FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g96 8/9 p. 28-29
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—1996
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Karazana VIH any India
  • Fanampiana Tamin’ny Hain-tany Tatsy Zimbabwe
  • Fototra Iombonana Ve?
  • Maty ny Afo Nirehitra 100 Taona
  • Tosidra Ambony sy Fahaverezan-tadidy
  • Ilay Hantsana eo Amin’ny Fifampiresahana
  • Lozam-pifamoivoizana — Nahoana?
  • Fandrobana Ireo Ranomasimbe
  • Planeta Hita Kisendrasendra
  • Zavatra Tsy Nampoizin’ny Mpamboly Vary
  • Tsy Fankasitrahana ny Fivavahana sy ny Politika
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—1998
  • Fandrosoana eo Amin’ny Ady Atao Amin’ny SIDA
    Mifohaza!—2004
  • Mihanaka Be ny SIDA atỳ Afrika
    Mifohaza!—2002
  • Ilaina Maika ny Fanafodin’ny SIDA!
    Mifohaza!—2004
Hijery Hafa
Mifohaza!—1996
g96 8/9 p. 28-29

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Karazana VIH any India

Nahavaka ny karazana VIH fahita indrindra any India ireo mpahay siansa ao amin’ny Institut Nasionaly Fikarohana Momba ny SIDA any Pune, India, izay niara-niasa tamin’ny ekipa mpikaroka notarihin’ny Dr. Max Essex, avy ao amin’ny Institut Momba ny SIDA any Harvard. Izy io dia ny VIH-1C, inoana fa mifindra avo dimy ka hatramin’ny folo heny amin’ny fomba mandaitra kokoa noho ny VIH-1B, izay fahita any Eoropa sy Amerika. Araka ny Indian Express, dia nilaza ny Dr. Essex fa ny hafainganan’ny fielezan’ny VIH any India dia azo inoana fa ambony lavitra noho ny any amin’ny faritra hafa maro eo amin’izao tontolo izao. Nanao fanamarihana ny Dr. V. Ramalingaswami, mpahay siansa, fa amin’ireo vaksiny vitsy izay mahavelom-panantenana fa hisoroka ny SIDA, dia tsy misy na dia iray aza mandaitra amin’ny VIH-1C.

Fanampiana Tamin’ny Hain-tany Tatsy Zimbabwe

Tato anatin’ireo taona faramparany, dia matetika ireo Vavolombelon’i Jehovah no nanome fanampiana tany amin’ireo faritra tra-doza. Nilaina indrindra ny toe-tsaina kristiana ananany any amin’ireo tany an-dalam-pandrosoana toa an’i Zimbabwe, izay nitrangan’ny hain-tany nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny faritra maro ao amin’io tany io. Sakafo sy fitafiana maro be no natao fanomezana tamim-pitiavana tamin’io ezaka io, ary nizara tamim-pahombiazana an’ireo zavatra ireo tamin’ny Vavolombelona sy ireo namany tany amin’ny faritra mitokana be ao amin’io tany io, ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower atsy Zimbabwe. Ho fanampin’ny sakafo sy ny fitafiana, ireo Vavolombelona atsy Zimbabwe dia nanome $7 500 (30 000 000 FMG eo ho eo), ary nandany $20 500 (82 000 000 FMG eo ho eo) amboniny ny Fikambanana Watch Tower mba hanatontosana ilay iraka fanampiana. Naneho ny fankasitrahany lalina noho ny fitiavana tamim-pahalalahan-tanana nasehon’ireo rahalahiny kristiana ny Fikambanana sy ireo Vavolombelona tra-boina.

Fototra Iombonana Ve?

Araka ny International Herald Tribune any Paris, dia misy lahatsoratra iray tao amin’ilay gazety zezoita manan-kery hoe La Civiltà Cattolica, manantitrantitra fa “Andriamanitra dia nety ho niteny tamin’ny alalan’ireo boky samy hafa toy ny Coran silamo, ny Veda sy ny Bhagavad-Gîtâ hindoa, sy ireo soratra masina an’ny Taoisma any Sina sy an’ny Shintoisma any Japon”. Manolo-kevitra ilay lahatsoratra fa ireo asa soratra ara-pivavahana ireo sy ny hafa dia “mampiseho, tsy literatiora na filozofia fotsiny, fa ‘fanambarana’ kosa — Andriamanitra miteny amin’ny alalan’ny olombelona”. Koa satria jeren’ireo mpanao sivana ao Vatikana amim-pahazarana ireo lahatsoratra ao amin’ilay gazety, dia nisy fanontaniana nipoitra momba ny hoe mampiseho ny fomba fihevitry ny papa manokana momba ilay raharaha ve ireo hevitra ireo sa tsia. Nanao fanamarihana ny Tribune fa tao amin’ilay bokiny hoe Crossing the Threshold of Hope, dia nanamarika i Jean Paul II fa ny eglizy dia teo am-pitadiavana tao amin’ny fivavahana hafa, zavatra mahaforona karazana fototra iombonana amin’ireo fampianaran’ny eglizy.

Maty ny Afo Nirehitra 100 Taona

Maherin’ny 100 taona lasa izay, dia nisy arina niangona tsy notrandrahina tany Sina, nanomboka nirehitra ary nitohy nirehitra hatramin’ny vao haingana kely. Nandrakotra velarana enina kilaometatra tora-droa teo ho eo ilay afo ary nandoro arina 300 000 taonina isan-taona. Tsy nahomby ireo ezaka natao nandritra ny taona maro mba hamonoana ilay afo makadiry. Kanefa, voalaza fa nahomby rehefa ela ny ela ireo mpamono afo tamin’ny famonoana azy io. Mba hamonoana ny fidedadedan’ny afo, ireo mpamono afo dia nampiasa vanja mipoaka mba hanaovana lavaka ary avy eo dia nandraraka fasika, vato, sy rano, teo amin’ireo lelafo.

Tosidra Ambony sy Fahaverezan-tadidy

“Asehon’ny fandinihana vaovao iray fa ny lehilahy efa lazondazony manana tosidra ambony dia azo inoana fa hijaly noho ny fitadidiana sy ny fahaiza-mitsara zavatra ary ny fahaiza-mifantoka miharatsy, raha vantany vao mananika ny faha-80 taonany izy ireo”, hoy ny tatitra nataon’ny Psychology Today. Hitan’ireo mpikaroka fa isaky ny fitomboana iray santimetatra eo amin’ny tosidra sistolika, dia nitombo 9 isan-jato ny nety ho fihenan’ny fiasan’ny atidoha. “Fantatsika fa mifandray amin’ny fahatapahan’ny lalan-dra sy ny aretim-po, ny tosidra ambony”, hoy i Lenore Launer, Ph.D., talen’ilay fandinihana, izay nanampy teny hoe: “Izany dia antony hafa iray monja tokony hampihenana azy io.”

Ilay Hantsana eo Amin’ny Fifampiresahana

Manao tatitra ny gazety The Courier-Mail any Brisbane, Aostralia, fa hitan’ny fanadihadiana iray vao haingana fa nahalana ireo mpianatra tanora any amin’ny sekoly ambaratonga faharoa vao niara-niresaka tamin’ny rainy, raha niresaka aza, momba ny zavatra mavesa-danja. Nasehon’ilay fanadihadiana fa mandany latsaka ny 15 minitra isan’andro iarahana amin’ny rainy ny ankamaroan’ireo tanora, kanefa mandany tokony ho adiny iray isan’andro iresahana amin’ny reniny izy ireo. Nahalana ireo ray aman-dreny vao niresaka tamin-janany momba ny fari-pitondran-tena na namotopototra momba ny fandaharana ao amin’ny televiziona na vidéo nojeren’izy ireo. Azo inoana fa na inona na inona resadresaka nataon’ny zanakalahy sy ny rainy, dia ho momba ny zavatra tsy dia lalina izany, toy ny fiara sy ny spaoro. Momba ny namana sy ny sekoly ary ny fandaharana mialoha hiarahana amin’ny namana, tamin’ny ankapobeny, ny fifampiresahana tamin’ny reny, fa nahalana vao momba ireo raharaha mavesa-danja kokoa. Tamin’ny toe-javatra maro, ny fampitan-kevitra teo amin’ny ray sy ny zanakavavy dia voafetra ho fivazivaziana na fisangisangiana teo amin’izy samy izy fotsiny.

Lozam-pifamoivoizana — Nahoana?

Asehon’ny tatitra momba ny fandinihana iray navoakan’ny ministeran’ny fitaterana any Brezila fa tokony ho ny 90 isan-jaton’ny lozam-pifamoivoizana no mitranga noho ny fahadisoan’ny mpamily na ny fanaovany tsirambina. Araka ilay tatitra, dia matetika ireo mpamily no manjary matoky tena be loatra rehefa mitondra fiara amin’ny andro tsara na amin’ny arabe migodàna mahitsy be. Nahariharin’ilay tatitra koa fa ireo lozam-piarakodia ateraky ny lalan-dratsy sy ny fahasimban’ny fiara dia miteraka fahafatesan’olona 25 000 sy olona maratra 350 000 isan-taona any Brezila.

Fandrobana Ireo Ranomasimbe

“Eo amin’ny fifaninanana amim-pahataitairana itadiavana fanafody vaovao sady mety hahazoan-tombony, ‘ireo mpikaroka zavamananaina’ izay miasa ho an’ireo kaompania mpanamboatra fanafody dia maka zavamananaina maro loatra avy amin’ireo ranomasimbe, tsy misy fieritreretana ny ho vokany”, hoy ny fanambaran’ny New Scientist. Araka ny voalazan’i Mary Garson, biosimista momba ny ranomasina ao amin’ny Oniversiten’i Queensland, Aostralia, dia 98 isan-jaton’ireo santionany voangona no ariana nefa tsy nodinihina tamin’ny an-tsipiriany. Ohatra, samy tsy nanome afa-tsy iray miligrama monja amin’ny raha iadiana amin’ny kansera ny vers marins 450 kilaograma sy ny sponjy 2 400 kilaograma, namokatra peptide (fitambarana asidra amine) folo miligrama ampiasaina mba hitsaboana ny mélanome (karazana fivontosana mahafaty) ny lièvres de mer 1 600 kilaograma, ary atin’ny murènes (karazana amalona) 847 kilaograma no nilaina mba hahazoana ciguatoxine 0,35 miligrama monja mba hanaovana fandinihana. “Tsy afaka tsotra izao manesotra ampahany maro be amin’ny zavamananaina iray avy ao amin’ny ranomasimbe isika — na dia mahasoa aza izany — raha tsy hoe azontsika antoka fa tsy handripaka azy angaha isika”, hoy i Garson.

Planeta Hita Kisendrasendra

Vao haingana izay no nahitana voalohany ny planeta kely iray, ka i George Sallit, astronoma amateur, avy any Bradfield, tanàna kely any Angletera, no nahita azy io tamin’ny alalan’ny teleskaopy tao amin’ny trano heva tao an-jaridainany. “Kisendrasendra tanteraka ilay izy”, hoy ny fiekeny. “Naka sary iray aho ary rehefa nojereko akaiky kokoa izy io, dia takatro fa planeta iray nandeha moramora teo amin’ilay sary ilay izy.” I Sallit One, araka ny iantsoana ilay planeta vaovao ankehitriny, dia manana savaivo tokony ho 30 kilaometatra monja ary eo amin’ny 600 tapitrisa kilaometatra eo ho eo miala ny tany. Eo anelanelan’i Mars sy i Jupiter no fihodidinana arahiny. Ilay teleskaopy nampiasaina dia modely iray manana savaivo 30 santimetatra, izay fehezin’ny ordinatera ary mitentina $7 000 (28 000 000 FMG eo ho eo), saingy mampiasa programa novolavolaina mba hampiasaina tao amin’ny teleskaopy Hubble, hoy ny tatitra nataon’ny The Times any Londres. Mety hisy an’arivony maro amin’ny planeta madinika, na astéroïdes, toy izany ao amin’ny rafi-masoandro (système solaire) misy antsika.

Zavatra Tsy Nampoizin’ny Mpamboly Vary

Nandritra ny taona maro, ireo mpamboly vary any Azia dia namafy ranom-panafody be dia be teo amin’ireo voliny tamin’ny tapany voalohany amin’ny fotoam-pambolena mba hamonoana ny olitra mihorona ao anatin’ny ravina, izay mandripaka ny ravin’ireo vary maniry. Toa manondro anefa ireo fanandramana vao haingana fa mahazaka famoizana hatramin’ny antsasaky ny raviny ireo vary maniry, kanefa tsy misy vokany eo amin’ny habetsahan’ny vary vokariny izany. Nisy mpamboly vietnamiana sasany nampiekena mba tsy hanao ilay famafazana ranom-panafody eo am-boalohany — izay mahaforona ny 30 ka hatramin’ny 50 isan-jaton’ny fanafody famonoana bibikely rehetra ampiasain’ny mpamboly aziatika — ka nahita fa tsy simba velively ny vokatra.

Tsy Fankasitrahana ny Fivavahana sy ny Politika

Araka ny gazety The Australian, “ny zatovo aostraliana mahazatra” dia tsy manana tena fahalianana amin’ny politika na amin’ny fivavahana. Miorina amin’ny fanadihadiana iray natao tamin’ny mpianatra 13 sy 16 taona io fanatsoahan-kevitra io, izay nangonin’ny Dr. Jennifer Bowes, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Sydney. Nanaraka izao filaharana izao, avy amin’ny zavatra mavesa-danja no mihamidina, ny laharam-pahamehan’ireo tanora: “fananana namana akaiky, fahazoana fampianarana tsara, fananana asa azo antoka, fampitomboana ny talentako, akaikin’ny fianakaviako, fitsimbinana ny tany ho an’ireo taranaka ho avy, fiarovana ny biby, fananana trano mahafinaritra, fanaovana dia lavitra mankany an-tany hafa, fahazoana vola be, fanaovan-javatra mba hampitsaharana ny fandotoana, fahazoana vady, fanampiana an’ireo izay tsy ambinina kokoa, fanampiana ny taniko, fanaovana zavatra mendrika ho an’ny fiaraha-monina, fananana hery fitaomana eo amin’ny olon-kafa”. Ny zavatra roa heverina ho sarobidy izay latsa-danja indrindra amin’ireo 18 ao anatin’ny lisitra dia “ny fanarahana ireo fotopoto-pitsipiky ny fivavahako” sy ny “faharisihana amin’ny politika”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara