FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Jolay p. 8-13
  • Afaka Mampionona Anao ny Bokin’i Isaia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Mampionona Anao ny Bokin’i Isaia
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • REHEFA MIOVA TAMPOKA NY FIAINANTSIKA
  • REHEFA MANAMELO-TENA BE ISIKA
  • REHEFA MATY NY OLONA AKAIKY ANTSIKA
  • “Manasitrana An’ireo Torotoro Fo” i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Tsy Irery Mihitsy Isika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Ekeo hoe Voafetra ny Zavatra Fantatrao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Matokia hoe Mamela Heloka i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Jolay p. 8-13

14-20 SEPTAMBRA 2026

HIRA 41 Mba Henoy ny Vavaka Ataoko

Afaka Mampionona Anao ny Bokin’i Isaia

“Izao no tenin’i Jehovah: ... ‘Hampionona anareo foana aho, hoatran’ny reny mampionona ny zanany lahy.’”​—ISAIA 66:12, 13.

HEVITRA HODINIHINA

Afaka mahazo fampiononana isika rehefa mamaky sy misaintsaina andinin-teny avy ao amin’ny bokin’i Isaia.

1-2. Inona no ataon’i Jehovah rehefa misy zavatra mampalahelo antsika?

ERITRERETO hoe mitomany be ny ankizy iray. Hifindra trano angamba izy mianakavy dia malahelo ny namany izy. Na malahelo be izy satria nisy zavatra tsy nety nataony. Inona no hataon’ny reny be fitiavana iray rehefa mitranga ny hoatr’izany? Hofihininy ilay zanany, dia hohenoiny ny fitarainany, ary homeny toky izy hoe tiany be.

2 Hoy ny Isaia 66:13: “Hampionona anareo foana aho, hoatran’ny reny mampionona ny zanany lahy.” Mampitaha ny tenany amin’ny reny be fitiavana mampionona ny zanany i Jehovah eo. Mbola tia antsika kokoa noho ny mamantsika anefa izy. (Isaia 49:15) Dia inona no ataony? Mampionona sy mampahery antsika izy ao amin’ny Teniny rehefa kivy isika na malahelo.​—Rom. 15:4.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Feno teny fampiononana avy amin’i Jehovah ao amin’ny bokin’i Isaia. (Isaia 40:1) Nasain’ilay Raintsika be fitiavana nosoratana io boky io mba hampiononana ny vahoakany, tamin’ny fotoana iray nanjombona teo amin’ny tantaran’i Joda. Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora atrehina” koa isika ka mila fampiononana. (2 Tim. 3:1) Andao isika handinika andinin-teny vitsivitsy avy ao amin’ny bokin’i Isaia. Afaka mampionona sy mampahery antsika izy ireo rehefa 1) miova tampoka ny fiainantsika, 2) manamelo-tena be isika, na 3) maty ny olona akaikin’ny fontsika.

REHEFA MIOVA TAMPOKA NY FIAINANTSIKA

4. Inona no mety ho vokany eo amintsika rehefa miova tampoka ny fiainantsika?

4 Mety hiova tampoka ny fiainantsika. (Mpito. 9:11; 1 Kor. 7:31) Mety harary tampoka, ohatra, isika, ho sahirana ara-bola, hiatrika korontana ara-politika, na hiova fanendrena. Mety hampitebiteby na hampiady saina izany. Ara-dalàna raha mahatsiaro ho tapi-dalan-kaleha isika. Nanompo tao amin’ny Betela nandritra ny 17 taona teo ho eo, ohatra, ny Rahalahy Joseph, dia avy eo voatendry ho eny amin’ny saha. Hoy izy: “Nahatsiaro ho very aho. Mafy be amiko ilay hoe hanomboka fiainana vaovao, satria efa ela be aho no tao amin’ny Betela. Tsy hitako izay natao.” Inona no toky omen’i Jehovah ao amin’ny bokin’i Isaia raha miova tampoka ny fiainantsika?

5. Inona no toky omen’i Jehovah antsika ao amin’ny Isaia 42:16? (Jereo koa ny sary.)

5 Vakio ny Isaia 42:16. Mampiasa ny teny hoe “jamba”, “lalana tsy mahazatra”, “haizina”, ary “tany mikitoantoana” i Isaia eo. Hoatran’ny olona jamba mandeha eo amin’ny lalana tsy mahazatra antsika isika, na hoatran’ny olona mandeha eo amin’ny haizina rehefa miova tampoka ny fiainantsika. Hoatr’izany no fahitantsika ny hoavy. Mampanantena anefa i Jehovah hoe hitarika antsika, sady hanova ny haizina ho mazava. Azo oharina amin’ny olona mandeha ao anaty ala mikitroka isika, ka tsy azontsika antoka hoe hoatran’ny ahoana ny lalana ao aloha ao. Manome toky anefa i Jehovah hoe n’inona n’inona iainantsika, dia hanome ny tari-dalana ilaintsika izy sady tsy handao antsika mihitsy. Tantanany isika hamakivaky ny haizina. Ataony mazava ny lalantsika sady ataony mitovy tantana mba ho mora andehanana. Ahoana no anaovany an’izany? Manome torohevitra tsara izy amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany. (Sal. 119:105; Isaia 30:21) Mampiasa ny mpiara-manompo sy ny olon-kafa koa izy mba hanampy antsika. Na dia manjavozavo aza ny lalana eo anoloantsika sady hoatran’ny hoe sarotra aleha, dia afaka matoky isika hoe hitarika antsika i Jehovah. Tiany mantsy isika sady azony tsara ny fihetseham-pontsika.​—Isaia 41:10; 1 Pet. 5:6, 7.

Sary: Mpivady mandray soa avy amin’ilay fampanantenana ao amin’ny Isaia 42:16 hoe: ‘Tsy handao anao aho, [rehefa mandeha] eny amin’ny lalana tsy mahazatra anao ianao.’ 1. Mangorona entana izy mivady. 2. Mandray an-dry zareo tsara ny fianakaviana iray ao amin’ilay fiangonan-dry zareo vaovao.

Na miova tampoka aza ny fiainanao, dia tsy handao anao mihitsy i Jehovah (Fehintsoratra 5)b


6. Inona no azontsika antoka raha miova tampoka ny fiainantsika?

6 Nahatsapa i Joseph, ilay voaresaka terỳ aloha, hoe tena nanohana azy mivady i Jehovah tamin-dry zareo niala tao amin’ny Betela. Hoy izy: “Hitanay mihitsy ny tanan’i Jehovah tamin’iny fiovana iny. Nampiasa rahalahy sy anabavy mahafinaritra izy hanampy anay. Nanome an’izay nilainay izy sady nampionona anay tamin’ny fotoana tena nilanay an’izany, ary mbola manao an’izany izy hatramin’izao.” Raha miova tampoka ny fiainanao dia matokia koa fa hanome ny hery sy ny tari-dalana ilainao izy, na dia mafy be tahaka ny inona aza no fahitanao an’ilay fiovana. (Isaia 54:10; 58:11) Hoy koa i Joseph: “Izao no ilazan’ilay hirantsika ao amin’ny Tele JW an’izany: ‘Raha ny havoakan’ny ampitso, mbola tsy hay! Fa Jehovah aloha ho eo, mandrakizay!’a Na tsy araka ny nieritreretantsika azy aza ny zava-mitranga, dia izao no azontsika antoka: Hiara-dalana amintsika eny foana i Jehovah.”

REHEFA MANAMELO-TENA BE ISIKA

7. Inona ny ady mafy atrehin’ny olona sasany noho ny fahadisoana nataony taloha?

7 Rehefa miaiky ny fahotana lehibe nataontsika isika, dia manampy antsika ny anti-panahy satria tia antsika ry zareo. (Ohab. 28:13; Jak. 5:14-16; 1 Jaona 1:9) Miezaka mafy isika avy eo mba tsy hamerina an’ilay izy intsony. Mety mbola hanamelo-tena be foana anefa isika na dia efa nahazo famindram-po aza. Mety hieritreritra isika hoe: ‘I Jehovah ve dia hamela ahy tamin’iny zavatra nataoko iny?’ (2 Kor. 2:7) Ara-dalàna izany fihetseham-po izany, satria mety hanavesatra antsika ny fahotana nataontsika ary mety hitamberina ao an-tsaintsika foana. Hoatr’izany no nahazo an’i Davida Mpanjaka. Nanoratra izy hoe: “Nanota aho ka tsy milamin-tsaina mihitsy. Reraka ny foko sady kivy tanteraka aho.” (Sal. 38:3, 8) Raha mahatsapa hoatr’izany ianao indraindray noho ny fahotana vitanao, dia afaka mampionona anao ny bokin’i Isaia.

8-9. Hoatran’ny ahoana ny famelan-kelok’i Jehovah, araka ny Isaia 1:18?

8 Vakio ny Isaia 1:18. Nampiasa sarin-teny mazava tsara i Jehovah mba hampisehoana hoe rehefa mamela ny fahotantsika izy dia tena mamela tanteraka. Milaza izy hoe na dia “mena midorehitra” aza ny fahotantsika, dia hataony “fotsy mangatsakatsaka.” Sarotra esorina ny tasy mena midorehitra. Manome toky antsika anefa i Jehovah hoe rehefa mamela antsika izy dia hoatran’ny hoe nokosehiny ny fahotantsika ka tsy misy dian’ilay izy intsony eny amintsika mandrakizay.

9 Diniho ny ohatr’i Davida Mpanjaka. Na dia meloka ho nijangajanga sy namono olona aza izy dia namela azy i Jehovah. Nilaza izy, tatỳ aoriana, hoe nanompo azy tamin’ny fony manontolo i Davida. (2 Sam. 11:3, 4, 14, 15; 12:13; 1 Mpanj. 9:4, 5) Ilay izy tsy nivadika no tadidin’i Jehovah fa tsy ilay izy nanota. Mamela antsika hoatr’izany koa i Jehovah rehefa mibebaka isika. Ampiany isika mba tsy hanamelo-tena intsony rehefa manohy manompo azy. Ahoana anefa raha mbola manamelo-tena foana isika? Inona koa ny fanomezan-toky hitantsika ao amin’ny bokin’i Isaia?

10. Inona no zavatra mampahery ampanantenain’i Jehovah ao amin’ny Isaia 38:17?

10 Vakio ny Isaia 38:17 sy ny fanamarihana ambany pejy. Ilay hoe “narianao any an-damosinao daholo ny fahotako” dia azo adika koa hoe “nesorinao mba tsy ho hitanao daholo ny fahotako.” Hoatran’ny hoe alain’i Jehovah ny fahotan’ny mpanota nibebaka, dia atsipiny any aorianany. Tsy mahita na mieritreritra momba an’iny intsony izy. Hoatr’izao no nandikan’ny boky iray an’io andininy io: “Nataonao hoatran’ny hoe tsy nisy mihitsy ny fahotako.” Rehefa mamela ny fahotantsika àry i Jehovah dia hoatran’ny hoe tsy nanota mihitsy no fahitany antsika. Tsy hanameloka antsika amin’izany intsony izy na hoe hanasazy antsika indray. Hoatran’ny hoe nofafany tanteraka tao an-tsainy ilay izy. Mampanantena izy hoe: “Tsy hotsaroako ny fahotanao.” (Isaia 43:25) Tena mampahery izany! Raha i Jehovah, ilay Mpitsara Fara Tampony, aza tsy manameloka antsika amin’ny fahotantsika intsony, dia isika indray ve no mbola hanamelo-tena amin’izany?

Aza avela hanimba ny fifalianao amin’izao mihitsy ny fahadisoanao taloha

11. Inona no ifantohan’i Jehovah n’inona n’inona nataontsika taloha? (Jereo koa ny sary.)

11 Tadidio foana ny toky nomen’i Jehovah, isaky ny manamelo-tena be ianao noho ny fahotana nataonao taloha. Mamela tanteraka izy. Tsy hoe mahatsiaro ho menatra izy noho ny fahadisoana nataontsika. Tsy hoatran’ny olona tsy lavorary izy ka hoe hitana lolompo. (Isaia 57:16) Tsy izay nataontsika taloha no zava-dehibe amin’i Jehovah, fa izay ataontsika amin’izao sy izay hataontsika amin’ny hoavy. (Isaia 55:7) Tena be fitiavana sy mamela heloka tokoa ilay Andriamanitra tompointsika! Aza avela hanimba ny fifalianao amin’izao mihitsy àry ny fahadisoanao taloha, ary aza avela hisakana anao tsy hahazo ny fitahiana amin’ny hoavy.

Sary: Rahalahy iray mandray soa avy amin’ilay fampanantenana ao amin’ny Isaia 38:17 hoe: “Narianao any an-damosinao daholo ny fahotako.” 1. Malahelo be ny rahalahy iray noho ny fahadisoana nataony. 2. Manatrika ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana izy, atỳ aoriana, ary faly erỳ mandray anjara amin’ilay izy.

Tsy ny fahadisoantsika taloha no tadidin’i Jehovah rehefa mieritreritra momba antsika izy (Fehintsoratra 11)c


REHEFA MATY NY OLONA AKAIKY ANTSIKA

12. Inona no mety ho tsapantsika rehefa maty ny olona akaiky antsika?

12 Rehefa maty ny olona akaiky antsika, dia mety ho tototry ny alahelo isika ary mety tsy hisinda vetivety izany. Mety ho lasa saina isika indraindray hoe maninona izy no navelan’i Jehovah ho faty. Maty tamin’ny hain-trano, ohatra, ny ray aman-drenin’i Michael. Hoy izy: “Nalahelo be aho. Tezitra tamin’i Jehovah mihitsy aza aho satria navelany ho faty i Dada sy Neny. Fantatro hoe tsy izy no nahatonga an-dry zareo ho faty, kanefa tsy nisakana an’izany koa izy.” Efa nahatsapa hoatr’izany angamba ianao. Inona no fampiononana sy fanantenana omen’i Jehovah amin’ny fotoana manjombona hoatr’ireny?

13. Inona no ampanantenain’i Jehovah ao amin’ny Isaia 25:8?

13 Vakio ny Isaia 25:8. Mampanantena i Jehovah hoe “hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana.” Saintsaino ange hoe tsy hisy fahafatesana intsony e! Tsy hidonam-pahoriana intsony ianao. (Isaia 35:10) Tsy hisy intsony ilay hoe marary ny fonao mahita an’ilay olona akaiky anao ampidirina ao am-pasana. Manantena kosa ianao fa hiaraka aminao eny foana ny olona akaiky anao sady ho salama tsara foana. Tsy nofinofy fotsiny izany fa fampanantenana avy amin’Andriamanitra, ary izy ihany no afaka manatanteraka an’izany.​—Apok. 21:4, 5.

14. Inona no tsapanao rehefa saintsaininao ilay fampanantenana hoe mbola hatsangana ny maty? (Isaia 26:19) (Jereo koa ny sary.)

14 Vakio ny Isaia 26:19 sy ny fanamarihana ambany pejy. Tsy hoe hanafoana ny fahafatesana fotsiny i Jehovah, fa hatsangany koa ireo olona akaiky antsika efa maty. Hoy izy: “Hitsangana ny fatiko.” Midika izany hoe an’i Jehovah ry zareo. Tsy hadinon’i Jehovah mihitsy ry zareo ka hatsangany amin’ny fotoana voatondrony. Hoatran’ny rano mamelona zavamaniry efa maina i Jehovah. Izy mantsy no Loharanon’aina ka hofohaziny avy ao amin’ny torimasom-pahafatesana ny olona akaiky antsika. Ho faly be isika rehefa hitsena an-dry zareo indray.​—Ampitahao amin’ny Marka 5:42.

Sary: Anabavy iray mandray soa avy amin’ilay fampanantenana ao amin’ny Isaia 26:19 hoe: “Ho velona ny olonao efa maty.” 1. Vehivavy iray mipetraka irery ao amin’ilay efitra nisy ny zanany vavy sady misy sary eny an-tanany. Maty io zanany io ary mbola malahelo azy izy. 2. Faly be mihitsy izy mamihina an’ilay zanany rehefa natsangana tamin’ny maty izy io.

Azo antoka hoe mbola hihaona indray amin’ireo havantsika efa maty isika (Fehintsoratra 14)


15. Nahoana no manampy antsika tsy halahelo be ilay fampanantenana hoe mbola hatsangana ny maty?

15 Tsy manafoana ny alahelontsika ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe hatsangany ny maty. Mampionona antsika anefa ny mahalala fa tsy manadino an’ireny olona akaiky antsika ireny i Jehovah. Nampionona an’i Michael, ilay voaresaka terỳ aloha, io fampanantenana io. Hoy izy: “Hitako avy amin’ilay resahin’ny Isaia 26:19 hoe sarobidy amin’i Jehovah i Dada sy Neny. Tsy hadinony mihitsy ry zareo mandra-pahatongan’ny fotoana voatondrony hananganana an-dry zareo. Nampionona sy nampahery ahy izany.” Enga anie isika hifantoka amin’ilay fotoana hihaonantsika indray amin’ireo olona akaiky antsika. Ho mora kokoa amintsika amin’izay ny hizaka ny alahelontsika.

16. Inona ny andinin-teny nampionona anao tamin’ianao niatrika ny mafy?

16 Nandinika andinin-teny vitsivitsy avy ao amin’i bokin’i Isaia isika tato. Afaka mampionona antsika izy ireny rehefa miova tampoka ny fiainantsika, na manamelo-tena be isika, na maty ny olona akaiky antsika. Tena mankasitraka an’i Jehovah isika noho izy mampionona sy mampitony antsika amin’ny alalan’ny Teniny. (Sal. 94:19) Misy andinin-teny tena mampionona anao ve rehefa miatrika ny mafy ianao? Ezaho tadidina ilay izy, na soraty ao amin’ny karine, na apetaho any amin’izay toerana talaky maso. Enga anie ka hampionona anao ny tenin’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra.

INONA NO HEVITRA MAMPIONONA HITANAO AO AMIN’NY...

  • Isaia 42:16?

  • Isaia 1:18; 38:17?

  • Isaia 25:8; 26:19?

HIRA 3 Ianao no Tokinay

a Nalaina avy amin’ilay hira ao amin’ny Tele JW hoe “Eo Ambany Elany Aho” io tononkira io.

b FANAZAVANA SARY: Miarahaba tonga soa an’ilay mpivady vao avy niala tao amin’ny Betela ny fiangonany vaovao.

c FANAZAVANA SARY: Tsy mieritreritra an’ilay fahadisoana nataony taloha intsony ny rahalahy iray, fa mankafy ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara