FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/10 p. 30-32
  • Ireo eveka: tompo sa mpanompo?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ireo eveka: tompo sa mpanompo?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay ohatra faka tahaka ho an’ireo mpiandraikitra kristiana
  • Moa ve ireo eveka ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana manana ireo toetra ara-panahy takina?
  • Mpiandraikitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mpiandraikitra Voatendry Hiandry ny Andian’ondry
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Ny Fanavaozana Anglisy — Fotoam-piovana
    Mifohaza!—1998
  • Ry Anti-panahy, Tahafo Ireo Mpiandry Lehibe Indrindra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/10 p. 30-32

Ireo eveka: tompo sa mpanompo?

THOMAS WOLSEY dia teraka tany Ipswich (Angletera) tamin’ny 1475. Tonga pretra izy tamin’ny 1498, ka nahazo sitraka tamin’ny mpanjaka Henri VIII. Haingana dia haingana ny fiakarany: Evekan’i Lincoln tamin’ny 1514, arsevekan’i York volana vitsivitsy taty aoriana, kardinaly tamin’ny 1515, ary tonga iraky ny Papa izy zara raha nisy telo taona taty aoriana. Ambonin’izany, dia nanao azy ho “lord Chancelier” ny mpanjaka. Saika izy no nitondra tany Angletera nanomboka tamin’ny 1515 ka hatramin’ny 1529. Ny kardinaly Wilsey no santionan’ny mpitondra fivavahana mihitsy, ary nisy maro tamin’izany izay nampihatra fahefana tamin’ny naha-tena “tompo”, teo amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy.

Tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana no niainan’ny “eveka” karazany hafa iray. Io lehilahy io, Timoty, dia zanaky ny Grika iray, nefa Eonika reniny sy Loisa renibeny dia Jiosy. Nitaiza ilay zazalahy tamim-pitiavana tao amin’ny lalan’ny kristianisma ireo vehivavy roa ireo. Tany amin’ny taona 50, fony mbola zatovo i Timoty, dia nanararaotra ny fahafahana natolotra azy mba hiarahana tamin’ny apostoly Paoly tamin’ny asa misionera nataony. Rehefa taona maromaro no niofanany, dia tonga mpiandraikitra kristiana na épiskopos (niavian’ny teny hoe “eveka”) izy. Tiana tokoa izy io noho ny fihetsiny tsy nitady tombontsoa ho an’ny tenany sy feno fandavan-tena. Izao no nosoratan’i Paoly: “Izy kosa dia fantatrareo fa lehilahy voazaha toetra, fa efa niara-nanompo tamiko teo amin’ny filazantsara, tahaka ny zanaka manompo ny rainy.” — Filipiana 2:22.

Thomas tompo, Timoty mpanompo: iza amin’ireo lehilahy roa ireo no nanome ohatra tsara ho an’ireo tena “eveka” na mpiandraikitra kristiana?

Ilay ohatra faka tahaka ho an’ireo mpiandraikitra kristiana

Jesosy Kristy, Mpanorina sy hany Filohan’ny kristianisma, dia nanambara fitsipika fototra ho an’ireo mpiandraikitra rehefa nilaza hoe: “Fantatrareo fa ireo filohan’ireo firenena dia manapaka eo aminy amin’ny maha-tompo ary ny lehibe manao izay hahatsapan’izy ireny ny fahefany. Tsy tokony ho toy izany eo aminareo: (...) izay ho tia ny ho voalohany eo aminareo dia ho mpanomponareo. Tahaka izany, ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo sy hanome ny ainy ho avotra ho an’ny maro.” — Matio 20:25-28, Baibolin’i Jerosalema (katolika); izahay no manipika.

Petera, anankiray tamin’ireo mpiandraikitra kristiana voalohany indrindra, dia nanamafy an’io fitsipika io tamin’ny fanomezana izao baiko manaraka izao ho an’ireo loholona tao amin’ny kongregasiona kristiana: “Andraso ny ondrin’Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ny sitrapo [araka an’Andriamanitra]; tsy amin’ny fitiavana harena maloto, fa amin’ny zotom-panahy; tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry.” (I Petera 5:2, 3). Nampiharin’i Petera izay notoriny. Araka izany, tamin’ny andro nitsidihany an’i Kornelio, tsy Jiosy voalohany tonga kristiana, dia “niankohoka teo amin’ny tongony sady nitsaoka azy” i Kornelio. Nasain’i Petera nitsangana anefa izy tamin’ny filazana hoe: “Mitsangàna; fa izaho dia olona ihany.” — Asan’ny apostoly 10:25, 26.

Aoka homarihintsika fa araka ny I Petera 5:1, dia niteny tamin’ireo “loholona” ilay apostoly. Ny teny grika nampiasain’ilay apostoly ka nadika hoe “loholona” dia presbutérous, niavian’ny teny malagasy hoe “pretra”. Ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ireo “eveka” amin’izao andro izao dia mitana toerana ambony kokoa noho ny “pretra”. Rehefa “nampaka ny loholon’ny [presbutérous] fiangonana [kongregasiona, MN ] tany Efesosy anefa ny apostoly Paoly, dia izao indrindra no nolazainy tamin’izy ireo: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina [épiskopous].” (Asan’ny apostoly 20:17, 28). Nitana toerana nitovy àry ny loholona (presbutérous) sy ny mpiandraikitra (épiskopous) tamin’ny andro nanoratana ny Baiboly. Ny teny hoe “loholona” dia manipika ny fanandraman-javatra sy ny fahamasahana ara-panahy tena ilaina amin’ireo kristiana manaiky andraikitra toy izany, fa ny teny hoe “mpiandraikitra” kosa dia milaza ny asa ataon’izy ireo, dia ny fiahiana ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona sy ny fikarakarana azy ireny.

Kanefa, moa ve ny raharahan’ny “loholona” na “mpiandraikitra” notanan’ny lehilahy iray monja izay nanjaka toy izany teo amin’ny anankiray tamin’ireo kongregasiona tamin’ny taonjato voalohany? Tsia, rehefa heverina araka ny lazain’ny Baiboly ao amin’ny Titosy 1:5, 7. Eo tokoa i Paoly dia mandidy an’i Titosy hanendry “loholona [presbutérous] amin’ny isan-tanàna”. Ny Baibolin’i Jerosalema dia miresaka ny amin’ny “fanendrena ‘presbytres’ isan-tanàna” ka nanampy fanamarihana toy izao: “Ireo fikambanana kristiana voalohany (...) dia nanana ho mpitondra azy, kolejin’ny ‘presbytres’, loholona (heviny araka ny fandinihana ny fototeny).” — Izahay no manipika.

Timoty koa dia nasaina nanendry mpiandraikitra tao amin’ny kongregasiona maro. Izao no nosoratan’i Paoly, araka ny Baibolin’i Segond: “Raha misy maniry ny asan’ny eveka [episkopos], dia maniry asa tsara izy.” (I Timoty 3:1). Ny Baibolin’i Jerosalema amin’ny teny anglisy dia mandika an’io andinin-teny io toy izao manaraka izao: “Ny faniriana ho loholona mitari-draharaha, dia faniriana raharaha mendri-kaja.” Ary dia izao no fanamarihana ataony: “Ny teny hoe ‘episkopos’ ” ampiasain’i Paoly eo dia “mbola tsy nandray heviny mitovy amin’ny hoe ‘eveka’ ” (Izahay no manipika). Eken’ireo mpandinika Baiboly katolika amin’izany fa ireo eveka mendri-kaja ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia tsy misy ifandraisana mihitsy amin’ireo mpiandraikitra nanetry tena notendrena teo amin’ireo kristiana voalohany. Manamarina izany amin’izao teny izao ny diksioneran’ny Baiboly iray (The New Bible Dictionary): “Tsy hita mihitsy ao amin’ny Testamenta Vaovao izay soritry ny fitarihana nampiharin’ny eveka tokana.” Sahala amin’izany koa, izao no nosoratan’i Elmer Merril (tao amin’ny bokiny hoe Essays in Early Christian History): “Nandritra ireo zato taona voalohany (...) ny eveka, raha fara fahabetsany, dia prezidà tsotra tao amin’ny kolejin’ny namana ‘presbytres’ [loholona].”

Moa ve ireo eveka ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana manana ireo toetra ara-panahy takina?

Nanoratra ho an’i Titosy ny apostoly Paoly fa ny mpiandraikitra iray dia tokony “tsy hanana antony hiampangana azy”. (Titosy 1:6, MN.) Moa ve ‘tsy nanana antony niampangana azy’ ny kardinaly Wolsey? Milaza amintsika ny Encyclopédie britannique fa “tsy nadio izy: nanana zanakalahy iray sy zanakavavy iray tsy ara-dalàna izy”. Tsy izy irery ihany no ohatra karazan’izany. Tao anatin’ny taonjato maro, dia pretra sy eveka maro no nanjary meloka ho nanao fahadisoana sahala amin’izany. Izao no azo novakina tao amin’ilay boky hoe ny Andron’ny finoana (anglisy): “Tamin’ny taonjato fahasivy, ny fahadiovana ary na dia ny tsy fanambadian’ny klerjy aza dia sarisariny fotsiny.” Niaiky toy izao i Grégoire VII, izay papa tamin’ny taonjato faha-11: “Vitsy monja ny eveka hitako izay ny fanendrena sy ny fiainany dia nifanaraka tamin’ireo lalàn’ny Eglizy na nitondra ny olon’Andriamanitra tamim-pitiavana fa tsy noho ny fanirian-daza ara-nofo.

Nanoratra koa i Paoly fa ny loholona iray ao amin’ny kongregasiona kristiana dia tokony ‘tsy ho mpitia vola’. (I Timoty 3:3.) Nefa mbola momba an’i Wolsey ihany, dia nanampy teny toy izao io “encyclopédie” io ihany: “Fatra-pitia vola sy harena izy”; nampiasa ny fahefany ara-nofo sy ara-pivavahana lehibe izy mba hanangonan-karena izay ny an’ny mpanjaka ihany no nihoatra ny vidiny”. Nanana lapa roa izy ka ny anankiray, York Palace, dia narevaka aoka izany, hany ka rehefa avy nitsidika azy i Henri VIII dia “nanjary nisafoaka tamin’ny fahitana izany harena rehetra izany” ka naka izany ho azy.

Amin’izao androntsika izao koa, dia misy mpitondra fivavahana nanararaotra ny rakitra sy ny fahafolon-karena ho an’ny Eglizy na ny vola miditra amin’ireo tany sy fananana hafa mba hanaovana izay hampanan-karena azy manokana (Apokalypsy 18:7). Araka izany, tsy ela loatra izay, ny eveka iray tatsy Afrika Atsimo, filohan’ny anankiray tamin’ireo Eglizy afrikana an’arivony maro, dia nividy fiarakodia vaovao iray, Buick, 37 000 randsa, kanefa izy efa nanana fiarakodia mirenty efatra azo nampiasaina. Rehefa nanontaniana ny anankiray amin’ny solontenan’io Eglizy resahina io hoe inona no tsinin’ny anankiray tamin’ireo fiarakodia ireo, dia nanazava toy izao: “Fiarakodia tsara tarehy tokoa izy io, kanefa ilain’ny eveka ny toerana amboniny hita amin’ny Buick lehibe.”

Mihelina aoka izany anefa ireny harena ara-nofo rehetra ireny! Tsy afaka nahazo fanafoanana ny fanambadian’i Henri VIII i Thomas Wolsey ka tsy nahazo sitraka tamin’ny mpanjaka intsony tamin’ny 1529. Araka ny Tantara, “rehefa tsy nahazo fanajana intsony izy dia nihataka nankao amin’ny dioseziny tany York izay tsy notsidihiny mihitsy” hatramin’ny 15 taona (izahay no manipika). Tsy tamin’ny politika ihany anefa no maty “loka” i Wolsey. Ny tena tsy fahombiazany dia ny nanaovany tsirambina ny fanahafana “ny Mpiandry Tsara [Jesosy, izay] manolotra ny ainy hamonjy ny ondry”. — Jaona 10:11.

Mifanohitra lavitra amin’izany, Timoty dia tsy nitsabaka tamin’ny politika. “Tsy naman’izao tontolo izao” izy. (Jaona 15:19.) Tsy nanapaka velively teo amin’ireo rahalahiny kristiana izy fa tonga mpanompo be fandavan-tena aoka izany niasa ho azy ireny, hany ka afaka nanoratra toy izao i Paoly: “Fa tsy manana olona mitovy fanahy amiko [aminy, MN ] aho na dia iray akory aza, izay hazoto hiahy anareo.” — Filipiana 2:20.

Azontsika atao àry ny ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah noho ny nanendrena tamin’izany fomba izany koa amin’izao andro izao, mpiandraikitra mahatoky an’arivony maro ‘hiahy tokoa’ ny ondriny. Ao amin’ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah, saika ny mpiandraikitra rehetra dia kely fidiram-bola. Ny ankamaroany dia manana asa tsy ara-pivavahana mba hanomezana izay ilain’ny fianakaviany ary manatontosa ny adidiny amin’ny lafiny ara-panahy mandritra ny fotoana mampahalalaka azy ireny. Ny ankamaroan’izany fotoana izany dia atokany hanatrehana fivoriana dimy isan-kerinandro sy hanomanana izany, hitarihana ny fitoriana isan-trano sy handraisana anjara amin’izany, hiaraha-mianatra ny Baiboly amin’ny olona mankafy izany, hitsidihana kristiana marary, ireo be taona na ireo izay osa ara-panahy ary hikarakarana ny ankohonany. Lehilahy be raharaha aoka izany izy ireny, “mpanompo” be fandavan-tena tsy mandray karama mihitsy noho ny asa ataony. Mifanohitra lavitra amin’izany fa ny tenany koa dia mandray anjara amin’ny fikarakarana ny Efitrano Fanjakana eo an-toerana amin’ny fanomezana amin’ny volany. Tsy manao fitafiana manokana izy ireny, tsy mandray anaram-boninahitra mihitsy, fa voamarika fotsiny amin’ny fahalalany ny Baiboly, ny fahamasahany kristiana sy ny zotom-pony amin’ny asan’i Jehovah. Ny lehilahy toy izany dia mendrika fanajana lalina sy fiaraha-miasa amim-pahatsorana avy amin’ireo namany, raha mbola miandry ny andian’ondry ary mampiseho amin’ny asany feno fanetren-tena sy fandavan-tena fa mpanompo izy ireny fa tsy tompo.

[Fanamarihana ambany pejy]

a 1 rand = 85 ariary

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara