FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Jolay p. 20-25
  • Ampio ny Hafa Hahafantatra Kokoa An’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio ny Hafa Hahafantatra Kokoa An’i Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • AMPIO HAHAFANTATRA TSARA AN’I JEHOVAH ILAY MPIANATRA
  • AMPIANARO AZY HOE HOATRAN’NY AHOANA I JEHOVAH
  • AMPIO IZY HAMPIASA NY FAHALALANA ANANANY
  • MAHAZO FITAHIANA IZAY MAHAFANTATRA TSARA AN’I JEHOVAH
  • Ampio Hanaraka ny Fahamarinana ny Mpianatra Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Ahoana no Hanampiana ny Mpianatra Baiboly mba ho Vita Batisa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Ampio Izy mba ho Vita Batisa (Fizarana 2)
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Ampio Izy mba ho Vita Batisa (Fizarana 1)
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Jolay p. 20-25

28 SEPTAMBRA–4 OKTOBRA 2026

HIRA 79 Ampianaro Izy Ireo mba Handroso Hatrany

Ampio ny Hafa Hahafantatra Kokoa An’i Jehovah

“Raha te hahazo fiainana mandrakizay izy ireo, dia mila mianatra mba hahafantatra anao, ilay hany tena Andriamanitra.”​—JAONA 17:3.

HEVITRA HODINIHINA

Ahoana no hanampiana ny mpianatra Baiboly mba hahafantatra kokoa an’i Jehovah, ohatra hoe hahafantatra ny toetrany sy izay tiany sy tsy tiany?

1. Inona no tsapanao rehefa misy mpianatra Baiboly mandroso?

INONA no tsapanao rehefa misy mpianatra Baiboly manomboka mivory, manome valin-teny, miresaka amin’ny hafa ny zavatra inoany, ary manapa-kevitra ny hanokan-tena ho an’i Jehovah atỳ aoriana? Azo antoka fa faly be ianao. Mazava ho azy hoe i Jehovah no nanampy an’ilay olona hahavita an’ireo, dia izy no deraintsika.​—1 Kor. 3:5-9; 3 Jaona 3, 4.

2. Tian’i Jehovah hanao ahoana ny mpianatra Baiboly? (1 Timoty 2:3, 4)

2 Ny sitrapon’Andriamanitra dia ny “hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hahalalan’izy ireo tsara ny fahamarinana.” (Vakio ny 1 Timoty 2:3, 4.) Tiany hahalala tsara azy sy ny fikasany ny olona. (Jer. 9:24) Midika izany hoe mila manana fahalalana marina tsara ry zareo. Nanazava an’ilay teny tany am-boalohany nadika hoe ‘mahalala tsara’ ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly. Nilaza izy fa tsy hoe manangona fahalalana fotsiny no dikan’izy io fa tokony “hisy vokany amin’ilay olona” koa ny zavatra ianarany. Rehefa lasa mahafantatra an’i Jehovah ny mpianatra Baiboly iray, dia misy vokany amin’ny fomba fiainany izany. Lasa afaka manantena ny ‘hiaina mandrakizay’ àry izy.​—Jaona 17:3.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Asain’i Jehovah manampy ny olona hahafantatra kokoa azy isika. Tombontsoa miavaka izany. Hamaly an’ireto isika ato: Nahoana ny mpianatra Baiboly no mila mahafantatra tsara an’i Jehovah? Ahoana no hanampiantsika azy hahafantatra hoe hoatran’ny ahoana i Jehovah? Ary ahoana no hanampiantsika azy hampiasa an’izay efa fantany momba an’i Jehovah?

AMPIO HAHAFANTATRA TSARA AN’I JEHOVAH ILAY MPIANATRA

4. Inona no tena tanjontsika rehefa mampianatra Baiboly, araka ny Marka 12:30?

4 Nilaza i Jesosy fa ny didy lehibe indrindra dia hoe tia an’i Jehovah amin’ny fo manontolo, ny tena manontolo, ny saina manontolo, ary ny hery manontolo. (Vakio ny Marka 12:30.) Mila mahafantatra kokoa an’i Jehovah ny mpianatra Baiboly, amin’izay lasa tia azy. Tiantsika raha ny fitiavany an’i Jehovah no mahatonga azy hatao batisa, fa tsy noho isika, na noho ny zavatra nianarany, na noho izy te ho mpinamana amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny tena tanjontsika izany rehefa mampianatra, dia ny hanampy ny olona hahafantatra kokoa an’i Jehovah sy ho tia azy.

5. Handrisika an’ilay mpianatra hanao inona ny fitiavany an’i Jehovah?

5 Mifandray ilay hoe tia an’i Jehovah sy mankatò azy. Lasa te hankatò an’i Jehovah ny mpianatrao rehefa mahalala kokoa azy sy tia azy. Hoy i Jesosy: “Mba hahafantaran’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, dia izay nasain’ny Ray nataoko mihitsy no ataoko.” (Jaona 14:31) Ho vonona hankatò an’i Jehovah sy tsy hivadika aminy koa ny mpianatrao raha tsy misy tiany kokoa noho izy.​—1 Jaona 5:3.

6. Inona no tafiditra amin’ny hoe mahafantatra an’i Jehovah, ary nahoana izany no manampy ny mpianatra Baiboly? Manomeza ohatra.

6 Azo inoana kokoa hoe hahay hanapa-kevitra ilay mpianatra, rehefa fantany tsara i Jehovah. Raha te hitondra fiara, ohatra, ny olona iray, dia tsy ampy ny hoe mianatra ny lalàn’ny fifamoivoizana na manao fanadinana. Tsy maintsy mizatra mitondra fiara koa izy. Rehefa mandeha ny fotoana dia lasa hainy hoe ahoana no hatao rehefa ratsy ny lalana, na avy ny orana, na mitohana ny fifamoivoizana. Hoatr’izany koa fa tsy ampy ny mianatra raha te hahafantatra kokoa an’i Jehovah ny mpianatra Baiboly iray. Mila hitany koa hoe inona ny vokany rehefa mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny torolalan’ny Soratra Masina izy. Hahay hanapa-kevitra izy n’inona n’inona mitranga, arakaraka ny ahafantarany an’i Jehovah sy ahitany hoe manampy azy ilay Rainy any an-danitra.

7. Nahoana no nanampy an’i Josefa handray fanapahan-kevitra tsara ny fahafantarany an’i Jehovah?

7 Nanampy an’i Josefa ny fahafantarany an’i Jehovah rehefa nanadala azy ny vadin’i Potifara. Azo inoana hoe efa naheno ny tantaran’i Adama sy Eva sy ny tantaran’i Abrahama sy Saraha izy, tamin’ny mbola kely. (Gen. 2:24; 20:3, 6) Ireny no nahalalany hoe ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fanambadiana sy ny firaisana. Lasa nahafantatra tsara an’i Jehovah izy, ka tsy nanaiky hotaomin’ny vadin’i Potifara haloto fitondran-tena. Hoy izy: “Hataoko ahoana ny hanao an’izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?” (Gen. 39:7-9) Fantatr’i Josefa ny atao hoe tsara sy ratsy eo imason’i Jehovah, sy ny hoe inona no mety hampalahelo an’ilay Andriamaniny. Nandray fanapahan-kevitra tsara àry izy. Handray fanapahan-kevitra mampifaly an’i Jehovah koa ny mpianatra Baiboly, raha ampiantsika hahafantatra tsara azy sy hahalala hoe hoatran’ny ahoana izy.

AMPIANARO AZY HOE HOATRAN’NY AHOANA I JEHOVAH

8. Ahoana no azonao ampiasana ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra kokoa an’i Jehovah?

8 Ahoana àry no hanampianao an’ilay mpianatra hahafantatra hoe hoatran’ny ahoana i Jehovah? Inona moa no nataon’i Jehovah mba hanampiana an’i Joba hahafantatra kokoa azy? Nametrahany fanontaniana 50 mahery izy. (Joba 38:1–41:34) Afaka mametraka fanontaniana koa isika. Natao hanampiana ny mpianatra hahafantatra tsikelikely ny toetran’i Jehovah ny fanontaniana ao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!​—Jereo ilay hoe “Fanontaniana Mahasoa Rehefa Mampianatra.”

Mampianatra eo amin’ny lesona 17 amin’ny boky “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!” ny anabavy iray. Mihaino tsara izy, rehefa mamaly fanontaniana iray avy ao amin’io lesona io ilay mpianatra.

Fanontaniana Mahasoa Rehefa Mampianatra

Misy fanontaniana maro hanampy ny mpianatra hahafantatra tsikelikely an’i Jehovah ao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Anisan’izany ireto:

  • “Ahoana no fahitan’i Jehovah ny olona mitory ny vaovao tsara?” (lesona 21)

  • “Inona tamin’ny zavatra nianaranao momba an’i Jehovah sy Jesosy no manome toky anao hoe ho ara-drariny ny zavatra hataon’izy ireo [amin’ny Aramagedona]?” (lesona 33)

  • “Inona no tsapan’i Jehovah rehefa hendry sy mankatò azy ianao? Nahoana?” (lesona 34)

  • “Araka ny hevitrao, inona no tsapan’i Jehovah raha manambady olona tsy tia azy isika?” (lesona 42)

  • “Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah, rehefa jerena [ny Salamo 86:5]?” (lesona 56)

  • “Nahoana ny fomba itondran’i Jehovah ny mpanota no mampiseho hoe mahay mandanjalanja sy mamindra fo ary be fitiavana izy?” (lesona 57)

9-10. a) Inona no hanampy ny mpianatra handray soa avy amin’ny famakiany Baiboly? (Jakoba 5:11) b) Rehefa mamaky ny tantaran’i Daniela ny mpianatra iray, dia inona no fanontaniana azony eritreretina mba hahafantarana an’izay tian’i Jehovah na tsy tiany?

9 Vao manomboka mianatra ilay olona dia efa ampirisihintsika hamaky Baiboly isan’andro.a Dia ahoana no anampiantsika azy handray soa avy amin’izany? Resahintsika aminy hoe isaky ny avy mamaky Baiboly izy, dia tsara raha saintsaininy hoe nahoana ireo andininy ireo no nataon’i Jehovah ao amin’ny Teniny, ary inona no toetran’i Jehovah hita avy amin’ilay izy. Izany no nataon’i Jakoba mpianatra rehefa niresaka ny tantaran’i Joba izy. Tsy ny fiaretan’i Joba ihany no nasongadiny fa ny toetra tsaran’i Jehovah koa, dia ilay izy be fitiavana sy mamindra fo.​—Vakio ny Jakoba 5:11.

10 Tiantsika raha lasa hain’ilay mpianatra izay mampifaly an’i Jehovah na tsy mampifaly azy, isaky ny avy mamaky tantara ao amin’ny Baiboly izy. Misy an’ilay hoe “Vakio Isan’andro ny Baiboly” ao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Andeha hatao hoe mijery an’io ilay mpianatra, dia ny tantaran’i Daniela tao an-davaky ny liona no nofidiny. Azonao ampirisihina izy mba hisaintsaina fanontaniana hoatran’ireto: ‘Maninona i Jehovah no namonjy an’i Daniela? Inona no mampifaly an’i Jehovah rehefa jerena io tantara io?’ (Dan. 6:10, 22) Azony eritreretina koa hoe: ‘Inona no nanjo an’ireo lehilahy nanendrikendrika an’i Daniela? Inona izany no tsy mampifaly an’i Jehovah?’ (Dan. 6:4, 5, 24) Azony saintsainina koa ny toetran’i Jehovah hafa hita ao amin’io tantara io.​—Dan. 6:26, 27.

11. Ahoana no hanampiantsika ny olona ampianarintsika mba hahita hoe i Jehovah, raha ny marina, no tena mampianatra azy?

11 Faly isika rehefa hitan’ilay mpianatra hoe mahasoa azy ny fianarana Baiboly. Tokony hataontsika tsapany anefa fa tsy handray soa hoatr’izany izy raha tsy noho i Jehovah, ilay Mpampianatra Be Voninahitra. (Isaia 30:20, 21) Mety hisaotra antsika ilay mpianatra noho ny zavatra nianarany, na hidera antsika satria hoe mahay mampianatra isika. Marina fa vokatry ny fo ireny fankasitrahana ireny, kanefa ampahatsiahivintsika azy hoe i Jehovah no tena tokony hoderaina sy hisaorana.

AMPIO IZY HAMPIASA NY FAHALALANA ANANANY

12-13. Raha misy tantara ao amin’ny Baiboly tsy tena azon’ny mpianatra iray, dia nahoana no mahasoa azy ny fahafantarany tsara an’i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)

12 Mila ampiasaintsika ny fahalalana marina ananantsika, raha tiantsika ny handray soa avy amin’ilay izy. Ahoana no hanampiantsika ny mpianatra Baiboly hanao an’izany? Raha tsy tena azony, ohatra, ny tantara iray ao amin’ny Baiboly, dia ampirisiho izy hisaintsaina an’izay efa fantany momba an’i Jehovah. Rehefa mamaky momba ny zavatra nataon’i Jehovah taloha, ohatra, izy, dia mety ho lasa saina hoe maninona ny olona sasany no naringan’i Jehovah, nefa ny hafa tsy nomelohiny ho faty. Ahoana no azonao anampiana azy?

13 Azonao ampirisihina ilay mpianatra mba hisaintsaina an’izay efa nianarany momba an’i Jehovah. Asaivo eritreretiny, ohatra, hoe: ‘Sarobidy amin’i Jehovah ve ny aina? (2 Pet. 3:9) Inona no nafoiny mba hamonjena antsika na dia mpanota aza isika? (Efes. 2:4, 5) I Jehovah ve manasazy olona tsy meloka? (Eks. 34:6, 7) Ary avelany ho afa-maina ve ny olona mendrika ny hosazina?’ Tsy azontsika indraindray ny fanapahan-kevitr’i Jehovah, satria tsy voatery hiresaka tsipiriany momba an’ilay izy ny Baiboly. Tsy mila an’ireny tsipiriany ireny anefa isika. Efa fantatsika tsara ilay Andriamanitsika, dia resy lahatra isika hoe mety foana izay ataony.

Sary: Ilay anabavy teo ihany, miara-mamerina amin’ilay mpianatra ny zavatra efa nianarany. 1. Jehovah mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra. 2. Adama mieritreritra ny hihinana an’ilay voankazo voarara nomen’i Eva azy. 3. Voditongotra manorotoro lohana menarana. 4. Ny sambofiaran’i Noa mitsingevana eo ambony rano mandritra ny Safodrano. 5. Mosesy manasaraka ny Ranomasina Mena. 6. Tsy rava ny tranon’i Rahaba rehefa nianjera ny mandan’i Jeriko. 7. Ebeda-meleka misintona an’i Jeremia avy ao amin’ny lavaka fanangonan-drano. 8. Jesosy eo amin’ny hazo fijaliana.

Raha tsy azon’ny mpianatrao ny tantara iray ao amin’ny Baiboly, dia ampirisiho izy hisaintsaina an’izay zavatra efa fantany momba an’i Jehovah (Fehintsoratra 12-13)


14. Ahoana no hanampianao ny olona ampianarinao raha misy olona mahasosotra azy ao am-pivoriana?

14 Ahoana indray raha efa mivory ilay mpianatra, dia nisy nahasosotra azy tao am-pivoriana? Mety hoe nampalahelo azy ny zavatra nataon’ny mpitory iray. Ahoana no hanampiantsika azy hampiasa ny zavatra efa fantany momba an’i Jehovah? Ampirisiho izy hisaintsaina hoe ahoana no fahitan’i Jehovah an’ireo rahalahy sy anabavy. Inona ny sorona nataon’i Jehovah mba hampisehoana hoe tiany ry zareo? (Jaona 3:16) Zava-dehibe aminy ve ilay hoe miray saina isika? (Sal. 133:1) Inona no tsapany rehefa miezaka isika mba hiray saina foana ny fiangonana? (2 Kor. 13:11) Ampio ilay mpianatra hahatsapa hoe faly i Jehovah rehefa mifantoka amin’ny toetra tsaran’ny hafa isika fa tsy amin’ny fahadisoany.

15-16. a) Ahoana no azon’ny mpianatra Baiboly anahafana an’i Jesosy rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe izy? (Jaona 8:29) b) Ahoana no nanampian’i Marianne ny mpianany handray fanapahan-kevitra tsara? (Jereo koa ny sary.)

15 Rehefa inona koa ianao no afaka manampy an’ilay mpianatra mba hampiasa ny zavatra efa fantany momba an’i Jehovah? Rehefa handray fanapahan-kevitra izy. Azonao atoro azy aloha ny lesona faha-​35 ao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! Izao no lohateniny: “Ahoana no Atao Raha Te Hahay Hanapa-kevitra?” Ahoana anefa raha efa nivavaka sy nanao fikarohana ilay mpianatra, nefa mbola tsy hainy ihany ny fanapahan-kevitra horaisina? Be loatra angamba ny torolalan’ny Baiboly mifandray amin’ilay izy dia tsy hitany izay hampiharina. Azonao ampirisihina izy mba hisaintsaina ny ohatr’i Jesosy. Ahoana no nataony rehefa handray fanapahan-kevitra? Hoy izy: “Manao zavatra mahafaly [an’ilay Raiko] foana aho.” (Vakio ny Jaona 8:29.) Ampirisiho ilay mpianatra hisaintsaina hoe: ‘Raha ny fikarohana nataoko sy ny zavatra fantatro momba an’i Jehovah, dia inona re no fanapahan-kevitra hampifaly azy e?’ Tsara foana ny fanapahan-kevitra rehefa mampifaly an’i Jehovah.

16 Nianatra Baiboly ny vehivavy iray any Silia, ary nisy fanapahan-kevitra lehibe nila noraisiny. Noteren’ny fianakaviany hanao asa be karama izy, nefa tsy nahafahany nivory ilay izy. Hoy i Marianne, ilay nampianatra Baiboly azy: “Nampirisihiko izy hisaintsaina hoe hampifaly an’i Jehovah sa hampalahelo azy ny fanapahan-kevitra horaisiny. Nasaiko nanao vavaka voafaritra tsara koa izy, dia hijery hoe ahoana no hamalian’i Jehovah an’izany. Tsy nety nanao an’ilay asa izy, dia nahita asa nahafahany nivory tsy ela taorian’izay.” Mariho fa tsy nanapa-kevitra teo amin’ny toeran’ilay mpianatra i Marianne. Nampiany kosa izy hisaintsaina an’izay efa fantany momba an’i Jehovah. Inona no vokany? Tsy vitan’ny hoe lasa mpinamana be izy sy Marianne, fa lasa nifandray akaiky tamin’i Jehovah koa izy. Hoy i Marianne: “Lasa hitany hoe mikarakara antsika i Jehovah rehefa ny fanompoana azy no ataontsika loha laharana.”

Mpianatra Baiboly iray miresaka amin’ny mpampiasa azy ao amin’ny biraony. Manolotra taratasy fifanarahana momba ny asa iray ilay mpampiasa sady manome stylo. Mandà tsy hanao an’ilay asa ilay mpianatra Baiboly sady manaja tsara.

Ampio ny olona ampianarinao Baiboly mba hahay handray fanapahan-kevitra mampifaly an’i Jehovah (Fehintsoratra 15-16)b


MAHAZO FITAHIANA IZAY MAHAFANTATRA TSARA AN’I JEHOVAH

17. Inona no zava-dehibe indrindra tokony hianaran’ny olona ampianarintsika Baiboly?

17 Betsaka ny zavatra ianaran’ny olona rehefa mianatra Baiboly izy. Anisan’izany ny fampianarana fototra momba ny vidim-panavotana, ilay Fanjakana, ary ilay hoe manao ahoana ny olona rehefa maty. Ianarany koa ny fomba andaminana ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra hoe inona no atao any am-pivoriana, inona ny andraikitry ny anti-panahy, ary iza ny Filan-kevi-pitantanana. Tsy ireo fotsiny anefa no tiantsika ho fantany, fa tiantsika hahafantatra tsara an’i Jehovah koa izy.

18. Inona no fitahiana miandry an’izay mahafantatra tsara an’i Jehovah?

18 Tombontsoa be ilay hoe mampianatra ny hafa hahafantatra tsara an’i Jehovah. Dieny izao mantsy dia efa mahatsiaro ho sambatra izay mahafantatra tsara azy sy manompo azy. (Sal. 25:12-15) Ary amin’ny hoavy, dia hiaina mandrakizay izay ‘mahalala [an’i Jehovah,] ilay tena Andriamanitra.’ (1 Jaona 5:20) Tsy izay ihany anefa ny fitahiana azony. Milaza ny Baiboly hoe “fantatr’Andriamanitra” izay miezaka hahafantatra azy sy tia azy. (1 Kor. 8:3) Tena mahita antsika ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, sady mandray antsika ho namany. Izany no fitahiana lehibe indrindra azontsika, noho isika mahafantatra tsara an’ilay tena Andriamanitra!

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Nahoana ny mpianatra Baiboly no mila mahafantatra tsara an’i Jehovah?

  • Ahoana no anampiantsika ny mpianatra Baiboly hahafantatra hoe hoatran’ny ahoana i Jehovah?

  • Ahoana no hanampiantsika ny mpianatra Baiboly hampiasa an’izay efa fantany momba an’i Jehovah?

HIRA 84 Vonona Aho!

a Izao no tanjona ao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!, lesona 05: “Miezaha hamaky Baiboly isan’andro, ka ampiasao ilay tabilao hoe ‘Vakio Isan’andro ny Baiboly.’”

b FANAZAVANA SARY: Sary tsy tena izy mampiseho an’ilay mpianatra Baibolin’i Marianne mandà an’ilay asa natolotra azy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara