17-23 AOGOSITRA 2026
HIRA 90 Andao Isika Hifampahery
Inona no Hanampy Antsika ho Mpinamana Foana?
“Mitafia … fitiavana lalina sy fangorahana, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary faharetana.”—KOL. 3:12.
HEVITRA HODINIHINA
Inona avy ny olana mety hahatonga antsika tsy hinamana amin’ny mpiara-manompo, ary ahoana no hiatrehana an’izany?
1. Aiza no ahitana ny tena namana?
‘TSAPANAO ve? Andro farany izao. Tsy mora intsony ny miaina. Indrindra rehefa kivy ianao, dia namana no ilaina.’ Miaiky an’izany ve ianao? Io no fampidirana an’ilay hira ao amin’ny Tele JW hoe “Namako Ianao.” Tena fitahiana ilay hoe manana namana akaikin’ny fonao sady mpiara-manompo. (Sal. 119:63) Hoatran’ny fianakaviana iray ihany mantsy isika vahoakan’i Jehovah sady mifankatia.
2. Tokony ho mpinamana hoatran’ny ahoana isika sy ny mpiara-manompo?
2 Tsy hoe mpinamanamana fotsiny akory isika sy ny mpiara-manompo, fa mpinamana akaiky sady tsy mivadika. Fianakaviana iray tia an’i Jehovah sy Jesosy isika, dia izay fitiavana izay no mampifandray akaiky antsika. (Jaona 13:35) Tsy tongatonga ho azy anefa izany fa mitaky ezaka. Hoatran’ny mpinamana tsy lavorary rehetra koa isika ka miatrika olana indraindray.
3. Nahoana no mety ho sarotra ilay hoe ho mpinamana foana?
3 Mazava ho azy aloha hoe misy mpiara-manompo mifandray akaiky kokoa amintsika noho ny hafa. Nahoana? Mitovy angamba ny zavatra tiantsika, na mifanaraka tsara ny toetrantsika. Mety ho sarotra amintsika anefa ny hoe minamana foana amin’ny rahalahy sy anabavy hafa. Tsy mitovy hevitra angamba isika indraindray, dia mety tsy hifandray akaiky intsony. Mety hoe tsy mitovy toetra koa isika sy ny mpiara-manompo iray, dia mety tsy ho azoazontsika na dia ny mifandray aminy aza. Mety ho izany koa no hitranga rehefa misy mpiara-manompo marary na kivy. Soa fa nanome modely ho antsika i Jesosy. Hanampy antsika izany mba hinamana foana amin’ny mpiara-manompo rehefa mitranga ny olana. Izay no hojerentsika ato, fa alohan’izay dia andao horesahintsika hoe inona ny toetra tsara hanampy ny Kristianina ho mpinamana foana.
TOETRA TSARA HANAMPY ANTSIKA HO MPINAMANA FOANA
4. Inona no hanampy antsika ho lasa mpinamana be?
4 Mila mijery ny toetra tsaran’ny hafa isika, raha tiantsika ny ho mpinamana be amin-dry zareo. Ho hitantsika ny toetra tsarany rehefa manao zavatra miaraka aminy isika. Naniry hiaraka tamin’ireo rahalahy sy anabaviny tany Tesalonika ny apostoly Paoly. Izao no nosoratany ho an-dry zareo: “Niezaka faran’izay mafy izahay mba hifankahita aminareo.” (1 Tes. 2:17) Be dia be ny mpiara-manompo mahatsapa hoe vao mainka mifandray akaiky kokoa ny mpinamana rehefa mifampiresaka mivantana. Afaka manao an’izany isika rehefa miara-manompo sy rehefa mamonjy fivoriana sy fivoriambe. Na miezaka mifandray hoatr’izany aza anefa isika, dia misy ihany ny olana mety hanimba fihavanana.
5. Inona no hanampy antsika ho mpinamana foana na misy olana aza? Hazavao amin’ny ohatra. (Kolosianina 3:12)
5 Na eo aza ny olana, dia hanampy antsika ho mpinamana foana ny toetra tsara. (Vakio ny Kolosianina 3:12.) Anisan’izany ‘ny fanetren-tena, ny faharetana, ny hatsaram-panahy, ary ny fangorahana.’ Handeha tsara foana, ohatra, ny maoteran’ny fiara iray rehefa asiana menaka. Tsy dia hanana olana amin’ny hafa koa isika raha manana toetra tsara. Andao isika handinika olana telo mety hahatonga antsika tsy hinamana amin’ny mpiara-manompo. Hojerentsika koa hoe hahavita hiatrika an’izany olana izany isika raha manahaka an’i Jesosy, ka miezaka hanetry tena, hanam-paharetana, ho tsara fanahy ary hangoraka.
REHEFA MISY HEVITRA TSY MITOVY
6. Nahoana no mety hahatonga antsika tsy ho mpinamana intsony ny hevitra tsy mitovy?
6 Nahoana izany no olana? Rehefa misy hevitra tsy mitovy, dia mety hieritreritra ny tsirairay hoe ny heviny no tena tsara. Eritrereto hoe misy rahalahy anankiroa miresaka ny fomba hitoriana ao amin’ny faritanin’ny andia-mpitorin-dry zareo. Tsy mitovy hevitra ry zareo nefa samy mieritreritra hoe ny heviny no tsara indrindra. Mety hanimba ny fifandraisan-dry zareo ve izany? Ie, raha samy be hambom-po ry zareo. Raha tsy alamina ilay olana, dia mety hiteraka lolompo. Dia avy eo ry zareo mifampihatakataka, ary mety tsy ho mpinamana intsony amin’ny farany. Zavatra kely tsy misy dikany anefa no nahatonga an’izany.
7. Tena ilaina ve ny manetry tena rehefa tsy mitovy hevitra? Inona no nampianarin’i Jesosy?
7 Miezaha hanetry tena hoatran’i Jesosy. Nampianariny ny mpianany hoe tena ilaina ny fanetren-tena rehefa tsy mitovy hevitra. Imbetsaka ny mpianany no niady hevitra hoe iza amin-dry zareo no lehibe indrindra. Efa lalim-paka tao amin-dry zareo izany toe-tsaina izany. Nohazavain’i Jesosy àry hoe mila mihevitra ny hafa ho ambony noho ny tenany ry zareo. (Mat. 20:25-28) Tena nampianatra an-dry zareo hanetry tena izy. Na tamin’ilay alina talohan’ny hahafatesany aza, dia mbola ‘nanome modely’ ho an-dry zareo i Jesosy. Nanao ny asan’ny mpanompo izy, dia nanasa ny tongotr’izy ireo. (Jaona 13:3-5, 12-16) Nasehony tamin’izany hoe ahoana no atao raha te ho mpinamana foana. Rehefa mihevitra ny hafa ho ambony noho ny tenany mantsy ry zareo, dia hahavita handefitra rehefa misy tsy fifanarahana. Ho mora kokoa amin-dry zareo ny ho mpinamana foana amin’izay na dia tsy mitovy hevitra aza.
8. Nahoana no manampy anareo ho mpinamana foana ny fanetren-tena rehefa tsy mitovy hevitra ianareo? (Kolosianina 3:13) (Jereo koa ny sary.)
8 Inona no hanampy anareo ho mpinamana be foana? Raha manetry tena ianao, dia hahavita tsy hifantoka amin-javatra madinidinika tsy mampitovy hevitra ary hamela heloka tanteraka. (Vakio ny Kolosianina 3:13.) Tsy ho mora tezitra koa ianao rehefa manana an’io toetra io, ka hifandray tsara amin’ny hafa foana. (Sal. 4:4) Na nisy nilaza zavatra nankarary ny fonao aza, dia tadidio hoe mety hilaza zavatra hanenenantsika daholo isika. (Mpito. 7:21, 22) Eritrereto izao: ‘Ny hevitro ve no tena zava-dehibe sa ny fifandraisanay?’ Mety ho azonao atao ny mandefitra dia manaiky ny hevitr’ilay iray. Hilamin-tsaina ianao raha tsy mieritreritra an’ilay izy intsony, ary tsy miresaka momba an’ilay izy intsony koa any aoriana any.
Tsy hifantoka amin’izay zavatra kely tsy mampitovy hevitra isika raha manetry tena sady hahavita hamela heloka tanteraka (Fehintsoratra 8)a
9. Nahoana no manampy anao ny fanetren-tena rehefa tsy voavaha vetivety ilay olana? (Ohabolana 17:9)
9 Hanampy antsika koa ny fanetren-tena raha tsy voavaha vetivety ilay olana. (Vakio ny Ohabolana 17:9; 1 Kor. 6:7) Aza miady hevitra mba hanamarinana hoe ny hevitrao no tsara. Izay hahatonga anareo ho mpinamana foana kosa no ataovy tanjona. Maninona raha manatona an’ilay olona mba handaminana an’ilay olana? Betsaka mantsy no nahomby rehefa nanao an’izany. (Sal. 34:14) Afaka milaza ianao hoe: ‘Isika anie efa elaela no mpinamana e! Andao hifampiresaka, dia halamintsika ilay olana.’ Ekeo hoe nisy fahadisoanao ilay izy, dia nandratra azy ny zavatra nataonao na nolazainao. Mahaiza miala tsiny. Raha miala tsiny koa izy, dia miezaha hanetry tena ary mamelà azy. (Lioka 17:3, 4) Tadidio hoe tsy ny hamantatra hoe iza no marina na iza no diso no tanjonao, fa ny handamina an’ilay olana mba ho mpinamana be foana ianareo.—Ohab. 18:24.
REHEFA TSY MITOVY NY TOETRA
10. Nahoana no mety ho sarotra ilay hoe ho mpinamana foana?
10 Nahoana izany no olana? Mety ho sarotra amintsika ny hinamana be amin’ny mpiara-manompo tsy mitovy toetra amintsika. Mety hahasosotra antsika ny toetran’ny olona sasany. Tsy dia mahay mifandray aman’olona kosa ny hafa satria nisy nampijaly tamin’ny mbola kely, na mety ho efa kolontsainy mihitsy ilay hoe mimpirimpirina, na be resaka be. Na mety hoe mifanohitra fotsiny ny toetrantsika. Isika mety hoe tia mifandray aman’olona fa izy kosa saro-kenatra, na ny mifanohitra amin’izay.
11. Nahoana i Jesosy no nahavita ninamana foana tamin’ny olona tsy nitovy toetra taminy?
11 Miezaha hanam-paharetana hoatran’i Jesosy. Nahavita ninamana foana tamin’ny olona tsy nitovy toetra taminy izy. Hita, ohatra, hoe te hisongadina ny apostoly Jaona sy Jakoba satria nangataka toerana ambony tao amin’ilay Fanjakana. (Mar. 10:35-37) I Jesosy anefa nanetry tena, ka nandao an’ilay toerana ambony sy voninahitra nananany tany an-danitra dia nanketỳ an-tany. (Fil. 2:5-8) Tsy nitovy mihitsy ny toetran-dry zareo. Nanam-paharetana tamin’i Jakoba sy Jaona ary ny apostoly hafa anefa i Jesosy.
12. Inona no nanampy an’i Jesosy hanam-paharetana tamin’ny namany?
12 Tsy nitaky be loatra tamin’ny namany i Jesosy. Fantany hoe tsy i Jakoba sy Jaona irery no te hisongadina, fa na ny mpianatra hafa koa aza. (Mar. 9:34) Hoatr’izany foana ny olona nifanerasera tamin’i Jesosy hatramin’izy mbola kely. Nampirisika ny olona ho tia toerana ambony sy fahefana ny mpitondra fivavahana tamin’izany, dia azon’i Jesosy tsara hoe maninona ny mpianany no hoatr’izany. Nanam-paharetana tamin-dry zareo anefa izy. Efa izay foana no namolavolana an-dry zareo nandritra ny taona maro, dia tsy nanantena i Jesosy hoe ho afaka vetivety amin’izany toe-tsaina izany ry zareo.—Mar. 10:42-45.
13. Nahoana no hanampy antsika ho mpinamana foana ny faharetana? (Efesianina 4:2)
13 Inona no hanampy anareo ho mpinamana be foana? Miezaha hanam-paharetana, ka aza atao ho olana be ny toetran’ny hafa mampahatezitra anao. (Ohab. 14:29) Samy manana ny toetrantsika isika, ary tsy hoe fahalemena ny ankamaroan’ireny toetra ireny fa efa maha izy antsika fotsiny. Tena faly isika rehefa miezaka hahatakatra an’izany ny hafa. (Vakio ny Efesianina 4:2.) Tokony hanao hoatr’izay amin’ny hafa koa isika, ka hanaiky hoe izay no maha izy an-dry zareo. Raha tsy be teny sy saro-kenatra, ohatra, ny olona iray, dia saintsaino hoe miezaka be izao izy mba hifandray amin’ny hafa sy hiresaka amin-dry zareo. Mila manam-paharetana aminy àry ianao. Mila maneho an’io toetra io koa ianao amin’ny olona be resaka sy tia mifandray amin’ny hafa. Tsy hoe ho namantsika akaiky daholo akory ny olona rehetra. Tadidio anefa hoe afaka miara-miasa tsara foana na ny Kristianina tsy mitovy toetra aza.
14. Lasa mifantoka amin’ny inona isika rehefa manam-paharetana?
14 Raha manam-paharetana isika, dia hahavita hifantoka amin’ny toetra tsaran’ny mpiara-manompo. Tsy hisakana antsika tsy ho mpinamana amin’izay ny toetra tsy mitovy. Tia tena, ohatra, i Jakoba sy Jaona dia nitady toerana ambony. Hita avy amin’ilay fangatahan’izy roa lahy anefa hoe tena nino an’ilay Fanjakana ry zareo. Faly i Jesosy rehefa nahita an’izany finoany izany. Raha miezaka mamantatra ny toetra tsaran’ny namantsika isika dia ho hita hoe miezaka manahaka ny toetran’i Jesosy sy Jehovah Rainy.
15. Iza no afaka manampy antsika hinamana amin’ny olona tsy mitovy toetra amintsika?
15 Mivavaha amin’i Jehovah fa izany no tena zava-dehibe. Iangavio izy mba hanampy anao hinamana foana amin’ny olona tsy mitovy toetra aminao. Eritrereto mialoha izay toe-javatra mety hampisy olana, ary mivavaha mba ho tony foana. Tadidio hoe i Jehovah no Mpamorona antsika, ary fantany hoe samy manana ny maha izy azy isika tsirairay. Rehefa mivavaka àry ianao, dia matokia hoe fantatr’i Jehovah izay ilainao mba hahavitanao hiaritra foana. Rehefa hitanao koa hoe mitady tsy hanam-paharetana ianao, dia angataho ny fanahin’i Jehovah mba hanampy anao tsy ho tezitra.—Lioka 11:13; Gal. 5:22, 23.
REHEFA MARARY NY MPIARA-MANOMPO AMINTSIKA
16. Inona ny olana mety hatrehintsika rehefa marary ny rahalahintsika na ny anabavintsika?
16 Nahoana izany no mety ho olana? Raha marary ny mpiara-manompo amintsika, na manana olana ara-pihetseham-po, dia mety hilaza na hanao zavatra mampahatezitra antsika izy. Mety hihatakataka amintsika, ohatra, izy na ho kizitina, na tsy ampoimpoizintsika mihitsy ny zavatra ataony. Angamba izy milaza na manao zavatra mankarary ny fontsika. (Joba 6:2, 3) Tsy haintsika ny olana atrehin’ireny rahalahy sy anabavintsika ireny, dia mety hanantena isika hoe hety be foana izay ataony, nefa tsy ho vitany izany noho ny zavatra manjo azy.
17. Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba nitondran’i Jesosy an’i Bartimeo?
17 Miezaha ho tsara fanahy sy hangoraka hoatran’i Jesosy. Nasehon’i Jesosy hoe tsara fanahy sy nangoraka an’ireo olona nijaly izy, na dia ireo olona sambany vao hitany aza. Diniho, ohatra, ny fomba nitondrany an’ilay lehilahy jamba atao hoe Bartimeo. Rehefa henon’i Bartimeo hoe nandalo i Jesosy, dia niantsoantso mafy izy mba ho hitany. Nasain’ny olona nangina anefa izy. Na izany aza, dia vao mainka izy niantsoantso mafy satria tena te hositranin’i Jesosy. Tezitra tamin’ilay zavatra nataony ve ny olona? Angamba. I Jesosy kosa “nangoraka” azy. (Mat. 20:34; Mar. 10:46-52) Tsara fanahy izy rehefa niresaka tamin’i Bartimeo, ary nidera azy noho ny finoany. Nanao fahagagana àry i Jesosy, dia nataony lasa nahita indray izy.
18. Ahoana no tokony hitondrantsika an’ireo namantsika marary? (1 Tesalonianina 5:14)
18 Inona no hanampy anareo ho mpinamana be foana? Miezaha ho tsara fanahy sy hangoraka. Raha manana an’ireo toetra ireo ianao, dia hahavita “hampahery” an’ireo mpiara-manompo marary na manana olana ara-pihetseham-po. (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:14.) Tadidio hoe vonon-kanampy ny tena namana, indrindra rehefa ao anatin’ny “fotoan-tsarotra.” (Ohab. 17:17) Tsy hoe malahelo an’ireny olona ireny fotsiny ny namana hoatr’izany, fa manao izay rehetra azony atao koa izy mba hanampiana sy hampaherezana azy.
19. Ahoana no ampisehoantsika hoe tsara fanahy sy mahay mangoraka isika? (Jereo koa ny sary.)
19 Ahoana, ohatra, no azonao ampisehoana hoe tsara fanahy sy mangoraka ianao? Mazava ho azy hoe tsy ho afaka ny hanasitrana an’ilay mpiara-manompo ianao. Afaka miezaka hahatakatra ny mahazo azy anefa ianao. (Mat. 7:12; 1 Pet. 3:8) Henoy tsara izy rehefa mitantara ny zavatra iainany. Manaova teny mampahery raha azo atao. (Ohab. 12:25) Mitandrema mba tsy hitsaratsara azy. (Ohab. 18:13) Miezaha koa hanam-paharetana ary aza mitaky be loatra aminy.—Efes. 4:32.
Mampionona ny hafa ny tena namana ka mangoraka azy sy tsara fanahy aminy (Fehintsoratra 19)
20. Tianao raha namana hoatran’ny ahoana ianao?
20 Sarobidy amintsika ilay hoe minamana amin’ireo rahalahy sy anabavintsika. Tsy lavorary anefa isika, dia mety hanao zavatra tsy amim-piheverana indraindray. Misy vokany amin’ny ankamaroantsika koa ny zavatra ratsy niainantsika. Tena faly anefa isika rehefa misy Kristianina manao izay hahatonga antsika ho mpinamana foana, ka miezaka ny hanetry tena, hanam-paharetana, ho tsara fanahy, ary hangoraka. Enga anie isika mba ho namana hoatr’izany.
HIRA 124 Aza Mivadika Mihitsy!
a FANAZAVANA SARY: Rahalahy tanora sy rahalahy zokiolona miresaka ny fomba hitoriana amin’ny faritany iray ary tsy mitovy hevitra ry zareo. Miara-manompo ry zareo atỳ aoriana, ary mifanaraka tsara.