Firaisan-tsaina Maneran-tany — Ahoana no Hahatongavan’izy Io?
SAHALA amin’ny trano efa hianjera iray izay nosimban’ireo mponina tsy niraharaha tao aminy, ny fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny dia mendrika ho amin’ny zavatra iray ihany — fanapotehana sy fanoloana. Izany akory tsy fomba fijery hafa ananan’ireo tsy matoky olona tsy mahita afa-tsy ny zavatra ratsy fotsiny. Araka ny Baiboly, dia izany no hany fomba fijery araka ny zava-misy. Nahoana?
Tsy afaka ny haharitra hatrany ny fototry ny fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Ilay trano manontolo dia nolavadavahan’ny bibikely sady boboka. Harafesina ny vy natao andrin-trano. Malemy ireo rindrina natao hanohana. Mitete ny tafo. Misy lavaka ireo fantson-drano. Tsy mety sady mampidi-doza ireo zavatra momba ny herin’aratra. Miady foana ireo mponina ao aminy ka miteraka fahasimbana ho an’ilay trano manontolo. Ilay tanàna manontolo sy ny tokotaniny dia feno bibikely misy poizina ka mampidi-doza.
“Hazo amoron-tevana”
Noho ireo fifandirana ara-politika tsy mety mitsahatra, ny fierenana sy ny fanaovana an-keriny ary ny fifankahalana ara-poko sy ara-pirazanana mamaka aoka izany, ny “firazanan’olombelona manontolo”, araka ny nilazan’i Gwynne Dyer azy, dia “hazo amoron-tevana”. Maneran-tany, ireo antokon’olom-bitsy tena tapa-kevitra — antokon’olona mpanao tery vay manta, mpiady ho amin’ny fahafahana, jiolahy mpamono olona, mpampihorohoro iraisam-pirenena, sy ny hafa — dia manaraka ny tetika feno fitiavan-tena nalamin’izy ireo, ary hita fa afaka manimba saika araka izay tiany, ny fahafahana rehetra hanana fiadanana eo amin’izao tontolo izao. Sahala amin’ireo mponina mpanimba ao amin’ny trano iray, dia afaka manao izay hampahory ny fiainan’ny olona hafa rehetra izy ireo.
Araka ny maro amin’ireo mpivaofy teny anefa, ireo antokon’olona tsy miray hevitra amin’ny maro na ireo olona tsy mpanara-dalàna, dia tsy irery akory eo amin’ny fisakanana ny firaisan-tsaina maneran-tany. Ny vato misakana lehibe indrindra, dia ny fitondram-panjakan’ilay tany ihany. Ireo firenena mahaleo tena, hoy ny mpanoratra iray momba ny ady, atao hoe S. B. Payne, Jr., dia ao amin’ny “toe-javatra isian’ny fanjakan’i Baroa iraisam-pirenena”. Manao ny zavatra rehetra izay hahazoan’ny fireneny tombontsoa lehibe indrindra izy ireo, amin’ny tsy fiheverana firy na tsy fiheverana mihitsy ny hafa. Ho vokatr’izany, nandritra ny tantara, dia ‘nanapaka ny namany ny olona, ka nampiditra loza taminy’. — Mpitoriteny 8:9.
Marina fa nahita fahombiazana voafetra ny fitondram-panjakan’ny firenena sasany, teo amin’ny fiadiana amin’ny tsy rariny sy ny tsindry hazo lena teo anivon’ny sisin-taniny, ary tamin’ny fetrany sasany dia teo amin’ny faritra iraisam-pirenena mihitsy aza. Fanampin’izany dia nanangana fepetra ho an’ny firaisan-tsaina iraisam-pirenena izy ireo indraindray. Kanefa, na misy aza firenena sasany mitambatra mba hanoherana firenena mpihetraketraka iray, dia matetika mitoetra foana ilay ahiahy hoe nanao zavatra ho an’ny tombontsoan’ny tenany manokana izy ireny, fa tsy tena ho an’ny tombontsoan’ny hafa. Ny zava-misy dia hoe ny fitondram-panjakan’olombelona dia tsy manana vahaolana ankapobe sy maharitra, ho an’ny tsy firaisan-tsaina maneran-tany. Nilaza toy izao i Gwynne Dyer: “Ilay hevitra ny amin’ny hitambaran’ny firenena rehetra eo amin’izao tontolo izao mba hamotehana na hanasaziana ny fihetraketrahana ataon’ny firenena mpanohariana iray, dia tsara amin’ny ankapobeny, kanefa firenena iza no hamaritra hoe iza no firenena mpihetraketraka, ary iza no handoa ny sarany ara-bola sy ny fiainan’olona izay mety hilaina mba hisakanana azy?”
Mazava ho azy fa ny hetraketraka ataon’ny firenena iray amin’ny firenena iray hafa, dia tsy hety raha tsy hoe mankasitraka mpanohariana angaha ny ankamaroan’ireo mponina ao aminy. Nampiseho niverimberina ny tantara fa tsy any amin’ireo “firenena mpanohariana” ihany no nanohanan’ny olona ny mpitondra tao aminy, na marina io na diso. Raha ny marina, ny ankamaroan’ny mponina amin’ny tany dia nanao izany. Nanaraka ambokony ny “lainga sy ny kobaka am-bava ary ny fampielezan-kevitra” nataon’ny maro amin’ireo mpitarika ara-politika sy ara-pivavahana, izy ireo, araka ny nolazain’ny gazetiboky Time.
Ny fanindrahindram-pirenena dia nanaitra ny firehetam-pon’ny olona izay nety ho nahalala ny antonona sy be famindram-po raha tsy teo izany, ka nahatonga azy ireo hanao heloka bevava mahatsiravina tamin’ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy avy amin’ny firenena hafa. Momba ny Ady Lehibe Voalohany, ohatra, dia nilaza toy izao i J. M. Roberts, mpahay tantara: “Anisan’ny zavatra toa hafahafa tamin’ny 1914 ny hoe olona zavontany avy amin’ny firenena rehetra sy ny antoko rehetra, mpivavaka sy tsy mpivavaka, no mahagaga fa toa nandeha an-tsitrapo sy tamim-pifaliana tany an’ady”. Niana-javatra ve ny olona nanomboka tamin’izay? Tsia! Ny bibidian’ny “fanindrahindram-pirenena an-jambany”, araka ny niantsoan’i Rod Usher, mpanao gazety, azy, dia mbola manohy manimba ny mety ho firaisan-tsaina maneran-tany.
Eo am-perinasa ireo hery avy any ivelany
Kanefa, misy zavatra lehibe kokoa manakana ny firaisan-tsaina maneran-tany. Manambara ny Baiboly fa misy hery avy any ivelany eo am-perinasa. Ireny hery ireny dia fantatra ho Satana Devoly sy ireo demonia mpanaraka azy. Araka ny Baiboly, i Satana dia ‘andriamanitr’izao tontolo izao izay manajamba ny sain’ny tsy mino’ mba hahatonga ny “filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy” tsy hisy akony eo amin’izy ireo. — 2 Korintiana 4:4; Apokalypsy 12:9.
Mazava ho azy fa tsy midika akory izany hoe nesorina tamin’ny olona ny maha-tompon’andraikitra azy amin’ny zavatra nataony. Manazava tsara kosa izany fa tsy ho afaka na oviana na oviana hanangana tontolo iray miray saina marina tokoa ny fitondram-panjakan’olombelona. Raha mbola misy i Satana Devoly, dia hitaona ny lehilahy sy ny vehivavy mba hamboly izay antsoin’ny Baiboly hoe “asan’ny nofo” izy, anisan’izany ny ‘fandrafiana, fifandirana, fiafonafonana, ary fifampiandaniana’. — Galatiana 5:19-21.
Fitondram-panjakana maneran-tany
Inona àry no vahaolana? Fitonjato taona lasa izay, ilay poety sady filôzôfa italiana fanta-daza atao hoe Dante, dia nilaza ny valin’izany. Nilaza izy fa ny fitondram-panjakana iray maneran-tany ihany no ho afaka hampahazo antoka ny fiadanana sy ny firaisan-tsain’ny taranak’olombelona. Ho an’ny olona maro, ny fanantenana izay mety ho endrika fitondram-panjakana haneran-tany, dia nofinofy fotsiny, zavatra izay tsy azo ametrahana ny tena fitokiana. “Ny fitondram-panjakana maneran-tany iray, dia tsy azo antenaina hisy ao anatin’izao vanim-potoana amin’ny tantara izao”, hoy ny namaranan’i Payne, ilay mpanoratra voalaza eo ambony, azy. Nahoana moa? Satria izay fitondram-panjakana maneran-tany mahomby, dia tsy maintsy manao izay hahazoana antoka ny amin’ny zavatra roa izay hita ho tsy hain’ny olombelona mihitsy. Izany dia ny hoe “ny fitondram-panjakana maneran-tany iray dia hamarana ny ady sy ny hoe ny fitondram-panjakana maneran-tany iray dia tsy fanjakana mpanao didy jadona”.
Azo antoka fa tsy hisy mihitsy fitondram-panjakan’olombelona hahafeno izany fepetra izany. Ny Fanjakan’Andriamanitra eo an-tanan’i Jesosy Kristy kosa anefa, dia afaka manafoana sady hanafoana ny ady. (Salamo 46:9, 10; Matio 6:10). Tena hanafoana tokoa ireo mpampirisika hiady rehetra izy io. Nanamarika i Daniela mpaminany fa any amin’ny faran’ny fotoana voatondron’Andriamanitra ho an’ny fanapahan’olombelona, dia “tsy hitambatra” sahala amin’ny “tsi-fetezan’ny vy miharo amin’ny tanimanga” ny fanapahan’olombelona. (Daniela 2:41-43). Izany dia hitarika ho amin’ny fisaratsarahana ara-politika sy ho amin’ny fifandirana tsy azo sorohina. Milaza anefa i Daniela fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia ‘hanorotoro sy handevona ireo fanjakana [mpanindrahindra firenena sy misaratsaraka] rehetra ireo’, na ireo fitondram-panjakana, amin’ny fanoloana azy ireny amin’ny Fanjakany eo an-tanan’i Jesosy Kristy, nandrasana hatry ny ela. — Daniela 2:44.
Tsy hisy dikany ny hamoronana tontolo iainana tsara ho an’ny olona raha mbola manohy monina eto an-tany ireo olona mpanambaka tsy mitsahatra manao izay hampahoriana ny fiainan’ny hafa. Kanefa, ‘ny mpanao ratsy dia hofongorana’. (Salamo 37:1, 2, 9, 38; Ohabolana 2:22). Noho izany, i Kristy dia hanala izay rehetra mandà ny fari-pitsipik’Andriamanitra na izay manohana ireo fahefana mampizarazara eo amin’izao tontolo izao. Handringana ny rehetra izay manimba ny endrik’itỳ planeta itỳ izy. Mampanantena ny ‘hanimba izay manimba ny tany’ Andriamanitra. — Apokalypsy 11:18.
Tsy ho karazana didy jadona hampiharina akory izany. Hanao zavatra “noho ny teny marina sy ny fahalemem-panahim-pahamarinana” i Jesosy Kristy rehefa hanavaka ny tsara amin’ny ratsy. (Salamo 45:3, 4; Matio 25:31-33). Tsy ratsy sy manimba na fanararaotam-pahefana koa izany. Tsia! Izany dia tsy sahala amin’ny hoe misy trano ntaolo tsara tarehy iray hosimban’ny mpividy sady mpivarotra tany sy trano iray, tia vola loatra. Izany kosa dia mitovy kokoa amin’ny fandravana trano ratsy tarehy sady efa ho rava iray mba hahafahana hanangana tontolo iainana mahafinaritra sy madio.
Ahoana kosa ny amin’ireo hery avy any ivelany nahatonga fisaratsarahana toy izany tamin’ny lasa? Ho afaka hiditra ao amin’io fandaharan-javatra vaovao io ve izy ireo ka hahatonga ireo mponina ao hiverina ho amin’ny fanaovan-javatra manimba indray, sy hiady amin’ireo mpiara-monina aminy ka hampahory ny fiainan’ny tsirairay? Tsy izany velively. Io fanesorana sy fanavaozana io dia farany sady feno. “Tsy hiverina fanindroany ny fahoriana”. — Nahoma 1:9.
Ny Baiboly dia mampitaha ny fandringanana an’i Satana amin’ny ho avy amin’ny fandoroana fako. Milaza izy fa “ny Devoly izay namitaka azy [ny mponina amin’ny tany] dia natsipy tany amin’ny farihy afo sy solifara”. (Apokalypsy 20:10). Tena sary mahery re izany! Hevero ange e, ilay fandringanana dia tsy nampitahaina tamin’ny fandoroana kely izay voafetra ihany, fa nampitahaina kosa tamin’ny farihy afo manontolo mihitsy, izay mandevona sy manao izay hamongorana tanteraka ny zavatra ratsy sy manimba rehetra. Tsy misy na iza na iza, na olona na demonia, havela hanohy hanao zavatra mandrahona ny filaminana maneran-tany, ka handika ny fari-pitsipik’Andriamanitra momba ny tsara sy ny ratsy, na hitondra fahoriana ho an’ny mpiara-belona aminy. Tsy ho eo intsony ireo mpanimba ny firaisan-tsaina! — Salamo 21:9-11; Zefania 1:18; 3:8.
Vahoaka iray tafaray avy amin’ny firenena rehetra
Ireo ho tafita velona amin’io fanadiovana lehibe io, dia hahaforona ny “olona betsaka (...) avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. (Apokalypsy 7:9). Tsy hampizarazara azy ireo ny fahasamihafan’ny firenena sy ny foko. Ho efa nianatra ny hiara-monina ao anatin’ny firindrana feno fiadanana izy ireo. (Isaia 2:2-4). Ny mbola mahatalanjona kokoa aza, dia hiaraka aminy ireo mponina taloha teto amin’ny planeta, izay haverina honina eo amin’ny tany voadio, amin’ny alalan’ilay fandaharana mahatalanjona ny amin’ny fananganana ny maty. — Jaona 5:28, 29.
Ho tianao ve ny hiaina ao amin’ny tontolo toy izany? Ireo izay manaraka akaiky ireo zavatra takin’Andriamanitra ihany no ho afaka hanao izany, ary ireo zavatra takiny dia aseho mazava ao amin’ny Baiboly. (Jaona 17:3; Asan’ny Apostoly 2:38-42). Ny Vavolombelon’i Jehovah dia ho faly hanampy anao hianatra ireo zavatra takin’Andriamanitra mba hahafahanao hanantena ny hifaly amin’ny fiainana mandrakizay eo amin’ny tontolo iray tena miray saina marina.
[Sary, pejy 7]
Ny fitondram-panjakana eo an-tanan’i Jesosy Kristy dia hampahazo antoka ny hisian’ny tontolo iray miray saina