Fampiononana ho An’ireo Ampahorina
VOAMARIKAO ve fa nandritra ny androm-piainanao dia nisy teny naverimberina matetika tao amin’ireo matoam-baovao? Moa ve ianao tsy leon’ny famakiana teny toy ny hoe ady, heloka bevava, loza, hanoanana sy fijaliana? Misy anefa teny iray izay miharihary fa tsy hita tao amin’ireo tatitra an-gazety. Kanefa ilay izy dia teny mampiseho zavatra izay ilain’ny olombelona fatratra. Ilay teny dia hoe “fampiononana”.
Ny hoe “mampionona” dia midika hoe “manome tanjaka sy fanantenana” sy “mampitony ny alahelo na ny fahorian’ny” olona iray. Noho ireo fisafotofotoana izaitsizy rehetra nolalovan’izao tontolo izao tamin’ny taonjato faha-20, dia faran’izay ilaina ny fanantenana sy ny fampitonena alahelo. Marina fa, ny sasany amintsika dia manana zavatra ara-nofo mampiadana ny vatana maro kokoa noho izay nety ho nosaintsainin’ireo razambentsika. Izany dia noho ny fandrosoana siantifika indrindra indrindra. Kanefa ny siansa sy ny haitao dia tsy nampionona antsika tamin’ny fanesorana ireo anton-javatra rehetra mahatonga fahoriana tsy ho amin’ny olombelona. Inona avy izany anton-javatra izany?
Taonjato maro lasa izay, i Solomona, lehilahy hendry, dia niresaka ny amin’ny anton-javatra fototra iray izay mahatonga ny fahoriana, fony izy nilaza hoe: ‘Manapaka ny namany ny olona ka mampiditra loza aminy’. (Mpitoriteny 8:9). Tsy nahavita nanova ny fironan’ny olona haniry hanapaka ny mpiara-belona aminy ny siansa sy ny haitao. Tamin’ny taonjato faha-20, izany dia nitarika ho amin’ny fanapahana tsy refesi-mandidy mpampahory tao amin’ny tany maro, sy ady nahatsiravina nifanaovan’ireo tany.
Hatramin’ny 1914, dia olona maherin’ny zato tapitrisa no maty vokatry ny ady. Eritrereto ny fitebiteben’olombelona asehon’izany isa izany — fianakaviana mana-manjo an-tapitrisany maro mila mafy fampiononana. Ary ireo ady dia mitarika ho amin’ny fahoriana karazany hafa, ankoatra ny fahafatesana mahery vaika. Tamin’ny faran’ny ady lehibe faharoa, dia nisy mpitsoa-ponenana maherin’ny 12 tapitrisa tany Eoropa. Tao anatin’ireo taona faramparany, dia maherin’ny iray tapitrisa sy sasany no nandositra ireo faritra nisy ady tatsy Azia Atsimo-Atsinanana. Ny ady any amin’ireo tany balkanika dia nanery olona maherin’ny roa tapitrisa handositra ny tranony — ny maro aminy dia mba handosirana ny “fanadiovana ara-pirazanana”.
Azo antoka fa mila fampiononana ireo mpitsoa-ponenana, indrindra fa ireo izay voatery mandao ny tranony tsy afa-mitondra afa-tsy izay fananana zakan’ny tanany, tsy mahafantatra izay haleha na izay tahirizin’ny hoavy ho an’ny tenany sy ny fianakaviany. Ireny olona ireny dia anisan’ireo faran’izay mampahonena indrindra amin’ireo iharan-doza noho ny fampahoriana; mila fampiononana izy ireny.
Any amin’ireo faritra milamina kokoa amin’ny tany, dia olona an-tapitrisany maro no azo lazaina hoe andevozin’ny rafitra ara-toe-karen’izao tontolo izao. Marina fa manana fananana ara-nofo tondraka ny sasany. Ny ankamaroany anefa dia miatrika ady mafy isan’andro mba hivelomana. Maro no mikaroka trano ara-dalàna hipetrahana. Mitombo isa hatrany ireo tsy an’asa. “Izao tontolo izao”, hoy ny filazana mialoha nataon’ny gazety afrikana iray, “dia mizotra ho amin’ny krizy momba ny asa mbola tsy nisy toy izany, ka olona maherin’ny telon-jato sy arivo tapitrisa fanampiny no hitady asa amin’ny taona 2020.” Azo antoka fa ireo ampahorina ara-bola dia mila “tanjaka sy fanantenana” — dia fampiononana izany.
Ho setrin’ny toe-javatra mampamoy fo misy azy, dia tonga mpanao heloka bevava ny sasany. Mazava ho azy fa tsy manao afa-tsy ny mahatonga fijaliana ho an’ireo voany izany, ary ny fiakatry ny tahan’ny heloka bevava dia manampy trotraka ilay efa fahatsapana fampahoriana. Vakina toy izao ny matoan-baovao iray vao haingana tao amin’ny The Star, gazety iray ao Johannesburg, atsy Afrika Atsimo: “Andro iray mahazatra ao amin’ny ‘tany isian’ny vonoan’olona be indrindra eto an-tany’.” Nilazalaza andro iray mahazatra tao Johannesburg sy teo amin’ny manodidina azy ilay lahatsoratra. Tamin’io andro iray io, dia olona efatra no nisy namono ary olona valo no nanana ny fiarany nalaina an-keriny. Vaky trano 17 no nanaovana tatitra tao amin’ny faritanàna antonintoniny iray manamorona tanàn-dehibe. Ho fanampin’izany, dia nisy halatra maromaro nitanam-piadiana. Araka ilay gazety, dia nilazalaza io andro io ho “somary milamina ihany” ny polisy. Takatra mora foana fa mahatsiaro tena ho faran’izay ampahorina ny havan’ireo nisy namono mbamin’ireo niharan’ny vaky trano sy ny fakana an-keriny fiara. Izy ireo dia mila fanomezan-toky sy fanantenana — dia fampiononana izany.
Any amin’ny tany sasany dia misy ray aman-dreny mivaro-janaka ho amin’ny fivarotan-tena. Ny tany aziatika iray izay irodorodoan’ny mpizaha tany “mitsangantsangana mba hanao firaisana”, dia voalaza fa manana mpivaro-tena roa tapitrisa, ka ny maro amin’ireo dia ankizy novidina na nalaina an-keriny. Misy ve olona ampahorina kokoa noho ireo iharan-doza mampahonena ireo? Raha niresaka ny amin’io varotra mampiseho fahambanian-toetra io ny gazetiboky Time, dia nanao tatitra momba ny zaikabe nataon’ireo fikambanam-behivavy any Azia Atsimo-Atsinanana, tamin’ny 1991. Tamin’izay, dia notombanana fa “vehivavy 30 tapitrisa no namidy maneran-tany hatramin’ny antenatenan’ireo taona 1970”.
Mazava ho azy fa tsy voatery hamidy ho amin’ny fivarotan-tena akory ny ankizy vao iharan-doza. Mitombo isa hatrany ireo anaovana fitondrana ratsy ara-batana na vetavetaina mihitsy aza ao an-tranon’izy ireo, dia zavatra izay ataon’ny ray aman-dreny sy ny havana. Mety hitondra holatra ara-pihetseham-po mandritra ny fotoana ela ny ankizy toy izany. Azo antoka fa mila fampiononana izy ireo noho izy niharan-doza mafy noho ny fampahoriana.
Olona fahiny nandinika ny fampahoriana
Tsiravina tamin’ny fitaran’ny fampahoriana nataon’olombelona, i Solomona Mpanjaka. Nanoratra toy izao izy: “Hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin’ny masoandro; ary indro ny ranomason’ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon’ny tanan’ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.” — Mpitoriteny 4:1.
Raha takatr’ilay mpanjaka hendry fa nila mafy dia mafy mpampionona ireo nampahorina tany amin’ny 3 000 taona lasa izay, inona no holazainy amin’izao andro izao? Na dia izany aza, dia fantatr’i Solomona fa tsy misy olombelona tsy lavorary, anisan’izany ny tenany, afaka manome ilay fampiononana ilain’ny olombelona. Olona lehibe kokoa no ilaina mba hanapaka ny herin’ireo mpampahory. Misy ve ny olona toy izany?
Ao amin’ny Baiboly, ny Salamo faha-72 dia miresaka ny amin’ny mpampionona lehibe iray ho an’ny olon-drehetra. Nosoratan’i Davida Mpanjaka, rain’i Solomona, ilay salamo. Vakina toy izao ilay teny mampiditra azy io: “Momba an’i Solomona” (NW ). Miharihary fa ilay salamo dia nosoratan’i Davida Mpanjaka efa be taona, momba Ilay handova ny seza fiandrianany. Izy io, araka ilay salamo, dia hitondra fanamaivanana maharitra amin’ny fampahoriana. “Ny marina hitrebona amin’ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony. Ary hanjaka hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina izy, (...) ka hatramin’ny faran’ny tany.” — Salamo 72:7, 8.
Azo inoana fa nieritreritra an’i Solomona zanany, i Davida, fony izy nanoratra ireo teny ireo. Takatr’i Solomona anefa fa tsy tratran’ny heriny ny hanompo ny taranak’olombelona amin’ilay fomba voalazalaza ao amin’ny salamo. Tsy afaka nanatanteraka ireo tenin’ilay salamo afa-tsy tamin’ny fomba kely ihany izy, ary ho an’ny firenen’i Isiraely ihany, fa tsy ho tombontsoan’ny tany manontolo. Miharihary fa io salamo ara-paminaniana azo ara-tsindrimandry io dia nanondro olona lehibe kokoa noho i Solomona. Iza izany? Tsy iza izany fa i Jesosy Kristy.
Rehefa nanambara ny hahaterahan’i Jesosy ny anjely iray, dia hoy izy: “Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy”. (Lioka 1:32). Ambonin’izany, i Jesosy dia niresaka ny amin’ny tenany ho “lehibe noho Solomona”. (Lioka 11:31). Hatramin’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty nankeo an-tanana ankavanan’Andriamanitra, dia any an-danitra izy, eo amin’ilay toerana hahafahany hanatanteraka ireo tenin’ny Salamo faha-72. Ankoatra izany, dia nahazo hery sy fahefana avy amin’Andriamanitra izy mba hanapaka ny ziogan’ireo mpampahory olombelona. (Salamo 2:7-9; Daniela 2:44). Koa i Jesosy àry no ilay hanatanteraka ireo tenin’ny Salamo faha-72.
Hifarana tsy ho ela ny fampahoriana
Midika ho inona moa izany? Midika izany fa ho zava-misy tsy ho ela ny fahafahana amin’ny fampahorian’olombelona amin’ny endriny rehetra. Ny fijaliana sy ny fampahoriana mbola tsy nisy toa azy, izay natrehi-maso nandritra itỳ taonjato faha-20 itỳ, dia nambaran’i Jesosy mialoha ho anisan’ilay famantarana izay hanamarika ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. (Matio 24:3, NW ). Ankoatra ny zavatra hafa, dia izao no nambarany mialoha: “Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.” (Matio 24:7). Nanomboka tanteraka io lafiny amin’ny faminaniana io tokony ho tamin’ny fotoana nipoahan’ny ady lehibe voalohany, tamin’ny 1914. “Noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna”, hoy ny nanampin’i Jesosy, “dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro”. (Matio 24:12). Ny tsy fankatoavan-dalàna sy ny tsy fisiam-pitiavana dia niteraka taranaka iray mpampahory sy ratsy fanahy. Noho izany, dia tsy maintsy efa akaiky ny fotoana hisalovanan’i Jesosy Kristy amin’ny maha-Mpanjaka vaovaon’ny tany azy. (Matio 24:32-34). Hidika ho inona moa izany ho an’ireo olombelona nampahorina izay mino an’i Jesosy Kristy, sady manantena azy amin’ny maha-Mpampionona ny olombelona voatendrin’Andriamanitra azy?
Mba hamaliana io fanontaniana io, dia andeha isika hamaky teny fanampiny sasany ao amin’ny Salamo faha-72 izay tanteraka amin’i Kristy Jesosy: “Hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo. Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny rany.” (Salamo 72:12-14). Araka izany, dia hataon’i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra, izay tsy hisian’ny olona na iza na iza hijaly noho ny fampahoriana. Manana ny hery hamaranana ny tsy rariny amin’ny endriny rehetra izy.
‘Toa hahafinaritra izany’, hoy no mety ho filazan’ny sasany, ‘kanefa ahoana ny amin’ny ankehitriny? Inona no fampiononana an’ireo izay mijaly dieny izao?’ Raha ny marina, dia tena misy ny fampiononana ho an’ireo ampahorina. Ireo lahatsoratra roa manaraka amin’itỳ gazety itỳ dia hampiseho ny fomba efa ahitan’ny olona an-tapitrisany maro sahady fampiononana amin’ny alalan’ny fambolena fifandraisana akaiky amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, sy i Jesosy Kristy, Zanany malala. Izany fifandraisana izany dia afaka mampionona antsika mandritra izao fotoana misy fampahoriana izao sady afaka mitarika olona iray ho amin’ny fiainana mandrakizay ho afaka amin’ny fampahoriana. Hoy i Jesosy tao amin’ny vavaka tamin’Andriamanitra: “Izao no midika ho fiainana mandrakizay: ny fandraisany fahalalana anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy an’ilay nirahinao, i Jesosy Kristy.” — Jaona 17:3, NW.
[Sary, pejy 4]
Tsy hisy olona hampahory ny hafa ao amin’ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra