FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 15/1 p. 3-4
  • Tafaray ao Amin’ny Fomba Fiaina Tsara Indrindra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tafaray ao Amin’ny Fomba Fiaina Tsara Indrindra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Mankafy Firaisan-tsaina Sarobidy ny Fianakavian’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Mampiavaka ny Fivavahana Marina ny Firaisan-tsaina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Ahoana no Hananana ny Tena Firaisan-tsaina Kristianina?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Ny fivoriamben’ny distrika “Tafaray noho ilay Fanjakana”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 15/1 p. 3-4

Tafaray ao Amin’ny Fomba Fiaina Tsara Indrindra

Raha mihamitombo ihany ny mponina eto amin’izao tontolo izao, tsy ho ela dia ho enina arivo tapitrisa ny olona eto ambonin’ny tany. Na dia razambe iray ihany aza no niavian’ny olona rehetra, dia maro be no toa tsy manaiky fa anisan’ny fianakaviambe iray maneran-tany ny tenany, ary ampamoahina eo anatrehan’ny Mpamorona hendry sy be fitiavana iray. Ny fisaraham-bazana sy ny fifandirana eo amin’ireo firenena sy firazanana ary kolontsaina dia manome porofo mamelona ahiahy ny amin’io toe-javatra mampalahelo io.

METY ho toa tanjona tsy azo tratrarina ny firaisan-kina maneran-tany rehefa heverina ny toe-javatra misy ankehitriny. Nilaza toy izao ny The Columbia History of the World: “Tsy manana hevi-baovao hatolotra izao tontolo izao, na dia iray monja aza, raha ny amin’ilay fanontaniana faran’izay lehibe mahakasika ny fomba fiaraha-miaina.”

Tsy mitaky hevi-baovao anefa ny hisian’ny firaisan-kina eo amin’ny mponina rehetra amin’ny tany. Voalaza ao amin’ny Soratra Masina ny lalana mankamin’ny firaisan-kina. Mihodinkodina eo amin’ny fanompoam-pivavahana amin’Ilay namorona ny tany sy ny fiainana rehetra eo amboniny izany. Efa misy sahady eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra ny tena firaisan-tsaina sy ny tena firaisan-kina eo amin’ny zava-kendrena ary eo amin’ny fomba fiaina. Izy ireo, izay miisa maherin’ny dimy tapitrisa sy sasany any amin’ny tany 233, dia tafaray noho ny fiekeny mafy fa ny fomba fiaina araka an’Andriamanitra no tsara indrindra. Mivavaka tahaka ilay mpanao salamo toy izao izy: “Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô, dia handeha amin’ny fahamarinanao aho; ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.” — Salamo 86:11.

Efa nambaran’i Isaia mpaminany mialoha io fampiraisana olona ao amin’ny fanompoam-pivavahana madio io. Izao no nosoratany: “Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony”. — Isaia 2:2, 3.

Miavaka ny firaisan-tsaina misy eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mandray sakafo ara-panahy mitovy izy ireo any amin’ireo fivoriany isan-kerinandro atao any amin’ny kôngregasiôna maherin’ny 87 000 maneran-tany. (Matio 24:45-47). Nanomboka teo antenatenan’ny 1998 ka hatreo amin’ny voalohandohan’ny 1999 anefa, dia nampiseho ny firaisan-tsainy tamin’ny fomba hafa ny Vavolombelona. Niara-nivory nandritra ny telo andro izy ireo, tamin’ireo Fivoriambe “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”, natao naneran-tany. Tany amin’ny tany 13, ireny fihaonana ireny dia nahitana solontena be dia be avy amin’ny tany samihafa, ary nantsoina hoe fivoriambe iraisam-pirenena. Nantsoina hoe fivoriamben’ny distrika kosa ny hafa. Fandaharana nitovy no natolotra tamin’ireny fivoriambe rehetra ireny, ka izany dia fandaharana nanehoana zavatra mahasoa ara-panahy.

Nahafinaritra toy inona moa ny nahita solontena falifaly sady nitafy tsara, nitanjozotra nankany amin’ireo efitrano fivoriana sy kianja mba hampianarin’i Jehovah! Nampiseho tsara ny fihetseham-pon’ny rehetra ny teny nolazain’ny solontena iray tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena natao tany Michigan, any Etazonia. Hoy izy: “Fifaliana tokoa ny mahita ireo rahalahy avy amin’ny faritra rehetra amin’ny tany — avy any amin’ny Repoblika tseky, Barbade, Nizeria, Hongria, Angletera, Holandy, Etiopia, sy Kenya, mifamihina! Mahafinaritra erỳ ny mahita ireo rahalahy miray hina miara-mipetraka, latsa-dranomasom-pifaliana noho ny fifankatiavany ary noho ny fitiavany ilay Andriamaniny Lehibe, dia i Jehovah.” Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fandaharana tamin’ilay fivoriambe izay nankafizin’ny olona an-tapitrisany maro maneran-tany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara