10-16 AOGOSITRA 2026
HIRA 122 Hatanjaho ny Finoanao!
Inona no Hanampy Antsika Tsy Hivadika Rehefa Misy Fitsapana?
“Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ny teny lazainao no hahazoana fiainana mandrakizay.”—JAONA 6:68.
HEVITRA HODINIHINA
Afaka ny tsy hivadika amin’i Jehovah isika, na inona na inona fitsapana atrehintsika.
1-2. Inona no nitranga tamin’i Jesosy nampianatra tany Kapernaomy?
“MANAFINTOHINA izany teny izany. Iza koa no hihaino an’izany?” (Jaona 6:60) Mpianatr’i Jesosy maromaro no niteny an’ireo. Nisy zavatra nolazain’i Jesosy mantsy tamin’izy nampianatra tany Kapernaomy. Hoy izy: “Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy hahazo fiainana.” Mbola niteny koa izy hoe: “Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia hahazo fiainana mandrakizay, ary hanangana azy amin’ny maty aho amin’ny andro farany.”—Jaona 6:53, 54.
2 Nisy tafintohina be tamin’ny zavatra nolazain’i Jesosy, dia tsy nanaraka azy intsony. Tsy nino azy mihitsy ve ry zareo na dia kely aza? Toa nanam-pinoana ihany ny sasany tamin-dry zareo. Rehefa nahita ny zavatra nataon’i Jesosy mantsy ry zareo taloha kelin’io, dia izao no nolazainy: “Io mihitsy ilay Mpaminany ho tonga amin’izao tontolo izao.” (Jaona 6:14) Nivadika tamin’i Jesosy anefa ry zareo rehefa niharam-pitsapana ny finoany.
3. Ahoana no nataon’ny apostoly rehefa naheno ny tenin’i Jesosy, ary nahoana? (Jereo koa ny sary.)
3 Tsy hoatr’izany kosa no nataon’ny apostoly. Rehefa nanontany an-dry zareo i Jesosy hoe “ianareo koa ve mba te hiala”, dia izao no navalin’i Petera: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ny teny lazainao no hahazoana fiainana mandrakizay. Mino izahay sady mahafantatra fa ianao Ilay Masin’Andriamanitra.” (Jaona 6:68, 69) Tsara homarihina fa tsy nilaza i Petera hoe nahazo tsara an’izay nolazain’i Jesosy izy sy ny apostoly hafa, tamin’i Jesosy niteny hoe mila mihinana ny nofony sy misotro ny rany ry zareo. Nifidy ny tsy hivadika tamin’i Jesosy anefa ry zareo. Nahoana? Tena nahazo antoka ry zareo hoe i Jesosy no “Kristin’Andriamanitra.”—Lioka 9:20, 35.
Na dia betsaka aza ny mpianatra nandao an’i Jesosy, dia tsy nivadika taminy i Petera sy ny apostoly hafa (Fehintsoratra 3)
4. Inona no fitsapana mety hatrehintsika?
4 Betsaka ny zavatra mety hisedra ny finoantsika. Ahoana, ohatra, no ataontsika rehefa ahitsy ny fahazoantsika ny andinin-teny iray, na ovana ny fomba andaminana ny asa fitoriana sy fampianarana? Ahoana indray raha tsy azontsika hoe maninona isika no avelan’i Jehovah iharan-doza? Mety ho voasedra koa ny finoantsika rehefa misy namana akaiky nanao zavatra nankarary ny fontsika, na hoatran’ny hoe nanao ny tsy rariny tamintsika ny olona iray hajaintsika.
5. Nahoana ny finoantsika no tokony ho mafy orina? Hazavao amin’ny ohatra. (Kolosianina 1:23)
5 Nahoana no zava-dehibe ilay hoe manana finoana matanjaka? Eritrereto hoe misy tranobe iray aorina eo amin’ny toerana iray be horohoron-tany. Tokony ho tsara fototra ny trano hoatr’izany raha tsy tiana hianjera. Tokony ho tsara fototra koa ny finoantsika, mba hahavitantsika hiatrika fitsapana hoatran’ireo voaresaka teo aloha. Raha miezaka manatanjaka ny finoantsika foana isika, dia tsy ho voahozongozona mihitsy sady tsy hivadika amin’i Jehovah rehefa misy fitsapana.—1 Kor. 15:58; vakio ny Kolosianina 1:23.
6. Inona no nanampy ny apostoly tsy hivadika tamin’i Jesosy?
6 Inona no nanampy ny apostoly tsy hivadika tamin’i Jesosy mihitsy, na dia betsaka aza no nandao azy? Resy lahatra ny apostoly hoe mendrika ny hotompoina i Jehovah, satria izy no namorona ny zava-drehetra. Resy lahatra koa ry zareo hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy, ‘ny teny lazainy no hahazoana fiainana mandrakizay’, ary manohana azy i Jehovah. Tsy handinika karazana fitsapana be dia be isika ato, fa handinika fahamarinana telo hanampy antsika tsy hivadika na inona na inona fitsapana atrehintsika. Ireto avy izany: 1) I Jehovah no Mpamorona ny zava-drehetra. 2) Avy amin’i Jehovah ny Baiboly. 3) Manohana ny mpanompony i Jehovah amin’izao. Raha resy lahatra amin’ireo fahamarinana telo ireo isika, dia hahavita tsy hivadika rehefa misy fitsapana.
I JEHOVAH NO MPAMORONA
7. Inona no resahin’ny Apokalypsy 4:11 momba an’i Jehovah? Inona anefa no mety hitranga rehefa miatrika fitsapana isika?
7 Vakio ny Apokalypsy 4:11. Mampahatsiahy antsika io andinin-teny io hoe i Jehovah no namorona ny zava-drehetra. Mendrika ny ivavahana izy, na noho izay fotsiny aza. Rehefa misaintsaina ny heriny mahatalanjona koa isika, dia lasa resy lahatra hoe afaka manafaka antsika amin’ny fitsapana rehetra izy. Manely lainga hatraiza hatraiza anefa i Satana, mba hahatonga ny olona hisalasala raha tena misy Andriamanitra. Mety hilaza mihitsy aza ny mpahay siansa sasany hoe nisinisy ho azy ny zavamananaina. Inona no mety ho vokany raha tsy tena resy lahatra isika hoe i Jehovah no Mpamorona ary tia antsika izy? Rehefa miatrika fitsapana isika, dia mety hanomboka hisalasala raha misy tokoa izy sady hanampy antsika.—Heb. 11:6.
8-9. Inona no tokony hataonao raha manomboka misalasala ianao hoe i Jehovah tokoa ve no Mpamorona? (Jereo koa ny sary.)
8 Raha manomboka misalasala ianao hoe i Jehovah tokoa ve no Mpamorona, dia manaova zavatra avy hatrany. Manaova fikarohana ao amin’ny boky sy gazetintsika, mba hahitana porofo mampiaiky hoe i Jehovah no namorona ny zava-drehetra. Afaka mahita fanazavana be dia be manatanjaka finoana ianao ao amin’ilay bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? sy ilay hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina. Mbola misy porofo hafa koa ao amin’ilay hoe “Nisy Namorona Ve?”, ao amin’ny jw.org. Hoy i Jessica, anabavy tanora iray any Etazonia: “Rehefa avy namaky an’ilay bokikely hoe Ahoana no Nampisy Antsika? aho, dia resy lahatra hoe misy Mpamorona tena mahay nanao an’izao rehetra izao. Efa fantatro ihany izany, fa vao mainka aho resy lahatra rehefa avy nandinika ny porofo omen’io bokikely io.” Betsaka koa no nandray soa rehefa avy namaky an’ilay boky hoe Misy Mpamorona Iray Miahy Anao Ve? (frantsay) Mety hoe efa namaky an’ireo ianao. Maninona anefa raha averina vakina indray?
9 Amin’ny fianarana samirery ataonao manaraka, dia azonao atao ny mandinika porofo hoe misy Andriamanitra. Rehefa manao fikarohana ianao, dia vao mainka hino hoe tena misy i Jehovah sady ho fantatrao kokoa ny maha izy azy. (Rom. 1:20) Azonao ampiasaina koa izay nianaranao mba hanampiana an’izay misalasala raha tena misy Andriamanitra na tsia. Ny hevi-dehibe dia izao: Nomen’i Jehovah porofo be dia be isika hoe izy no Mpamorona antsika.
Zavon-kintana : IAC/RGO/David Malin Images; trondro sy fiara: Mercedes-Benz USA; raoplanina: Kristen Bartlett/University of Florida
Efa novakinao angamba ilay bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? Maninona raha vakina indray? (Fehintsoratra 8)
AVY AMIN’I JEHOVAH NY BAIBOLY
10. Ahoana no fiheverantsika ny Baiboly? (2 Timoty 3:16, 17)
10 Vakio ny 2 Timoty 3:16, 17. Hafatr’i Jehovah ho an’ny olombelona no ao amin’ny Baiboly. Mamaly an’ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana izy io, sady mampahafantatra antsika ny sitrapon’i Jehovah sy izay tiany hataontsika. Mino isika hoe i Jehovah no nampanoratra ny Baiboly, dia izay no mahatonga azy io ho tena sarobidy amintsika. Ataontsika azo antoka hoe azontsika tsara izay voalaza ao, ary manao izay fara herintsika isika mba hampiharana an’izany.
11. Nahoana ianao no resy lahatra fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly?
11 Nahoana isika no resy lahatra hoe avy amin’i Jehovah ny Baiboly? Betsaka ny antony. Mifanaraka amin’ny tantara ny zavatra tantarainy ao. (Lioka 3:1, 2) Marina koa izay voalaza ao momba ny zavaboary. (Joba 26:7) Ny Baiboly no boky miely indrindra hatramin’izay, na dia niezaka namongotra azy io aza i Satana. Lehilahy 40 teo ho eo no nanoratra azy io, ary naharitra 1 600 taona teo ho eo izany. Mifanaraka tsara anefa ny zavatra nosoratan-dry zareo. Misy torohevitra tsy mety lany andro ao, ary efa nanampy olona an-tapitrisany teo amin’ny fiainany izy ireny. (Ohab. 13:20; 15:21; Mat. 7:12) Be dia be koa ny faminanian’ny Baiboly efa tanteraka, ary vao mainka izany manaporofo hoe azo itokisana izy io. (Jos. 23:14) Tsy misy isalasalana àry fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly.
12. Inona no tokony hataontsika raha manomboka misalasala isika hoe avy amin’Andriamanitra tokoa ve ny Baiboly?
12 Ahoana anefa raha manomboka misalasala isika hoe avy amin’Andriamanitra tokoa ve ny Baiboly? Mila mivavaka momba an’izany isika, ary manao zavatra mifanaraka amin’ilay vavaka. Mariho izay nolazain’i Jordan, rahalahy tanora notezaina tao amin’ny fahamarinana. Hoy izy: “Tsy tonga dia mino an’izay lazaina an’ahy aho. Ataoko azo antoka hoe marina ny zavatra inoako. Mbola misalasala ihany aloha aho indraindray e! Rehefa mahatsapa hoatr’izany aho, dia manao fikarohana ao amin’ny bokintsika mba hahitako ny valin’ny fanontaniako, amin’izay aho tsy misalasala intsony.” Raha miezaka foana isika mba ho resy lahatra kokoa hoe avy amin’i Jehovah ny Baiboly, dia vao mainka hatanjaka ny finoantsika.—1 Kor. 3:12, 13.
MANOHANA NY VAHOAKANY I JEHOVAH AMIN’IZAO
13. Inona no tokony hataontsika raha tsy tena azontsika antoka hoe iza marina ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao?
13 Ny Vavolombelon’i Jehovah no vahoaka ampian’Andriamanitra amin’izao. Raha manomboka misalasala ny amin’izany ianao, dia manaova zavatra haingana. Saintsaino, ohatra, ireto fanontaniana ireto: ‘Iza izao no tena miezaka manaraka ny fitsipiky ny Baiboly eo amin’ny fiainany? Iza no fivavahana tsy mino afa-tsy izay lazain’ny Baiboly? Iza no manao ny sitrapon’i Jehovah amin’izao?’—Mat. 7:20, 21; 2 Tim. 4:3, 4.
14. Ny Vavolombelon’i Jehovah ve no ampiasain’Andriamanitra mba hanatanteraka ny Matio 24:14? Hazavao.
14 Mba hahafantaranao hoe iza no tena manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’izao, dia saintsaino hoe: ‘Iza no manao an’ilay asa fitoriana noresahin’i Jesosy hoe hatao mandritra ny andro farany?’ (Mat. 24:14) Mazava be ny valin’izany. Ny vahoakany, izany hoe ny Vavolombelon’i Jehovah, no ampiasain’Andriamanitra mba hanao ny asa fitoriana amin’izao. Isika irery no mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tany 240 mahery. Efa 100 taona mahery izay no nanaovantsika an’io asa io, hatramin’ny nitondran’ilay Fanjakana. Ny asa fitoriana sy fampianarana tokoa no asa lehibe indrindra nifantohan’ny vahoakan’Andriamanitra hatramin’izay.—Mat. 28:19, 20.
15. Inona no manaporofo fa manamasina ny anaran’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah? (Matio 6:9; Isaia 43:10)
15 Vakio ny Matio 6:9 sy ny Isaia 43:10. Ilay anaran’Andriamanitra hoe Jehovah no ahafantarana antsika, ary raisintsika ho voninahitra ilay antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah. Betsaka anefa amin’izao ny olona tsy mahafantatra akory hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra. Niezaka be isika mba hamerina ny anaran’Andriamanitra eo amin’ny toerana nisy azy tany am-boalohany, ao amin’ny Baiboly. Miverina im-7 000 mahery io anarana io ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.
16. Nahoana isika no milaza fa ankatoavin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay didy ao amin’ny Jaona 13:34, 35? (Jereo koa ny sary.)
16 Vakio ny Jaona 13:34, 35. Mifankahala sy misara-bazana izao tontolo izao. Isika anefa mifankatia sy miray saina. Tena fahagagana izany. Avy any amin’ny vazan-tany efatra isika, dia samy hafa ny fiaviantsika sy ny fomba nitaizana antsika. Miezaka anefa isika mba hihavana sy hifankatia foana. Efa nisy fotoana ve ianao nanao dia lavitra dia nivory niaraka tamin’ny fiangonana hafa? Tsy maintsy ho voamarikao tamin’izay hoe mifankatia sy miray saina ireo rahalahy sy anabavy. Hita avy amin’izany fa mampiasa ny Vavolombelony i Jehovah amin’izao mba hanao ny sitrapony. Raha mitadidy an’izany isika, dia hahavita tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy rehefa misy fitsapana.
Tena fahagagana ilay hoe mifankatia sy miray saina isika maneran-tany (Fehintsoratra 16)a
AZA MIALA AMIN’I JEHOVAH MIHITSY
17-18. Inona ny olana mety hatrehintsika, nefa inona no mbola azontsika lazaina amin’i Jehovah?
17 Miaina amin’ny fotoan-tsarotra tsy mora atrehina isika amin’izao andro farany izao, ary tsy mora amintsika rehetra izany. (2 Tim. 3:1, 13) Miatrika olana hafa koa angamba isika. Mety tsy ho azontsika tsara, ohatra, ny fanapahan-kevitra raisin’ny fandaminana. Na mety hoe diso fandray ny zavatra nataontsika ny rahalahy na anabavy iray, na nanao zavatra nampalahelo antsika. Tsy tonga dia mahita vahaolana angamba isika, na misy zavatra manjo antsika fa tsy tena haintsika ny anton’ilay izy.
18 Mety hampikorontana ny fihetseham-pontsika ireo. Tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy anefa isika raha resy lahatra hoe izy no Mpamorona, avy aminy ny Baiboly, ary ny Vavolombelon’i Jehovah no vahoakany. Hoatran’ilay nolazain’i Petera tamin’i Jesosy, dia afaka miteny amin’i Jehovah koa isika hoe: “Hankany amin’iza moa izahay? Ny teny lazainao no hahazoana fiainana mandrakizay.”
HIRA 123 Ekeo Foana ny Fahefan’i Jehovah
a FANAZAVANA SARY: Anabavy iray sy ny zanany vavy mandeha bisy, dia faly mahita mpiara-manompo manao fampirantiana.