FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/6 p. 8-10
  • Mandresy ny fahamarinana sy ny finoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mandresy ny fahamarinana sy ny finoana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny finoana miasa
  • Nandresy ny finoana sy ny fahamarinana
  • Maritiora noho ny finoan’izy ireo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Voasazy ireo namono olona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Ny zava-miafin’i Kimbilikiti
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Enjehina satria nilaza ny marina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/6 p. 8-10

Mandresy ny fahamarinana sy ny finoana

NY Vavolombelon’i Jehovah dia tapa-kevitra ny hivavaka amin’i Jehovah “amin’ny fanahy sy ny fahamarinana”. (Jaona 4:23, 24.) Marina fa mampiharihary ny fahadisoan-kevitra ny hafatra ao amin’ny Baiboly entin’izy ireo; sahala amin’ny apostoly Paoly anefa, dia manontany toy izao izy ireny: “Efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo?” (Galatiana 4:16). Tsy izany velively! Ireny kristiana ireny dia tia ny mpiara-belona aminy ka maniry hahita azy ireny manana fahafahana ara-panahy izay ny fahamarinana ihany no mamela hahazo izany. — Jaona 8:32.

Tapa-kevitra ny hitana finoana mafy orina ny Vavolombelona na dia enjehina aza izy ireo satria milaza ny marina. Miharihary tokoa fa ny finoan’ireo kristiana nanetry tena tany Pangi dia manaporofo fa noho ny fanohanan’ny Andriamaniny, ireo mpanompon’i Jehovah dia afaka mitoetra ho tsy mivadika hatramin’ny farany, na ny faran’izao fandehan-javatra ratsy izao izany na ny fahafatesan’ny tenany, angamba noho ny fanenjehana ara-pivavahana amin-kalozana. — Matio 24:13.

Ny finoana miasa

Tsy ireo olona tia ny fahamarinana novonoina tao amin’ny faritr’i Kivu ihany no hany nanana finoana mafy orina. Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’ny vehivavy kristiana be taona iray antsoina hoe Bingimeza Bunene. Ny anankiroa tamin’ireo zanany lahy, Malala Ramazani sy Akilimali Walugaba dia anisan’ireo Vavolombelona novonoina tany Pangi. Afa-tsy izany koa, ireo tranainy tao amin’ilay foko dia nahataona ny vadiny hiaraka amin’ireo mpamono ny zana-drahalahiny, Amisi Milende. Rehefa maty ireo zanany roa lahy sy ny zanaky ny mpiraitampo taminy, dia nafoin’ny fianakaviany manontolo izy, anisan’izany ny vadiny. Na dia izany aza, dia nandray fampaherezana tamin’ireto tenin’ny mpanao salamo ireto izy: “Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.” (Salamo 27:10). Ireo anadahiny sy rahavaviny ara-panahy dia nandray azy tao an-tranony ary nampionona azy tamin’ny fampahatsiahivana azy tamin-katsaram-po ny fanantenana kanto ny fananganana ny maty.

Nampidirina an-tranomaizina ny vadin’io anabavy io, Ramazani Musombwa, noho izy nandray anjara tamin’ny famonoana ny zanak’olo-mpiraitampo taminy, nefa nafahana izy tamin’ny farany. Taty aoriana izy dia niaiky fa nanaitra ny sainy ny herim-pon’ny vadiny sy ny fiahiana nasehon’ny Vavolombelona hafa tamin’io vadiny io sy ireo vinantovaviny roa maty vady. Amin’izao fotoana izao izy dia manenina mafy noho izay nataony ary miaraka amin’ny vadiny any amin’ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Miteraka fanakianana sy fanesoesoana betsaka ho azy ny fiovan’ny fihetsiny, nefa hatramin’izao izy dia tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah.

Ireo vehivavy maty vady hafa rehetra, vehivavy tanora, dia narian’ny mpianakaviny izay natahotra ny hovonoin’i Kimbilikiti. Niorina mafy hatrany izy ireo ary nanda ny hiala amin’ny finoany an’i Jehovah. Rehefa noraisin’ireo anadahiny sy rahavaviny kristiana izy ireo dia nanamarina ireto tenin’i Jesosy ireto: “Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao — dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ny fanenjehana — ary amin’ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. — Marka 10:29, 30.

Nandresy ny finoana sy ny fahamarinana

Amin’izao andro izao, ny toeran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Pangi dia nanjary ara-dalàna indray. Ny vehivavy maty vady rehetra sy ny olona tsara fikasa izay voatery nandositra tany amin’ny tanàna sy vohitra hafa dia nody tany aminy. Nanomboka nitory ny hafatra momba ilay Fanjakana indray tamin-jotom-po sy fahavononana nohavaozina tao amin’ny faritaniny ny Vavolombelona. Na dia tao aza izay rehetra nihatra taminy, izy ireo dia mitovy toe-tsaina amin’ireo ‘rahalahy izay nihanatoky noho ny fifatoran’i Paoly ka nihasahisahy kokoa nitory ny tenin’Andriamanitra tsy tamin-tahotra’. — Filipiana 1:14.

Mazava ho azy fa miteraka alahelo ny namonoana kristiana nahatoky valo tao amin’ny kongregasionan’i Pangi. Na dia izany aza, dia misy minisitra manontolo andro hafa iray izao manompo amin’ny maha-mpiandraikitra prezidà; ireo mpanompon’i Jehovah monina any, any afovoan’i Afrika, dia mino mafy fa hanohy haneho fitiavana amin’izy ireo amin’ny alalan’i Kristy Andriamanitra. Amin’izany izy dia miray hevitra amin’i Paoly izay nanambara hoe: “Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? (...) Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika.” — Romana 8:35-39.

Fa nahoana no navelan’i Jehovah hovonoina ireny vavolombelona mahatoky ireny? Teo amin’izao tontolo izao mahery setra ankehitriny, dia miharihary fa niaro imbetsaka ny olony Andriamanitra. Tamin’ny fanaovana toy izany, dia nasehony ny fomba ho azony amakivakiana tsy haninon-tsy haninona ny “fahoriana lehibe”. (Matio 24:21; Isaia 26:20.) Nefa, araka ny nanazavan’i Jesosy azy ao amin’ny Jaona 16:1-3, dia avelany ho tonga hatramin’ny famonoana ho faty ny sasany amin’ireo mpanompony indraindray ireo fahavalony. Ireo izay tsy mivadika hatrany ao anatin’ny tarehin-javatra karazan’izany sahala amin’ireo rahalahiny nahatoky tao amin’ny faritr’i Kivu dia manome porofo fa ny vahoakan’Andriamanitra dia tapa-kevitra ny tsy hihozongozona hatrany, na dia eo anoloan’ny fahafatesana aza. — Joba 27:5; Ohabolana 27:11.

Tsaroantsika fa ny nitoraham-bato an’i Stefana, maritiora tamin’ny taonjato voalohany, dia niteraka fanaovana fanambarana lehibe (Asan’ny apostoly 8:1-8). Ny famonoana olona nahatsiravina natao tao amin’ny faritr’i Pangi àry dia mety hanosika maro anisan’ny foko Rega sy olon-kafa koa any Zaïre na any an-toeran-kafa, hieritreritra tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Horaisin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho fifaliana lehibe ny fanampiana ireny olona tso-po ireny ho afaka amin’ny tahotra sy ny finoanoampoanan’ny fivavahan’i Kimbilikiti. Misy fahafahana mahagaga miandry an’izay rehetra manaiky ny fahamarinan’Andriamanitra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara