Enjehina satria nilaza ny marina
TSY manohana ny zavatra inoana sy ny fanao momba an’i Kimbilikiti ny Vavolombelona satria izany mifanohitra amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Soratra masina. Nanafaka azy ireo ny fahamarinana voarakitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly (Jaona 8:31, 32). Izany no antony tsy amelany ny zanany lahy hampiharana famorana takin’ny fombafomban’i Kimbilikiti. Laviny ny fanomezana sakafo, vola na fananana takina aminy mandritra ireo vanim-potoana fandraisana, ary ny vehivavy ao aminy dia tsy mandray anjara amin’ny fanjonoana anerena alamina noho izany antony izany ihany koa.
Momba ny famonoana ireo Vavolombelona noresahina teo aloha, dia homarihina amim-pahalianana izay nambaran’ny minisiteram-bahoaka tamin’ny lahateny nataony: ‘Ny Warega sasany izay nandray anjara taloha tamin’ny fombafomba momba an’i Kimbilikiti ka mahalala ny tsiambaratelony dia Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. Nanala sarona izany tsiambaratelo izany izy ireo, indrindra fa ireo izay manaporofo ny tsy fisian’ny fanahy atao hoe Kimbilikiti. Noho izany dia nahariharin’izy ireo fa ireo fanatitra takin’io lazaina fa fanahy io dia fitaka lehibe nataon’ireo tranainy nitarika ny fombafomba.’
Arakaraka ny naneken’ireo anisan’ny foko Rega ireo fampianarana ao amin’ny Baiboly, ny finoanoampoana sy ny tahotra ny fahafatesana dia nanome toerana ho an’ny fahamarinana sy ny fanantenana fananganana ny maty (Jaona 5:28, 29). Tsy miteny ratsy ny reniny, ny vadiny sy ny anabaviny ireo lehilahy fa mianatra maneho fanajana azy ireny. — Efesiana 5:21 ka hatramin’ny 6:4; I Timoty 5:1, 2.
Mifanohitra amin’izany, ireo Fiangonana maro karazana ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia mamela ny “mpiangona” ao aminy hanaraka fivavaham-poko miseho ivelany ho kristianisma. Marina tokoa fa mpisorona sy mpisoronaben’i Kimbilikiti be dia be no mpikambana hajaina sy mpanaraka finoana samihafa. Izany dia mifanohitra amin’ny fihetsiky ny apostoly Paoly izay nanoratra toy izao: “Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin’ny tsy mino. Fa inona no iraisan’ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? (...) Ary inona no ikambanan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy?” — II Korintiana 6:14-16.
Matetika dia ireo izay manana fifamatorana mafy amin’i Kimbilikiti toy ny amin’ireo Fiangonana arahin’ny besinimaro no miteraka zava-manahirana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ireny mpanohitra ireny dia sahala amin’ireo mpanamboatra sampy tany Efesosy fahizay. Nahatsapa tokoa ireo fa nahatandindomin-doza ny varony i Paoly tamin’ny fanaporofoana fa “tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tànana”. (Asan’ny apostoly 19:23-28.) Toy izany koa ny amin’ny fahamarinana izay manaporofo ny tsy fisian’ny fanahy Kimbilikiti.
Mieritreritra ny Vavolombelon’i Jehovah fa adidiny ny mampahafantatra ireo fahamarinana karazan’izany. Marina fa niteraka fanenjehana azy ireo izany indraindray. Inona anefa no ampahafantarin’ny fahatokian’izy ireo sy ny fiaretany antsika?