Pompéi — Nijanona ny Fotoana Tao
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY ITALIA
LAKOZIA ahitana lapoaly eo ambony fatana, fivarotana feno entana, fantsakàna tsy misy rano, arabe tsy misy simba — toy ny teo aloha avokoa ny zava-drehetra ao amin’ny tanàna iray tsy misy mponina, babangoana sy aolo. Io no Pompéi aminy, izay toa nijanonan’ny fotoana.
Ny zava-drehetra dia mitoetra tsy misy hafa amin’izay naha-izy azy tamin’ilay andro nandoza, maherin’ny 1 900 taona lasa izay, fony nipoaka ny Tendrombohitra Vésuve, ilay volkano ahatazanana ny helo-dranomasin’i Naples. Voalevin’izy io tao ambany lavenona sy vatomiempo i Pompéi, i Herculanum, i Stabiae, sy ny ambanivohitra nanodidina.
“Ny ntaolo”, hoy ilay boky hoe Pompei, “dia nanan-kevitra nanjavozavo fotsiny momba ny toetoetra volkanikan’i Vésuve ary zatra ny nihevitra azy io ho tendrombohitra maitso mavana izay nahitana ala matevina noelanelanin’ny tanimboaloboka nahafinaritra.” Tamin’ny 24 Aogositra 79 am.f.i. anefa, taorian’ny fanginana nandritra ny taona maro, dia nifoha io tendrombohitra io ka narahina fipoahana goavana.
Ilay fipoahana tamin’ny 79 am.f.i.
Ilay volkano dia namoaka nitsitapitapy, gaza sy magma ary potipoti-bato nisondrotra avo, izay nanamaizina ny lanitra sy niteraka firotsahana lavenona sy sombintsombina vatomiempo nivatravatra. Tao anatin’ny roa andro, i Pompéi sy ny faritra midadasika teny ambanivohitra dia rakotry ny sosona matevina, izay nahatratra roa metatra sy sasany ny halaliny, tamin’ny antsalany. Raha mbola nanohy nanozongozona ny tany ny hovotrovotra nahery vaika, dia nisy rahona goavana voaforona gaza misy poizina, tsy hita maso nefa nahafaty, nameno ilay tanàna ka nangeja azy io tao anatin’ny famihinana nahafaty. Raha mbola voalevina moramora i Pompéi, i Herculanum kosa dia nanjavona tao anatin’ny indray mipy maso. Araka ilay boky hoe Riscoprire Pompei (Fahitana Indray An’i Pompéi), i Herculanum dia difotra tao anatin’ny riaka-na “fotaka sy potipoti-bato volkanika nahatratra roa amby roapolo metatra ny halaliny, teny akaikin’ny moron-dranomasina”.
Samy hafa ny fihetsiky ny mponina 15 000 teo ho teo tao Pompéi. Ireo izay nandositra avy hatrany ihany no nahavita namonjy ny tenany. Ny sasany anefa, noho izy tsy ta handao ny tranony sy izay rehetra tao anatiny, dia nijanona satria nanantena ny hihodivitra ilay loza. Ny hafa, may ny hamonjy ny zavany sarobidy, dia nihambahamba talohan’ny hanapahan-kevitra handositra, ary dia niantontan’ny tafon-tranony, izay nirodana rehefa novesaran’ny lavenona.
Ohatra iray ny tompon’ny “tranon’i Faune”, izay toa tsy vonona handao ny harenany. “Tamim-pahamaikana be”, hoy i Robert Étienne ao amin’ilay bokiny hoe La vie quotidienne à Pompéi (Ny Fiainana Andavanandro tao Pompéi), “ilay vehivavy tompon-trano dia nanangona ny firavany sarobidy indrindra — haba volamena miendrika bibilava, peratra, pinces fanao amin’ny volo, kavina, fitaratra volafotsy iray, poketra iray feno vola madinika volamena — ary niomana handositra.” Raiki-tahotra izy angamba noho ny lavenona nilatsaka, ka nitoetra tao an-trano. “Fotoana fohy taorian’izay”, hoy i Étienne manohy ny teniny, “dia nirodana ny tafo, ka nanototra ilay vehivavy tsy nambinina sy ny hareny.” Ny hafa dia sempotry ny gaza mahafaty izay niely hatraiza hatraiza.
Ireo izay nihambahamba dia voatery nihazakazaka teo amin’ny soson-davenon’ny vatomiempo, izay niforona nandritra izany fotoana izany, mba hamonjena ny ainy. Tavela teo amin’izay nianjerany izy ireo, sempotry ny fifohana gaza mahafaty ary rakotry ny lavenona manify vokatry ny firotsahan’izy io tsy an-kiato. Hita taonjato maro tatỳ aoriana ny fatin’izy ireo mampahonena, ary mbola teo anilany ny fananany sarobidy. Ilay tanàna sy ny mponina tao aminy dia voalevina tao ambany soson-davenona maherin’ny enina metatra ny halaliny.
Kanefa, noho io firotsahan-davenona nahafaty io, na dia ireo mponina tao amin’ilay tanàna aza dia niseho indray. Fantatrareo ve hoe tamin’ny fomba ahoana? Diniho ireo bikabikan’ny vatany eo amin’ny sary eto amin’itỳ pejy itỳ. Ahoana no nanaovana azy ireny? Tamin’ny fandrarahana platira teo amin’ny faritra banga navelan’ireo nofo nihalò tao amin’ny lavenona, ireo arkeology dia nanao izay hahafahantsika hahita ireo fihetsehana faran’ireo niharam-pahavoazana tsy nambinina, teo am-pialana aina — “ilay tovovavy nitsotsotra niondan-tanana; lehilahy iray, ny vavany notampenany mosara izay tsy nahasakana ny fifohana vovoka sy gaza misy poizina; ireo mpiasa tao amin’ny Toeram-pandroana, nianjera sady nampiseho fihetsehana hafahafa niantsambotra sy nivonkin-kozatra noho ny fahasemporana; (...) reny iray nitrotro ny zanany vavy kely tamin’ny famihinana farany mampahonena sy tsy nahasoa”. — Archeo.
Tsy nisy fiarovana tao Herculanum
Tao Herculanum, kilaometatra vitsivitsy avy teo Pompéi, dia voafandrika ireo izay tsy nandositra avy hatrany. Maro no niolomay namonjy ny moron-dranomasina, angamba nanantena ny handositra an-dranomasina, kanefa nisy horohoron-tany nahery vaika tany ambanin’ny ranomasina ka nisakana ny fiaingan’ny sambo. Ny famongarana natao vao haingana teo amin’ny moron-dranomasina fahiny tao Herculanum dia nampiharihary karana (squelettes) maherin’ny 300. Rehefa nitady fialofana teo ambanin’ny lavarangana iray nahatazanana ny ranomasina ireo olona ireo, dia voalevim-belona tao ambany riaka-na fotaka sy potipoti-bato volkanika nahatsiravina. Teo koa, dia olona maro no niezaka hiaro ny fananany sarobidy indrindra: haingo volamena, fitoeran-drano volafotsy, fitaovana feno momba ny fandidiana marary — mbola eo avokoa izy rehetra ireo, tsy nahasoa, eo akaikin’ny fatin’ireo tompony.
Nijanona ny fotoana
Manome fanambarana mahalaza zavatra momba ny harefon’ny fiainana eo anatrehan’ireo herin’ny natiora, i Pompéi. Tsy toy ny toerana arkeolojika hafa eo amin’izao tontolo izao, ireo sisan-javatra rava ao Pompéi sy ireo faritra manodidina dia manome fahitan-javatra mihelina izay mahatonga an’ireo manam-pahaizana manokana maoderina sy ireo liana ta hahafanta-javatra ho afaka handinika akaiky ny fiainana andavanandro tamin’ny taonjato voalohany am.f.i.
Niorina indrindra tamin’ny fambolena sy ny indostria ary ny varotra, ny firoboroboan’ilay faritra. Noho ny fampiasana fatratra olona afa-niasa — andevo sy olona afaka izay nokaramaina isan’andro — dia namokatra be ilay faritra ambanivohitra lonaka. Maro tamin’ireo asa tao an-tanàna no nifamatotra tamin’ny varotra sakafo. Na iza na iza mitsidika an’i Pompéi dia mbola afaka mahita ireo fitotoan-katsaka, ny tsenan’ny legioma, sy ireo fivarotan’ny mpivarotra voankazo sy mpivarotra divay. Afaka mahita ireo trano nampiasaina taloha tamin’ny varotra — mba hanodinana volonondry sy rongonimbazaha sy mba hamolesana sy hanenomana lamba tao amin’ny indostria — ianao. Ireny trano ireny, sy ny indostria kely hafa nisy roa ambin’ny folo, nanomboka tamin’ny toeram-piasan’ny mpanao firavaka ka hatramin’ny fivarotana entana metaly, nampian’ireo trano fonenana, no nahaforona ilay tanàna.
Voaisy rarivato ireo arabe tery, izay be olona nifanizina taloha. Trottoirs mivohitra sy fantsakàm-bahoaka novatsina rano tamin’ny alalan’ny rafitra fitarihan-drano mampiseho fahakingan-tsaina, no eo amin’ny andaniny roa amin’ny arabe. Azo atao ny mahita tsipiriany mahagaga eo an-joron’ireo arabe lehibe. Toy ny hoe passages cloutés (lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra manapaka ny arabe) tranainy nodimbasan’ireo maoderina, ireo vongam-bato lehibe mivohitra napetraka teo afovoan’ireo arabe, ka nanamora ny fizotran’ireo mpandeha an-tongotra ary nahatonga azy ireo ho afaka hisoroka ny hahalena ny tongony, rehefa avy ny orana. Na iza na iza nitondra sarety tao an-tanàna dia tsy maintsy nampiseho fahakingana mba hihodivirana ireny vato nivohitra ireny. Mbola eo izy ireny! Tsy nisy zavatra niova tokoa.
Fiainan’olona manokana
Na dia ny fanafenana ny fiainana manokan’ireo mponina tao Pompéi aza dia tsy mahatohitra ny fibanjinana tsy tana ataon’ny olona amin’ny andro maoderina. Ny vehivavy iray nirakotra firavaka kanto dia kanto dia maty teo an-tsandrin’ny gladiatera iray tao an-tranon’izy io. Natosika mafy hidanadana ireo varavaran’ny trano sy fivarotana. Mibaribary ny ao an-dakozia, toy ny hoe vao nilaozana vetivety teo, ka ahitana lapoaly eo am-patana, mofo tsy masaka mbola ao anaty lafaoro, sy siny lehibe miankina amin’ny rindrina. Misy efitrano voaravaka platira marevaka, sary hoso-doko eny amin’ny rindrina, sy sarisary miloko napetaka, ka tao no nanaovan’ny mpanan-karena fanasam-be tamim-pigalabinana, nampiasana kaopy sy fitoeran-drano volafotsy voakaly tamin’ny fomba mahagaga. Voahodidina andry sy voaravaka fantsakàna mahafinaritra izay tsy miasa intsony ankehitriny, ireo zaridaina anatiny mandry feizay. Hita koa ireo sary vongana marbra sy alimo niangalian’ny mpanao asa tanana, sy ireo alitaran’ny andriamanitry ny tokantrano.
Tsotra lavitra anefa ny fomba fiainan’ny sarambaben’ny olona. Olona maro izay tsy nanana fitaovana fandrahoan-tsakafo tao an-tokantranony no matetika nankany amin’ireo toeram-pisotroana maro. Tao dia tsy nandoa vola be izy ireo, kanefa afaka nanao resadresa-poana, niloka, na nividy sakafo sy zava-pisotro. Ny sasany tamin’izy ireny dia tsy maintsy ho toerana ratsy laza, izay nanaovan’ny vehivavy mpandroso sakafo, izay matetika no andevo, ny asan’ny mpivaro-tena, taorian’ny nandrosoany zava-pisotro tamin’ireo clients. Ankoatra ireo toeram-pisotroana tsy tambo isaina mitovy karazana amin’izany, ireo famongarana dia nampiharihary toeran-kafa ratsy laza maherin’ny roapolo, izay matetika no miavaka amin’ny sary hoso-doko sy soratsoratra vetaveta amin’ny fomba maharikoriko.
Izao no fotoana tokony hanaovan-javatra
Mahatonga ny tena hieritreritra ny naharavan’i Pompéi tampoka. Miharihary fa ireo olona an’arivony maro izay maty tao dia tsy nanao zavatra haingana ho setrin’ireo famantarana nampitandrina ny amin’ny loza nananontanona — ireo horohoron-tany niverimberina, ireo fipoahan’ilay volkano, sy ilay firotsahan’ny sombintsombina vatomiempo nahatsiravina. Nihambahamba izy ireo, satria angamba tsy ta hamoy ny fiainany nampiadana sy ny fananany. Angamba izy ireo nanantena fa handalo ilay loza na hoe mbola hisy fotoana handosirana raha miharatsy ny toe-javatra. Mampalahelo fa diso hevitra izy ireo.
Mampahafantatra antsika ny Soratra Masina fa amin’izao andro izao dia ao anatin’ny tarehin-javatra mitovy amin’izany izao tontolo izao manontolo. Lavitra an’Andriamanitra ny fitambaran’olona simba fitondran-tena izay iainantsika. Madiva hofoanana tampoka izy io. (2 Petera 3:10-12; Efesiana 4:17-19, NW ). Tondroin’ny porofo rehetra fa akaiky io fotoana io. (Matio 24:3-42; Marka 13:3-37; Lioka 21:7-36). Ary vavolombelona mangina momba ny maha-hadalana ny fihazohazoana, ireo sisa mampalahelo tamin’i Pompéi.
[Efajoro, pejy 24]
Lakroa Kristiana Ve?
Ny famerenana tamin’ny laoniny ny sarin’ny lakroa samihafa tao Pompéi, anisan’izany ny lakroa platira iray teo amin’ny rindrin’ny trano fanaova-mofo iray, dia nohazavain’ny sasany hoe porofon’ny fisian’ny Kristiana tao amin’ilay tanàna, talohan’ny naharavany tamin’ny 79 am.f.i. Fiheverana marim-pototra ve izany?
Miharihary fa tsia. Mba hahitana “fivavahana feno tamin’ny lakroa”, hoy i Antonio Varone ao amin’ilay bokiny hoe Presenze giudaiche e cristiane a Pompei (Fisian’ny Jiosy sy ny Kristiana tao Pompéi), “dia ilaintsika ny miandry maha-pahatongan’ny taonjato fahefatra, izay nanaovan’ny fiovam-pinoan’ny emperora sy ny sarambaben’ny mpanompo sampy an’izany endri-pankamasinana izany hifanaraka kokoa tamin’ny fitiavam-pivavahany”. “Na dia ny tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo ary mandra-pahatongan’ny andron’i Constantin aza”, hoy ny teny nanampin’i Varone, “dia tena mahalana vao ahitana io marika io ho mifandray miharihary amin’ny Kristianisma.”
Raha tsy avy tamin’ny Kristiana àry ireny marika ireny, avy taiza no niandohany? Ankoatra ny fisalasalana momba ny famantarana ny maha-izy an’io marika io, izay noheverina hoe lakroa, sy ny fahitana tao amin’ilay trano fanaova-mofo, sary hoso-doko mampiseho andriamanitra iray miendrika bibilava, dia misy “zavatra hita sasany faran’izay vetaveta, izay sarotra ampivadina koa amin’izay heverina fa fitiavam-pivavahana kristiana nananan’ilay tompon’ilay trano fanaova-mofo”, hoy i Varone. Hoy ny teny nanampiny: “Fantatra fa nanomboka tamin’ny niandohan’ny sivilizasiona, talohan’ny nahatongavany ho mariky ny fanavotana, ilay marika miendrika lakroa dia nampiasaina tamin’ny fomba nisy heviny majika sy ara-pombafomba mazava.” Tamin’ny andro fahiny, hoy ny fanazavan’io manam-pahaizana manokana io, ny lakroa dia noheverina ho afaka nampivily na nandrava ireo hery mitaona ratsy, ary nampiasaina indrindra indrindra ho toy ny ody atao fiaro.
[Sary, pejy 23]
Ny Andohalambon’i Caligula sy ny Tendrombohitra Vésuve erỳ aoriana
[Sary, pejy 23]
Ambony: Bikabikan’ireo mponina tao Pompéi vita tamin’ny platira
Havia: Fahitana ny Andohalambon’i Néron, sy tapany amin’ny tempolin’i Jupiter
[Sary nahazoan-dalana, pejy 22]
Sisiny mijadona: Glazier
Sary eo amin’ny pejy 2 (ambany), 22, sy 23: Soprintendenza Archaeologica di Pompei