Ny zava-miafin’i Kimbilikiti
NY TENY hoe Kimbilikiti dia manondro ny fivavahan-drazan’ny foko Rega, izay monina ao amin’ny faritr’i Kivu, any afovoany atsinanan’i Zaïre. Ny lehilahy ao amin’io foko io dia mihaza any amin’ny ala mikitroka ao amin’ny faritaniny, ny vehivavy dia manjono any amin’ny renirano; ny isam-pianakaviana koa dia mamboly. Ny fiainan’ny rehetra anefa dia fehezin’i Kimbilikiti, ilay fanahy lehibe tao amin’ny foko tsy maintsy nankatoavina tanteraka. Ny tsirairay avy dia tsy maintsy nitana tamim-pahasarotam-piaro ny tsiambaratelo nifamatotra tamin’ny fanompoam-pivavahana natolotra ho azy; izay rehetra nampiely na dia kely monja tamin’izany aza dia azo nokapohina niaraka tamin’izay. Afa-tsy izany koa, ny fanoherana fotsiny ny fahafatesan’ny mpianakavin’ny tena iray novonoin’i Kimbilikiti dia mitarika ho amin’ny famonoana avy hatrany.
Ahoana no niandohan’io fivavahana mahery io? Mba hamaliana an’io fanontaniana io, dia tokony hitodika ny lasa isika.
Fahaterahan’ny zava-miafina iray
Araka ny angano, efa ela be tokoa izay, dia nisy lehilahy nanana zanaka telo lahy. Ny lahimatoa, Katima Rega, zeny ratsy tarehy iray, dia kilemaina aoka izany ka tsy afaka nieritreritra ny hanambady. Tamin’ny lafiny ara-tsaina anefa, dia lehilahy faran’izay namirapiratra izy io, nanana fahaizana maka sary an-tsaina niavaka indrindra. Ny fitiavany sakafo fy dia nitana azy ho tendàna. Mba hahafahana mihinana nefa tsy ho voatery hiasa, dia namorona zavamaneno tsotsotra sahala amin’ny sodina izy ka namoahany feo hafahafa. Nanamboatra hazo fisaka sahalahala amin’ny sambo koa izy, ka nofatorany tamin’ny tady kely io. Rehefa nahodinkodiny mafy teo ambony lohany izany, dia niteraka feo hafahafa sy firohondrohona nahery.
Mbola araka ny lovantsofina ihany, dia nandraman’i Katima tamin’ireo zanaky ny mpiraitampo taminy roa lahy aloha ny zavamanenony. Nataony izay hinoan’izy ireo fa avy any amin’ny fanahy ny feo reny. Rehefa avy nampitahotra azy ireo izy dia nanosika azy hangalatra sakafo sy paraky ho azy tao amin’ireo rahalahiny roa. Rehefa avy eo, dia tapa-kevitra izy ny hanitatra ny sahan’asany: niafina tao amin’ny kirihitr’ala izy ary niandry ny hahazoan’ireo vehivavy hazandrano sy hametrahany izany tao anaty harona. Avy eo dia namafy horohoro teo amin’izy ireo tamin’ny zavamanenony izy. Avy hatrany ireo vehivavy dia nandositra tany an-tanàna ka namela teo ny zavatra azony.
Tamin’ny voalohany, dia tsy ninoana ny tenin’ireny vehivavy very hevitra ireny. Nefa rehefa niverimberina ny tarehin-javatra ary tsy nanana hazandrano ny mponina tao amin’ilay vohitra, dia nanatona tamim-pahamalinana an’io “biby demonia” io ireo lehilahy ka nahatsikaritra fa tsy iza akory io fa i Katima Rega ihany. Ny sasany nitady hamono azy, fa ny hafa kosa, noho ny fiheverana ny zavatra noforoniny ho mampiseho hakingana indrindra, dia niray hevitra fa hanao an’ilay “feo” ho fanahin’ilay foko. Hotanana ho tsiambaratelo ilay zavatra ary hijanona ho zava-miafina ho an’ny tsy mpikambana rehetra. Ny tsirairay avy anisan’ilay foko dia tsy maintsy hanaraka ny baiko, ny toromarika sy ny didy avy amin’ilay “feo”, dia ny fanahin’ny ala. Iza anefa no anarana homena azy? Neken’ny maro rehefa nanipy hevitra ny tranainy iray fantatra tamin’ny fahendreny fa hiantso azy hoe “Kimbilikiti”.
Tamin’izany no nahaterahan’ny fivavaham-pokon’ny Rega. Nanomboka tamin’izany fiandohana kely izany, dia noforonina ny fitambaram-pitsipika sy fanao ary finoanoampoana. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanampy an’i Kimbilikiti ny “fanahy” tsy hita maso telo hafa. Kabile, noheverina tamin’ny fotoana sasany ho anabaviny ary tamin’ny fotoana hafa ho vadiny, dia toa vehivavy hafa dia hafa sy tsara tarehy aoka izany. Ny zatovolahy rehetra dia noheverina fa noforana tamin’ny fomba mahagaga rehefa niray tamin’izy io. Twamba, anankiray tamin’ireo zandrin’i Kimbilikiti lahy dia toa hoe natanjaka aoka izany ka afaka nanapoaka tafiodrivotra, nandrodana trano sy nanao zavatra hafa sahala amin’izany. Re ny ‘feony’ amin’ny firohondrohon’ilay hazo toy ny sambo. Ny fanahy fahatelo dia antsoina hoe Sabikangwa na Mukungambulu. Io zandrin’i Kimbilikiti lahy hafa iray io dia toa hoe mpitondra hafany.
Ny fombafomba fidirana ho mpikambana
Eo amin’izao tontolo izao hita maso, Kimbilikiti dia asehon’ny ambaratonga-mpisoronabe (ireo olon-kendry Bami). Ny anankiray amin’izy ireny, antsoina hoe Mukuli, dia mitarika ny fombafomba amin’ny famorana. Ny anankiray hafa, Kitumpu, dia manao ny raharahan’ny mpitsabo. Raha ny marina dia izy no mamora ny zatovo. Ny fahatelo, Kilezi, dia mikarakara ny zazalahy vao noforana. Ny Bikundi, antokon’olona mpikambana dia manao ny raharahan’ny mpanelanelana ny tobin’ny mpikambana, sy ny mponina ao amin’ny vohitra amin’ny ankapobeny.
Ny fombafomba fidirana ho mpikambana (antsoina hoe Lutende) dia atao any anaty ala, any amin’izay heverina fa onenan’i Kimbilikiti. Atao faran’izay miafina izany; izay rehetra mety ho vehivavy na biby vavy manakaikikaiky eny dia kendaina avy hatrany. Amin’ny andro fandraisana ho mpikambana, dia misy fety lehibe alamina ao amin’ireo vohitra eny amin’ny manodidina. Manomboka amin’ny vao maraina be, dia misy lalao sy dihy tsy mety tapitra omanina mba hitsapana ny tanjak’ireo horaisina ho mpikambana. Aorian’izany ireo dia mihaino ny tantaran’i Kimbilikiti rehetra, miaraka amin’ny angano isan-karazany nanampy tao anatin’ireo taona. Atao izay hinoan’ireo zazalahy fa olona tena misy Kimbilikiti sy ny anabaviny sady vadiny, dia Kabile. Asaina miomana hiady amin’i Kabile izy ireo, ka aorian’izany dia hiray aminy ary ho voafora amin’ny fomba mahagaga. Raha tsy mahomby amin’ireo fitsapana roa ireo ny anankiray amin’izy ireo, dia hitaraina mafy amin’i Kimbilikiti i Kambile ka hofoanan’io ilay meloka.
Rehefa tonga any anaty ala anefa ireo zazalahy dia tsy mahita na inona na inona mihitsy amin’izay nambara tamin’izy ireo. Ireo mpisoronabe telo (Mukuli, Kitumpu sy Kilezi) kosa dia mandray azy ireo misesy ka mamora azy. Izany, hoy izy ireo, no ady atao amin’i Kabile! Raha tsy manolatra ara-dalàna ny fery ao amin’ny zazalahy iray amin’ny fotoana tokony hiverenany any amin’ny vohiny, dia kendaina izy ka ariana. Izany dia mahatonga ho afaka hanafoana ny angano momba ny famorana mahagaga mifamatotra amin’ny firaisana amin’i Kabile tsara tarehy sy mahery noho ny olombelona.
Na dia hajaina tokoa aza Kabile, mandritra ny fombafomba fandraisana azy, ireo zazalahy dia mianatra teny ratsy izay hataony amin’ny vehivavy, anisan’izany ny reniny sy ireo anabaviny. Rehefa ho tafaverina any amin’ny vohitra misy azy ireo noraisina, dia hoterena ireo vehivavy hiseho hila hitanjaka eo anoloan’izy ireo, hanatona handohalika sy handihy, fa izy ireo kosa hanototra ireo vehivavy ireo teny ratsy ho nianarany.
Isaky ny vanim-potoana fandraisana, ny Bikundi (ireo izay efa voaray) dia mitety vohitra, maka an-keriny sakafo sy fananana. Ireo fianakaviana dia tokony hanome azy ireo izay rehetra angatahiny ho an’i Kimbilikiti sy ireo any amin’ny toby fandraisana. Sakanana aza ny lalana ary voatery mandoa izay takin’ireo mpanaraka an’i Kimbilikiti ny mpandalo. Ampaharetina amin’izany ny zava-nokendrena tamin’ilay “feo” tamin’ny voalohany: hahazo sakafo nefa tsy ho voatery hiasa.
Rehefa fintinina, inona moa Kimbilikiti? Angano noforonina nanodidina ny tapatapaka volotsangana! Mba hitanana izany anefa, dia naorina ny fandaharam-pampihorohoroana ka ny tahotra ny fahafatesana no fototra lehibe indrindra (Hebreo 2:14, 15). Anampio an’izany ny finoanoampoana, ny faniriana mihoa-pampana sy ny teny ratsy, ka ny fitambaran’izany dia tohanan’ny ambaratonga-mpisoronabe. Fa inona no tena ifandraisan’izany amin’ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah?
[Sary, pejy 6]
Ny ‘sodin’i’ Kimbilikiti.
[Sary, pejy 7]
Ireo kristiana mahatoky any Pangi.