FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Jolay p. 2-7
  • Tahafo ny Gibeonita

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tahafo ny Gibeonita
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • MIEZAHA HANAM-PINOANA SY HANETRY TENA
  • MIANDRASA AN’I JEHOVAH REHEFA MISY TSY RARINY
  • AZA MIALA AMIN’NY FIVAVAHANA MARINA MIHITSY
  • Ireo Gibeonita Hendry
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Fianarana avy Amin’ny Tantaran’ny Gibeonita
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Josoa sy Ireo Gibeonita
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Gibeona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Jolay p. 2-7

7-13 SEPTAMBRA 2026

HIRA 88 Ampahafantaro Ahy ny Lalanao

Tahafo ny Gibeonita

“Nihavana tamin’ny Israely ny mponin’i Gibeona ka niara-nonina tamin’izy ireo.”​—JOS. 10:1.

HEVITRA HODINIHINA

Inona no ianarantsika avy amin’ny Gibeonita sy ny fomba nitondran’i Jehovah an-dry zareo?

1-2. Nahoana no tokony hahaliana antsika izay lazain’ny Baiboly momba ny Gibeonita?

TAONA 1473 T.K. tamin’izay. Vao nanomboka naka ny Tany Nampanantenaina ny firenen’Israely. Efa resin-dry zareo ny tanànan’i Jeriko sy Ay. Nisy zavatra tsy nampoizina nitranga anefa taorian’izay. Nisy olona maromaro tonga teo amin-dry zareo. Tonga avy lavitra, hono, ireo olona ireo fa mba te hihavana amin’ny vahoakan’Andriamanitra.

2 Ny Gibeonita ireo olona tonga ireo. Teo ny Baiboly no niresaka voalohany momba an-dry zareo, nefa tsy hoe teo no farany. Be dia be ny tantara ao amin’ny Baiboly mampiseho hoe nifandray akaiky tamin’ny Israelita ny Gibeonita nandritra ny taonjato maro taorian’izay. Andraisantsika lesona sarobidy ireny tantara ireny, sady ianarantsika zavatra betsaka momba an’i Jehovah Andriamanitra.

MIEZAHA HANAM-PINOANA SY HANETRY TENA

3. a) Iza moa ny Gibeonita? b) Nahoana ry zareo no te hihavana tamin’ny Israely?

3 Tanàna voaro mafy i Gibeona, ilay nipetrahan’ny Gibeonita, tamin’ny Israelita nanomboka naka ny tany Kanana. Anisan’ny foko hivita ny Gibeonita. Ny Hivita kosa iray amin’ireo firenena kananita fito “be mponina sady mahery noho” ny Israelita. (Deot. 7:1) Mpiady mahery àry ny Gibeonita. (Jos. 10:2) Tsy hoatran’ny Kananita hafa anefa ry zareo, satria nahatsapa hoe hoatran’ny atody miady amam-bato izy raha hiady amin’ny Israelita. Hitan-dry zareo hoe niady ho an’ny vahoakany i Jehovah. Fantatr’izy ireo koa fa efa nampanantena i Jehovah hoe handroaka ny Kananita hiala ao amin’ilay tany. (Eks. 34:11; Jos. 9:24) Rehefa avy nandresy an’i Jeriko sy Ay àry ny Israelita, dia nandefa solontenaa tany amin’i Josoa tany Gilgala ny Gibeonita mba hahafahany hihavana tamin-dry zareo.

4. a) Inona no tetika nampiasain’ny Gibeonita mba hahatonga ny Israelita hanao fifanekem-pihavanana tamin-dry zareo, araka ny Josoa 9:8-13? (Jereo koa ny sary.) b) Inona no nitranga rehefa hita hoe namitaka ry zareo?

4 Vakio ny Josoa 9:8-13. Mody nilaza hoe avy lavitra ny Gibeonita. Niaiky ry zareo hoe i Jehovah no nandringana ny tafika ejipsianina sy nanampy ny Israelita handresy an’i Sihona sy Oga, mpanjaka amorita. Fetsifetsy anefa ry zareo ka tsy niresaka momba an’i Jeriko sy Ay mihitsy, satria tsy azo inoana hoe ho tonga any amin’ilay nolazain-dry zareo fa ‘tany lavitra be’ sahady izany vaovao izany. Tsy nanontany an’i Jehovah akory ireo solontenan’ny Israelita. Tonga dia nino an’izay nolazain’ny Gibeonita ry zareo, ka nanaiky hanao fifanekem-pihavanana taminy. (Jos. 9:14, 15) Tsy ela taorian’izay dia fantatry ny Israelita hoe namitaka ny Gibeonita. Nanaja an’ilay fifanekem-pihavanana nataony tamin-dry zareo anefa ny Israelita, satria “efa nanao fianianana tamin’izy ireo tamin’ny anaran’i Jehovah.” (Jos. 9:16-19) Nasaina nanao asa noheverina ho ambany ny Gibeonita, ka lasa “mpaka kitay sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ho an’ny alitaran’i Jehovah.”​—Jos. 9:27.

Gibeonita maromaro mandohalika eo anoloan’i Josoa sy ny miaramila israelita hafa sady mitalaholaho amin-dry zareo. Asehony an-dry Josoa ireo akanjony efa tonta sy ireo siny hoditra efa tataka.

Namitaka an’i Josoa ny Gibeonita mba hihavanana tamin-dry zareo. (Fehintsoratra 4)


5. Ahoana avy no nampisehoan’ny Gibeonita hoe nino an’i Jehovah ry zareo?

5 Nisy mpanjaka amorita dimy naheno hoe lasa nihavana tamin’ny Israelita ny Gibeonita. Nivondrona àry ry zareo mba hanafika an’i Gibeona. Nila vonjy tamin’i Josoa ny Gibeonita. (Jos. 10:3-7) Namonjy an-dry zareo i Josoa sy ny Israelita, ary nanampy an-dry zareo i Jehovah. Nandatsahan’i Jehovah havandra vaventy mihitsy aza ny tafika amorita, ary nataony tsy nihetsika ny masoandro mandra-pandresin’ny Israelita an-dry zareo. (Jos. 10:9-14) Hita hoe tena nino an’i Jehovah ny Gibeonita, rehefa nanao fifanekem-pihavanana tamin’ny Israelita sady nila vonjy tamin’i Josoa tamin-dry zareo nisy nitady hanafika. Tena nino ry zareo hoe hamonjy azy i Jehovah, sady hanatanteraka ny fampanantenany tamin’ny Israely.

6. Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah rehefa jerena ny fomba nitondrany ny Gibeonita?

6 Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’io tantara io? Manetry tena i Jehovah sady mamindra fo. Efa nilaza tamin’ny Israely izy hoe: “Roahy eo anatrehanareo daholo ny mponina ao amin’ilay tany”, anisan’izany ny Gibeonita. (Nom. 33:51, 52) Namindra fo anefa izy dia tsy naringany ny Gibeonita, noho ilay fifanekem-pihavanana nataon’ny Israelita tamin-dry zareo. Nanao an’izany i Jehovah, na dia tsy nanontany azy aza ny Israelita talohan’ny nanaovan-dry zareo an’io fifanekena io. Nanampy ny Israelita hanaja an’ilay fifanekena nataon-dry zareo izy tatỳ aoriana, ka namonjy ny Gibeonita.​—Jos. 9:26; 11:19.

7. Nanam-pinoana sy nanetry tena ny Gibeonita. Ahoana no hanahafantsika an-dry zareo? (Jereo koa ny sary.)

7 Ahoana no hanahafantsika ny Gibeonita? Mila manatanjaka ny finoantsika an’i Jehovah isika. Be dia be ny zavatra fantatsika momba an’i Jehovah, raha oharina amin’ny an’ny Gibeonita tamin’izany. Vao mainka àry isika tokony hatoky tanteraka an’i Jehovah. (Sal. 40:4, 5) Manahaka ny Gibeonita koa isika, raha vonona hanao asa heverina ho ambany rehefa manompo an’i Jehovah. (Jos. 9:23, 27) Nilaza ny rahalahy tanora iray atao hoe Luke fa tsy hadinony mihitsy ny zavatra nataon’ny Betelita iray. Tena nanetry tena io rahalahy be taona io, na dia nanana andraikitra lehibe aza. Nisy Efitrano Fanjakana naorina teo an-toerana, dia nisy fotoana io rahalahy io nanolo-tena hiambina an’ilay izy nandritra ny alina. Hoy i Luke: “Nianarako avy amin’izany fa tsy fihetseham-po fotsiny ilay hoe manetry tena. Hita amin’ny zavatra ataontsika na tsy ataontsika koa izy io.” Enga anie isika isan’andro hampiseho hoe mino an’i Jehovah, ka hiantehitra aminy rehefa miatrika zava-tsarotra ary hanetry tena ka hanao an’izay anendrena antsika.

Sary: Olona vonona hanao asa heverina ho ambany. 1. Lehilahy gibeonita iray mitondra siny fantsakana rano. 2. Rahalahy zokiolona manao zaridaina ao amin’ny Efitrano Fanjakana.

Vonona hanao asa heverina ho ambany hoatran’ny nataon’ny Gibeonita ve ianao? (Fehintsoratra 7)


MIANDRASA AN’I JEHOVAH REHEFA MISY TSY RARINY

8. Inona ny tsy rariny nataon’i Saoly Mpanjaka tamin’ny Gibeonita?

8 An-jatony taona tatỳ aoriana indray vao miresaka momba ny Gibeonita ny Baiboly. Nankahala an’ireo Gibeonita nipetraka tany Israely i Saoly Mpanjaka tamin’izany. Nitady handripaka azy ireo izy, “noho izy nafana fo loatra nanampy ny vahoakan’Israely sy Joda.”b Betsaka àry ny Gibeonita novonoiny. (2 Sam. 21:2, 5, 6) Tena tsy rariny izany! Nataon’i Saoly tsinontsinona ilay fifanekem-pihavanana efa nisy hatry ny ela teo amin’ny Israely sy ny Gibeonita.

9. Oviana vao nalamina ilay tsy rariny nihatra tamin’ny Gibeonita?

9 Tsy tonga dia nalamin’i Jehovah ilay tsy rariny nihatra tamin’ny Gibeonita. Rehefa lasa mpanjaka i Davida, ilay nandimby an’i Saoly, izay i Jehovah vao nanao zavatra. Nataony nisy mosary tany Israely nandritra ny telo taona. Rehefa nanontany an’i Jehovah i Davida hoe inona no nahatonga an’izany, dia namaly izy hoe meloka ho nandatsa-dra i Saoly sy ny ankohonany, satria be dia be ny Gibeonita novonoin-dry zareo taona maro talohan’izay.​—2 Sam. 21:1.

10. Ahoana no ahitana hoe nanaja ny Lalàn’Andriamanitra ny Gibeonita? (2 Samoela 21:3-6)

10 Vakio ny 2 Samoela 21:3-6. Nanontany an’ireo Gibeonita i Davida hoe ahoana no handrakofana ny fahotan’i Saoly. Tsy nangataka vola be tamin’i Davida ry zareo. Nilaza ny Gibeonita hoe “tsy volafotsy na volamena” no notakin-dry zareo, satria raha araka ny Lalàna, dia tsy azo natao ny nandray vidim-panavotana hamonjena ny ain’ny mpamono olona. (Nom. 35:30, 31) Fantatr’izy ireo koa hoe tsy nanan-jo hamono olona ry zareo raha tsy nahazo alalana. Navelan’i Davida hovonoina àry ny lehilahy fito tamin’ny taranak’i Saoly, izay nety ho nanampy an’i Saoly hamono an’ireo Gibeonita. Nilatsaka ny orana tatỳ aoriana, ka tsy nisy mosary intsony. Izany no nampiseho hoe efa nalamin’i Jehovah ilay tsy rariny.​—2 Sam. 21:9, 10, 14.

11. Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’io tantara io?

11 Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’io tantara io? Hitantsika avy amin’io hoe Andriamanitra manao ny rariny i Jehovah. (Sal. 37:28) Tsy tiany hisy olona iharan’ny tsy rariny mihitsy. Tafiditra amin’izany ireo misy manavakavaka satria hoe vahiny na tsy mitovy amin’ny ankamaroan’ny olona. Handamina ny tsy rariny mahazo ny mpanompony i Jehovah amin’ny fotoana mety aminy. Nanantena i Jehovah hoe hanaja ny fifanekem-pihavanana nataon-dry zareo tamin’ny Gibeonita ny Israelita. Manantena koa izy hoe hanaja ny voady nataontsika isika.​—Ampitahao amin’ny Amosa 1:9.

12. Ahoana no hanahafantsika ny Gibeonita rehefa miatrika ny tsy rariny isika?

12 Ahoana no hanahafantsika ny Gibeonita? Na dia manao ny tsy rariny amintsika aza ny rahalahy sy anabavintsika, dia afaka ny hanam-paharetana sy hiandry an’i Jehovah isika. Asehontsika amin’izany fa matoky isika hoe halamin’i Jehovah amin’ny fotoana mety aminy ilay olana. Diniho ny tantaran’ny Ranabavy Laura French. Nanomboka nanompo tao amin’ny Betelan’i Kanada izy tamin’ny 1926. Niharan’ny tsy rariny anefa izy, folo taona teo ho eo taorian’izay. Nisy nanendrikendrika izy hoe anisan’ny antokona mpivadi-pinoana, dia nasaina niala tao amin’ny Betela. Dia ahoana no nataony? Na dia nalahelo be aza izy, dia tsy nitaraina mihitsy. Mbola nafana fo nanao mpisava lalana izy, nandritra ny efa-taona taorian’izay. Gaga be izy sady faly, rehefa nasaina niverina tao amin’ny Betela tamin’ny 1940. Nanompo tao foana izy nandritra ny 50 taona teo ho eo taorian’izay, sady tsy nivadika mandra-pahavitan’ny fanompoany tetỳ an-tany. Afaka manahaka an’ny Ranabavy French isika rehefa iharan’ny tsy rariny. Manao ny tsara foana isika sady miandry an’i Jehovah handamina an’ilay olana amin’ny fotoana mety aminy.​—Isaia 26:3, 4.

AZA MIALA AMIN’NY FIVAVAHANA MARINA MIHITSY

13. Iza ny “Netinima”, ary inona no nataon-dry zareo taorian’ilay sesitany tany Babylona?

13 Miresaka momba ny Gibeonita indray ny Baiboly, 500 taona teo ho eo taorian’ny andron’i Davida Mpanjaka. Efa tapitra ilay 70 taona nanaovana sesitany ny Jiosy tany Babylona tamin’izay. Niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Zerobabela Governora ny andiany voalohany tamin-dry zareo, tamin’ny 537 T.K. (Ezra 2:1, 2, 58) Nisy andiany manaraka indray niverina niaraka tamin’i Ezra mpanao dika soratra, tamin’ny 468 T.K. (Ezra 7:1-7) Azo lazaina hoe vitsy ihany ny tao amin’ireo andiany anankiroa ireo, nefa samy nisy fianakaviana ‘netinima.’ (Jereo ny Ezra 2:58 sy 7:7, fanamarihana ambany pejy.) Fa iza moa ny Netinima? “Olona tsy israelita nanompo tao amin’ny tempoly” ry zareo, ary azo inoana hoe taranaky ny Gibeonita ny ankamaroany.​—Jereo ny Fanazavana Teny, “Netinima.”

14. Ahoana no nampisehoan’ny Gibeonita hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah ry zareo? (1 Tantara 9:2 sy ny fanamarihana ambany pejy)

14 Vakio ny 1 Tantara 9:2 sy ny fanamarihana ambany pejy. Anisan’ireo voalohany niverina tany Israely “ny mpanompo tao amin’ny tempoly.” Niavaka izany satria tsy ny Jiosy rehetra natao sesitany no niverina. Azo antoka fa betsaka tamin’ny Jiosy no lasa nanan-karena tany Babylona. Tsy vonona hamoy ny fananany ry zareo mba hiverenana tany Jerosalema sy hanorenana indray an’ilay tanàna rava. Ahoana kosa ny amin’ireo Jiosy nanam-pinoana sy ireo anisan’ny taranaky ny Gibeonita? Tsy andrin-dry zareo ny hahita hoe averina amin’ny laoniny indray ny fivavahana marina tao amin’ny tempoly tany Jerosalema, dia nanao izay azony natao ry zareo mba hiverenana tany. Tsy nitovy tamin’ny Jiosy ny taranaky ny Gibeonita, satria tsy nanana lova tao amin’ny tanin’ny Israely ry zareo. Niverina tany anefa ry zareo mba hanao ny andraikiny tao amin’ny tempoly. Nanampy tamin’ny fanamboarana ny mandan’i Jerosalema mihitsy aza ry zareo.​—Neh. 3:26.

15. Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’ny tantaran’ny Gibeonita?

15 Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’io tantara io? Hita hoe tena mankasitraka ny mpanompony tsy mivadika ilay Andriamanitsika, sady mikarakara an-dry zareo foana. Namonjy ny Gibeonita izy, tamin’ny Israelita naka ny Tany Nampanantenaina. Efa ho 1 000 taona talohan’ny namaranana an’ilay sesitany tany Babylona izany no nitranga. Mbola nitahy an-dry zareo foana anefa izy. Tafavoaka velona tamin’ny fandravana an’i Joda sy Jerosalema tamin’ny 607 T.K. ny taranaky ny Gibeonita. Taorian’ilay sesitany, dia nanohana ny fivavahana marina foana ry zareo, ka nanompo niaraka tamin’ny Levita tao amin’ny tempoly. Toa nipetraka teny akaikin’ny tempoly ny sasany tamin-dry zareo. (Ezra 2:70; Neh. 11:21) Tsy notakina hetra, na haba, na hetran-dalana koa ry zareo noho ny fanompoana nataony.​—Ezra 7:24.

16. Ahoana no hanahafantsika ny Gibeonita eo amin’ny fanompoana ataontsika?

16 Ahoana no hanahafantsika ny Gibeonita? Te hanao an’izay rehetra azontsika atao koa isika, mba hanohanana ny fivavahana marina. Vonona hanao sorona isika mba hanompoana an’i Jehovah, satria tiantsika izy ary te hampifaly azy isika. Hoatr’izany mihitsy i Alwin, rahalahy iray any Philippines. Niasa tao amin’ny orinasa iray mpamokatra solika izy, ary tsara karama. Mbola te hampitombo ny fanompoany anefa izy. Isaky ny mitsidika ny mpiandraikitra ny faritra, dia maka andro tsy iasana izy mba hanohanana an’ilay fandaharana sy hanompoana bebe kokoa. Rehefa avy nivavaka imbetsaka i Alwin, dia nanapa-kevitra izy tatỳ aoriana hoe hiala tamin’ilay asany, dia hitady asa ahafahany manao mpisava lalana maharitra. Fantany hoe hihena ny fidiram-bolany, fa tratrany anefa ny tanjony. Nanao mpisava lalana koa ny vadiny, dia olona 21 izao no nampian’izy mivady hahalala ny fahamarinana. Azo antoka hoe faly be i Jehovah mahita ny ezaka nataon-dry zareo. Afaka matoky koa isika hoe mankasitraka ny sorona ataontsika amin’ny fanompoana azy i Jehovah, ary hanome an’izay ilaintsika foana izy.​—Mat. 6:33.

17. Inona no nianarantsika avy amin’ny tantaran’ny Gibeonita?

17 Nampianatra antsika ny toetra tsaran’i Jehovah ny tantaran’ny Gibeonita. Manetry tena izy, mamindra fo, tia rariny, ary tsy mivadika. Omeny valisoa foana ny mpanompony tsy mivadika. Misy lesona be dia be azontsika ampiharina koa avy amin’ireo tantara ao amin’ny Baiboly ireo. Te hanana finoana matanjaka hoatran’ny Gibeonita isika, ka hiantehitra amin’i Jehovah rehefa misy olana goavana. Izany finoana izany koa no mahatonga antsika hanetry tena, ka hanao an’izay asa anendrena antsika. Tokony hanam-paharetana sy hiandry an’i Jehovah koa isika sady hatoky hoe hanala ny tsy rariny rehetra izy amin’ny hoavy. Manohana ny fivavahana marina isika sady mafana fo sy tsy mivadika. Asehontsika amin’izany hoe nandray lesona sarobidy avy amin’ny Gibeonita isika.

INONA NO IANARANTSIKA AVY AMIN’NY GIBEONITA MOMBA NY HOE...

  • mampiseho finoana sy manetry tena?

  • miatrika ny tsy rariny?

  • manohana ny fivavahana marina foana?

HIRA 148 Jehovah no Mpanafaka Antsika

a Azo inoana hoe nisy olona avy amin’ireo tanàna hivita telo hafa koa tamin’ireo solontena nirahin’ny Gibeonita. Tsy iza izany fa ny tanànan’i Kefira sy Berota ary Kiriata-jearima.​—Jos. 9:17.

b Tsy tena resahin’ny Baiboly hoe inona no nahatonga an’i Saoly hanao an’izany habibiana izany. Nisy manam-pahaizana nilaza fa tia tanindrazana loatra izy, ka tsy tiany hisy vahiny hipetraka tany Israely.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara