Fomba Fitory Modely
Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Septambra
“Maro ny olona mino fa misy ny anjely. Ary ianao? [Avelao izy hamaly.] Zavaboary ara-panahy ny anjely ka tena matanjaka be. Fa afaka manampy antsika ve izy ireny, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Lazain’ny Baiboly ny fomba anampian’izy ireny ny olona ankehitriny.” Asehoy ny pejy farany amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra, ary iaraho midinika ny fanontaniana voalohany. Mamakia andinin-teny iray, fara fahakeliny. Atolory miaraka amin’ny Mifohaza! ilay gazety, ary manaova fotoana mba handinihana ny fanontaniana manaraka.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra
“Ho potika tanteraka tsy misy fanafany intsony ve ny tany, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Marina fa tsy mahavita manavao ny tany ny olombelona, nefa milaza ny Baiboly fa afaka manao an’izany Andriamanitra sady te hanao an’izany. Izao no toky omen’ny Salamo 65:9. [Vakio.] Hazavain’ity gazety ity hoe inona no hataon’Andriamanitra amin’ny tany, ary ahoana no hahazoantsika an’ireo fitahiana hoavy. Azoko omena anao ve izy ity mba hovakinao?”
Mifohaza! Septambra
“Maro no mahatsapa hoe be loatra ny asa omen’ny mpampiasany azy nefa izy tsy afa-manoatra. Milaza ny manam-pahaizana fa ho vizana tanteraka sy ho kivy ny olona iray, raha be asa loatra. Inona no hitanao hoe vahaolana amin’izany? [Avelao izy hamaly.] Ity misy andinin-teny mampisaintsaina. [Vakio ny Mpitoriteny 4:6.] Hazavain’ity gazety ity ny fomba efatra hanampy antsika handinika izay ataontsika loha laharana sy tsy hahatonga antsika ho vizana tanteraka.”