Fanontanian’ny mpamaky
◼ Mampiseho inona ny ‘tongotra sy ny rantsan-tongotry’ ny “sariolona lehibe” voalazalaza ao amin’ny Daniela 2:31-45?
Ilay “Mpampiseho zava-miafina”, dia ny tenan’i Jehovah Mpanjaka Tompo mihitsy, no nanome ara-tsindrimandry an’io faminaniana io an’i Daniela. Nahatratra ny fara heriny ny fahatanterahan’io tao anatin’ny “vanim-potoana farany amin’ireo andro”, fotoana tokony hanapahana indray mandeha ny raharaha ny amin’ny fanapahana izao tontolo izao (Daniela 2:28, MN ). Hatramin’ny nanombohan’ny “andron’ny jentilisa” tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana ka hatramin’izao androntsika izao, dia herim-panjakana maromaro no nifandimby. Tao aloha ny Empira babyloniana, avy eo dia ny Herim-panjakana mediana sy persiana, grika, romana ary farany dia ny Empira anglisy amerikana. Ireo hery ireo dia asehon’ny tapany metaly isan-karazany tamin’ilay tsangambato. — Lioka 21:24.
Tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa tamin’ny 1914 anefa no niseho teto an-tany ny fifangaroam-panapahan’olombelona tsy mitovy (Matio 24:3-12). Mampihatra hery lehibe kokoa eo amin’ny raharaha ara-pitondram-panjakana amin’izao andro izao ny sarambabembahoaka (ny “taranak’olombelona” natao avy amin’ny vovoky ny tany). Hita niseho teo anoloan’ny sehatra ny fitondrana demokratika sy sosialista mbamin’ny karazam-pitondram-panjakana hafa tsy refesi-mandidy azo ampitahaina amin’ny vy. Izy ireny dia sahala amin’ny “vy miharo amin’ny tanimanga” izay mahaforona ny tongotra sy ny rantsan-tongotry ny sary.
Fanazavana samihafa no naroso ny amin’ny “rantsan-tongotra” folo, nefa noho ny isa “folo” ampiasaina matetika ao amin’ny Baiboly mba hanondroana izay feno eto an-tany, ny rantsan-tongotra “folo” dia toa mampiseho ara-dalàna ny fandaharam-panapahana maneran-tany manontolo eo amin’ny fara herin’ireo andro. Eo amin’ny tongotra sy ny rantsan-tongotra no ‘tonga ny Fanjakan’Andriamanitra’ manamontsamontsana ireo fisehoan’ny fanapahan’olombelona farany. Afaka ny ho faly isika satria ny fanapahana feno fiadanana sy fanambinan’ny Fanjakan’i Kristy dia hitatra amin’ny tany manontoloa. — Matio 6:9, 10; jereo Isaia 11:1, 9.
Ny nofin’i Nebokadnezara hafa iray, voalazalaza ao amin’ny Daniela toko faha-4, dia nanambara koa fisehoan-javatra hitranga aorian’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa. Amin’ny farany, ny olona dia tokony hiaiky fa “ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany”, izany hoe ho an’ilay Mpanjaka, Jesosy Kristy. — Daniela 4:22; Da 7:13, 14.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha tiana ny handinika amin’ny antsipiriany kokoa ny amin’ilay “sariolona lehibe”, dia jereo ny boky “Que ta volonté soit faite sur la terre”, pejy faha-107 ka hatramin’ny 127, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., tamin’ny 1965.