13-19 JOLAY 2026
HIRA 127 Olona Tokony Hanao Ahoana moa Aho?
Ampiasao Hampiofanana ny Feon’ny Fieritreretanao ny Torolalan’ny Baiboly
“Samy hitondra ny entany avy ... ny tsirairay.”—GAL. 6:5.
HEVITRA HODINIHINA
Ahoana no ampiasantsika ny torolalan’ny Baiboly mba hampiofanana tsara ny feon’ny fieritreretantsika?
1-2. a) Inona no fanomezana nomen’i Jehovah an’i Adama sy Eva? b) Ahoana no azon’izy ireo nampisehoana hoe nankasitraka an’izany ry zareo?
BAIKOIN’NY fahaizana voajanahary ny biby. Ny robot indray izay asaina ataony ihany no ataony. Tsy hoatr’izany anefa ny olona. Nahazo fanomezana miavaka isika tamin’ny noforonina, ary sarobidy amintsika Kristianina izy io. Tsy inona izany fa ny safidy malalaka, na ny fahaizana manapa-kevitra na manao safidy samirery. Milaza ny Baiboly fa natao mitovy endrika amin’Andriamanitra na misy itovizana aminy i Adama. (Gen. 1:26, 27) Zavaboary manan-tsaina i Adama sy Eva ka afaka nandray fanapahan-kevitra.
2 Tsy nomen’i Jehovah lisitra-na lalàna lava be i Adama sy Eva. Noteneniny fotsiny ry zareo mba hikarakara ny tany, hiteraka maro mba hameno azy io, ary hanaiky hoe izy ihany no manana zo hamaritra an’izay azon’izy ireo atao. (Gen. 1:28; 2:16, 17) Rehefa jerena izay rehetra nomen’i Jehovah azy mivady, dia tokony ho nankatò an’ireo didy tsotra ireo ry zareo mba hampisehoana hoe tia azy sady te hampifaly azy.—Ohab. 23:15.
3. Ahoana no nampiasan’i Adama sy Eva an’ilay safidy malalaka nananany?
3 Milaza ny Baiboly fa tsy nampiasa tsara an’ilay safidy malalaka nananany i Adama sy Eva. Nisafidy hikomy tamin’i Jehovah kosa ry zareo. Hita hoe tia tena ry zareo fa tsy tia sy nankasitraka an’i Jehovah. (Gen. 3:1-7) Mbola mizaka ny vokatry ny fanapahan-keviny isika hatramin’izao.—Rom. 5:12.
4. a) Inona no tsy maintsy ataontsika rehetra, araka ny Galatianina 6:5? (b) Inona no hodinihintsika ato?
4 Sarotra be izao ny fiainana. Be dia be ny fanapahan-kevitra tsy maintsy raisintsika isan’andro. (Vakio ny Galatianina 6:5.) Misy tsotra fa ny hafa kosa sarotra. Ahoana àry no handraisantsika fanapahan-kevitra mampifaly an’i Jehovah? Tsy maintsy miaiky aloha isika hoe mila ny fanampiany. (Ohab. 16:3; Jer. 10:23) I Jesosy aza olona lavorary nefa niaiky hoe nila an’izany. (Heb. 5:7) Mainka moa fa isika! Tena mila ny fanampian’i Jehovah isika. Nomen’Andriamanitra feon’ny fieritreretana koa isika, mba hanampiana antsika handray fanapahan-kevitra tsara. Andao izay no horesahintsika.
INONA NO ATAO HOE FEON’NY FIERITRERETANA?
5. a) Inona no atao hoe feon’ny fieritreretana? b) Ahoana avy no anampian’izy io antsika? (Romanina 2:14, 15)
5 Ny feon’ny fieritreretana dia ny fahaizana mamantatra ny atao hoe tsara sy ratsy. (2 Kor. 4:2) Manana azy io na dia ny olona tsy mahafantatra ny lalàn’Andriamanitra aza. Hoatran’ny hoe mpitsara ao anatintsika ao izy io, ka manameloka antsika na manala tsiny antsika noho ny zavatra eritreretintsika na ataontsika. (Vakio ny Romanina 2:14, 15.) Mampitandrina antsika izy io raha mitady hanao ratsy isika. (1 Sam. 26:8-11) Mandrisika antsika hanao ny tsara koa anefa izy io. Tsy hoe rehefa manana safidy malalaka akory isika, dia heken’i Jehovah daholo ny fanapahan-kevitra raisintsika. Tokony hanampy antsika hanavaka an’izay fanapahan-kevitra tsara sy ratsy ny feon’ny fieritreretantsika.
6. Nahoana no tsy azo ianteherana foana ny feon’ny fieritreretantsika?
6 Mety tsy hiasa tsara anefa ny feon’ny fieritreretantsika indraindray. Tsy lavorary mantsy izy io, hoatr’antsika ihany. Mety hisy vokany ratsy amin’izy io ny fomba nitaizana antsika, ny kolontsaintsika, ary ny fanirian-dratsy ao anatintsika. Milaza ny Baiboly fa mety ‘halemy’, ho “voaloto”, na ho “voatomboky ny vy mahamay” ny feon’ny fieritreretantsika. (1 Kor. 8:12; Tit. 1:15; 1 Tim. 4:2) Tsy afaka manampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara ny feon’ny fieritreretana hoatr’izany, fa toy ny mizana tsy marina mila fanamboarana. Mila ezaka mitohy àry ilay hoe mampiofana ny feon’ny fieritreretana mba hiasa tsara foana ilay izy. (1 Pet. 3:16) Ahoana no hanaovana an’izany?
AHOANA NO HAMPIOFANANA NY FEON’NY FIERITRERETANA?
7-8. a) Ahoana no ampiofanantsika ny feon’ny fieritreretantsika? b) Nahoana no afaka mitari-dalana antsika ny torolalan’ny Baiboly? Hazavao amin’ny ohatra. (Jereo koa ny sary.)
7 Mampiofana ny feon’ny fieritreretantsika isika rehefa mamaky Baiboly isan’andro sy mianatra an’izay lazain’i Jehovah hoe tsara sy ratsy. Hanampy antsika hahalala ny fomba fisainan’i Jehovah koa ny mianatra ny lalàny. Voafetra ihany anefa ny azontsika ampiharana ny lalàna, araka ny hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Tsy maintsy mikaroka torolalana koa àry isika, satria izy ireny no manampy antsika hahazo ny fomba fisainan’i Jehovah sy ny fihetseham-pony amin’ny toe-javatra samihafa.—Isaia 55:9.
8 Azo oharina amin’ny olona mamakivaky tany efitra isika eo amin’ny fiainana. Eritrereto hoe mandeha any an-tany efitra ianao nefa tsy misy arabe na lala-masaka na takela-by famantarana eny. Mety hanampy antsika ihany ny mijery hoe avy aiza ny masoandro no miposaka. Ny sarintany anefa no mety hanampy antsika kokoa, satria mampiseho ny zavatra hitantsika eny an-dalana, ohatra hoe havoana na renirano. Lasa matoky isika hoe tsy diso lalana. Tiantsika raha mampifaly an’i Jehovah isika eo amin’ny fiainana. Izany no tanjontsika. Hoatran’ny sarintany manampy antsika hanao an’izany ny Baiboly. Ny torolalan’ny Baiboly kosa azo oharina amin’ireo zavatra hitantsika eny an-dalana. Rehefa manaraka an’ireny torolalana ireny isika dia ho tratrantsika ny tanjontsika.
Azo oharina amin’ny zavatra hitantsika eny an-dalana ny torolalan’ny Baiboly, satria manampy antsika hatoky hoe tsy diso lalana isika (Fehintsoratra 8)
9. Inona koa no manampy antsika hampiofana ny feon’ny fieritreretantsika, araka ny Romanina 9:1?
9 Mila ny fanampian’ny fanahy masina isika raha te hampiofana tsara ny feon’ny fieritreretantsika. (Vakio ny Romanina 9:1.) Hanampy antsika hahazo ny fomba fisainan’i Jehovah izy io. Afaka manatanjaka antsika sy mandrisika antsika hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah koa izy io. (Fil. 2:13) Ahoana anefa no hahazoantsika ny fanampian’ny fanahy masina?
10. Ahoana no hahazoantsika ny fanampian’ny fanahy masina? (Lioka 11:10, 13)
10 Mivavaha mba hahazo fanahy masina. (Vakio ny Lioka 11:10, 13.) Afaka matoky isika hoe malala-tanana i Jehovah rehefa manome fanahy masina. (Jaona 3:34) Omeny fanahy masina izay manaraka ny fitarihan’izy io. (Ohab. 1:23; Jak. 1:5) Inona koa no hanampy antsika hampiofana ny feon’ny fieritreretantsika?
11. a) Inona no tena tokony ho tanjontsika eo amin’ny fiainana? b) Nahoana no mila atao azo antoka hoe voaofana tsara sady miasa tsara ny feon’ny fieritreretantsika?
11 Miezaha mba hankasitrahan’i Jehovah foana. (Ohab. 8:34, 35) Izany no tena tokony ho tanjontsika eo amin’ny fiainana. Raha tadidintsika foana io tanjona io na inona na inona atrehintsika, dia hanampy antsika hampiofana ny feon’ny fieritreretantsika izany. Ahoana no hahitana hoe voaofana tsara ny feon’ny fieritreretan’ny olona iray? Mitovy fomba fisainana amin’i Jehovah izy, sady mitandrina mba tsy hampalahelo azy. Mihasarotra izao ny fiainana, dia vao mainka ilaintsika ny mampiofana tsara ny feon’ny fieritreretantsika. Tsy voalaza mazava ao amin’ny Baiboly izay tokony hataontsika amin’ny toe-javatra sasany, toy ny fialam-boly, asa, fianarana, na ny fifandraisana amin’ny hafa. Ahoana no ahazoantsika antoka hoe ankasitrahan’i Jehovah ny fanapahan-kevitra raisintsika amin’ny toe-javatra hoatran’ireo?—2 Kor. 1:12.
12. Inona no hanampy antsika hamantatra raha mpitari-dalana tsara ny feon’ny fieritreretantsika na tsia? (Efesianina 5:10)
12 Saintsaino izay vakinao ao amin’ny Baiboly. (Sal. 49:3) Rehefa mamaky Baiboly ianao dia mitadiava torolalana hanampy anao hahazo ny fomba fisainan’i Jehovah. (Vakio ny Efesianina 5:10.) Rehefa miatrika olana koa isika, dia mila mikaroka ny torolalan’ny Baiboly. Izany no ahitantsika raha manampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara ny feon’ny fieritreretantsika na tsia. (Ohab. 2:4-9, 11-13) Ireny torolalana ireny avy eo no hanampy antsika hanitsy ny feon’ny fieritreretantsika, amin’izay isika handray fanapahan-kevitra tsara foana.—Heb. 5:14.
13. Inona no tsy tokony hataontsika rehefa handray fanapahan-kevitra isika? Manomeza ohatra.
13 Tsy mety ny hoe manapa-kevitra aloha, dia avy eo vao mitady torolalana manohana an’iny. Tsy tiantsika ny hanahaka an’ireo Israelita nijanona tao Joda, taorian’ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Hoy ry zareo tamin’i Jeremia: “I Jehovah Andriamanitrao anie hilaza aminay ny lalana tokony halehanay sy izay tokony hataonay!” (Jer. 42:3-6) Efa nanapa-kevitra anefa ry zareo talohan’io hoe inona no hataony. Dia rehefa tsy nety tamin-dry zareo ny tari-dalan’i Jehovah, dia izay efa masaka tao an-tsainy no nataony. Loza ny vokany. (Jer. 42:19-22; 43:1, 2, 4) Alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra àry, dia mila mikaroka ny torolalan’ny Baiboly isika mba hahalalantsika ny fomba fisainan’i Jehovah. Mila manao zavatra mifanaraka amin’izany isika avy eo.
14. Nahoana isika no tokony hanaraka ny torolalan’ny Baiboly rehefa handray fanapahan-kevitra?
14 Mandraisa fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny torolalan’ny Baiboly. (Mat. 7:24-29; Jak. 1:23-25) Manaiky hotarihin’ny fanahy masina isika rehefa mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny torolalan’ny Baiboly. Homen’i Jehovah ny fanahiny foana isika amin’izay. (Asa. 5:32) Manao izay “hampalahelo” ny fanahy masina na manohitra azy io kosa isika raha tsy manaraka ny fitarihany. (Efes. 4:30; Isaia 63:10; Asa. 7:51) Mety hesorin’i Jehovah amintsika izy io amin’izay. (Sal. 51:11; 1 Tes. 5:19) Ratsy be izany satria mila hery avy amin’ny fanahiny isika.—Efes. 3:16.
AHOANA NO HAHITANA TOROLALANA METY HANAMPY ANTSIKA?
15-16. a) Ahoana no hahitana torolalana azo ampiharina? b) Inona no torolalan’ny Baiboly afaka manampy ny mpianatra iray hiala amin’ny sigara?
15 Ampiasao ireo fitaovana fianarana. Mila mahay mikaroka an’ireo torolalana ao amin’ny Baiboly isika vao ho afaka hampihatra azy ireny. Ahoana, ohatra, raha sarotra amin’ny mpianatrao ny miala amin’ny sigara? Mety hiteny izy hoe: ‘Ny Baiboly aza tsy miresaka momba ny fifohana sigara, dia ahoana no hahalalantsika hoe tsy mety ny mifoka sigara?’ Ahoana no hanampiana azy hahita ny torolalana ilainy sy hisaintsaina an’izany? Azo ampiasaina, ohatra, ilay Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azonao atoro azy ilay lohatenikely hoe “Sigara sy Paraky.” Misy an’ilay lohatenina lahatsoratra hoe “Fahotana ve ny Mifoka Sigara?”, eo ambanin’io lohatenikely io. (Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 2014.) Inona ny andinin-teny sy torolalana mety ho hitany rehefa mamaky an’ilay lahatsoratra izy?
16 Ireto misy torolalana dimy azony saintsainina. 1) Tsy tokony handevozin-javatra mety hahafaty antsika isika. (Rom. 6:16) 2) Tsy tokony hanao zavatra manimba ny fahasalamantsika isika. (2 Kor. 7:1) 3) Tian’i Jehovah hanompo azy amin’ny tenantsika manontolo isika. (Mat. 22:37) 4) Tsy tokony hanao zavatra manimba ny hafa isika. (Mat. 22:39; 1 Kor. 10:24) 5) Afaka manome hery antsika i Jehovah mba hanaovantsika ny tsara. (Fil. 4:13) Na tsy miresaka mivantana momba ny sigara aza ny Baiboly, dia afaka manampy ny mpianatrao hahalala ny fomba fisainan’i Jehovah ny torolalana ao.
17. Inona no azon’ny olon-droa atao mba hahitana torolalana hanampy an-dry zareo hanomana ny mariaziny?
17 Raha misy Kristianina manomana mariazy, dia ahoana no hahitan-dry zareo torolalana hanampy azy handray fanapahan-kevitra tsara? Mbola afaka manampy koa ny Fitaovana Fikarohana. Misy lahatsoratra maromaro ahitana ny torolalan’ny Baiboly eo ambanin’ilay lohateny hoe “Mariazy.” Ireto misy torolalana enina azon-dry zareo eritreretina: 1) Tokony hanome voninahitra an’i Jehovah ny zava-drehetra atao amin’ilay izy. (1 Kor. 10:31, 32) 2) Tokony ho mendrika sy ho maotina ny akanjontsika fa tsy hanafintohina ny hafa. (1 Tim. 2:9; 1 Pet. 3:3, 4) 3) Tsy tokony hampideradera fananana hoatran’ny olona eo amin’ny tontolon’i Satana isika. (Jaona 17:14; Jak. 1:27; 1 Jaona 2:15, 16) 4) Tokony hilamina tsara ny fandaharana rehetra. (1 Kor. 14:40) 5) Tsy tokony hisy fisotroana tafahoatra amin’ilay mariazy sao ho lasa tsy voafehy ilay fety. (Gal. 5:21) 6) Tokony hisy olona iray hiandraikitra an’ilay fanasana.—Jaona 2:8, 9.
18-19. a) Inona koa no fitaovana afaka manampy antsika? b) Inona no torolalana hanampy antsika hanapa-kevitra raha handray anjara amin’ny fety iray isika na tsia? (Jereo ilay hoe “Hitanao ve ny Torolalana Mifandray Amin ireto?”)
18 Betsaka koa no nahita fa tena mahasoa ilay boky hoe Andinin-teny Manampy Amin’ny Fiainantsika Kristianina. Misy foto-kevitra maromaro ao, ary misy lisitra-na andinin-teny isaky ny foto-kevitra. Misy fanontaniana maromaro miaraka amin’ny andinin-teny koa ao, ary hanampy anao hahita ny torolalan’ny Baiboly ireny. Mety hanontany, ohatra, ny Kristianina iray hoe: ‘Azo atao ve ny manatrika fety iray?’ Raha mijery an’ilay foto-kevitra hoe “Fety” izy, dia hahita an’ilay lohatenikely hoe “Fety tsy ataon’ny Kristianina.”
19 Jereo izay resahina eo ambanin’ilay fanontaniana hoe: “Fa maninona no tsy mety ny manao fety avy amin’ny fivavahan-diso? (1Ko 10:21; 2Ko 6:14-18; Ef 5:10, 11).” Misy karazana fety resahiny avy eo. Misy an’ireto fanontaniana ireto, ohatra, eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Fety mampiseho fitiavan-tanindrazana”: Tokony handray anjara amin’ny fety natao hahatsiarovana ny tantaran’ny firenena iray ve ny Kristianina? Tokony handray anjara amin’ny fety fahatsiarovana ady na fety fanomezam-boninahitra miaramila na mahery fon’ny firenena ve ny Kristianina? Tokony handray anjara amin’ny fety manindrahindra olona ve ny Kristianina? Misy torolalan’ny Baiboly tanisainy eo ambanin’ny fanontaniana tsirairay. Tena faly isika hoe omen’ny fandaminan’i Jehovah an’ireny fitaovana ireny mba hampiofanantsika ny feon’ny fieritreretantsika!
ATAOVY AZO ANTOKA HOE VOAOFANA TSARA NY FEON’NY FIERITRERETANAO
20. Ahoana no ahitana fa voaofana tsara ny feon’ny fieritreretantsika?
20 Sarobidy amintsika ilay hoe afaka misafidy. Fantatsika koa anefa fa tsy maintsy mampiofana ny feon’ny fieritreretantsika isika, mba hampifaly an’i Jehovah ny safidy ataontsika. Raha voaofana tsara izy io, dia hanampy antsika handray fanapahan-kevitra manome voninahitra an’i Jehovah sy mifanaraka amin’ny sitrapony. Mila ny fanampian’ny fanahy masina isika mba hahavitana an’izany. Tsy maintsy mangataka azy io foana àry isika sady manaraka ny fitarihany. Manampy antsika hampiofana ny feon’ny fieritreretantsika koa ny torolalan’ny Baiboly. Andao hampiasaintsika tsara àry ireo fanomezana ireo, dia ho hitantsika fa mahasoa antsika ny Tenin’Andriamanitra.—2 Tim. 3:16, 17; Heb. 4:12.
HIRA 135 Miangavy Anao i Jehovah hoe: “Hendre, Anaka”