Ny Fiheveran’ny Baiboly
Ny Antony Maha-fandaharana Feno Fitiavana ny Fandroahana
FANONGANANA — io hevitra io mihitsy dia mampipoitra fihetseham-po mifanipaka eo amin’ny olona tia fivavahana maro.a Miombon-kevitra ny ankamaroan’ny olona fa mila karazana fifehezana ny fivavahana. Olona maro anefa no mihevitra ny fanonganana ho sisan’ny fanao tamin’ny lasa — fomba fifehezana henjana izay mampahatsiahy azy ireo ny fanenjehana mpamosavy sy ny Inquisition.
Manampy trotraka ilay olana ny fitaomana miely patran’ny tontolo tsy ara-pivavahana. Noho izany, ny ankamaroan’ireo fivavahana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana dia nanaraka fomba fihevitra milefitra kokoa momba ny atao hoe ota. Tsy mahagaga àry raha nilaza toy izao ny mpitondra fivavahana episkopaliana iray: “Anisan’ny fomba fanaontsika ny fanonganana, kanefa tsy heveriko fa natao nanan-kery izy io tamin’itỳ taonjato itỳ.”
Kanefa, olona maro no mety ho gaga mahafantatra fa eo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mbola heverina ho zava-dehibe ny fandroahana (izay mitovy lanja amin’ny fanonganana). Marina fa tsy fanaovan-javatra mora izy io, kanefa fandaharana feno fitiavana. Amin’ny ahoana moa?
Manandratra ny anaran’Andriamanitra izy io
Andriamanitra masina i Jehovah. Tsy milefitra amin’ny fahotana iniana ataon’ireo izay mihambo ho manolotra fanompoam-pivavahana aminy izy. Nanoratra toy izao ho an’ireo Kristiana ny apostoly Petera: “Aoka mba ho masina (...) hianareo amin’ny fitondrantena rehetra, satria voasoratra hoe: ‘Ho masina hianareo, satria masina Aho’.” (1 Petera 1:15, 16). Koa manandratra ny anarana masin’Andriamanitra àry ny fandroahana an’ireo mpanota tsy mibebaka; mampiseho fitiavana an’io anarana io izany. — Ampitahao amin’ny Hebreo 6:10.
Midika ve izany fa raha manaiky ho resin’ny fahalemena na lavo ao amin’ny fahotana lehibe ny Kristiana iray, dia mandeha ho azy ny handroahana azy tsy ho ao amin’ny kongregasiona? Tsy izany velively! Tsy mpitondra jadona manana fo vato i Jehovah. Mamindra fo sy mahazo ny fihevitry ny hafa izy. Mahatsiaro izy fa tsy lavorary isika. (Salamo 103:14). Eken’i Jehovah fa “samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”. (Romana 3:23). Andriamanitra dia nanao fandaharana ny amin’ny hisian’ny fanampiana ara-panahy ao anatin’ny kongregasiona, hany ka raha “manao fahadisoana” na manao fahotana lehibe mihitsy aza ny Kristiana iray, dia azo “arenina” amim-pitiavana amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy izy. (Galatiana 6:1, NW ). Amin’ny fanekena ny torohevitra avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy amin’ny fanehoana alahelo amim-pahatsorana sy fibebahana marina, ny olona iray nivily niala tamin’ny lalan’ny fahitsiana dia afaka ny “ho sitrana” ara-panahy. — Jakoba 5:13-16.
Ahoana anefa raha manao fahadisoana lehibe ny Kristiana iray vita batisa ary tsy mahomby ny ezaka rehetra hanarenana azy? Raha lazaina amin’ny teny hafa, ahoana raha mikiry tsy manaiky hanitsy ny lalam-pitondran-tena ratsy arahiny izy?
Miaro ny kongregasiona izy io
Mandidy ny Kristiana toy izao ny Baiboly: “Mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin’ny toy izany hianareo.” — 1 Korintiana 5:11.
Henjana sy manambany ve io lalàn’ny Baiboly io? Diniho fotsiny izao: Rehefa alefa any am-ponja ny mpanao heloka bevava mafy fo iray satria nandika lalàna, moa ve izany heverina ho henjana na mampiseho fo vato? Tsia, satria manana zo hiaro ny fiadanana sy ny filaminan’ny fiaraha-monina ny sarambaben’olona. Raha ny marina, ilay mpanao heloka bevava dia roahina tsy ho eo amin’ny fiaraha-monina mpanara-dalàna, mandritra ny fitoerany any am-ponja.
Mitovy amin’izany koa fa manana ny rariny ny kongregasiona kristiana amin’ny fandroahana mpanao ratsy tsy mibebaka tsy ho eo anivony. Nahoana? Satria tsy maintsy ho toeram-piarovana amin’ny mpiremby maloto fitondran-tena sy ny mpanao ota an-tsitrapo hafa, ny kongregasiona.
Nahatakatra ny apostoly Paoly fa “ny mpanota iray mahasimba ny soa be”, ka nandidy toy izao ireo mpiray finoana taminy izy: “Esory aminareo ilay mpanao ratsy.” (Mpitoriteny 9:18; 1 Korintiana 5:13). Misakana ilay mpanota tsy hampiely fahasimbana ara-pitondran-tena ao amin’ny kongregasiona io fanaovan-javatra io, ary miaro ny laza tsaran’ny kongregasiona izy io. — Ampitahao amin’ny 1 Timoty 3:15.
Fiarovana ny isam-batan’olona
Ny fandroahana koa dia miaro ny mpikambana tsirairay ao amin’ny kongregasiona. Andeha hohazavaintsika amin’ny ohatra: Alao sary an-tsaina ny hoe manaitra anao amin’ny torimaso ny feo mitabataban’ny klaxon na ny fanairan’ny fiara iray. Sarotra ny mody tsy mahalala an’ilay feo mikarantsana; eny tokoa, manaitra anao tampoka izy io! Toy izany koa, rehefa misy olona voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona, dia antenaina fa tsy maintsy manintona ny sain’ny mpikambana tsirairay ao amin’ny andian’ondry ilay fanaovan-javatra. Manelingelina ny sainy izy io. Tsy azo odian-tsy fantatra izy io. Amin’ny ahoana izy io no mety ho fiarovana?
“Rehefa nandre voalohany tao amin’ny Efitrano Fanjakana aho hoe nisy olona voaroaka, dia fahatairana no fihetsiko voalohany”, hoy ny Vavolombelona iray. “Avy eo dia nampanetry tena ahy izy io. Nahatonga ahy hahatakatra izy io fa izaho koa dia mety ho lavo.” Araka ny tondroin’ny teniny eo, ny fandroahana dia afaka manosika ny hafa handinika amim-pitandremana ny fitondran-tenany. — 1 Korintiana 10:12.
Amin’ny fametrahantsika amin’ny tenantsika fanontaniana toy ny hoe: ‘Moa ve misy lafiny eo amin’ny fiainako izay mampahalemy ahy ara-panahy?’, dia azo ampiana isika mba handinika ny toerantsika manokana eo anatrehan’Andriamanitra. Amin’izany fomba izany, dia afaka manohy ‘miasa amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena antsika’ isika. — Filipiana 2:12.
Fiverenana amin’Andriamanitra
“Mafy ilay fifehezana”, hoy ny Kristiana iray izay nisy fotoana naha-voaroaka azy, “kanefa dia tsy maintsy natao sy tena nilaina ilay izy, ary hita ho namonjy aina.” Izany dia manasongadina lafiny lehibe hafa amin’ny fandroahana. Afaka manosika an’ireo mpanota tsy nibebaka teo aloha mba hanao ny dingana voalohany hiverenana amin’Andriamanitra izy io.
Hoy ny apostoly Paoly: “Izay tian’i Jehovah no faizany”. (Hebreo 12:6). Ary marina aloha fa “tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana [ny famaizana], fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy”. — Hebreo 12:11.
Izany no nitranga tamin’i Richard. Rehefa avy voaroaka efa ho roa taona izy, dia nibebaka, nanitsy ny fitondran-tenany nanala baraka an’Andriamanitra, ary dia noraisina indray tao anatin’ny kongregasiona kristiana. Rehefa manao jery todika izy, dia milaza toy izao mikasika ilay zavatra niainany: “Takatro fa tsy maintsy noroahina aho ary koa fa mendrika tanteraka izay nahazo ahy aho. Tena nilaina tokoa ilay izy ary nanampy ahy hahita ny maha-ratsy ny lalam-pitondran-tena narahiko sy ny ilana hitady ny famelan’i Jehovah heloka.”
Mety tsy ho mora ny miaritra fifehezana. Mitaky fanetren-tena ny fanekena azy io, kanefa ireo izay miana-javatra avy amin’izy io dia mijinja vokatra tondraka.
Noho izany, ny fandroahana dia fandaharana feno fitiavana satria manandratra ny anarana masin’Andriamanitra ary miaro ny kongregasiona amin’ny fitaomana manimban’ny ota. Afa-tsy izany koa, dia mampiseho fitiavana an’ilay mpanao ratsy izy io satria mampirisika azy hibebaka ka ‘hiverina hamonoana ny fahotany, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’i Jehovah’. — Asan’ny Apostoly 3:19.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Famaizana izay miafara amin’ny fandroahana tsy ho anisan’ny fivavahana iray, ny fanonganana.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
The New Testament: A Pictorial Archive from Nineteenth-Century Sources, nataon’i Don Rice/Dover Publications, Inc.