20-26 JOLAY 2026
HIRA 133 Tanora Manompo An’i Jehovah
Hanao Fianarana Fanampiny ve Ianao sa Tsia?
“Ny olona malina ... mieritreritra tsara isaky ny hanao zavatra.”—OHAB. 14:15.
HEVITRA HODINIHINA
Inona ny torolalan’ny Baiboly sy ny zavatra hafa mila dinihina rehefa hanapa-kevitra hoe hanao fianarana fanampiny sa tsia?
1-2. a) Inona ny fanapahan-kevitra tsy maintsy raisin’ny tanora? b) Inona no dikan’ny hoe “fianarana fanampiny”? (Jereo ilay hoe “Fanazavana.”)
“INONA ny asa tianao hatao rehefa lehibe?” Imbetsaka ny tanora no misy manontany an’izany. Ny fanompoana manontolo andro no asa tsara indrindra. Ilaina koa anefa ny asa fivelomana. (2 Tes. 3:10) Azo inoana hoe efa nisaintsaina an’izay asa hataonao any aoriana any ianao.
2 Rehefa avy niara-nidinika tamin’ny ray aman-dreniny ny tanora sasany, dia mifidy ny hanohy fianarana aorian’ny eny amin’ny lise. Manao an’izany izy mba hahitana asa. Ary ianao? Hanao fianarana fanampiny ve ianao sa tsia?a Fianarana inona anefa? Misy torolalan’ny Baiboly hanampy anao hisaintsaina an’izany ato mba hahaizanao manapa-kevitra. Marina hoe natao ho an’ny tanora ity lahatsoratra ity, nefa koa mety hahasoa an’izay Kristianina te hanao fianarana fanampiny na firy taona izy na firy taona. Ilain’ny ray aman-dreny koa ny torolalana ato mba hanampiany ny zanany.
MILA MANAO FIANARANA FANAMPINY VE IANAO?
3. Nahoana ny Kristianina sasany no te hanao fianarana fanampiny?
3 Afaka mahita asa mahavelona ny olona any amin’ny tany sasany, na dia tsy manao fianarana fanampiny aza. Any an-tany hafa indray, tena ilaina ny fianarana fanampiny mba hahitana asa tsara karama kokoa na tsy mitaky fotoana be. Hanampy ny Kristianina hitory bebe kokoa na hanao karazana fanompoana hafa izany. Mandany fotoana sy hery ary vola anefa ny fianarana fanampiny, ary mety hampisy olana hafa ho an’ny Kristianina.
4. Iza no tokony hanapa-kevitra raha hanao fianarana fanampiny ny Kristianina iray na tsia? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)
4 Milaza ny Baiboly fa ‘samy hitondra ny andraikiny avy ny tsirairay.’ (Gal. 6:5, f.a.p.) Anjaran’ny olon-dehibe tsirairay àry ny manapa-kevitra raha hanao fianarana fanampiny izy na tsia.b Ny ray aman-dreny kosa no manapa-kevitra ny amin’ny fianarana hataon’ny zanany tsy ampy taona. (Efes. 6:1) Ny tari-dalana omen-dry zareo no hanampy azy hanapa-kevitra momba ny fianarana rehefa lehibe izy.—Ohab. 22:6.
5. Rahoviana ny Kristianina iray no mila manomboka mandinika raha hanao fianarana fanampiny izy na tsia, ary nahoana? (Jereo koa ny sary.)
5 Matetika no mbola tsy vita ny fianarana eny amin’ny lise dia efa mila manapa-kevitra ny tanora raha hanao fianarana fanampiny na tsia. Tsara raha aloha be izy dia efa mandinika an’izany miaraka amin’ny ray aman-dreniny, amin’izay ry zareo afaka mikaroka an’izay fianarana azo isafidianana. Azony fidina mialoha koa amin’izay ny fianarana hataony eny amin’ny lise mba hifanaraka amin’ny fianarana fanampiny na asa tiany hatao. Midika ve izany hoe mbola mianatra eny amin’ny lise ilay tanora, dia efa tsy maintsy manapa-kevitra ry zareo? Tsy voatery. (Ohab. 21:5) Misy tanora tonga dia miasa sy manao mpisava lalana rehefa vita ny eny amin’ny lise. Dia amin’iny fotoana iny izy no mandinika raha mbola hanao fianarana fanampiny na tsia. Azo atao foana mantsy izany na any aoriana any aza.
Mpivady kristianina manampy ny zanany handray fanapahan-kevitra tsara momba ny fianarana fanampiny (Fehintsoratra 5)
6. Inona no hanampy ny Kristianina iray hahay hanapa-kevitra momba ny fianarana fanampiny?
6 Inona no hanampy anao hahay hanapa-kevitra momba ny fianarana fanampiny? Mangataha fanampiana amin’i Jehovah. (Jak. 1:5) Ataovy koa ireto: Voalohany, diniho amin’ny saina tsy miangatra ny antony anaovanao an’ilay izy. (Sal. 26:2) Faharoa, jereo hoe inona ny lafy tsarany sy lafy ratsin’ilay fianarana tianao hatao. (Ohab. 14:15) Andao hojerentsika ireo.
DINIHO NY ANTONY ANAOVANAO AN’ILAY IZY
7. Inona no tokony hataon’ny Kristianina ao an-tsaina raha te hanao fianarana fanampiny izy?
7 Raha mieritreritra ny hanao fianarana fanampiny ianao, dia saintsaino hoe: ‘Inona no tena antony anaovako an’io fianarana io?’ Betsaka no manohy fianarana amin’izay mba afaka manao an’ilay asa tiany na asa tsara karama kokoa. Tsy voatery ho ratsy izany. (1 Tim. 5:8) Mampitandrina antsika anefa ny Baiboly mba tsy ho tia vola sy harena na hieritreritra hoe ny vola ihany no miaro antsika. (Ohab. 23:4, 5; 1 Tim. 6:8-10; 1 Jaona 2:17) Raha te hanan-karena na hahazo voninahitra ianao, dia tsy ho sambatra ary mety hiala amin’i Jehovah mihitsy aza.
8-9. a) Ahoana no tokony hiheveran’ny Kristianina ny fianarana fanampiny? (Matio 6:33) b) Inona no ianaranao avy amin’ny tenin’i Josefina, Morine, ary Iris?
8 Ahoana àry no tokony hiheveranao ny fianarana? Tsy misy tokony ho zava-dehibe kokoa amintsika noho ny fanompoana an’i Jehovah. (Mat. 22:37, 38; Fil. 3:8) Ny antony ianaranao àry dia tokony hoe mba hahazoanao an’izay ilainao, amin’izay ianao afaka manompo azy amin’ny fo manontolo.—Vakio ny Matio 6:33.
9 Inona no nanampy ny Kristianina sasany hanana fomba fijery mety momba ny fianarana fanampiny? Hoy i Josefina, avy any Silia: “Nanohy fianarana aho amin’izay mahita asa ahafahako manompo an’i Jehovah bebe kokoa. Tokony hoe hanampy ahy hanatratra ny tanjoko ara-panahy mantsy ilay fianarana, fa tsy hoe izy io indray no zava-dehibe indrindra.” Nianatra nanao volo nandritra ny herintaona i Morine. Hoy izy: “Te hanitatra faritany aho, dia nanao fianarana hanampy ahy hanatratra an’io tanjoko io. Lasa mpanao volo aho rehefa vita ilay fianarana, dia afaka nanangom-bola hoentiko manitatra. Mbola afaka nanao volo koa aho rehefa tonga tany.” Nianatra nitsabo nify kosa i Iris, ary naharitra ela kokoa ny fianarany. Hoy izy: “Marina hoe ahazoana tombony ny fianarana fanampiny, nefa tsy hanampy anao ho tena sambatra sy ho afa-po mihitsy. Tsotra ihany ny mahasambatra. Raha ny fifandraisanao amin’i Jehovah no ataonao mibahana eo amin’ny fiainanao, dia azo antoka hoe tena ho sambatra ianao ary ho afa-po.” Raha i Jehovah no ataonao loha laharana eo amin’ny fiainanao, dia handray fanapahan-kevitra tsara ianao ary ho sambatra foana.
HOATRAN’NY AHOANA ILAY FIANARANA?
10. Ahoana no hampiharana ny torolalana ao amin’ny Deoteronomia 32:29 amin’ny resaka fianarana fanampiny?
10 Efa misy fianarana na fiofanana eritreretinao ve? Sao dia tsara koa anefa ny mieritreritra zavatra hafa mitovitovy amin’ilay izy na hafa tanteraka? (Ampitahao amin’ny Ohabolana 18:17.) Efa misy, ohatra, izao ny fianarana amin’ny alalan’ny Internet. Diniho koa sao dia afaka mahita asa hivelomana ihany ianao na dia tsy manohy fianarana aza. Tsy nanao fianarana fanampiny, ohatra, i Johanna avy any Failandy. Hoy izy: “Vao vita ny fianarako teny amin’ny lise dia nanao asa tapa-potoana aho sady nanao mpisava lalana. Nanao asa isan-karazany aho, dia hitako fa mitana ny teniny foana i Jehovah hoe hanome antsika an’izay ilaintsika.” Tadidio hoe misy lafy tsarany sy lafy ratsiny foana ny fanapahan-kevitra raisintsika na hanao fianarana fanampiny isika na tsia sy hoe inona ilay hatao. Saintsaino hoe: ‘Ny lafy tsarany ve no betsaka kokoa noho ny lafy ratsiny?’ (Vakio ny Deoteronomia 32:29; 1 Kor. 10:23) Andao isika handinika zavatra sasany hanampy antsika hamaly an’izany.
11. Nahoana no zava-dehibe ny mamantatra ny fotoana lany amin’ilay fianarana na fiofanana? (Jereo koa ny sary.)
11 Ny fotoana lany amin’ilay izy. Diniho hoe adin’ny firy isan-kerinandro no ho laninao amin’ilay fianarana sy hanaovana fiofanana ary hamitana devoara. Mbola hanam-potoana hanaovana zavatra ara-panahy sy hanaovana raharaha ve ianao? (Fil. 1:10) Sa ho reraka loatra ianao ka tsy hahavita hanomana fivoriana na hianatra samirery intsony? Izany no nanjo an’i Jeroz, avy any Inde. Hoy izy: “Nisy vokany tamin’ny ara-panahiko ilay izy. Indraindray aho tsy nivory. Hitako hoe be loatra ny fotoana sy hery laniko tamin’ilay izy.” Tsy dia mandany fotoana kosa ny fianarana hafa. Misy aza tapa-potoana na tsy dia misy devoara. Tian’i Rabeca avy any Mozambika ny fianarana nataony. Hoy izy: “Adin’ny roa isan’andro fotsiny aho no nianatra, dia mbola afaka nanao mpisava lalana.”
Raha te hanao fianarana fanampiny ianao, dia ataovy azo antoka hoe tsy misy lasa an-tsirambina ny zava-dehibe hafa tsy maintsy ataonao (Fehintsoratra 11)
12. Inona avy ny fanontaniana tsara hosaintsaininao mba ho afaka hampiasa tsara ny fotoananao ianao? (Mpitoriteny 12:1)
12 Ny faharetany. Diniho hoe firy volana na firy taona ilay fianarana vao ho vita. Hampiasa tsara ny fotoananao ve ianao raha manao an’ilay izy? (Efes. 5:15-17) Mbola afaka manome an’i Jehovah ny tsara indrindra avy aminao ve ianao, ohatra hoe manompo manontolo andro mandritra ny fahatanoranao, raha mifidy an’io fianarana io? (Vakio ny Mpitoriteny 12:1.) Sa misy fianarana mitovitovy amin’ilay izy nefa fohy kokoa? Fohy kokoa sady tsy dia lafo, ohatra, ny fampiofanana arak’asa sy ny fianarana asa, raha oharina amin’ny fianarana eny amin’ny oniversite, nefa mety hahazoanao ny fahaizana ilainao. Hoy i Mario avy any Silia: “Nifidy hanao fiofanana ara-teknika nandritra ny roa taona aho, ary mora kokoa noho ny fianarana eny amin’ny oniversite ilay izy. Efatra andro isan-kerinandro fotsiny aho no nianatra, dia mbola afaka nanao mpisava lalana.”
13. Misy vokany amin’ilay olona ve raha lavitra ny fianakaviany izy no mianatra? Hazavao.
13 Ny toerana misy azy. Mety hahita fianarana eny akaikinareo ianao. Ahoana anefa raha lavitra ilay izy, na hoe tsy maintsy mipetraka any amin’ny tranon’ny mpianatra ianao? Tadidio hoe mety hisy vokany be amin’ny ara-panahinao ny mipetraka lavitra ny fianakavianao, indrindra raha tsy mpiara-manompo no miara-mipetraka aminao. (Ohab. 22:3; 1 Kor. 15:33) Naharitra herintaona ny fianaran’i Matias avy any Mozambika, sady tsy nandany vola be. Nanenenany anefa ilay izy. Nahoana? Hoy izy: “Tany amin’ny kilasimandry foana aho, dia nalaim-panahy hanao ratsy isan’andro. Izao no lazaiko aminareo: ‘Aza manao fianarana lavitra ny fianakavianareo.’” Hoy ny anabavy iray avy any Rosia: “Tsy nahita olana aho sady tsy tratran’ny fakam-panahy satria niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniko foana, fa tsy nipetraka tany amin’ny tranon’ny mpianatra na nanao kilasimandry.” Mety ho afaka hianatra amin’ny alalan’ny Internet aza ianao.
14. Nahoana ny torolalana ao amin’ny Lioka 14:28 no mahasoa anao raha mieritreritra ny hanao fianarana fanampiny ianao?
14 Ny sarany. Mora ny saram-pianarana sasany na iantohan’ny fanjakana. Mety hanampy anao hanana ny fahaizana ilaina sy hahita asa ny fianarana hoatr’izany. Lafo be anefa ny saran’ny fianarana fanampiny any amin’ny tany maro. Mety hisy fandaniana hafa koa aza. Mila manao cours, ohatra, ianao vao ho tafiditra ao amin’ilay sekoly. Lafo loatra ny fianarana sasany, dia misy mpianatra tsy maintsy mitrosa nefa an-taonany maro iny vao ho voaloany. Nanenenan’i Adilson avy any Mozambika ny safidy nataony. Hoy izy: “Nihafy be ny fianakaviako mba handoavana ny saram-pianarako nandritra ny efa-taona.” Rehefa misaintsaina ny fianarana na ny fampiofanana tianao hatao ianao, dia eritrereto hoe: ‘Ohatrinona no ho lany amin’ilay izy? Ho vitako na ho vitan’ny fianakaviako ve ny handoa an’izany? Sao dia misy mora kokoa? Raha tsy maintsy hitrosa aho, dia hafiriana no handoavako an’ilay izy? Ampy hahazoako an’izay ilaiko sy handoavako an’ilay trosa ve ny karamako any aoriana any?’—Vakio ny Lioka 14:28; Ohab. 22:7.
15. Raha misy fianarana tianao hatao, nahoana no ilaina ny mandinika raha mora ahitana asa ilay izy na tsia?
15 Mora ahitana asa ve ilay izy? Inona ny asa be mpitady any aminareo, na any amin’ilay toerana tianao hipetrahana? Hanampy anao hahita asa ve ilay fianarana? Tsy dia misy fampiofanana amin’ny fianarana sasany. Mampita fahalalana fotsiny ilay izy fa tsy manampy eo amin’ny sehatry ny asa. (Kol. 2:8) Hoy ny anabavy iray any Inde: “Tsy nanampy ahy hanana ny fahaizana takin’ny mpampiasa ny fianarana nataoko, dia tsy nahita asa nifanaraka tamin’ilay izy aho.” Tsy ahitana asa firy kosa ny fianarana hafa. Nianatra nanamboatra ny simba amin’ny fitaovana elektrika i Sublime avy any Centrafrique. Hoy anefa izy: “Sarotra be ny mahita asa atỳ aminay, satria ny tompony ihany no manamboatra ny simba amin’ny fitaovana ampiasainy.”
16. Inona avy ny fanontaniana azonao saintsainina momba ny karazana asa mety ho hitanao?
16 Eritrereto koa ny asa mety ho hitanao. Ho tianao ve ilay izy? (Mpito. 3:12, 13) Hoatran’ny ahoana ny any am-piasana? Inona no henonao momba an’ilay orinasa? Tsy mampidi-doza ve ilay asa? Tia mifaninana ve ny olona ao? Mitaky be loatra ve ny mpampiasa? Ohatrinona ny karama? Mahavelona ve izany? Mbola misy zavatra mila ianaranao foana ve raha te ho voatazona amin’ilay asa ianao? Fa ny zava-dehibe indrindra dia hoe ho afaka hanao loha laharana an’ilay Fanjakana ve ianao raha manao an’ilay izy. (Mpito. 12:13) Tsy afaka mifidifidy aloha isika raha vitsy ny asa e! Miankina amin’ny fianarana fidinao anefa ny asa hataonao any aoriana any. Nianatra nanjaitra nandritra ny enim-bolana, ohatra, i Tabitha avy any Inde. Hoy izy: “Hitako hoe mety ho afaka hanao mpisava lalana aho raha manjaitra no asako. Mampanjaitra foana mantsy ny olona, moa izaho ihany no mifidy ny fotoana iasako. Tsy mitaky vola be koa ny fanaovana an’ilay izy.” Nanampy an’i Tabitha hanao mpisava lalana ny fianarana nataony.
17. a) Inona no azonao atao mba hahitana fanazavana hanampy anao hahay hanapa-kevitra amin’ny resaka fianarana? b) Inona ny torolalana hanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara? (Jereo ilay hoe “Torolalana Tsara Hodinihina.”)
17 Niresaka zavatra maro mila saintsainina isika tato. Aiza no ahitanao fanazavana hanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara? Mandehana any amin’ilay sekoly na tsidiho ny tranonkalany mba hahalalanao an’izay fianarana atao ao. Karohy hoe inona avy ny asa mifanaraka amin’io fianarana io. Miresaha amin’ny olona efa nahavita an’ilay fianarana na efa manao an’ilay asa tianao hatao. (Ohab. 13:10) Anontanio azy ny lafy tsarany sy lafy ratsin’ilay fianarana na ilay asa. Miresaha amin’ny olona faly manompo an’i Jehovah. (Ohab. 15:22) Inona ny fianarana na asa atoron-dry zareo? Mety ho asa tsy noeritreretinao akory aza no horesahiny.
18. Inona no tokony hotadidintsika?
18 Hitantsika teo fa misy lafy tsarany sy lafy ratsiny daholo ny fianarana fanampiny. Diniho tsara àry ny safidy anananao, dia mivavaha momba an’izany. Mety hanampy anao hahazo an’izay ilainao ny fianarana fanampiny. Ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah ihany anefa no tena mahasambatra. (Sal. 16:9, 11) Hikarakara ny vahoakany foana izy na nahita fianarana ry zareo na tsia. (Heb. 13:5) Raha nanapa-kevitra ianao fa hanao fianarana fanampiny, dia inona no hanampy anao ho akaiky an’i Jehovah foana mandritra ny fianaranao? Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.
HIRA 45 Izay Saintsainiko ato Am-poko
a FANAZAVANA: Ny hoe “fianarana fanampiny” ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka dia ny fianarana na fampiofanana atao aorian’ny fianarana eny amin’ny lise. Tsy takin’ny lalàna izany fianarana izany. Anisan’izany ny fianarana eny amin’ny oniversite, ivon-toerana ambony, fampiofanana arak’asa, fianarana asa, fiofanana ara-teknika, na karazany hafa.
b Tsy nampirisika ny Kristianina hanao fianarana ambony ny bokintsika taloha. Miresaka ny loza vokatr’izany, ohatra, ilay lahatsoratra hoe “Ry Ray Aman-dreny, Hoavy Manao Ahoana no Irinareo ho An’ny Zanakareo?” (Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2005) Mbola misy foana ireny loza ireny, nefa anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra raha hanao fianarana fanampiny izy na tsia. Anjaran’ny Kristianina tsirairay sy ny loham-pianakaviana manan-janaka tsy ampy taona no manapa-kevitra momba an’izany. Inona àry ny tokony hataony alohan’ny hanapahana hevitra? Mila misaintsaina ny torolalan’ny Baiboly izy, mivavaka, sady mandinika ny mombamomba an’ilay fianarana. Tsy misy afaka mitsara ny fanapahan-kevitry ny Kristianina momba an’izany, na dia ny anti-panahy aza.—Jak. 4:12.