Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 1 Septambra
HERINANDRON’NY 1 SEPTAMBRA
Hira 46 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 12 § 9-15 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Nomery 17-21 (10 min.)
No. 1: Nomery 17:1-13 (4 min. na latsaka)
No. 2: Ahoana no Ahafantarantsika fa Tena Misy ny Devoly?—rs p. 379 § 1-4 (5 min.)
No. 3: Ny Nandraisantsika Ilay Anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah—jv p. 149-156 § 5 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Manolora Gazety Amin’ny Volana Septambra. Lahateny misy fiaraha-midinika. Ataovy fampisehoana aloha ny fanolorana an’ireo gazety, ka ampiasao ireo fomba fitory modely eto amin’ity pejy ity. Iaraho midinika hatramin’ny farany avy eo ireo fomba fitory modely.
10 min: Ahoana no Nampiharantsika Azy? Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao ny mpanatrika hilaza ny soa noraisiny rehefa nampihatra ny soso-kevitra ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Hatsarao ny Fanompoanao: Sahy Miresaka Momba Ilay Fanjakana.” Asao izy ireo avy eo hitantara hoe nahoana no sarotra tamin’izy ireo ny niresaka momba an’ilay Fanjakana. Ahoana no nandresen’izy ireo an’ilay olana?
10 min: Tatitra Momba An’ilay Ezaka Manokana. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Fintino ireo hevi-dehibe ato amin’ity Fanompoana ity momba ny hoe nahoana no ilaina ny manohy manambara an’ilay Fanjakana. Ahoana no nampiharan’ny fiangonana an’io tari-dalana io? Inona no zava-nisongadina sasany tamin’ny asa vita nandritra ilay ezaka manokana?
Hira 45 sy Vavaka