Ny fifehezana izay mitondra vokatra hiadanana
“Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.” — HEBREO 12:11.
1, 2. a) Araka ny Hebreo 12:9-11, inona moa no omen’Andriamanitra antsika amim-pitiavana? b) Inona moa no endriky anankiray amin’izany fifehezana izany, ary inona avy no mety ho vokany?
TSAROVY ny fahatanoranao. Mahatsiaro ny fifehezana nampiharin’ny ray aman-dreniny taminy ny ankamaroantsika. Mampiasa an’io fanoharana io ny apostoly Paoly ao amin’ny Hebreo 12:9-11 mba hiresahana ny amin’ny fifehezana avy amin’Andriamanitra.
2 Misy endriny maro ny fifehezan-dray avy amin’Andriamanitra izay mety hisy heriny eo amin’ny fiainantsika ara-panahy. Ny anankiray amin’izany dia natao handroahana tsy ho ao amin’ny kongregasiona kristiana ny mpikambana rehetra izay tapa-kevitra ny tsy hiaina intsony araka ireo fitsipik’Andriamanitra na tsy mety manaraka izany. Afaka mibebaka sy miova fitondrantena ny olona iray ampiharana izany sazy na fifehezana mafy izany. Voafehy koa anefa ny kongregasionan’ireo olo-mahatoky amin’ny heviny hoe takany ny tena maha-zava-dehibe ny hanarahana ireo fitsipik’Andriamanitra ambony. — 1 Timoty 1:20.
3. Manao ahoana moa ny fihetsiky ny sasany rehefa mandre firesahana ny amin’ny fandroahana izy ireny?
3 ‘Nefa, hoy angamba ny sasany, moa ve tsy misy fahasiahana loatra amin’ny fandroahana olona toy izany sy amin’ny tsy fetezana hiresaka aminy?’ Nolazaina vao haingana io hevitra io tamin’ny ady ara-pitsarana iray nataom-behivavy notezain’ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah izay voaroaka tatỳ aoriana. Tsy voaroaka ny tenan’izy io, nefa nanoratra taratasy nilazany ny fialany an-tsitrapo tsy ho anisan’ny kongregasiona. Nampandrenesina fotsiny ny kongregasiona fa tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony io olona io. Nifindra fonenana io vehivavy io, avy eo dia niverina tao amin’ilay faritra, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Tsapany tamin’izay fa tsy niresaka taminy ireo Vavolombelona tao amin’ilay faritra. Nentiny teo anatrehan’ny fitsarana àry ilay raharaha. Inona no niafaran’izany, ary amin’ny ahoana izany no mahakasika antsika? Mba hahatakarana tsara an’io raharaha io, dia aoka hojerentsika izay lazain’ny Baiboly ny amin’ny fandroahana.
Nahoana no mandray fihetsika hentitra toy izany?
4. Manao ahoana moa ny fitondrantenan’ny mpikambana sasany ao amin’ny kongregasiona indraindray (Galatiana 6:1; Joda 23)?
4 Manohana amim-pahatokiana an’Andriamanitra sy ireo lalàny marina ny ankamaroan’ny kristiana (1 Tesaloniana 1:2-7; Hebreo 6:10). Mihataka amin’ny lalan’ny fahamarinana anefa indraindray ny anankiray aminy. Araka izany, ny kristiana iray dia mety handika ireo lalàn’Andriamanitra ka tsy hibebaka na dia tao aza ny fanampian’ireo loholona. Na mety handa ny finoana kristiana koa izy amin’ny fanaovana fampianaran-diso na amin’ny fialana an-tsitrapo tsy ho anisan’ny kongregasiona. Inona no tokony hatao amin’izay? Nitranga izany na dia fony fahavelon’ireo apostoly aza. Aoka àry hojerentsika izay nosoratan’izy ireny ny amin’izany.
5, 6. a) Ahoana avy moa ny torohevitra feno fahendrena omena antsika raha ny amin’ny fihetsika asehontsika eo anoloan’ireo izay manao fahotana lehibe ka tsy mibebaka (Matio 18:17; Asan’ny apostoly 10:28)? b) Inona avy no fanontaniana mipetraka?
5 Tany Korinto, rehefa nanao fitondrantena maloto ny lehilahy iray sady tsy naneho fibebahana mihitsy, dia nanoratra toy izao ho an’ny kongregasiona i Paoly: ‘Aza miharoharo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, ary aza miara-mihinana akory amin’ny toy izany hianareo.’ (1 Korintiana 5:11-13). Toy izany koa no tsy maintsy natao tamin’ny mpivadi-pinoana tahaka an’i Hymeneo: “Izay mpanao hevi-diso, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao, satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.” (Titosy 3:10, 11; 1 Timoty 1:19, 20). Nety koa ny tsy nifanerasera intsony tamin’izay rehetra nanda ny kongregasiona. “Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tàhiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra.” — 1 Jaona 2:18, 19.
6 Antenaina foana anefa ny hibebahan’ny olona toy izany sy ny hahavoaray azy indray amin’izany fomba izany ho ao amin’ny kongregasiona (Asan’ny apostoly 3:19). Eo am-piandrasana izany anefa, afaka manana fifandraisana voafetra aminy ve ny kristiana, sa kosa tokony hohalaviriny amin’ny fomba hentitra ny fifaneraserana aminy? Raha izany no izy, nahoana?
Fanapahana tanteraka ve?
7. Fihetsika samy hafa inona no harahintsika eo anoloan’ny sokaji-mpanota roa?
7 Tsy mitokana lavitra ny olona ny kristiana. Mitana fifandraisana ara-dalàna isika amin’ireo mpifanila trano amintsika, amin’ny mpiara-miasa, ny mpiara-mianatra sy ny olon-kafa koa, ary manao fanambarana amin’izy ireny isika, na dia ‘mpijangajanga, mpierina, mpanao an-keriny na mpanompo sampy’ aza ny sasany amin’izy ireny. Nanoratra i Paoly fa tsy afaka mitsahatra tsy mifanerasera amin’izy ireny tanteraka isika, ‘fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao isika’. Nasehony anefa fa hafa ny tokony hatao amin’ny “rahalahy” hanana fitondrantena toy izany. Izao no nosoratany: ‘Aza miharoharo amin’izay atao hoe rahalahy [ka niverina ho amin’ny fanao tahaka izany] ary aza miara-mihinana akory amin’ny toy izany.’ — 1 Korintiana 5:9-11; Marka 2:13-17.
8. Inona moa no torohevitra nomen’ny apostoly Jaona momba ny fandroahana?
8 Hitantsika ao amin’ny teny nosoratan’ny apostoly Jaona ny torohevitra sahala amin’izany izay mampiseho tsara amin’ny kristiana ny ilàna hanalavirana amim-pitandremana ny fifaneraserana amin’olona toy izany. Izao no vakintsika: “Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ny fampianaran’i Kristy, dia tsy manana an’Andriamanitra. (...) Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory; fa izay miarahaba [grika khaïrô] azy dia miombona amin’ny ratsy ataonya.” — 2 Jaona 9-11.
9, 10. a) Inona moa no nitranga tamin’ireo mpanota tsy nibebaka teo amin’ny Isiraely, ary nahoana? b) Tokony hanao ahoana moa ny fihetseham-pontsika eo anoloan’ireo toromarika momba ny fifandraisana amin’ny mpanota tsy mibebaka izay noroahina (2 Petera 2:20-22)?
9 Nahoana no mbola mety ihany ny fihetsika hentitra toy izany amin’izao andro izao? Eritrereto ny fanesorana mafy notakin’ny Lalàna nomen’Andriamanitra ho an’ny Isiraely. Tamin’ny fahadisoana lehibe sasany, dia tsy maintsy novonoina ho faty ireo ninia nandika lalàna (Levitikosy 20:10; Nomery 15:30, 31). Rehefa nitranga izany, ny Isiraelita hafa, ary na dia ny havan’ilay meloka aza, dia tsy afaka niresaka intsony tamin’ilay mpandika lalàna satria maty io (Levitikosy 19:1-4; Deoteronomia 13:1-5; 17:1-7). Olombelona tahaka antsika ireo Isiraelita nahatoky tamin’izany fotoana izany, nitovy fihetseham-po amintsika, nefa fantany fa marina sy feno fitiavana Andriamanitra, ary niaro ny fahadiovan’izy ireo ara-pitondrantena sy ara-panahy ny Lalàny. Afaka niaiky àry izy ireny fa fandaharana ara-drariny sy marina indrindra ny fanesorana mpandika lalàna. — Joba 34:10-12.
10 Toy izany koa amin’izao andro izao, azontsika heverina ho fiarovana ny torohevitr’Andriamanitra hoe tokony holavin’ny kristiana ny fifaneraserana amin’izay rehetra voaroaka tsy ho ao amin’ny kongregasiona noho izy nanota sy tsy nibebaka. “Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao hianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo.” (1 Korintiana 5:7). Amin’ny fanalavirana koa ny fifaneraserana amin’ireo izay niala an-tsitrapo no iarovan’ny kristiana tena amin’ny fanakianana, ny resaka mampiseho tsy fankasitrahana sy ny hevitr’ireo mpivadi-pinoana koa aza.
Ny fihetsik’ireo havana
11, 12. a) Inona moa no vokatry ny fanesorana mpanota isiraelita iray teo amin’ireo havany akaiky? b) Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra ny soa raisina avy amin’ny fankatoavana.
11 Azo antoka fa tsapan’Andriamanitra fa ny fampiharana ireo lalàny marina momba ny fanesorana ireo mpandika lalàna dia matetika tokoa no misy vokany ho an’ny havan’izy ireo. Araka ny efa nolazainay, rehefa novonoina ho faty ny mpanota isiraelita iray, dia tsy nety hisy fifandraisam-pianakaviana taminy intsony. Raha ny marina, raha niharihary ho mpimamo sy tendàna ny zanakalahy iray, dia nanana adidy ireo ray aman-dreniny hitondra azy teo anatrehan’ny mpitsara ary, raha tsy nampiseho fibebahana mihitsy izy, dia tokony handray anjara amin’ny famonoana azy ara-drariny tokoa ireo ray aman-dreny, ‘mba hamongorana tsy ho eo amin’ny Isiraely ny fanao ratsy’. (Deoteronomia 21:18-21.) Takatrao fa tsy zavatra mora akory izany ho an’ireny ray aman-dreny ireny. Eritrereto koa ny fihetseham-po nety ho tsapan’ny rahalahy, anabavy na rahavavy sy raibe aman-dreniben’ilay nanota. Kanefa, tamin’ny fametrahana ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitry ny fahamarinana ho eo alohan’ny firaiketam-pony tamin’ny mpianakaviny, dia afaka namonjy ny ainy izy ireo.
12 Tadidio Kora, anankiray tamin’ireo mpitarika fikomiana tamin’ny fahefan’Andriamanitra nampiharin’i Mosesy. Noho ny fahamarinany tonga lafatra, dia noheverin’i Jehovah fa tokony ho faty i Kora. Nanarina toy izao anefa ny olo-mahatoky rehetra: “Mialà amin’ny lain’ireo olon-dratsy ireo, ka aza mikasika izay azy akory, fandrao haringana koa hianareo noho ny fahotany rehetra.” Maty niaraka tamin’ireo mpikomy ny mpianakavin’i Kora izay tsy nihaino ny fampitandreman’Andriamanitra. Nanao zavatra tamim-pahendrena kosa anefa ny sasany ary tapa-kevitra ny tsy hivadika hatrany amin’i Jehovah, ka izany dia nahatonga azy ireny ho voatsimbina ary handray soa tatỳ aoriana. — Nomery 16:16-33; 26:9-11; 2 Tantara 20:19.
13. Ahoana no hataon’ny kristiana mahatoky raha misy havany akaiky voaroaka na miala an-tsitrapo tsy ho anisan’ny kongregasiona?
13 Ny fanesorana azy tsy ho ao amin’ny kongregasiona kristiana akory tsy milaza fahafatesana miaraka amin’izay ho an’ilay nanota; tsy tapaka àry ny fatoram-pianakaviana. Ny lehilahy iray voaroaka, na niala an-tsitrapo tsy ho ao amin’ny kongregasiona, dia manohy miaina ao an-tranony miaraka amin’ny vadiny kristiana sy ireo zanany mahatoky. Ny fanajan’izy ireo ny fitsaran’Andriamanitra sy ny fandaharana nataon’ny kongregasiona dia hitarika an’io vehivavy kristiana io sy ireo zanany hiaiky fa noho ny fitondrantenany dia nanapaka ny fatorana ara-panahy nampiray azy ireo ilay vady sady ray. Kanefa, noho ny fandroahana azy tsy nanapaka ireo fatoram-panambadiana na ara-pianakaviana, dia hanohy hanana fiainam-pianakaviana ara-dalàna izy ireo ary hifaneho firaiketam-po.
14. Inona moa no torohevitr’Andriamanitra tokony hisy heriny eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny havana voaroaka iray tsy monina ao anatin’ny faritry ny fianakaviana akaiky?
14 Hafa ny tarehin-javatra raha toa ilay olona voaroaka na niala an-tsitrapo ka havana monina any ivelan’ny tokantrano na ny faritry ny fianakaviana akaiky. Ho azo atao angamba ny tsy hifampikasoka aminy mihitsy. Na dia misy raharaha ara-pianakaviana mahatonga hila fifampikasohana aza, dia azo antoka fa tokony hatao faran’izay kely izany, araka ny fotopoto-pitsipik’Andriamanitra manao hoe: ‘Aza miharoharo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina [na meloka ho nanao fahotana lehibe hafa] (...), aza miara-mihinana akory amin’ny toy izany hianareo.’ — 1 Korintiana 5:11.
15. Amin’ny fomba ahoana moa, ao anatin’ny toe-javatra toy izany no azo ifehezana ny herin’ny fihetseham-po (Salamo 15:1-5; Marka 10:29, 30)?
15 Mazava ho azy fa mety ho sarotra ny fanaovana toy izany noho ny fihetseham-po sy ny fatoram-panambadiana, toy ny fitiavan-draibe aman-drenibe an’ireo zafikeliny. Ny tsy fivadihantsika amin’Andriamanitra anefa no sedraina, araka ny nolazain’ilay vehivavy kristiana voatonona ao amin’ny pejy faha-26. Ny kristiana rehetra izay mahatsapa alahelo sy fahoriana noho ny nataon’ny anankiray amin’ny mpianakaviny voaroaka dia hahita fampaherezana amin’ny ohatra navelan’ny ray aman-dreny sasany tany Korea. — Salamo 84:10-12b.
Ny fanapahan-kevitry ny fitsarana
16-18. Inona moa no fanapahan-kevitry ny fitsarana tamin’ilay raharaha voatonona eo aloha, ary ahoana no nanampin’ny fitsarana ambony?
16 Irinao angamba ny hahafantatra ny didim-pitsaran’ny tribonaly tamin’ny fitoriana nataon’ilay vehivavy izay sosotra satria tsy niresaka taminy intsony ny olom-pantany taloha hatramin’ny nanapahany hevitra handa ny finoana sy hiala amin’ny kongregasiona.
17 Talohan’ny hahavitan’ny fitsarana an’ilay raharaha tamin’ny fomba raikitra, ny tribonaly ambany iray dia namoaka didim-pitsarana fohy tsy nanome rariny an’io vehivavy io. Ny fitsarany dia niorina tamin’ny fotopoto-pitsipika ilazana fa tsy mitsabaka amin’ny raharaham-pifehezana eo anivon’ireo Fiangonana ireo tribonaly. Nangataka fitsarana ambony io vehivavy io. Namoaka didim-pitsaranac lanin’ny maro ny fitsarana ambony tamin’ny fifotorana tamin’ny teny malalaka kokoa manazava ny antony nanaovana ny Fanovana Voalohany (ny lalàm-panorenan’i Etazonia): “Koa satria anisan’ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fampiasana fandroahana, dia heverinay fa ‘ny fampiharana malalaka’ [an’io fanaovan-javatra ara-pivavahana io] nanomezan’ny Lalàm-panorenan’i Etazonia antoka (...) dia mandrara [an’io vehivavy io] tsy hitady fanampian’ny fitsarana ambony mihitsy. Manana zo, arovan’ny Lalàm-panorenana, ireo voampanga, hampiasa fandroahana. Noho izany, dia hamafisinay” ny fitsarana teo aloha nataon’ny tribonalin’ny distrika.
18 Nanampy teny toy izao ny fitsarana ambony: “Fanao tandreman’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fandroahana noho ny fandraisany ny hevitry ny teny ao amin’ny Baiboly; tsy zonay anefa ny milaza indray ny hevitr’ireny teny ireny (...). Manana zo hampihatra malalaka ireo zavatra inoany ara-pivavahana ireo voampanga (...). Amin’ny ankapobeny, ny fitsarana dia tsy mandinika amim-pitandremana ny fifandraisan’ny mpikambana (na mpikambana taloha) ao amin’ny Fiangonana iray. Manana fahafahana tanteraka hampihatra fifehezana sasany amin’ny mpikambana ao aminy ankehitriny na taloha ireo Fiangonana. Ekenay ny hevitr’i Jackson mpitsara [mpitsara taloha tao amin’ny Fitsarana tampony any Etazonia] hoe ‘malalaka sy tokony halalaka, halalaka tanteraka ireo fanaovan-javatra ara-pivavahana tsy mahakasika afa-tsy ny mpikambana ao amin’ny finoana iray, na araka izay mety haha-toy izany azy’. (...) Ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana nilaozan’io [vehivavy io] dia nanatsoaka avy amin’izany fa tsy afaka nifanerasera taminy intsony izy ireo. Ekenay fa manana fahafahana hanao toy izany izy ireo.”
19, 20. Nahoana moa ny olona voaroaka no tsy manana zo hahazo onitra amin’izany fomba izany?
19 Niaiky ny fitsarana ambony fa, na dia nalahelo aza io vehivavy io tamin’ny fahatsapana fa tapa-kevitra ny tsy hiresaka aminy intsony ireo olom-pantany taloha, “ny fanomezana onitra azy noho ny ratra tsy ara-batana na ara-piraiketam-po dia ho famelezana ny fahafahana ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka izany dia mifanohitra amin’ny Lalàm-panorenana (...). Ny fahafahana ara-panompoam-pivavahana arovan’ny Lalàm-panorenana dia mitaky amin’ny vahoaka mba hanekeny ny karazam-pahavoazana nihatra tamin’io [vehivavy io] ho toy ny vidiny mendrika ny haloa mba hiarovana ny zo hanana tsy fitoviana ara-pivavahana, dia zo voatokana ho an’ny olom-pirenena rehetra”. Hatramin’izay, io fitsarana io, amin’ny heviny sasany, dia nahazo fanamafisana lehibe kokoa ihany. Ahoana izany? Nangatahin’ilay vehivavy resahina ny fitsarana ambony indrindra tao amin’ilay tany mba handinika indray ny raharaha sy hanafoana ny didim-pitsarana tsy nanome rariny azy. Nolavin’ny Fitsarana tampony any Etazonia anefa ny fitarainany tamin’ny novambra 1987.
20 Araka izany, io raharaha lehibe io dia nampiseho fa ny olona voaroaka iray na niala an-tsitrapo dia tsy afaka mahazo fandidian’ny tribonaly ny Vavolombelon’i Jehovah handoa onitra aminy satria voaroaka ny tenanyd. Koa satria ny kongregasiona nanaraka sy nampihatra toromarika tonga lafatra azontsika rehetra vakina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia niharam-pahavoazana noho ny fahadisoan’ny tenany ihany io olona io.
Mitondra soa maro ny fifehezana
21. Nahoana moa no ilaina ny hahalala ny mety hatao eo amin’ny fomba fiheveran’ny tena ny fandroahana?
21 Ireo olona any ivelan’ny kongregasiona izay mahafantatra ny fandroahana ny mpanota iray dia mirona hitsetra azy noho izy tsy afaka miresaka intsony amin’ireo mpikambana ao amin’ny kongregasiona kristiana. Tsy marim-pototra anefa ny fihetsika toy izany. Hevero ny soa mety ho azon’ny mpanota toy izany sy ny olon-kafa koa.
22, 23. Asehoy amin’ny alalan’ny ohatra ny maha-zava-dehibe sy sarobidy ny fankatoavana an’Andriamanitra raha ny amin’ny fihetsitsika eo anoloan’ny voaroaka.
22 Ohatra, ao amin’ny pejy faha-26 dia azontsika natao ny namaky ny tenin’i Lynette momba ny fanapahan-keviny ‘hanapaka izay rehetra mety ho fifandraisana’ tamin’i Margaret rahavaviny voaroaka. Izy sy ireo anisan’ny fianakaviany kristiana dia ‘nino ny fahambonian’ny lalan’i Jehovah’, ary izany tokoa no hita.
23 Nanambara toy izao tamin’i Lynette i Margaret tatỳ aoriana: ‘Raha nohamaivaninao ny fandroahana ahy, dia azoko antoka fa tsy ho nanao haingana toy izao ireo dingana ilaina mba hahatafaverina aho. Rehefa tapaka tanteraka ny fifandraisana amin’ireo tian’ny tena sy ny kongregasiona, dia tsapa ny faniriana lalina hibebaka. Nanjary takatro fa tena ratsy tokoa ny fitondrantenako ary nanao fahadisoana lehibe aho tamin’ny fialana tamin’i Jehovah.’
24. Inona moa no vokatry ny fihetsiky ny vehivavy kristiana iray raha ny amin’ny fandroahana, teo amin’ny tenany sy ny fianakaviany?
24 Aoka hotononintsika ny toe-javatra hafa iray, ny amin’i Laure izay voaroaka ny ray aman-dreniny. Hoy izy: ‘Tsy nitsahatra ny fifaneraseranay; nihamafy kosa aza izany. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nihena ny faharisihako, ka nanjary tsy nanatrika ireo fivoriana intsony aho.’ Avy eo dia novakiny ireo lahatsoratra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 martsa 1982 sy 1 aprily 1982 izay nampisongadina ireo torohevitra omena ao amin’ny 1 Korintiana 5:11-13 sy ao amin’ny 2 Jaona 9-11. ‘Toy ny hoe nisy jiro nirehitra tao amiko, hoy ny nosoratan’i Laure. Fantatro fa tsy maintsy manao fiovana aho. Takatro tsara kokoa izao ny hevitry ny Matio 10:34-36. Tsy hanaiky mora foana ny fanapahan-kevitro ny mpianakaviko, satria ny zanako lahy, dimy taona, no hany zazalahy, ary tian’izy ireo tokoa.’ Toy ny hita tamin’i Margaret anefa, dia antenaintsika fa hanohina ireo ray aman-drenin’i Laure ny fahitana ny zanany vavy mitsahatra tsy mifanerasera aminy. Na ahoana na ahoana, ny fifehezana nilaina tamin’izany dia nanampy an’i Laure. ‘Mandray anjara amin’ny fitoriana indray aho, hoy izy. Mihamafy orina ny fanambadiako sy ny fianakaviako noho ny fiovan’ny fihetsiko, ary mihamatanjaka koa ny tenako.’
25. Inona moa no hevitra nambaran’ny olona iray voaroaka avy eo dia voaray indray, momba ny fandroahana?
25 Hevero koa ny fihetseham-po tsapan’ity vehivavy kristiana izay voaroaka, avy eo dia voaray indray tatỳ aoriana. Izao no nosoratan’i Sandi: ‘Tiako ny misaotra anareo noho ireo lahatsoratra [voatonona etsy ambony] momba ny fananarana sy ny fandroahana; mahasoa tokoa sy ahitana fianarana tokoa izy ireo. Faly aho satria ampy fitiavana ny olony Jehovah mba hanaovana izay hampahadio hatrany ny fandaminany. Io fandaharana io izay mety ho toa mafy ho an’ireo any ivelany dia tsy vitan’ny hoe ilaina fa fisehoan’ny tena fitiavana koa. Velom-pankasitrahana ny Raintsika any an-danitra aho noho ny fisehoany ho Andriamanitra tia sy mamela heloka.’
26. Vokatra inona no mety hojinjaina rehefa ekena ny fifehezana (Salamo 94:10, 12)?
26 Araka izany, Andriamanitra izay mitaky ny handroahana tsy ho ao amin’ny kongregasiona ny mpanota tsy mibebaka rehetra, dia mampiseho amim-pitiavana koa fa azo raisina ao indray ny mpanota iray raha mibebaka sy miova fitondrantena. (Toy izany koa, ny olona iray niala an-tsitrapo dia afaka mangataka ny ho anisan’ny kongregasiona indray.) Amin’izay ireo kristiana dia afaka mampionona azy sy manamafy ny fitiavany azy (2 Korintiana 2:5-11; 7:8-13). Tena araka ny nanoratan’i Paoly azy tokoa ny mitranga: “Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.” — Hebreo 12:11.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nampiasain’i Jaona ny teny hoe khaïrô, fiarahabana mifanitsy amin’ny hoe “manao ahoana” fampiasantsika. (Asa. 15:23; Matio 28:9.) Izy akory tsy nampiasa ny teny hoe aspazomaï (toy ny eo amin’ny 2 Jaona andininy faha-13), izay ny dikany dia hoe “mamihina ary, noho izany, mitsaoka, mandray tsara”, ka angamba izany ho nilaza tsy mivantana fiarahabana mafana dia mafana ka tonga hatramin’ny fanorohana ilay olona mihitsy aza (Lioka 10:4; 11:43; Asa. 20:1, 37; 1 Tesaloniana 5:26). Araka izany, ao amin’ny 2 Jaona 11 ilay apostoly dia tena nety ho te-hilaza fa tsy tokony hatao “manao ahoana” akory aza ny karazan’olona toy izany. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 oktobra 1985, pejy faha-31.
b Raha ny amin’ny fandroahana anankiray amin’ny mpianakavy, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 aprily 1982, pejy faha-25 ka hatramin’ny faha-30.
c 819 F.2d 875(9e circ. 1987).
d Na dia olona maromaro aza no nitory ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy nisy mihitsy fitsarana nanameloka azy ireo noho ny fandroahana nataony mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly.
Aza hadinoina:
◻ Amin’ny lafiny inona avy moa ny fandroahana no mety ho karazam-pifehezana?
◻ Nahoana moa no tsy mitovy ny fihetsiky ny kristiana eo anoloan’ny voaroaka sy eo anoloan’ny mpanota eo amin’izao tontolo izao?
◻ Inona avy moa no toromarika araka ny Baiboly tsy tokony hohadinoina na dia anisan’ny fianakaviantsika aza ilay olona voaroaka?
◻ Inona moa no didy navoakan’ny fitsarana ambony tamin’ny fitorian’olona niala tamin’ny kongregasiona ny Vavolombelona?
◻ Inona no fantatsika avy amin’ny fanambarana vitsivitsy momba ny fandroahana?
[Teny notsongaina, pejy 26]
“Nosedraina ny tsy fivadihany tamin’ireo fandaharan’Andriamanitra rehefa nilaina ny hanapahana izay rehetra nety ho fifandraisana tamin’i Margaret [rahavaviko voaroaka]. Azon’ny fianakavianay natao ny nampiseho fa ninoany tokoa ny fahambonian’ireo lalan’i Jehovah.” — Lynette.
[Efajoro, pejy 30]
Ny vokatry ny fanonganana
Edward Gibbon, mpanoratra tantara anglisy, dia nanoratra izao manaraka izao ny amin’ny maha-marina ny fandroahana sy ny vokatr’io fandaharana io, fotoana fohy taorian’ny andron’ny apostoly:
“Ny fikambanana rehetra dia manana zo tsy azo lavina ny handroaka tsy ho ao amin’ny fitambaran’olona misy azy ka tsy hanaiky intsony ho mpandray anjara amin’ireo tombontsoany, ireo mpikambana mandà na mandika fitsipika voaorina niaraha-nandany. (...) Ny fanonganana dia nisy heriny teo amin’ny ara-nofo [araka ny tany] sy teo amin’ny ara-panahy koa. Ny kristiana niharan’izany dia tsy nahazo na inona na inona rehefa nisy fizarana fanomezana. Notapahina taminy izay rehetra nety ho fatoram-pisakaizana ara-pivavahana sy manokana.”