FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Jona p. 14-19
  • Mahasoa Anao ny Andia-mpitory Misy Anao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahasoa Anao ny Andia-mpitory Misy Anao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NY MPIANDRAIKITRA NY ANDIA-MPITORY SY NY MPANAMPY AZY
  • INONA NO AZONAO ATAO MBA HANOHANANA NY ANDIA-MPITORY MISY ANAO?
  • NAHOANA NO MAHASOA ANAO NY ANDIA-MPITORY MISY ANAO?
  • Mahasoa Antsika ny Fisian’ny Andia-mpitory
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Fivoriana Alohan’ny Fanompoana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Fanampiana amin’ny fotoana ilàna izany
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1991
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Jona p. 14-19

24-30 AOGOSITRA 2026

HIRA 65 Mandrosoa Foana!

Mahasoa Anao ny Andia-mpitory Misy Anao

“Hidera an’i Jehovah amin’ny foko manontolo aho rehefa mivory miaraka amin’ireo manao izay mahitsy.”​—SAL. 111:1.

HEVITRA HODINIHINA

Nahoana no mahasoa antsika ilay hoe anisan’ny andia-mpitory?

1-2. Ahoana no fahitan’ny olona an’ilay hoe anisan’ny andia-mpitory?

TADIDINAO ve tamin’ianao vao lasa mpitory? Faly erỳ ianao tamin’izay satria lasa anisan’ireo mpanompon’i Jehovah be dia be midera ny anarany. (Sal. 148:1, 2, 12, 13) Nety ho lasa anisan’ny andia-mpitory iray koa anefa ianao tamin’izay, ary vitsivitsy ny mpitory ao. Ny hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana “maneran-tany” no tena asantsika, dia manampy antsika hamita an’izany ny andia-mpitory misy antsika.​—Mat. 24:14.

2 Ahoana no fahitanao ny andia-mpitorinareo? Hoy Ranabavy Wendy:a “Tena nanampy be ahy ny andia-mpitorinay. Tao no nahaizako nitory sy nampianatra, nahazoako namana mahafinaritra, ary nahatonga ahy hametraka tanjona sy hanatratra an’izany.” Izao koa no nolazain’ny Rahalahy Rich: “Tombontsoa miavaka ilay hoe mpiandraikitra ny andia-mpitory. Manampy olona iray handroso hatramin’ny batisa ny mpitory, fa ny mpiandraikitra ny andia-mpitory kosa manampy an’iny olona iny handroso ara-panahy foana mandritra ny taona maro aorian’izay.” Hoy Ranabavy Dinah: “Tena tsara ilay hoe anisan’ny andia-mpitory. Hoatran’ny fianakaviako mihitsy ny andia-mpitorinay.”

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Hojerentsika voalohany ny andraikitry ny mpiandraikitra ny andia-mpitory sy ny mpanampy azy, ary ny fomba anampian-dry zareo an’ireo anisan’ny andia-mpitoriny. Hodinihintsika avy eo hoe inona no azontsika tsirairay atao mba hanohanana ny andia-mpitory misy antsika. Hojerentsika farany ny soa raisintsika noho isika anisan’ny andia-mpitory.

NY MPIANDRAIKITRA NY ANDIA-MPITORY SY NY MPANAMPY AZY

4. a) Inona no tena ataon’ny mpiandraikitra ny andia-mpitory? b) Inona ny soso-kevitra azon’ny mpiandraikitra ny andia-mpitory ampiharina rehefa manao ny andraikiny izy? (Jereo ilay hoe “Soso-kevitra ho An’ny Mpiandraikitra ny Andia-mpitory.”)

4 Anti-panahy ny mpiandraikitra ny andia-mpitory.b Notendren’ny anti-panahy rehetra izy mba hanampy mpitory vitsivitsy handroso ara-panahy. Ahoana no anaovany an’izany? Voalohany, miahy ny olona tsirairay ao amin’ny andia-mpitoriny izy. (Ohab. 27:23) Mpiandry be fitiavana izy dia mifandray amin-dry zareo foana. Amin’izay izy afaka manampy an-dry zareo hatanjaka ara-panahy, hahatsapa hoe tiana, ary hahazo izay ilaina rehefa misy loza mitranga. (Ohab. 12:25; Isaia 32:2; Jak. 2:15-17) Faharoa, ampiany ny mpitory tsirairay mba hazoto hanompo. Izy no mitarika eny amin’ny fanompoana, indrindra amin’ny faran’ny herinandro. Matetika koa izy no miara-manompo amin’ny mpitory tsirairay, mba hampahery sy hampiofana azy ireo. Raha tsy afaka manompo izy indraindray, dia ataony azo antoka hoe mikarakara an’ilay andia-mpitory ny mpanampy azy na mpitory hafa mahafeno fepetra. Fahatelo, ampiofaniny ireo rahalahy vita batisa mba ho afaka hiantsoroka andraikitra eo anivon’ny fiangonana. (1 Tim. 3:1) Manao teny fiderana vokatry ny fo izy, ary manome torohevitra ara-baiboly. Ampiofaniny koa ry zareo mba hahafeno fepetra ho mpikarakara fiangonana sy ho anti-panahy. Tena zava-dehibe ny asan’ny mpiandraikitra ny andia-mpitory, dia izay anti-panahy tena mahafeno fepetra no tendren’ny anti-panahy rehetra hanao azy io.

Soso-kevitra ho An’ny Mpiandraikitra ny Andia-mpitory

  • Ataovy fohy ny fivoriana alohan’ny fanompoana, izany hoe tsy mihoatra ny fito minitra. Amin’izay vetivety ny mpitory dia afaka mamonjy faritany.

  • Miezaha mitory miaraka amin’ny olona rehetra ao amin’ny andia-mpitorinao, na dia ireo tsy afaka manatrika fivoriana alohan’ny fanompoana matetika aza. Azonao atao angamba ny mitory miaraka amin’ireny olona ireny amin’ny andro hafa, na amin’ny takariva.

  • Tsidiho sy ampaherezo tsy tapaka ny olona rehetra ao amin’ny andia-mpitorinao. Azo atao any an-tranon’ilay mpitory izany na any amin’ny Efitrano Fanjakana, na any an-toeran-kafa. Azo atao an-telefaonina koa ilay izy, na an-taratasy.

  • Ampiofano ireo rahalahy mba ho azon’i Jehovah sy ny fiangonana ampiasaina kokoa.

  • Ataovy azo antoka hoe mahazo namana daholo ny olona ao amin’ny andia-mpitorinao, na dia rehefa miaraka amin’ny andia-mpitory hafa aza ianareo.

5. Inona ny olana atrehin’ny mpiandraikitra ny andia-mpitory sasany?

5 Mety ho betsaka ny olana atrehin’ny mpiandraikitra ny andia-mpitory. Be andraikitra, ohatra, ny ankamaroan’ny anti-panahy. Hoy i Jörg, avy any Alemaina: “Sarotra ilay misahana andraikitra maromaro. Lasa tsy mora amiko àry ny manatratra an’ilay tanjoko hoe hiresaka amin’ny olona tsirairay ao amin’ny andia-mpitoriko.” Hoy indray i Abel, anti-panahy efa 70 taona avy any Ogandà: “Vitsy kely ny anti-panahy sy mpikarakara fiangonana ao aminay, dia lasa be dia be ny mpitory ao amin’ny andia-mpitory tsirairay. Mba tiako ny hiara-manompo matetika sy hampahery ny mpitory tsirairay, nefa tsy arako izany.” I Obed, anti-panahy avy any Suriname, indray niaiky hoe: “Tena tiako ilay mampiofana ny hafa. Mila fotoana sy hery anefa ilay izy, sady matetika no tsy tonga dia hita ny vokany. Lasa tsy dia mampiofana ny hafa àry aho, fa variana amin-javatra hafa.” Inona no hanampy ny anti-panahy hahavita hiatrika an’ireo sy ny olana hafa?

6. Nahoana no ho voakarakara kokoa ireo rahalahy sy anabavy raha vitsy ny iray andia-mpitory?

6 Tsara raha vitsy ny olona ao amin’ny andia-mpitory. Hifankahafantatra tsara amin’ny andia-mpitoriny ny mpiandraikitra ny andia-mpitory amin’izay sady ho afaka hanampy an-dry zareo hatanjaka ara-panahy foana. Ahoana anefa raha vitsy ny anti-panahy? Aleo tsy atao be loatra ny olona ao amin’ny andia-mpitory, sao tsy ho vitan’ilay mpiandraikitra tsara ny andraikiny. Afaka manendry mpikarakara fiangonana ny anti-panahy rehetra mba hikarakara andia-mpitory iray. Ny hikarakara an’ireo rahalahy sy anabavy no tena asan’ny mpiandraikitra ny andia-mpitory. Ho vitany tsara izany raha vitsy ny iray andia-mpitory.

7. Raha vitsy ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonana, dia inona ny azon’ny mpiandraikitra ny andia-mpitory atao mba ho voakarakara tsara ny ao amin’ny andia-mpitoriny? (1 Petera 5:2) (Jereo koa ny sary.)

7 Raha mpiandraikitra ny andia-mpitory ianao ka vitsy ny anti-panahy ao aminareo, dia ampiofano ny mpanampy anao mba hahay hikarakara ny andian’ondrin’Andriamanitra. (Vakio ny 1 Petera 5:2.) Omeo andraikitra izy. Tendreo tsindraindray izy mba hitarika ny mpitory eny amin’ny fanompoana. Miaraha mivavaka aminy, dia diniho miaraka aminy hoe ahoana no azonareo anampiana ny mpitory tsirairay mba hanatsara ny fahaizany mitory sy mampianatra. Ento manao fitsidihan’ny mpiandry izy. Resaho aminy alohan’ilay fitsidihana hoe ahoana no azonareo ampaherezana an’ilay mpitory. Derao izy avy eo tamin’izay zavatra tsara nataony, ary resaho aminy izay azony hatsaraina. Mety hahafeno fepetra ho mpiandraikitra ny andia-mpitory izy any aoriana any. (2 Tim. 2:2) Afaka miangavy Kristianina matotra ao amin’ny andia-mpitorinao koa ianao mba hampiofana ny mpitory hafa ao. Afaka miara-manompo amin’ny mpitory vaovao sy tsy ampy traikefa, ohatra, ny mpisava lalana sy ny mpitory za-draharaha hafa. Azon-dry zareo ampiana ireo mbola tsy dia mahay manombo-dresaka, na manao fiverenana mitsidika, na mitarika fampianarana Baiboly. Andao isika hiresaka zavatra telo azontsika atao mba hanohanana ny andia-mpitory misy antsika.

Mpiandraikitra ny andia-mpitory mampiofana rahalahy iray ary mampiasa an’ilay bokikely hoe “Tiavo ny Olona ka Ampianaro.”

Afaka mampiofana mpikarakara fiangonana ao amin’ny andia-mpitoriny ny anti-panahy. Mety hasainy hitarika fivoriana alohan’ny fanompoana, ohatra, izy (Fehintsoratra 7)


INONA NO AZONAO ATAO MBA HANOHANANA NY ANDIA-MPITORY MISY ANAO?

8. Inona no azontsika atao mba hanohanana ny andia-mpitory misy antsika? (Romanina 1:12)

8 Miezaha ho eo foana. Afaka ‘mifampahery’ amin-dry zareo ianao rehefa miara-manompo aminy. (Vakio ny Romanina 1:12.) Tsy dia atahorana ny mitory any amin’ny toerana sasany rehefa maromaro no miaraka, moa ny mpitory hafa lasa matoky tena kokoa. Matetika ve ianao no tsy afaka manohana ny fandaharan’ny andia-mpitory noho ny asanao? Maninona raha iangaviana ny mpampiasa anao mba hanitsy ny ora iasanao? Mety tsy hampoizinao ny valin-teniny. (Neh. 2:4-6) Ahoana raha tsy dia salama ianao na mandroso taona, ka sarotra aminao ny manatrika fivoriana alohan’ny fanompoana mivantana? Miresaha amin’ny mpiandraikitra ny andia-mpitory. Mety hisy azony atao mba hahafahanao manatrika an’ilay fivoriana amin’ny alalan’ny vidéoconférence, dia avy eo mitory an-taratasy na an-telefaonina. Ahoana kosa raha tanora sy salama tsara ianao, nefa mbola sarotra aminao ny mitory tsy tapaka? Manasà olona ao amin’ny andia-mpitorinareo mba hiara-hanompo aminao isan-kerinandro. Mila manitsy ny fandaharam-potoananao angamba ianao, dia mijery hoe inona ny zava-dehibe kokoa. (Rom. 12:11; Kol. 4:5) Tsy ho very maina ny ezaka ataonao. Mivavaha amin’i Jehovah. Afaka ‘mahatonga anao hanana faniriana sy hery hanaovana zavatra’ izy.​—Fil. 2:13.

9. Inona no azontsika atao mba hifankatia tsara ny ao amin’ny andia-mpitory misy antsika? (Romanina 12:13)

9 Miezaha ho tia mandray vahiny. Hifankatia tsara ireo iray andia-mpitory, raha samy ‘miezaka ho tia mandray vahiny.’ (Vakio ny Romanina 12:13.) Sao dia azo atao any aminareo, ohatra, ny fivoriana alohan’ny fanompoana? Mifandimby mandray mpandahateny mpitsidika ny andia-mpitory any amin’ny fiangonana sasany. Miara-misakafo sy mifampahery ilay andia-mpitory amin’io fotoana io, na dia tsy afaka manatrika eo aza ilay mpandahateny. Hoy i Sarah, mpisava lalana manokana: “Manahy be aho raha vao hoe hanasa olona, dia aleoko atao tsotra ilay izy. Aleoko mifantoka amin’ilay hoe miezaka hahafantatra ny hafa, toy izay hanahy be amin’ny resaka sakafo.” Raha miezaka isika mba hifankatia hoatran’ny mpianakavy ny ao amin’ny andia-mpitory misy antsika, dia ho akaiky kokoa an’i Jehovah sy ny hafa isika.​—Neh. 8:10; Asa. 20:35.

10. Inona no azontsika atao raha te hanatsara ny fanompoantsika isika? (Ohabolana 1:5; 27:17) (Jereo koa ny sary.)

10 Miezaha mba hahay hitory sy hampianatra kokoa. Hahafinaritra antsika kokoa ny miaraka amin’ny andia-mpitorintsika amin’izay. Misy tianao hohatsaraina ve amin’ny fanompoanao? Mangataha fanampiana amin’ny mpisava lalana na mpitory za-draharaha ao amin’ny andia-mpitorinareo. (Vakio ny Ohabolana 1:5; 27:17.) Resaho amin’ny mpiandraikitra ny andia-mpitorinareo ny tanjonao. Mety ho afaka hanampy anao hanatratra an’izany izy. Azonao atao koa ny miangavy olon-kafa hanampy anao. Nanao an’izany i Heather na dia saro-kenatra aza. Hoy izy: “Niangaviako hanampy ahy hanao fiverenana mitsidika ny mpisava lalana iray. Be fitiavana sy tsara fanahy izy, dia nanokana fotoana mba hahafahanay miara-manompo matetika. Nampiany mihitsy aza aho mba hanomboka fampianarana Baiboly tamin’izay fiverenana mitsidika iray izay. Tena faly aho hoe nangataka fanampiana satria lasa tiako indray izao ny mandeha manompo.” Hitantsika avy amin’izany fa betsaka ny zavatra azontsika atao, mba hanohanana ny andia-mpitory misy antsika.

Anabavy tanora miangavy anabavy zokiolona sy ampy traikefa kokoa mba hiaraka hanompo aminy.

Lasa afaka mifankahafantatra kokoa isika sady afaka miara-manompo rehefa vitsy ny iray andia-mpitory (Fehintsoratra 10)


NAHOANA NO MAHASOA ANAO NY ANDIA-MPITORY MISY ANAO?

11-12. Nahoana no manampy antsika hatanjaka ara-panahy ilay hoe anisan’ny andia-mpitory? Manomeza ohatra.

11 Manampy anao hatanjaka ara-panahy. Betsaka ny soa azontsika noho isika anisan’ny andia-mpitory. Mahazo fampaherezana amin’ny fotoana tena ilany an’izany, ohatra, ny mpitondratena sy ny kamboty ary ny zokiolona. Tena tian’i Jehovah ry zareo ireny. (1 Tes. 2:8; Jak. 1:27) Ampiofanina hitory sy hampianatra koa isika rehefa miaraka amin’ny andia-mpitory. Ireo rahalahy vita batisa fakan-tahaka indray mahazo fanampiana mba ho vonona amin’ny andraikitra hafa eo anivon’ny fiangonana.​—1 Tim. 3:10.

12 Tena nahasoa an’i Wendy, ilay voaresaka terỳ aloha, ny niaraka tamin’ny andia-mpitory. Hoy izy: “Nanohitra i Dada, dia tsy tena afaka nanompo niaraka tamin’ny andia-mpitory i Neny rehefa faran’ny herinandro. Izaho kosa afaka nandeha, dia nisy rahavavy zokiolona izay nanampy ahy. Mpisava lalana izy. Tena nahasoa ahy teny amin’ny fanompoana sy teo anivon’ny fiangonana ny fampiofanana nomeny. Imbetsaka ny mpiandraikitra ny andia-mpitorinay no nanome ahy torohevitra avy tao amin’ny Baiboly, dia mbola mahasoa ahy foana izy ireny hatramin’izao.”

13. Nahoana no manampy antsika hahita namana tia sy miahy antsika ilay hoe anisan’ny andia-mpitory? (Jereo koa ny sary.)

13 Mahazo namana be fitiavana sy manohana antsika. Lasa akaikin’ny fontsika ireo iray andia-mpitory amintsika satria “miara-miezaka toy ny olona iray” isika eny amin’ny fanompoana. (Fil. 1:27) Rehefa vitsivitsy ny ao amin’ny andia-mpitory, dia lasa mora mahazo namana ny olona saro-kenatra, na ireo tsy zatra miaraka amin’olona be dia be. (2 Kor. 6:13) Matoky isika hoe hanohana antsika ireny namantsika ireny rehefa miatrika zava-tsarotra isika, ohatra, hoe marary, na kivy, na nidonam-pahoriana. (1 Tes. 5:14) Mazava ho azy fa vao mainka isika hila namana, arakaraka ny anatonan’ny fahoriana lehibe. (Mat. 24:21) Na dia tsy afaka tanteraka aza ny olana mahazo antsika, dia ho mora kokoa amintsika ny hiatrika azy ireny rehefa fantatsika hoe tia sy manohana antsika ireo rahalahy sy anabavy.​—Ohab. 17:17.

Ireo anabavy tao amin’ny sary teo aloha avy namonjy fivoriana alohan’ny fanompoana dia mandeha mankeny amin’ny faritany. Hamonjy faritany koa ny rahalahy sy anabavy iray andia-mpitory amin-dry zareo.

Anabavy roa iray andia-mpitory miara-manompo (Fehintsoratra 13)


14. Nahoana no mahasoa antsika ilay hoe anisan’ny andia-mpitory rehefa misy loza araka ny natiora na rehefa marary tampoka isika?

14 Mahazo fanampiana rehefa misy loza mitranga. Mahazo fanampiana ara-potoana avy amin’ny andia-mpitorintsika isika rehefa misy valanaretina, loza araka ny natiora, na rehefa marary tampoka isika, iharam-panenjehana, ary sahirana ara-bola. Rehefa mitranga ny hoatran’ireo, dia vonona hanampy antsika ny mpiandraikitra ny andia-mpitory. Rehefa misy loza araka ny natiora, ohatra, dia miantso ny fianakaviana tsirairay ao amin’ny andia-mpitoriny izy mba hahitana hoe inona no ilain-dry zareo. Angamba izany fanafody, sakafo, rano, fialofana, na fitafiana. Afaka mitondra an’izay fanampiana ilain-dry zareo ilay mpiandraikitra ny andia-mpitory avy eo. Miresaka amin’ny Komitin’ny Fanompoana koa ilay mpiandraikitra hoe iza no tena mila fanampiana, dia manao fandaharana ry zareo mba hanampiana ny olona hoatr’izany. Voakarakara tokoa isika ao amin’ilay andia-mpitory misy antsika!

15. Miara-mientana hanao inona ny mpanompon’i Jehovah rehetra?

15 Hitantsika teo aloha hoe tena betsaka ny mpanompon’i Jehovah. Ny anjely tsy mivadika any an-danitra fotsiny no efa misy an-jatony tapitrisa, na an’arivony tapitrisa mihitsy aza. Ny mpanompon’i Jehovah eto an-tany indray miisa sivy tapitrisa mahery, ary mitombo foana izany isan’andro. (Zak. 8:23; Apok. 5:11) Miara-mientana ny mpanompon’i Jehovah rehetra mba hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Apok. 14:6, 7) Enga anie isika handray soa avy amin’ny andia-mpitory misy antsika! Fandaharana ataon’i Jehovah mantsy izy io mba hanampiana antsika hidera azy amin’ny fontsika manontolo.​—Sal. 111:1.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Ahoana no ataon’ny mpiandraikitra ny andia-mpitory sy ny mpanampy azy mba hikarakarana ny andia-mpitory misy an-dry zareo?

  • Inona no azontsika atao mba hanohanana ny andia-mpitory misy antsika?

  • Inona ny soa azontsika noho isika anisan’ny andia-mpitory?

HIRA 61 Mandrosoa, ry Vavolombelona!

a Novana ny anarana sasany.

b Afaka manao an’io andraikitra io koa ny mpikarakara fiangonana mahay mandra-pisian’ny anti-panahy afaka misolo azy. Antsoina hoe mpikarakara ny andia-mpitory izy satria tsy anti-panahy. Miara-miasa amin’ny anti-panahy kosa izy amin’ny fikarakarana an’ilay andia-mpitory, dia ry zareo no manoro azy an’izay tokony hatao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara