FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g98 8/9 p. 26-27
  • Ny Fanavaozana Anglisy — Fotoam-piovana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Fanavaozana Anglisy — Fotoam-piovana
  • Mifohaza!—1998
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny vanim-potoanan’i Cromwell
  • Vadi-mpanjaka Nahay Nandanjalanja Nandresy Eveka Be Tetika
    Mifohaza!—1998
  • Tsy Fileferana Ara-pivavahana—Niaiky ny Amin’izany Izy Ireo Ankehitriny
    Mifohaza!—2000
  • Ny fivavahana sy ny politika: fifanarahana haharitra ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Ireo eveka: tompo sa mpanompo?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Mifohaza!—1998
g98 8/9 p. 26-27

Ny Fanavaozana Anglisy — Fotoam-piovana

“Revo tamin’ny fanaovana fanovana sy famerenana mitsikera izany tontolo izany.”

IZANY no fomba ilazalazan’i J. J. Scarisbrick an’i Angletera tamin’ny taonjato faha-16, ao amin’ilay bokiny mirakitra ny tantaram-piainana hoe Henry VIII. Ny fikorontanana be ara-pivavahana tany Eoropa dia anisan’ny nahatonga ny olona sasany hino fa nila fanavaozana ny fivavahana nentim-paharazana.

Nisy mpanohana ny fampianaran’i Martin Luther, na dia niteraka fiadian-kevitra aza, tany Angletera. Ary nanomboka tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-14, dia mbola nisy ihany ireo Lollards, mpitory sy mpiaro nafana fo ny Baiboly, ary nampiely ireo fampianarany eran’i Angletera.

Tamin’ny 1526, dia tonga hatrany Angletera ny dikan-tenin’ny Soratra Grika amin’ny teny anglisy, nataon’i William Tyndale, na dia teo aza ny ezaka nataon’ireo fahavalo nahery mba hisakanana ny fampielezana azy io. Nalana sarona ho tsy tohanan’ny Baiboly ny fampianarana nentim-paharazana katolika toy ny afofandiovana, ny fiovan’ny mofo sy ny divay ho vatana sy ran’i Jesosy, ary ny fitovoan’ny pretra.

Nandalo fotoan-tsarotra anefa ny fiainan-tokantranon’ny mpanjaka, ary izany dia nampiredareda ny afon’ny Fanavaozana anglisy. Te hisaraka tamin’ilay vadiny katolika antsoina hoe Catherine avy any Aragon, i Henri VIII, satria naniry hahazo zanakalahy handova ny fanjakana izy. Maty tany am-bohoka, na maty mbola kely, avokoa ireo zanaka enina naterak’i Catherine tamin’i Henri, afa-tsy zanakavavy iray nantsoina hoe Marie. Ambonin’izany, dia voasarika tamin’i Anne Boleyn, tanora sady navitribitrika, i Henri, ary nikasa ny hanambady azy.

Nanome tosika fanampiny tsy nahy an’ilay Fanavaozana ny kardinaly Thomas Wolsey, izay lehilahy nahay sy nanam-pahefana lehibe nanampy an’i Henri. Nihanahazo fahefana sy harena i Wolsey, nanomboka tamin’ny fanombohan’ny fanjakan’i Henri tamin’ny 1509. Tamin’ny farany, ny fahefany dia nanaraka avy hatrany ny an’ny mpanjaka mihitsy. Tsy tiam-bahoaka anefa i Wolsey, noho izy nirona hanjakazaka sy nampisondrotra ny hetra. Fanampin’izany, dia hita ho toa nihevi-tena ho ambony noho ny lalàn’ny egliziny izy, noho izy nanan-janaka roa, nefa tsy nanambady.

Nioko mba hanongana an’i Wolsey ireo andriana. Tsy azo nihodivirana intsony ny hahavoaongana azy rehefa tsy nahatanteraka ilay fisaraham-panambadiana nirin’i Henri mafy dia mafy izy. Nesorina tamin’ny toerany i Wolsey, ary maty tamin’ny 1530, fotoana fohy talohan’ny tokony ho nisehoany teo anatrehan’ny mpanjaka noho ny fiampangana azy ho mpamadika.

Nanjary nahery ny toe-tsaina nanohitra ny fitsabahan’ny mpitondra fivavahana tamin’ny raharaha hafa, tany Angletera. Nanoratra i Scarisbrick, mpahay tantara, fa “nisy nanantitrantitra hoe nilaina nailika tanteraka ny Eglizy, tsy zakan’ny fitambaran’olona intsony itỳ enta-mavesatra nampandany vola itỳ sy itỳ fikambanana lehibe nampiasa olona maro loatra itỳ, izay namihina harena be loatra, sy naka be loatra, nefa zara raha nanome (...), ary nanimba ny toe-karen’[i Angletera] (...) ny fikorianan’ny vola anglisy nankany Roma”.

Ny vanim-potoanan’i Cromwell

Tamin’ny farany, dia “niravona” ny olana momba ny fanambadian’i Henri, noho ny fanampian’i Thomas Cromwell, lehiben’ny mpanolo-tsainy, sy i Thomas Cranmer, Arsevekan’i Cantorbéry vaovao. Nisaraka tamin’ny eglizin’i Roma ny eglizy anglisy, ary tonga filohan’ny eglizy anglisy ny mpanjaka. Nofoanan’i Cranmer ny fanambadian’i Henri sy i Catherine tamin’ny 1533. Tamin’izany fotoana izany i Henri dia efa nanambady an’i Anne Boleyn, izay efa bevohoka. Nisy vokany lalina io fahafahana tsy ho eo ambany fahefan’ny papa io.

Nomena fahefana tsy nisy fetra teo amin’ny eglizy i Cromwell, ary ny mpanjaka ihany no ambony noho izy. Noravana tsikelikely ireo mônasitera ary natolotra ny Mpanjaka ireo fananany, ka nampidi-bola izay tena nilaina tokoa. Fanampin’izany, dia nandray anjara lehibe i Cromwell teo amin’ny fanaovana pirinty sy fampielezana ny Baiboly tamin’ny fiteny anglisy, araka izao nomarihin’i A G. Dickens izao, ao amin’ilay bokiny hoe The English Reformation (Ny Fanavaozana Anglisy): “Avy tamin’i Thomas Cromwell, lefitry ny mpanjaka, avokoa ny fanapahan-kevitra ara-politika, ny fanomanana ny famoahana boky, ny famoriam-bola, ny fanerena hanarahan’ny Eglizy Anglisy ny Baiboly Great Bible.”

Rehefa nanjary mora kokoa ho an’ny vahoaka ny nahazo ilay Baiboly, dia nisy vokany lalina teo amin’ny fomba fihevitry ny olona ny fivavahana nentim-paharazana izy io. Izao no fanamarihan’i Dickens: “Ny fiainana tena tsotra nananan’i Jesoa Kristy sy ireo Apostoly dia mahagaga fa nifanohitra tamin’ny rafi-pitondrana nampihatra lalàna sy fanerena, ary nifanohitra koa tamin’ny harem-be sy ny trano fiangonana nirenty ben’ny Eglizy tamin’ny faramparan’ny Moyen Âge sy tamin’ny Renaissance.”

Naneho fahalianana tamin’ny fanavaozana ara-pivavahana sasany i Henri, nefa matetika ny tombontsoa ara-politika no nibaiko azy, fa tsy ny fiekena mafy ara-pivavahana kosa. Fantany tsara ny fisian’ireo ankolafiny nifanohitra roa tao an-dapa, dia ireo izay naniry fanavaozana, sy ireo izay naniry hihazona ny fivavahana nentim-paharazana, izany hoe ireo tsy tia fanovana. Mba hihazonana ny fahefana, dia naneho fahakingana izy ka nampiadiany ireo ankolafiny roa ireo.

Tamin’ny 1540, dia niato kely ny vanim-potoana volamenan’ny fanavaozana satria voaongana i Cromwell. Nandresy lahatra an’i Henri ireo fahavalony tsy tia fiovana hoe sady mpamadika no heretika i Cromwell, ka novonoina tsy nisy fitsarana akory.

Nandritra ny fotoana fohy, dia toa nahazo vahana ireo tsy tia fiovana. Tsy afaka nampiato ny fanavaozana izay efa namaka anefa izy ireo. Na dia izany aza, dia tsy ny vokatra nantenaina no nateraky ny Fanavaozana. Tsy nahafongotra ny ankamaroan’ireo fampianaran-dison’ny olona sy ny lovantsofina izay nandoto ny finoana katolika rômanina ireo Mpitondra Fanavaozana protestanta.

Fony i Henri nanambady an’i Catherine Parr, vadiny fahenina sady farany, tamin’ny 1543, dia nahazo hery ireo mpomba ny fanavaozana. Naneho fahalianana be tamin’ireo fampianarana ara-pivavahana vaovao i Catherine Parr. Tsy nanaiky ho resy tsy miady anefa ireo tsy tia fiovana. Tafiditra tao amin’ny ady nangotraka ho fiarovany ny ainy ilay mpanjakavavy vaovao noho ny tetika niafina nataon’izy ireo sy ny tao an-dapa. Hodinihintsika ao amin’ny nomeraon’ny Mifohaza! ho avy izany.

[Sary, pejy 26]

Henri VIII sy Anne Boleyn

[Sary, pejy 26]

Catherine avy any Aragon

[Sary, pejy 26]

William Tyndale

[Sary, pejy 26]

Thomas Cromwell

[Sary, pejy 26]

Thomas Cranmer

[Sary, pejy 26]

Thomas Wolsey

[Sary nahazoan-dalana, pejy 27]

Thomas Wolsey: Nalaina tao amin’ilay boky hoe The Story of Liberty, 1878; saritigetra, sy sarisary erỳ aoriana ary ny Mpanjaka Henri VIII miaraka amin’i Anne Boleyn: Nalaina tao amin’ilay boky hoe The Library of Historic Characters and Famous Events, Boky faha-VII, 1895; i Catherine avy any Aragon sy i Thomas Cranmer ary i Thomas Cromwell: Nalaina tao amin’ilay boky hoe Heroes of the Reformation, 1904

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara