FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Jolay p. 14-19
  • Miezaka Hahafantatra Kokoa An’i Jehovah ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miezaka Hahafantatra Kokoa An’i Jehovah ve Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • INONA NO DIKAN’NY HOE MAHAFANTATRA AN’I JEHOVAH?
  • NAHOANA ISIKA NO TOKONY HIEZAKA HAHAFANTATRA KOKOA AN’I JEHOVAH?
  • AHOANA NO HAMANTARANTSIKA KOKOA AN’I JEHOVAH?
  • HIANATRA FOANA ISIKA MANDRAKIZAY
  • Ekeo hoe Voafetra ny Zavatra Fantatrao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Miantehera Amin’i Jehovah Rehefa Hanapa-kevitra
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Tadidio hoe “Andriamanitra Velona” i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • “Fidio ... Izay Hotompoinareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Jolay p. 14-19

21-27 SEPTAMBRA 2026

HIRA 12 Jehovah Tompo, Ilay Avo Indrindra

Miezaka Hahafantatra Kokoa An’i Jehovah ve Ianao?

“Fantaro ilay Andriamanitry ny rainao, ka manompoa azy amin’ny fo manontolo.”​—1 TAN. 28:9.

HEVITRA HODINIHINA

Inona no dikan’ny hoe mahafantatra an’i Jehovah? Nahoana isika no tokony hiezaka hahafantatra kokoa azy, ary ahoana no hanaovantsika an’izany?

1. Inona no tsapantsika rehefa misaintsaina ny fahendren’i Jehovah, ny fahalalany, ary ny zava-bitany isika?

TSY misy zavatra tsy fantatr’i Jehovah. Tsy misy hendry noho izy, ary nahavita zavatra mahatalanjona be dia be izy. Tena tsinontsinona isika raha ampitahaina amin’ilay Mpamorona antsika. Mety hiaiky hoatran’ny apostoly Paoly ianao hoe: “Tsy misy fetrany ny harenan’Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! Tena tsy takatry ny saina ny didim-pitsarany ary tsy hay fantarina ny zavatra ataony!”​—Rom. 11:33, 34.

2. Inona no manaporofo fa afaka mahafantatra an’i Jehovah isika?

2 Marina hoe tsy ho haintsika daholo ny momba an’i Jehovah, nefa azontsika fantarina ihany hoe hoatran’ny ahoana izy. Hoy i Davida Mpanjaka tamin’i Solomona zanany: “Fantaro ilay Andriamanitry ny rainao, ka manompoa azy amin’ny fo manontolo. ... Raha mitady azy ianao, dia hataony izay hahitanao azy.” (1 Tan. 28:9) Nampahatsiahy ny mpiara-manompo taminy ny apostoly Jaona, taonjato maro tatỳ aoriana, hoe nomena “fahiratan-tsaina isika mba hahalala an’ilay tena Andriamanitra.” (1 Jaona 5:20) I Jesosy mihitsy koa no nilaza hoe hanampy ny olona ‘hahafantatra tsara ny Ray’ izy.​—Mat. 11:27.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Efa nianatra zavatra be dia be momba an’i Jehovah ny olona nanokan-tena ho azy. Mbola “mila mianatra mba hahafantatra” azy foana anefa isika. (Jaona 17:3; jereo ny fanamarihana ambany pejy.) Azontsika ianarana foana hoe inona no mampifaly azy, ary inona no hanampy antsika hatoky azy kokoa. Andao isika handinika fanontaniana telo: Inona no dikan’ny hoe mahafantatra an’i Jehovah? Nahoana isika no tokony hahafantatra kokoa azy? Ary ahoana no hanaovantsika an’izany? Ilaintsika ny mandinika an’ireo na efa ela isika no nanompo an’i Jehovah na vao haingana.

INONA NO DIKAN’NY HOE MAHAFANTATRA AN’I JEHOVAH?

4. Inona no tafiditra amin’ny hoe mahafantatra an’i Jehovah?

4 Andao isika handinika ny zavatra noresahin’i Jehovah tamin’ireo Jiosy avy babo tany Babylona. Hanampy antsika hahalala ny dikan’ny hoe mahafantatra azy izany. Nampanantena an-dry zareo i Jehovah hoe: “Homeko fo te hahalala ahy izy ireo mba hahafantarany hoe izaho no Jehovah.” (Jer. 24:7) Azo antoka fa efa nahafantatra zavatra betsaka momba an’i Jehovah ireo Jiosy ireo. Raha tena te hahafantatra an’i Jehovah anefa ry zareo, dia tsy ny sainy ihany no tokony ho tafiditra fa ny fony koa, izany hoe ny fihetseham-pony sy ny antony anaovany zavatra. Izao no anazavan’ny boky iray an’izany: “Tena tsy mitovy ny hoe mahafantatra ny momba an’Andriamanitra sy ny hoe mahafantatra an’Andriamanitra. Hoatran’ny tsy mampitovy ny hoe raiki-pitia amin’ny olona iray sy ny hoe mamaky tantaram-pitiavana fotsiny.” Tsy ampy ny mahafantatra hoe manana anarana Andriamanitra sy ny hoe misy izy. Mila fantatsika koa hoe hoatran’ny ahoana marina izy.

5. Inona no dikan’ny hoe mahafantatra an’i Jehovah rehefa jerena izay nataon’i Josia Mpanjaka?

5 Rehefa mahalala kokoa an’i Jehovah isika dia lasa mahafantatra hoe inona no tiany sy tsy tiany, dia avy eo manao zavatra mifanaraka amin’izany. Diniho ny ohatr’i Josia Mpanjaka. Hoy ny Baiboly: “Nanomboka nitady an’ilay Andriamanitr’i Davida razambeny izy, tamin’ny taona faha-8 nanjakany. Mbola ankizilahy izy tamin’izay.” (2 Tan. 34:3) Tsy hoe nianatra ny Tenin’Andriamanitra fotsiny izy fa nampihatra an’izay nianarany koa. Izany no nahatonga an’i Jehovah hiteny tamin’i Jeremia mpaminany hoe “nanao ny rariny sy ny hitsiny” i Josia sady niaro ny olona mijaly sy ny mahantra. Nilaza i Jehovah avy eo hoe: “Tsy izany ve no atao hoe mahalala ahy?”​—Jer. 22:15, 16.

6. Inona no vokany eo amintsika rehefa mahafantatra kokoa an’i Jehovah isika, araka ny Salamo 9:10?

6 Vakio ny Salamo 9:10. Vao mainka isika matoky an’i Jehovah arakaraka ny ahafantarantsika azy. Izany mihitsy no nitranga tamin’ny apostoly Paoly. Nanoratra hoatr’izao izy tamin’izy nogadraina farany, taloha kelin’ny nahafatesany: “Tsy menatra ... aho. Fantatro mantsy Ilay inoako.” (2 Tim. 1:12) Nahatonga an’i Paoly hatoky tanteraka an’Andriamanitra ny zavatra nianarany momba azy sy ny zavatra niainany. Natoky i Paoly hoe tsy ho hadinon’i Jehovah mihitsy ny fanompoana nataony sy ny tsy fivadihany, ary hanangana azy amin’ny maty izy.

NAHOANA ISIKA NO TOKONY HIEZAKA HAHAFANTATRA KOKOA AN’I JEHOVAH?

7. Inona no mety hitranga amin’ireo olona efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro?

7 Niezaka be mihitsy isika mba hahafantatra an’i Jehovah tamintsika vao nianatra ny momba azy. Mety hiova anefa izany rehefa mandeha ny fotoana. Nahoana? Ny fomba hampiharana an’izay nianarantsika sy izay hanampiana ny hafa angamba no ifantohantsika rehefa mamaky Baiboly samirery isika na any am-pivoriana. Mampirisika antsika hanao an’izany aloha ny Soratra Masina e! (2 Tim. 3:16, 17) Mampahafantatra antsika an’ilay nampanoratra azy io koa anefa ny Baiboly. (Sal. 25:8-10) Tsy tokony hifantoka be loatra amin’ny soa azontsika sy ny hafa isika rehefa mamaky Baiboly, ka hadinontsika ny misaintsaina hoe: ‘Inona no ianarako eto momba an’i Jehovah Andriamanitra?’a

8. Lasa manahoana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah rehefa mahafantatra kokoa azy isika? (Salamo 73:24-28)

8 Vao mainka isika minamana be amin’i Jehovah arakaraka ny ahafantarantsika azy. Inona, ohatra, no tsapanao momba an’i Jehovah rehefa avy mamaky Baiboly ianao isan’andro, na avy mijery Tele JW, na avy mamonjy fivoriambe? Matetika isika no mahatsapa ho akaiky kokoa an’ilay Raintsika any an-danitra. Nahoana? Satria lasa nahafantatra kokoa azy isika. Lasa te hidera sy te hisaotra azy isika noho izany. Mety hahatsapa hoatran’ny mpanao salamo isika. Izao no nolazainy rehefa nisaintsaina ny fikarakaran’i Jehovah azy izy: “Andriamanitra ... no vatolampin’ny foko sy anjarako mandrakizay.” (Vakio ny Salamo 73:24-28.) Miezaha foana àry hahafantatra kokoa an’i Jehovah. Isaky ny manao an’izany ianao dia vao mainka ho tsapanao fa tena sarobidy ilay hoe namany.

9. Raha ‘mieritreritra’ an’i Jehovah foana isika amin’izay ataontsika, dia inona ny ho vokatr’izany eo amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika? Hazavao amin’ny ohatra.

9 Mampirisika antsika ‘hieritreritra’ an’i Jehovah ny Baiboly. Inona no dikan’izany? Mila mitadidy an’izay nianarantsika momba azy isika sady mieritreritra hoe misy vokany aminy izay ataontsika. Handray fanapahan-kevitra tsara kokoa isika rehefa manao an’izany. (Ohab. 3:5, 6) Betsaka, ohatra, ny rahalahy sy anabavy mametraka ny sarin’ny vadiny amin’ny toerana talaky maso. Manampy azy hieritreritra matetika momba ny vadiny sy ho tia be azy izany. Izany no mahatonga azy handray fanapahan-kevitra mampifaly ny vadiny sy tsy hanao zavatra mampalahelo azy. Hoatr’izany koa fa rehefa misaintsaina matetika momba an’i Jehovah isika dia azo inoana kokoa hoe handray fanapahan-kevitra mampifaly azy.​—Sal. 19:13, 14.

10. Afaka manao inona isika, arakaraka ny ahafantarantsika an’i Jehovah?

10 Natao mitovy endrika amin’i Jehovah isika ka afaka manahaka ny toetrany. (Gen. 1:26) Rehefa mahafantatra kokoa ny toetrany isika, dia vao mainka ho haintsika hoe ahoana no hanahafana azy. Nanameloka ny Mpanora-dalàna sy ny Fariseo i Jesosy satria tsy mba naneho toetra tsara ry zareo. Ny tsipiriany madinika amin’ny Lalàna no nifantohan-dry zareo fa tsy noraharahiany kosa “izay mavesa-danja kokoa ao amin’ny Lalàna, izany hoe ny manao ny rariny sy ny mamindra fo ary ny ho mendri-pitokisana.” (Mat. 23:23) Enga anie isika tsy hanahaka an’ireo mpitondra fivavahana ireo fa hiezaka hisaintsaina hoe inona ny toetran’i Jehovah ianarantsika avy amin’ny lalàny sy ny torolalany. Hahavita haneho an’ireny toetrany ireny isika amin’izay.​—1 Jaona 4:8, 11.

AHOANA NO HAMANTARANTSIKA KOKOA AN’I JEHOVAH?

11. Ahoana no nahalalanao an’i Jehovah?

11 Iza no niresaka taminao voalohany momba an’i Jehovah? Ny ray aman-dreninao angamba. Mety ho namakiany tantara ao amin’ny Baiboly ianao sady nampianariny momba ny zavaboary, mba hahafantaranao ny toetran’Andriamanitra. Sa efa lehibe ianao vao nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Mety ho nampiasa fitaovana fianarana Baiboly ilay mpampianatra, ohatra hoe ilay boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Nampiany hamakafaka tantara ao amin’ny Baiboly ianao, ary nampiany hianatra ny toetra tsaran’i Jehovah avy amin’ny zavaboary.b (Neh. 8:8; Asa. 14:17) Andao hojerentsika hoe inona no azontsika atao mba hianarana momba an’i Jehovah foana.

12-13. Inona no azonao ianarana momba an’i Jehovah rehefa mamaky Baiboly ianao? Hazavao amin’ny ohatra. (Jeremia 39:15-18) (Jereo koa ny sary.)

12 Voalohany, hahafantatra kokoa an’i Jehovah isika rehefa mamaky sy mianatra ny Teniny. Indraindray tonga dia asongadin’ny Baiboly ny toetran’i Jehovah. (Eks. 34:6, 7) Matetika anefa no tantaran’olona sy izay fanapahan-kevitra noraisiny no resahina ao. Rehefa mamaky tantara hoatr’ireny ianao, dia jereo hoe inona no azonao ianarana momba an’i Jehovah avy amin’ilay izy.

13 Hahita ny tantaran’i Ebeda-meleka etiopianina, ohatra, ianao rehefa mamaky ny Jeremia 38:6-13. Izy ilay namonjy an’i Jeremia mpaminany. Tonga dia hitanao angamba hoe inona no azonao ianarana avy amin’ny toetran’i Ebeda-meleka. Anisan’izany ilay izy nahafoy tena, be herim-po, sy tia ny mpiara-manompo taminy. Hitanao koa ve anefa hoe inona ny toetran’i Jehovah asongadin’io tantara io? (Vakio ny Jeremia 39:15-18.) Iza amin’ireo andinin-teny nasaina novakina ireo, ohatra, no manasongadina fa mahay mankasitraka i Jehovah, manao ny rariny, ary tsy manavakavaka? Inona koa ny toetran’i Jehovah hitanao ao amin’io tantara io? Rehefa mamaky Baiboly ianao dia jereo hoe inona no azonao ianarana momba an’i Jehovah avy amin’ilay izy, ary isaory sy derao izy noho ireny toetra tsarany ireny.

Ebeda-meleka miaraka amin’ny lehilahy maromaro, misintona an’i Jeremia amin’ny tady avy ao anaty lavaka fanangonan-drano. Miambina an-dry zareo ny lehilahy vitsivitsy mitazona fitaovam-piadiana.

Be herim-po i Ebeda-meleka ka namonjy an’i Jeremia avy ao anaty lavaka fanangonan-drano (Fehintsoratra 12-13)


14. Inona no tokony hataontsika raha tiantsika ny handray soa rehefa mandinika ny zavaboary isika?

14 Faharoa, hahafantatra kokoa an’i Jehovah isika raha misaintsaina ny zavatra noforoniny. (Sal. 145:9, 10) Mazava ho azy fa tsy ampy ny mianatra momba ny zavaboary. Misy mantsy mandany ny androm-piainany hanaovana an’izany, nefa tsy mahalala ny toetran’i Jehovah akory na tsy mino ny fisiany mihitsy aza. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe ‘ny toetran’Andriamanitra tsy hita maso ... dia hita mazava tsara hatramin’ny namoronana an’izao tontolo izao. Hita amin’ny zavatra nataony mantsy izany toetrany izany.’ (Rom. 1:20) Milaza ny fandikan-teny anankiray fa “afaka mahita ny toetran’Andriamanitra ny olona misaina tsara.” Tokony handinika ny zavaboary àry isika, ary hijery hoe inona ny toetran’ilay Mpamorona antsika azo ianarana avy amin’izany.

15. Inona no nataon’i Patrick mba hahafantarany kokoa an’i Jehovah? Afaka manao zavatra mitovitovy amin’izany ve ianao? (Jereo koa ny sary.)

15 Misy amintsika mipetraka any an-tanàn-dehibe dia tsy tena mahita biby sy zavamaniry. Mbola afaka mianatra avy amin’ny zavaboary ihany ve isika na izany aza? Diniho izay nataon’i Patrick. Mipetraka any Brazzaville, tanàn-dehibe any amin’ny Repoblikan’i Congo izy. Izao no nolazainy: “Avy eo an-davarangana aho no mandinika ny zavaboary. Matetika aho no mahita bibikely na voronkely mitady sakafo na toerana hipetrahana. Nisy fotoana aho nahita vorona nanamboatra akany. Nahavita akany mety tsara ho an’ny zanany kely ry zareo, dia zavatra teny amin’ny manodidina ihany no nanamboarany azy.” Tsy hoe nijery an’ireo vorona ireo fotsiny akory no nataon’i Patrick, fa nisaintsaina an’ilay Mpamorona koa. Hoy izy: “Hitako hoe miahy an’izay hahasoa ny zavaboariny i Jehovah na dia zavaboary hoatran’ny tsy misy vidiny aza. Manome toky ahy izany hoe miahy an’ahy koa izy, ary tsy maintsy hanome an’izay ilaiko.”

Anabavy iray mipetraka any an-tanàn-dehibe. Manondraka voninkazo eo an-davarangana izy sady variana mandinika kôlibria iray mitsentsitra mamimbony amin’ny voninkazo.

Saintsaino izay azonao ianarana avy amin’ny zavaboary, dia hahafantatra kokoa an’i Jehovah ianao (Fehintsoratra 15)


16. Inona no nanampy an’i Maria hahafantatra kokoa an’i Jehovah, ary ahoana no hanahafantsika azy? (Jereo koa ny sary.)

16 Inona no fomba fahatelo hanampy antsika hahafantatra kokoa an’i Jehovah? Mila misaintsaina ny zavatra niainantsika isika. Izany no nataon’i Maria renin’i Jesosy. Efa nahafantatra tsara an’i Jehovah izy ary ‘nankasitrahany.’ (Lioka 1:30) Nomeny andraikitra lehibe anefa izy, satria nasainy hitaiza ny Zanany. Te hanome toky sy hampahery an’i Maria i Jehovah, dia ny anjely Gabriela sy Elizabeta havan’i Maria no nampiasainy hanao an’izany. Nisaintsaina ny zavatra niainany i Maria, tatỳ aoriana, dia hitany hoe mahery i Jehovah, mamindra fo, tsy manavakavaka, ary miahy ny olona ambany. (Lioka 1:46-55) Mankasitraka an’i Jehovah hoatran’i Maria koa isika rehefa manome fanampiana antsika “amin’ny fotoana mety” izy. (Heb. 4:16) Rehefa mahazo fanampiana hoatr’izany ianao dia eritrereto ireto: ‘Inona no toetran’i Jehovah ianarako avy amin’izany?’

Sary: Rahalahy iray misaintsaina ny fotoana nanampian’i Jehovah azy. 1. Manahy momba ny anjara hataony any am-pivoriana izy dia nivavaka. 2. Nety tsara ny nanaovany an’ilay anjara teny amin’ny lampihazo.

Saintsaino izay nataon’i Jehovah ho anao dia hahafantatra kokoa azy ianao (Fehintsoratra 16)c


HIANATRA FOANA ISIKA MANDRAKIZAY

17-18. Nahoana isika no afaka milaza fa hianatra momba an’i Jehovah foana isika mandrakizay?

17 Saintsaino ange ny zavatra mbola hianarantsika momba an’i Jehovah any amin’ny tontolo vaovao e! Hahazo horonam-boky vaovao isika, ary ao no hahitantsika ny zavatra takiny amintsika. (Apok. 20:12) Betsaka koa ny zavatra ho azontsika ianarana momba azy satria ho afaka hankafy tanteraka ny zavaboary isika. (Isaia 11:6-9) Vao mainka hahafantatra an’ilay Raintsika isika rehefa tafahaona amin’ireo olona akaiky antsika hatsangana amin’ny maty, sy rehefa mihalavorary tsikelikely. Any mantsy isika vao hiaina an’izany!

18 Hianatra momba an’i Jehovah foana isika mandrakizay. “Mahira-tsaina tsy misy hoatr’izany izy” satria efa nisy foana hatramin’izay. (Sal. 90:2; 147:5) ‘Tsy ho takatry ny saintsika hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany mihitsy izay ataon’ilay tena Andriamanitra.’ (Mpito. 3:11) Na efa ela àry ianao na vao haingana no tao amin’ny fahamarinana, dia miezaha foana hianatra momba an’ilay Raintsika be fitiavana isaky ny misy hirika hanaovana an’izany.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Inona no dikan’ny hoe mahafantatra an’i Jehovah?

  • Nahoana isika no tokony hiezaka hahafantatra kokoa an’i Jehovah?

  • Ahoana no hamantarantsika kokoa an’i Jehovah?

HIRA 28 Te ho Namanao Izahay, Jehovah

a Jereo ilay hoe “Teny Fampidirana ny Tenin’Andriamanitra”, fanontaniana 20, any am-piandohan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

b Jereo ny lesona 7, hevitra 5-7 ao amin’ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!

c FANAZAVANA SARY: Manahy be ny rahalahy iray fa hanana anjara lahateny. Nosaintsaininy àry ny fomba nanampian’i Jehovah azy tamin’izy nanana anjara tamin’ny fivoriana andavanandro.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara