FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/14 p. 3
  • Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
km 8/14 p. 3

Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 25 Aogositra 2014.

  1. Ahoana no hanampian’ny Levitikosy 18:3 antsika mba tsy hiova ny fiheverantsika ny atao hoe tsara sy ratsy? (Efes. 4:17-19) [7 Jolay, w02 1/2 p. 29, feh. 4]

  2. Inona no ianarantsika avy amin’ilay didy ao amin’ny Levitikosy 19:2, ary nahoana isika no tokony hankatò azy io? [7 Jolay, w09 1/7 p. 9, feh. 5]

  3. Inona no ianarantsika avy amin’ny lalàna momba ny fanangonam-bokatra? (Lev. 19:9, 10) [7 Jolay, w06 15/6 p. 22-23, feh. 13]

  4. Nahoana no azo lazaina fa tsy mampirisika ny olona hamaly faty ilay lalàna hoe “maso ho solon’ny maso”? (Lev. 24:19, 20) [14 Jolay, w09 1/9 p. 22, feh. 2-3]

  5. Tsy nahazo naka zanabola mihitsy ve ny Israelita? Hazavao. (Lev. 25:35-37) [21 Jolay, w04 15/5 p. 24, feh. 3]

  6. Nahoana no lazaina foana hoe 12 ny fokon’ny Israely, nefa 13 izy ireo raha ny marina? (Nom. 1:49, 50) [28 Jolay, w08 1/7 p. 21]

  7. Inona no ianarantsika avy amin’ny Nomery 8:25, 26, izay milazalaza ny fanompoana ataon’ny Levita zokiolona? [11 Aog., w04 1/8 p. 25, feh. 1]

  8. Nahoana ny Israelita no lasa be taraina taorian’ny nanafahana azy ireo tamin’ny fomba mahagaga avy tany Ejipta? Inona no ianarantsika avy amin’izany? (Nom. 11:4-6) [18 Aog., w12 15/3 p. 27, feh. 9; w11 15/2 p. 19, feh. 2]

  9. Inona no ianarantsika avy amin’ny fihetsik’i Mosesy rehefa nanomboka naminany i Eldada sy Medada? (Nom. 11:27-29) [18 Aog., w04 1/8 p. 26, feh. 4]

  10. Inona no toro lalana ianarantsika avy amin’ilay didy nomena ny Israelita hoe “tokony hanisy mikiramborambo eo amin’ny morontongotr’akanjony” izy ireo? (Nom. 15:37-39) [25 Aog., w04 1/8 p. 26, feh. 7]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara