FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/10 p. 26-29
  • Olona tsy tia ady: tena ilaina marina tokoa izy ireny!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Olona tsy tia ady: tena ilaina marina tokoa izy ireny!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiadanana hafa
  • Tia fihavanana ve ianao?
  • Soloy fahendren’Andriamanitra ny fahendren’olombelona
  • Mpitory ny filazantsara ny tena tia fihavanana
  • ‘Mitadiava fihavanana ka manaraha izany’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ahoana no Hahitana Fiadanana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2018
  • ‘Mitadiava Fihavanana ary Manaraha Azy’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Afaka mandray soa amin’ny fomba feno kokoa amin’ny fiadanan’Andriamanitra ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/10 p. 26-29

Olona tsy tia ady: tena ilaina marina tokoa izy ireny!

FENO fampanantenana ny foto-kevitra: Kongresy araka ny literatiora iraisam-pirenena — Ataon’ny mpanoratra manohana ny fihavanana.” Ny toerana hanaovana azy, tena mahafinaritra: Cologne, tanàna tranainy alemana manerinerina eo ambonin’i Rhin. Natao tao anatin’ny rivo-piainana feno filaminana ny fiaraha-midinika mandra-pipoaky ny fifandirana teo amin’ireo solontena. Araka ny tatitra ny amin’io fivoriambe io izay natao tamin’ny 1982, dia nanomboka nikiakiaka ny mpanatrika sasany, nisy fifanositosehana sy ady mihitsy aza mba hahazoana ny lampihazo. Ny nahatonga izany rehetra izany dia noho ny tsy fifanarahana ny amin’ny raharaha mba hahafantarana hoe fitondram-panjakana iza no mpanomboka ady amin’ireo ady iraisam-pirenena.

Rehefa misy olona miady any an-tany lavitra, eny ambony lampihazo iray na ao an-tokantranon’ny tenany, ny fihetsik’izy ireny dia mitarika antsika hanontany tena hoe: Nahoana no mitombo ny olona tsy afaka mifanara-tsaina? Tsotra ny antony: Tsy mety hisy ny tena fihavanana eo amin’ny olona tsy miraharaha mihitsy an’ilay Andriamanitry ny fiadanana, dia Jehovah, eo amin’ny fiainan’izy ireo. — I Tesaloniana 5:23.

Ao amin’ny Galatiana 5:22, 23, ny Baiboly dia mandahatra ny fiadanana ho anisan’ireo vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra. Tsy azo atao ny manana tena fiadanana na fihavanana maharitra raha tsy mampitombo izany ao am-pontsika ny fanahin’Andriamanitra. Ahoana no fandehan’izany? Ilaintsika aloha ny ho tonga amin’ny fahalalana an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy Zanany, avy eo dia maneho finoana azy ireo (Jaona 17:3). Hitantsika tanteraka eo amintsika amin’izay ny hataka amin-kafanam-po nolazain’ny apostoly Paoly tamin’izao teny izao: “Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ny fanantenana noho ny herin’ny Fanahy Masina.” Eo aoriana kokoa, dia namarana ny fananarany tamin’izao firariana hafa izao i Paoly: “Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra”! — Romana 15:13, 33.

Ny fiadanana ateraky ny fanahy masin’Andriamanitra dia hafa noho ilay tadiavin’izao tontolo izao. Amin’ny lafiny inona avy?

Fiadanana hafa

Raha ny amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, ny mpampandry tany iray dia lehilahy mahay milaza hevitra sy manaraka ny fombafomba amin’ny fahamorana. Amin’ny fifanekena amboarin’ny mpanelanelana, dia azony atao ny mampitony ny andaniny roa mifanohitra nefa tsy voatery manova ny fihetsiny sy ny antony manosika azy ireo. Amin’izany fomba izany, ny kaominista iray sy ny kapitalista iray angamba dia hanaiky hihavana kanefa samy tsy hiova fiheverana. Tsy toy izany anefa no ampifamatorana fifandraisana milamina amin’Andriamanitra. Andriamanitra no mametra ny fepetra ilaina mba hisian’ny fihavanana; lazalazainy izany ary asehony ny fomba hahafenoana izany. Tsy mangataka antsika mba hanaiky fifanarahana Jehovah Andriamanitra fa mba hanova tanteraka ny antony manosika antsika, ny fisainantsika sy ny fomba fiainantsika. — Matio 22:37.

Amin’izao androntsika izao isika dia mila fihavanana mifototra amin’ny fahendren’Andriamanitra fa tsy amin’ny an’ny olombelona. Jereo ny vokatra tsaran’izany fahendrena izany amin’ny famakiana ny Jakoba 3:13-18:

“Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena. Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina. Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ny demonia (...). Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy miahanahana [tsy miangatra, MN ] na mihatsaravelatsihy. Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin’ny fihavanana ho an’izay mampandroso ny fihavanana.”

Ny fihavanana avy amin’ny fahendren’Andriamanitra dia tsy mahatonga ho afaka hisoroka ny ady fotsiny. Ireo izay manana izany dia miezaka amim-pahatsorana mba hitana fifandraisana tsara amin’ny mpiara-belona aminy.

Afa-tsy izany koa, raha tia fihavanana araka ny fiheveran’Andriamanitra isika, dia ho mora amintsika kokoa ny hifehy ny fironan-dratsy nafafy ao am-pon’ny olona tamin’ny fikomiana voalohany tany Edena, mba tsy hanosehany antsika hanao fahotana hahatonga antsika ho mendrika ny fahafatesana (Genesisy 8:21; Matio 15:19; Romana 5:12). Ny amin’ny fiarovana mandaitra omen’io ampinga io, dia izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo [ny antony manosika anareo] sy ny hevitrareo ao amin’ny Kristy Jesosy.” — Filipiana 4:7.

Araka io andinin-teny io, “ny fiadanan’Andriamanitra” dia omena amin’ny alalan’ny Zanaka. Izao koa no nolazain’i Jesosy: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomezan’izao tontolo izao no fanomeko anareo.” (Jaona 14:27). Tsy azo atao ny manorina tena fiadanana amin’ny fanaovana fanavaozana ara-tsosialy, ara-toe-karena na ara-politika, fa amin’ny fanompoana an’i Jehovah toy ny nataon’i Jesosy Kristy Zanany kosa. Noho izany antony izany no nanombohan’ny apostoly Paoly maro be tamin’ny taratasiny tamin’ny fitenenana karazan’izao: “Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.” — Romana 1:7; I Korintiana 1:3; II Korintiana 1:2.

Tia fihavanana ve ianao?

Ny kristiana, olona tsy tia ady, dia miaiky fa tsy ho azony atao ny mitana maharitra fifandraisam-pihavanana amin’ny hafa raha tsy misy ny fanampian’i Jehovah. Koa satria malemy ny nofo, dia mila ny fanohanan’ny fanahin’Andriamanitra izy ireo. Nampahatsiahy azy ireo izao baiko izao i Paoly: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.” Avy eo dia izao no teny nanampiny: “Fa raha mifandramatra sy mifampihinana hianareo, tandremo fandrao mifandringana. Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo hianareo. Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo.” — Galatiana 5:14-17.

Rehefa omena fanamarihana ny sasany dia voafitaky ny ‘filan’ny nofo’ izay mitarika azy ireny hino fa marina ny azy, kanefa, raha ny tena izy, dia diso izy. Akimpiny ny masony eo anoloan’ny toetoetra ratsiny, toy ny fitiavan-tena, ny fitsiriritana sy ny fitiavana fifaninanana. Eo imason’izy ireny, izany kileman-toetra izany dia tonga fitiavana ady sy faharisihana, izay, araka ny heviny, dia fanalahidin’ny fahombiazana. Izany no nitranga tamin’ny kristiana tamin’ny taonjato voalohany izay nonina tany amin’ny provans’i Galatia. Navelany ny ‘filan’ny nofony’ hanakorontana, tsy ny fiadanana nananany manokana fotsiny, fa izay nanjaka tao anatin’ny kongregasiona koa. Ny “fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana”, dia nandoto ny fiainana ara-panahin’ny kongregasionan’izy ireo ka tsy maintsy nesorina mba hanorenana indray ny fiadanana teo amin’izy ireo. — Galatiana 5:20, 22.

Toy izany koa amin’izao androntsika izao, ireo toetoetra tsy kristiana dia mety hanaisotra ny fiadanana ao amin’ny paradisa ara-panahy misy antsika. Amin’ny varotra, ny asa, any an-tsekoly, rehefa miala voly isika na mandray anjara amin’ireo asan’ny kongregasiona, dia tojo tarehin-javatra mampiharihary raha tiantsika tokoa na tsia ny maneho ny fiadanana na fihavanana izay vokatry ny fanahy. Mba hahazoanao antoka fa mandray anjara amin’ny fanorenana ny fiadanana ianao fa tsy manaisotra azy, dia manontania tena toy izao:

◻ Moa ve aho mirona hampisongadina ny tenako sy hitaky ny hiheverana ahy? Sa manetry tena sy maotina aho? — Ohabolana 11:2; Matio 18:1-4.

◻ Moa ve aho ampijalin’ny faniriana hanana fananana ara-nofo, sa mianina amin’ny sakafo sy ny fitafiana aho? — I Timoty 6:4-10; Hebreo 13:5.

◻ Maneho fiangarana ve aho eo anoloan’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona be mpahalala na manana? Sa raisiko tsara ny rahalahy sy ny anabaviko rehetra ao amin’ny finoana? — Romana 15:7; Jakoba 2:1-4.

Soloy fahendren’Andriamanitra ny fahendren’olombelona

Ny toe-tsaina ratsy izay manetsika ireo mamono foana ny fiadanana dia avy amin’ny faniriany feno fitiavan-tena. Mariho tokoa ny teny nampahafantaran’i Jakoba ny fiandohan’ny voa ratsy avy amin’ireny olona ireny. Izao no nosoratany ao amin’ny Jakoba 4:1: “Avy aiza ny ady, ary avy aiza ny fifandirana eo aminareo? Tsy izao va no ihaviany, dia ny filanareo izay miady ao anatin’ny momba ny tenanareo?” Marina tokoa fa ireo izay manakorontana ny fifandrindran’ny kongregasiona dia tsy tonga tia fihavanana satria izy ireny mamela ny faniriany feno fitiavan-tena ‘hiady ao aminy’. Avelany hahazo toerana ao aminy ny toe-tsaina tia fifandirana. Araka izany, tahaka ny tafika mpanani-bohitra iray, ny faniriany feno fitiavan-tena dia manafika ka manosika azy ireny hitady toerana miavaka, hanjary be fahefana kokoa, hahazo fananana ara-nofo, ets. Manimba ny fifandraisana milamina tanany amin’Andriamanitra sy amin’ireo namany kristiana izany.

Tsy isalasalana fa isan’andro isika dia tonga ao anatin’ny tarehin-javatra manahirana na mifanehatra amin’olona heverintsika fa tsy mahafinaritra? Ahoana no fandraisantsika izany? Ny sasany manohitra mafy noho ny fanantenana fa hanova zavatra izany. Ny hafa, maniry hiaro ny toerany sy ny lazany, dia mandà mafy izay rehetra fomba fanaovan-javatra vaovao. Manimba ny fihavanana ny fihetsika toy izany. Mampiadana ny fandrosoana sy ny asa izany, na ao an-tokantrano, na any am-piasana na ao amin’ny kongregasiona. Nefa kosa, “ny fahendrena izay avy any ambony dia (...) tia fihavanana”. (Jakoba 3:17.) Amin’ny fiasana ho an’ny fihavanana, ny kristiana dia tafaray amin’izy samy izy sy amin’Andriamanitra (Efesiana 4:3). Noho izany antony izany no nanomezana ireto toromarika hafa ireto notovozina avy amin’ny fahendren’Andriamanitra:

◻ “Ary amin’izany, raha mitondra ny fanatitrao ho eo amin’ny alitara hianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanatitrao.” — Matio 5:23, 24.

◻ “Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” — Romana 12:18.

◻ Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.” — Romana 14:19.

Mpitory ny filazantsara ny tena tia fihavanana

Fantatry ny apostoly Petera fa manohana ny fampielezana hafatra momba ny fihavanana maneran-tany Jehovah Andriamanitra. Izao no nambarany: “Ny teny izay nampitondrainy ho amin’ny Zanak’Isiraely, mitory teny soa milaza fiadanana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy (Izy no Tompon’izao rehetra izao [ny hafa rehetra, MN ].” (Asan’ny apostoly 10:36). Tsy vitan’ny hoe ‘tonga mba hanambara ny vaovao tsaran’ny fihavanana’ i Jesosy’, fa nampiofana ireo mpianany ho amin’io asa io izy (Efesiana 2:17, MN ). Nohazavainy tamin’izy ireo fa tokony ‘hitady izay mendrika’ isan-trano izy ireo ka nomeny azy ireo izao toromarika izao: “Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin’ity trano ity.” — Matio 10:11; Lioka 10:5.

Kanefa, toy ny hita tamin’ny taonjato voalohany, ny rehetra dia tsy mankamamy “ny vaovao tsaran’ny fihavanana” amin’izao androntsika izao. Eo amin’ny sasany izany dia tsy mamoha fahatsapana fitiavana fihavanana, fa fitiavana ady kosa. Fantatr’i Jesosy mialoha fa hiteraka izany karazam-pihetsika izany ny asa fitoriana ny filazantsara, satria izao no nolazainy: “Ary raha miditra ao amin’ny trano hianareo, dia miarahabà ny ao. Koa raha mendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy mendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo.” (Matio 10:12, 13). Ny sasany hanaiky amim-pahadodonana izany fiadanana avy amin’Andriamanitra izany; ny hafa handa izany. Nefa amin’ny toe-javatra rehetra, dia hihavana amin’Andriamanitra sy amin’ny olona foana ny kristiana.

Raha ny marina, ireo izay manary ny fihavanana amin’Andriamanitra dia miady aminy. Tao amin’ny faminaniany manambara ireo fisehoan-javatra hahaforona ny famantarana ny fanatrehany amin’ny maha-Mpanjaka mesianika, dia nomen’i Jesosy ho fampiomanana izao fanoharana manaraka izao: “Ary raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, (...) dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy.” (Matio 25:31-33). Ny Fanjakan’Andriamanitra sy Kristy no fototry ny raharaha fanavahana ny olombelona. Ny fomba fandraisan’ny olona “ny vaovao tsaran’ny fanjakana” ambara aminy amin’ny alalan’ny ‘anankiray amin’ireo kely indrindra amin’ny rahalahin’i Jesosy’ dia misy heviny be dia be eo amin’ny fitsarana tononina aminy (Matio 24:14; 25:34-46). Jesosy Kristy, ilay manatanteraka an’io asa fanavahana io, dia tsy mampiasa afa-tsy olona tia fihavanana mba hampanambarana ny hafatra momba ny vaovao tsara. Amin’izany fomba izany, dia tsy misy mihitsy fahavalo hanana antony tokony hilazana hoe: “Nahasosotra ahy aoka izany izy ka tsy afaka nahazo ‘ny hafatra momba ny fihavanana’ aho.”

Araka izany àry, dia tena ilaina ny olona tia fihavanana eo amin’izao tontolo izao rotidrotiky ny ady manokana sy iraisam-pirenena isan’andro. Hahita olona toy izany ianao ao anatin’ny kongregasiona kristiana. Enga anie ilay “Andriamanitry ny fiadanana” hanome anao ny fanahiny masina! Amin’izany ianao dia hahita fahatoniana, fiadanana sy filaminana ary ho afaka amin’ny fifandonana, ny fifandirana, ny fisalasalana sy ny tahotra (Isaia 32:17, 18). Afa-tsy izany koa, amin’ny fampielezana “ny vaovao tsaran’ny fihavanana”, dia hanana tombontsoa tsy hay tombanana ianao hanampy ny namanao hanjary ho tia fihavanana. — Efesiana 2:17, MN; Matio 28:19, 20.

[Teny notsongaina, pejy 29]

Ireo izay mahalala ny fihavanana avy amin’ny fahendren’Andriamanitra dia tsy mianina amin’ny fanalavirana ny ady fa miezaka amim-pahatsorana mba hitana fifandraisana tsara amin’ny mpiara-belona aminy.

[Sary, pejy 27]

Ny fiadanana ateraky ny fanahy masin’Andriamanitra dia hafa noho izay irin’izao tontolo izao fatratra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara