Firaisan-tsaina Maneran-tany — Ho Zava-misy ve Izy io Indray Andro Any?
“RAHA tsy maintsy hahomby isika ho an’ireo taranaka vitsivitsy ho avy, eo amin’ny fanovana ny tontolo misy fanjakana mahaleo tena izay iainantsika, mba ho tonga karazana fiaraha-monina iraisam-pirenena marina, (...) dia tsy maintsy ho namotika ny fandaharana iray efa niorina hatry ny ela, dia ny ady koa, isika (...). Kanefa, raha tsy hahomby isika, dia angamba tsy hisy (...) sivilizasiona.” Izany no nolazain’ny miaramila mpahay tantara iray atao hoe Gwynne Dyer, ao amin’ny bokiny mitondra ny lohateny hoe War.
Ireo pejin’ny tantara, hoy i Dyer, dia feno fitantarana momba ireo firenena sy antoko matanjaka hafa, niditra tamin’ny ady mba handaminana ny tsy fifanarahan’izy ireo. Nanimba fiainan’olona tsy nanan-tsiny an-tapitrisany maro ny tsy firaisan-tsain’izy ireo. Ny filazalazan’i Solomona Mpanjaka ny fiantraikan’izany teo amin’ny olona tamin’ny androny, dia mbola mety koa amin’ny andro ankehitriny. Nanoratra toy izao izy: “Hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin’ny masoandro; ary indro ny ranomason’ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon’ny tànan’ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.” — Mpitoriteny 4:1.
Amin’izao andro izao, araka ny nomarihin’ilay mpahay tantara etsy ambony, ankoatra ny “ranomason’ny ampahorina”, dia misy antony hafa itadiavana lalana hanovana ny tontolo misy fanjakana mahaleo tena mba ho tonga karazana fiaraha-monina iraisam-pirenena marina: Ny fisian’ny sivilizasiona mihitsy no tafiditra amin’izany! Ny ady maoderina dia manome fototra inoana fa handrava ny firenena rehetra miditra amin’izany izy, ka tsy hamela ny hisian’ny mpandresy.
Efa manangasanga ve ny firaisan-tsaina maneran-tany?
Inona avy ireo fanantenana ho an’ny firaisan-tsaina maneran-tany? Moa ve ny fitambaran’olona afaka mandresy ireo hery mampizarazara izay mandrahona ny fisian’ny tany? Mihevitra izany ny sasany. Nanoratra toy izao tao amin’ny Daily Telegraph any Grande-Bretagne ny mpampanonta momba ny fiarovana, atao hoe John Keegan: “Na dia eo aza ny fisafotofotoana sy ny fisalasalana, dia toa azo atao tsotra izao ny mahita soritry ny tontolo iray tsy hisian’ny ady.”
Inona no nanome azy izany fomba fijery feno fanantenana izany? Nahoana ny maro no toa feno fanantenana, na dia eo aza ny tantara lavan’ny olombelona teo amin’ny ady sy ny toa tsy fahaizan’ny olombelona manapa-tena amim-pahombiazana? (Jeremia 10:23). ‘Mandroso ny olombelona. Ny tantara dia maneho taratry ny fandrosoana mitohy’, hoy ny hevitra naroson’ny sasany teo aloha. Na dia ankehitriny aza, dia maro no mino fa mety handresy ny ratsy ireo toetra tsara voajanahary ananan’ny olombelona. Fanantenana mijery ny zava-misy ve izany? Sa nofinofy fotsiny hitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana lehibe kokoa? Tao amin’ny bokiny hoe Shorter History of the World, i J. M. Roberts, mpahay tantara, dia nanoratra araka ny zava-misy toy izao: “Sarotra ny milaza fa azo antoka ny hoavin’izao tontolo izao. Sady tsy misy faran’ny fahorian’olombelona hita manangasanga, no tsy misy fototra inoana fa izany no tokony ho izy.”
Moa ve misy antony marina inoana fa handresy ny tsy fifampitokiany sy ny fahasamihafan’izy ireo mampizarazara, ireo olona sy firenena? Sa zavatra mitaky mihoatra noho ny ezaka mafy ataon’ny olombelona izany? Handinika ireo fanontaniana ireo ny lahatsoratra manaraka.