Voasazy ireo namono olona
REHEFA tonga tany Kinshasa ny vaovao ny amin’ny famonoana olona, dia nanao fandaharana ireo manam-pahefana mba hahazoana antoka fa hampiharina ny rariny. Mety ny mifaly noho izany.
Nandefa kamiaon’ny miaramila maromaro ho any an-toerana izy ireo. Farany, dia voasambotra ireo meloka ka hiseho eo anoloan’ny fitsarana any Kindu, any amin’ny provans’i Kivu.
Tsy mora akory ny mitsara ilay raharaha. Iharan’ny fandrahonana sy ny fanerena kendrena hampandraisana kolikoly azy foana ireo mpitsara. Tolorana vola be izy ireo mba hanambatambazana azy. Rehefa ho namoaka didim-pitsarana manameloka izy ireo, dia haharay taratasy tsy misy sonia mihitsy aza manambara amin’izy ireo fa hamaly faty azy ireo i Kimbilikiti.
Zava-misy mahaliana fa nandritra ny fitsarana ireo voampanga dia namerimberina tamim-panantitranterana fa fanahy i Kimbilikiti ka izy io no nanosika azy ireo hanao zavatra. Tamim-pahendrena no nanaovan’i Tumba mpitsara fandaharana mba handrenesan’ireo izay tao amin’ny efitrano ireo zavamanenon’i Kimbilikiti tao anatin’ny fotoana fitsarana. Noheveriny tokoa fa raha fanahy i Kimbilikiti, ny feon’ny zavamanenony dia tokony tsy hisy vokany hatrany eo amin’ireo Rega nanatrika teo. Inona no nitranga? Rehefa niakatra ny feo hafahafa, dia nitabataba ny tao amin’ny efitrano. Raiki-tahotra ny vehivavy ka nandositra noho ny tahotra sao mahita an’i Kimbilikiti ka ho faty. Ireo lehilahy, menatra, dia niondrika. Avy eo dia nandao ny efitrano izy ireo ka ireo voampanga ihany sisa navelany teo, niaraka tamin’ny mpiasan’ny fitsarana sy mpijery vitsivitsy anisan’ny foko hafa. Nasehony indray mandeha koa fa Kimbilikiti dia tsy inona fa angano miorina amin’ny finoanoampoana mba hanandevozana ny vahoaka Rega.
Ny fitsaran’i Kindu dia hanameloka ho faty olona enina tompon’andraikitra mivantana tamin’ny famonoana olona. Afa-tsy izany koa, ny fitsarana dia hanapa-kevitra fa handrotsahana onitra ireo vehivavy maty vady (nangataka fitsarana ambony tany Bukavu, any Kivu ireo meloka).
Nahay niantsoroka ny andraikiny ireo manam-pahefana, ka izany dia mampahatsiahy antsika ireto tenin’ny apostoly Paoly ireto: “Fa ny mpanapaka dia tsy mba tahotry ny manao tsara, fa ny manao ratsy ihany. (...) Fa mpanompon’Andriamanitra ny [fahefana], dia mpamaly handatsaka fahatezerana amin’izay manao ratsy.” (Romana 13:1-4). Araka izany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manohy manao “fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra”. Nanampy teny toy izao koa i Paoly: “Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.” — I Timoty 2:1-4.
Mino mafy izahay fa ny zava-nitranga tany Pangi dia hanampy Rega tso-po maro ho ‘tonga amin’ny fahalalana tsara ny marina’ sy hanapaka ny gadran’ny finoanoampoana. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia hanohy hitady ireny olona ireny ao amin’io tany io sy any an-toeran-kafa na aiza na aiza. Eny, faly izy ireny mampiseho ny finoany sy mampahafantatra ny fahamarinan’ilay Fanjakana amin’izay rehetra tia ny rariny, na dia any amin’ireo faritra lavitra indrindra any Afrika aza.