Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Aogositra: Hanao ezaka manokana ny fiangonana any an-tanàn-dehibe mba hizarana an’ilay taratasy mivalona vaovao fampahafantarana ny tranonkala jw.org. Mbola hanohy hanolotra ny bokikely tamin’ny Jolay 2014 ihany ny fiangonana any ambanivohitra. (Hanolotra ny bokikely ho an’ny Jolay koa ny fiangonana any an-tanàn-dehibe raha tsy mampiasa Internet ny olona itoriany.) Septambra sy Oktobra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Novambra: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? na ny iray amin’ireto: Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?, Hanao Ahoana ny Fiainana Amin’ny Hoavy?, Inona no Tena Mahasambatra ny Fianakaviana?, Iza no Tena Mpitondra An’izao Tontolo Izao?, Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any?, ary Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly.
◼ Efa azo alaina ao amin’ny jw.org izao ny Mihirà ho An’i Jehovah—Raki-kira 5 amin’ny teny malagasy. Rehefa misy amin’ny CD izy io, dia hilazanay ianareo rehefa afaka manafatra azy amin’ny alalan’ny fiangonana. Efa misy koa ny raki-kira 1-4.