavatra notantarain’i Solomona. Mety ho nanao fahotana lehibe ny olona iray, dia avy eo hieritreritra hoe nitranga tampoka ny zava-drehetra. Na mety hilaza izy hoe: “Tsy nampoiziko iny!” Raha mandinika an’izay tena nitranga anefa izy, dia azo inoana fa ho hitany hoe nisy dingana maromaro nataony ka nahatonga azy hanota. Niaraka tamin’ny naman-dratsy angamba izy, nanao fialam-boly tsy mahasoa, nandeha tany amin’ny toerana tsy mety amin’ny Kristianina, na nikarokaroka tao amin’ny Internet. Mety ho tsy nanao an’ireto intsony koa izy: Nivavaka, namaky Baiboly, nivory, na nanompo. Tsy hoe nanota tampoka àry izy raha ny marina, hoatran’ny an’ilay tovolahy tao amin’ny Ohabolana ihany. Inona ny lesona ho antsika? Tsy ilay fahotana ihany no mila halavirintsika, fa ireo dingana mitarika antsika hanao an’ilay izy koa. Izany mihitsy no nasongadin’i Solomona rehefa avy niresaka momba an’ilay tovolahy sy ilay vehivavy ratsy fitondran-tena izy.—Mat. 5:29, 30. w24.07 16 § 10-11
Asabotsy 17 Oktobra
Manana an’izany harena izany ao anaty vilany tany ... izahay.—2 Kor. 4:7.
Inona io harena io? Ilay asa mamonjy aina, izany hoe ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana. (2 Kor. 4:1) Ary inona ilay hoe vilany tany? Ny mpanompon’Andriamanitra. Ry zareo mantsy no mitondra ny vaovao tsara any amin’olona. Siny tanimanga no nampiasain’ny mpivarotra tamin’ny andron’i Paoly mba hitondrana zava-tsarobidy, ohatra hoe sakafo sy divay ary vola. Anankinan’i Jehovah hafatra sarobidy koa isika, izany hoe ny vaovao tsara. Ampian’i Jehovah isika, dia lasa manana hery hitoriana an’io hafatra io foana. Mety hatahotra olona isika indraindray, na hatahotra sao dia tsy horaisina tsara. Ahoana no andresena an’izany? Diniho ny vavaka nataon’ny apostoly tamin-dry zareo norarana tsy hitory. Tsy nanaiky ho resin’ny tahotra ry zareo, fa nangataka tamin’i Jehovah mba hanampy an-dry zareo hanana fahasahiana hitory. Tonga dia namaly ny vavak’izy ireo i Jehovah. (Asa. 4:18, 29, 31) Raha matahotra olona ianao indraindray, dia iangavio i Jehovah hanampy anao ho tia kokoa ny mpiara-belona aminao, amin’izay ho resinao ilay tahotra. w24.04 16 § 8-9
Alahady 18 Oktobra
Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao!—Mat. 6:9.
Ny fitiavantsika an’i Jehovah no mahatonga antsika hanamasina ny anarany. Voahoso-potaka ny anaran’i Jehovah noho ny lainga nolazain’i Satana, dia tiantsika ny hitondra ny anjara birikintsika mba hanadiovana an’izany. (Gen. 3:1-5; Joba 2:4; Jaona 8:44) Mafana fo erỳ isika miaro an’ilay Andriamanitsika rehefa mitory, ka resahintsika amin’izay rehetra mihaino antsika ny marina momba azy. Tiantsika ho fantatry ny olona hoe ny fitiavana no toetrany lehibe indrindra, mahitsy sy ara-drariny ny fitondrany, ary tsy ho ela ny Fanjakany dia hamarana ny fijaliana rehetra sady hanampy ny olombelona hiadana sy ho sambatra. (Sal. 37:10, 11, 29; 1 Jaona 4:8) Manamasina ny anaran’i Jehovah isika rehefa miaro ny lazany eny amin’ny fanompoana. Faly koa isika mahafantatra hoe manao zavatra mifanaraka amin’ilay anarana nomena antsika. w24.05 18 § 12