27 JOLAY–2 AOGOSITRA 2026
HIRA 56 Raiso Am-po ny Fahamarinana
Miezaha Hatanjaka Ara-panahy Foana Rehefa Manao Fianarana Fanampiny
“Efa misy fandrosoana vitantsika ... ka andao isika hiezaka handroso hoatr’izany foana.”—FIL. 3:16.
HEVITRA HODINIHINA
Torolalana efatra hanampy antsika hatanjaka ara-panahy foana rehefa manao fianarana fanampiny.
1-2. a) Inona no tokony hotohizinao foana, raha mieritreritra ny hanao fianarana fanampiny ianao? b) Inona no dikan’ilay hoe ‘mandroso hoatr’izany foana’? (Filipianina 3:16)
MIFIDY ny hanao fianarana fanampiny ny mpanompon’i Jehovah sasany, rehefa vita ny fianarany eny amin’ny lise. Izany, hono, no hanampy azy hahita asa hahafahany manompo an’i Jehovah. Raha mieritreritra ny hanao fianarana fanampiny àry ianao, dia inona no hanampy anao hifandray akaiky amin’i Jehovah foana? (Jak. 4:8a) Tsy maintsy hoe efa niatrika olana ianao teny amin’ny lise na talohan’izay. ‘Niezaka nandroso foana’ anefa ianao ary tsy nivadika tamin’i Jehovah, dia tokony hotohizinao foana izany.—Vakio ny Filipianina 3:16.
2 Matetika ilay teny grika nadika hoe ‘miezaka mandroso hoatr’izany foana’ no entina ilazana miaramila miara-mamindra sy miara-mandroso. Tokony hoe handroso foana ianao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, raha mieritreritra ny hanao fianarana fanampiny fa tsy hoe tsy manao fandrosoana na mihemotra. Hiresaka torolalana efatra isika ato. Tsy vaovao aminao ireo torolalan’ny Baiboly ireo. Efa nampihatra an’ireo ianao tamin’ny lasa, dia mbola mila mampihatra an’ireo rehefa manao fianarana fanampiny sy rehefa vita ny fianaranao.
TOHIZO FOANA NY FAHAZARANAO ARA-PANAHY
3. Raha manao fianarana fanampiny ianao, dia inona no mety ho vokatr’izany amin’ny fahazaranao ara-panahy?
3 Olana. Lasa be atao kokoa ianao rehefa manao fianarana fanampiny, dia mety hisy vokany amin’ny fahazaranao ara-panahy izany. Mazava aho azy fa te hanao tsara ny fianaranao ianao, kanefa mety ho lasa hanao an-tsirambina ny fanompoana an’i Jehovah. Mety hanomboka hanapatapaka fivoriana mihitsy aza ianao, tsy hanompo firy, tsy hahavita hamaky Baiboly isan’andro, ary zara raha mivavaka.—Apok. 2:4.
4. Inona no hanampy anao “ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo”? (1 Korintianina 15:58)
4 Vakio ny 1 Korintianina 15:58. Rehefa mandroso ihany ny bisikileta vao tsy mianjera. Hoatr’izany koa fa hijoro tsara foana ianao amin’ny lafiny ara-panahy raha mandroso ka miezaka ho “be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.” Tsy ny habetsahan’ny fotoana lany fotsiny no tafiditra amin’izany, fa eo koa ny antony anaovanao an’ilay izy. Tadidio hoe ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe kokoa noho ny fianarana. (Mat. 22:37) Hoy ilay anabavy atao hoe Samantha: “Nanapa-kevitra aho hoe hajanoko ny fianarana raha vao manelingelina ny fanompoako an’i Jehovah.”
5. Inona no azonao atao mba ho ny fanompoana an’i Jehovah foana no loha laharana eo amin’ny fiainanao?
5 Inona no azonao atao dieny mbola tsy manomboka ilay fianarana fanampiny? Ataovy azo antoka hoe i Jehovah foana no loha laharana eo amin’ny fiainanao. Saintsaino izao: ‘Inona no efa noeritreretiko hatao mba tsy ho tapatapaka mihitsy aho amin’ny fivoriana, fanompoana, ary ny fianarana samirery?’ (Jos. 1:8; Mat. 28:19, 20; Heb. 10:25) Diniho koa hoe inona no nataonao tamin’ianao teny amin’ny lise na talohan’izay mba hahavitanao an’ireo foana? Raha nisy tsy nety ny nataonao taloha, dia inona no hitanao hoe mila ahitsy? Miezaha ho be atao amin’ny fanompoana an’i Jehovah foana, na dia rehefa manao fianarana fanampiny aza. Ataovy tsara ny fianaranao, nefa aza atao ambanin-javatra ny ara-panahinao.a—Mat. 6:24.
6. Inona no fanontaniana azonao saintsainina? (Jereo koa ny sary.)
6 Rehefa manao an’ilay fianarana fanampiny ianao, dia miezaha handini-tena foana, ohatra hoe isam-bolana. Saintsaino hoe: ‘Mbola i Jehovah foana ve no loha laharana eo amin’ny fiainako?’ Efa misy zavatra tsy mety ao raha mitranga ireto: Tapatapaka amin’ny fivoriana na tara lava, any amin’ilay fianarana foana ny saina nefa ny fivoriana mandeha, na amin’ny vidéoconférence ihany no mivory fa tsy mivantana. Jereo koa sao dia lasa tsy mazoto mivavaka na mamaky Baiboly hoatran’ny taloha intsony ianao, na adidy fotsiny no anaovanao fanompoana. Raha mitranga ireo dia manaova zavatra haingana. Aza avela haka ny toerana tokony ho an’i Jehovah ny fianarana.
Aza avela hisakana anao tsy hanao loha laharana ny fanompoana an’i Jehovah ny fianaranao (Fehintsoratra 6)
‘MAHAIZA MISAINA TSARA FOANA’
7. Mety hisy vokany eo amin’ny toe-tsainao ve ny fanaovana fianarana fanampiny?
7 Olana. Mety hampianarina ‘filozofia sy hevitra mamitaka tsy misy fotony’ ianao, arakaraka ny fianarana fidinao. (Kol. 2:8) Anisan’izany ny evolisiona sy ny hoe tsy misy Andriamanitra. Mety hampianarina hiantehitra amin’ny fahaizanao koa ianao. Izao, ohatra, no nolazain’ny rahalahy iray: “Tsy hoe nampianarina zavatra vaovao fotsiny izahay, fa novolavolaina koa ny toe-tsainay, ary matetika ilay izy no mifanohitra amin’ny fomba fisainan’i Jehovah. Nampianarina anay, ohatra, hoe raha te ho tafita ianao dia mila miantehitra amin’ny fahaizanao. Tsy tafiditra ao anaty kajy mihitsy anefa i Jehovah amin’izany. Lasa sarotra tamiko àry ny niantehitra taminy.”
8. Nahoana no zava-dehibe ilay hoe ‘mahay misaina tsara foana’? (Ohabolana 5:1, 2)
8 Vakio ny Ohabolana 5:1, 2. Mampirisika antsika hahay hisaina tsara foana ny Baiboly. Misy mitady hanimba mantsy ny fahaizantsika misaina. (1 Pet. 5:8) Mety hanimba ny finoanao, ohatra, ny fomba fisainan’izao tontolo izao. Lasa tsy tena eken’ny sainao intsony izay ampianarin’ny Baiboly momba ny fitondran-tena, ny niandohan’ny fiainana, ary ny hoe misy ve Andriamanitra sa tsia. Lazain-dry zareo hoe ambony, hono, ny fomba fisainany nefa mirefarefa amin’ny tany. “Hadalana” ireny amin’Andriamanitra.—1 Kor. 3:18-20.
9. Inona no azonao atao mba hatanjaka tsara foana ny finoanao?
9 Inona no azonao atao dieny mbola tsy manomboka ilay fianarana fanampiny? Ataovy matanjaka tsara ny finoanao dieny mbola tsy miditra ianareo. Hahay hisaina tsara foana ianao amin’izay. Saintsaino, ohatra, hoe: ‘Fa maninona aho no mino an’Andriamanitra? Ahoana no ahalalako hoe Teniny ny Baiboly? Nahoana aho no resy lahatra hoe izay lazain’ny Baiboly momba ny fitondran-tena no tsara kokoa noho ny an’izao tontolo izao?’ Eritrereto koa izao: Efa nampianarina ny fomba fisainan’izao tontolo izao ianao teny amin’ny lise na talohan’izay. Lasa tsy tena nino ve ianao hoe misy ny Mpamorona rehefa nisy nilaza hoe mino ny evolisiona izy? Sarotra taminao ve ny nanda rehefa noteren’ny mpiara-mianatra taminao hanao zavatra ratsy ianao? Raha hitanao hoe nisy tsy nety ny nataonao taloha, dia inona no azonao atao izao mba hatoky ianao hoe izay ampianarin’ny Baiboly no tsara indrindra? Miezaha hahay hisaina tsara foana rehefa manao fianarana fanampiny.—2 Tim. 2:16-18.b
10. Inona no azonao atao mba hahay hisaina tsara foana ianao?
10 Miezaha handini-tena foana rehefa manao an’ilay fianarana fanampiny. Eritrereto hoe: ‘Misy vokany ratsy amiko ve ny fomba fiainan’ny olona manodidina ahy? Tonga dia haiko ve ny manavaka ny fahendren’olombelona? Tena resy lahatra ve aho hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka mamaha ny olana mahazo ny olombelona?’ Mazotoa mianatra ny Tenin’Andriamanitra, mba hahaizanao misaina tsara foana. Vao mainka ianao ho resy lahatra hoe izay lazain’ny Baiboly no marina rehefa mazoto mianatra azy io sy misaintsaina ianao.—1 Tim. 4:15.
AMPIASAO TSARA NY FOTOANANAO
11. Nahoana no mety ho sarotra ny mampiasa tsara ny fotoana rehefa manao fianarana fanampiny?
11 Olana. Mety haka be amin’ny fotoananao ny fianarana fanampiny, indrindra rehefa misy fanadinana na zavatra mila vitaina maika. Raha tsy hainao tsara ny mampiasa ny fotoananao, dia mety hiady saina be ianao na harary mihitsy. Tsy tokony hataonao ambanin-javatra anefa ny fahasalamanao.
12. Inona avy no tokony hampidirinao ao amin’ny fandaharam-potoananao, raha te ‘hampiasa tsara ny fotoananao’ ianao? (Efesianina 5:15, 16)
12 Vakio ny Efesianina 5:15, 16. Mety ho sarotra aminao ilay hoe ‘mampiasa tsara ny fotoananao.’ Be atao be mantsy ianao. Mila mianatra, ohatra, ianao, nefa mbola zava-dehibe noho izany ny fiarahana amin’ny fianakaviana sy ny mpiara-manompo. (Sal. 133:1; Ohab. 18:1) Eo koa ny fifandraisanao amin’i Jehovah, ary izay no zava-dehibe indrindra. (Mat. 6:33) Mety hanana andraikitra ara-pianakaviana sy asa mila sahanina koa aza ianao. Tsy vitan’izay fa mila manao ampy torimaso sy manao fanatanjahan-tena koa ianao mba hikarakarana ny fahasalamanao. (Mpito. 4:6; 1 Tim. 4:8) Tena mila mahay mampiasa tsara ny fotoananao àry ianao mba hahavitana an’ireo rehetra ireo.
13. Inona no azonao atao mialoha mba hahaizanao mampiasa tsara ny fotoananao?
13 Inona no azonao atao dieny mbola tsy manomboka ilay fianarana fanampiny? Milaza ny Baiboly fa hahomby izay mandamina mialoha. (Ohab. 21:5) Alamino tsara àry ny fotoananao dieny mbola tsy miditra ianareo. Inona no hanampy anao amin’izany? Saintsaino hoe nahay nandamina tsara ny fotoananao ve ianao teny amin’ny lise na talohan’izay? Raha hitanao hoe nisy tsy nety ilay izy, dia inona no fanovana azonao atao izao? Alamino tsara ny fotoananao mba hahafahanao mamita an’izay rehetra tokony hataonao.c
14. Inona no fanontaniana hanampy anao handini-tena?
14 Miezaha handini-tena foana rehefa manao an’ilay fianarana fanampiny. Saintsaino izao: ‘Ampy torimaso tsara ve aho sady afaka manao fanatanjahan-tena? Mbola manam-potoana iarahana amin’ny mpiara-manompo ve aho? Vitako ara-potoana ve ny devoarako? Raha tsy vita, dia ilay izaho be atao ve no mahatonga an’izany sa ilay izaho mangataka andro? Hitan’ny fianakaviako sy ny namako ve hoe mila manao fanovana aho?’ Na mila manao fanovana ianao, na mila miezaka mifehy tena kokoa fotsiny, dia tokony hataonao haingana izany. Azonao atao mihitsy aza ny miresaka amin’ny olona mahay mandamina tsara ny fandaharam-potoanany.—Ohab. 11:14.
‘MIARAHA FOANA AMIN’NY HENDRY’
15. Inona ny olana mety hatrehinao rehefa manao fianarana fanampiny ianao?
15 Olana. Mety hotaomin’ny mpiara-mianatra aminao hiaraka amin-dry zareo ianao rehefa ilay tsy mianatra iny ianareo. Tsy te handa angamba ianao. Mety ho betsaka mantsy ny zavatra itovizanareo, indrindra moa raha hoe any am-pianarana no tena andanianao ny fotoananao. Mety hieritreritra mihitsy aza ianao hoe ry zareo no azoazonao kokoa noho ny mpiara-manompo sasany. Mila mitandrina ianao raha izany. Marina hoe miray kilasy ianareo, nefa tsy mitovy mihitsy ny fitsipika arahinareo. Misy vokany aminao ny toe-tsain-dry zareo, arakaraka ny fotoana iarahanao aminy. (1 Kor. 15:33) Miaiky an’izany i Michael, izay niofana ho elektrisianina nandritra ny efa-taona. Hoy izy: “Niasa foana aho ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma, dia lasa tsy nampaninona ahy ilay ry zareo niteny ratsy sy tsy nanaja vehivavy ary nihaino mozika tsy mety amin’ny Kristianina.”
16. Inona no dikan’ny hoe “miaraka amin’ny hendry”? (Ohabolana 13:20)
16 Vakio ny Ohabolana 13:20. Mampitandrina antsika ny Baiboly hoe mampidi-doza ny naman-dratsy. Milaza kosa izy io hoe “ho hendry izay miaraka amin’ny hendry.” Mazava ny lesona tiany hampitaina: Misy vokany tsara na ratsy amintsika ny olona ifaneraserantsika. Miezaha hinamana amin’ny olona manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo hoatr’anao, satria ireny no tena mitady izay hahasoa anao.—Sal. 101:6, 7; 119:63.
17. Inona no azonao atao mba tsy hiarahana amin’ny naman-dratsy?
17 Inona no azonao atao dieny mbola tsy manomboka ilay fianarana fanampiny? Asio fetrany ny fiarahana amin’ny mpiara-mianatra aminao. Izao no nolazain’i Trenton: “Tsara fanahy amin’ny mpiara-mianatra aminay aho, nefa tsy miaraka amin-dry zareo aho rehefa ivelan’ny ora fianarana. Mpiara-mianatra no andraisako an-dry zareo fa tsy hoe namana akaiky.” Ary ianao? Ahoana no ataonao? Saintsaino izao: Nasianao fetrany ve ny fiarahana tamin’ny mpiara-mianatra taminao teny amin’ny lise na talohan’izay? Raha hitanao hoe nisy tsy nety ny nataonao, inona no fanovana azonao atao izao? Miezaha ‘hiaraka amin’ny hendry’ foana, ary aza mifanerasera be loatra amin’ny olona tsy tia an’i Jehovah.d
18. Inona avy ny fanontaniana tokony hosaintsaininao? (Jereo koa ny sary.)
18 Miezaha handini-tena foana. Saintsaino hoe: ‘Sao dia mifandray be loatra amin’ny mpiara-mianatra amiko aho? Efa manomboka manahaka ny fanaon-dry zareo sy ny fiteniny ary ny toe-tsainy ve aho? Ahoana no fahitan’i Jehovah ny fifandraisako amin-dry zareo?’ (Sal. 1:1) Manaova zavatra avy hatrany raha hitanao hoe misy fanovana mila ataonao. Ataovy azo antoka hoe olona tia an’i Jehovah hoatr’anao no ataonao namana akaiky. Aza misalasala koa mitory amin’ny mpiara-mianatra aminao. Ianao mantsy no tsara toerana indrindra mba hahampy an-dry zareo hahalala ny fahamarinana.
Aza misalasala mitory amin’ny mpiara-mianatra aminao (Fehintsoratra 18)e
MIOMÀNA DIENY IZAO
19. Inona no azonao atao mba hiarovanao ny fifandraisanao amin’i Jehovah, rehefa manao fianarana fanampiny ianao? Hazavao amin’ny ohatra.
19 Ahoana, ohatra, raha hitsangantsangana any anaty ala ny olona iray? Hendry izy raha miomana tsara alohan’ny handehanana, na dia tsy ho fantany daholo aza ny olana mety hitranga any. Ataony azo antoka hoe matanjaka tsara izy, mety tsara amin’ilay izy ny akanjony, ary fantany tsara ny toerana halehany. Azo oharina amin’izany koa ilay hoe manao fianarana fanampiny. Ataovy matanjaka tsara foana ny finoanao, “tafio daholo izay fiadiana omen’Andriamanitra”, ary manàna tanjona. Inona no tokony ho tanjonao? Ny hanome voninahitra an’i Jehovah amin’izay rehetra ataonao, fa tsy ny ho tafita araka ny ieritreretan’izao tontolo izao azy.—Efes. 6:11-13; 1 Kor. 9:26, 27; 10:31.
20. Mila ‘mandini-tena foana ianao mba hahitana raha ao amin’ny finoana na tsia.’ Ahoana no hanaovanao an’izany?
20 Mampirisika antsika ny Baiboly hoe: “Miezaha handini-tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo na tsia, ary fantaro tsara foana hoe manao ahoana ny tenanareo.” (2 Kor. 13:5) Afaka manao an’izany ianao mandritra an’ilay fotoana anaovanao fianarana fanampiny. Miezaha handini-tena foana amin’ireo lafin-javatra noresahina tato. Mbola mitohy tsara foana ve ny fahazaranao ara-panahy? Miezaka hisaina tsara foana ve ianao, ka tsy hanaraka ny fahendren’izao tontolo izao? Ampiasainao tsara ve ny fotoananao? Miezaka hinamana amin’ny mpiara-manompo ve ianao sady tsy miaraka amin’ny naman-dratsy? Mila misaintsaina an’ireo ianao na any am-pianarana, na any am-piasana, na any an-toeran-kafa. Miezaha hanana finoana matanjaka foana, na inona na inona atrehinao. Matokia hoe hotahin’i Jehovah ny ezaka ataonao.—Ohab. 3:5, 6.
HIRA 87 Andao Haka Fampaherezana
a Misy soso-kevitra hanampy anao ho be atao amin’ny fanompoana foana ao amin’ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org hoe “Manontany ny Tanora... Ahoana no Hataoko Rehefa Vita Batisa? Fizarana 1: Tohizo Izao Efa Ataonao Izao.”
b Misy soso-kevitra hanampy anao hisaina tsara foana ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Aza Manaiky ho Voafitaky ‘ny Fahendren’ity Tontolo Ity’”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Mey 2019.
c Misy soso-kevitra hanampy anao hanana fandaharam-potoana tsara ao amin’ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org hoe “Manontany ny Tanora... Ahoana no Handaminako ny Fotoanako?”
d Misy soso-kevitra hanampy anao hifidy tsara ny olona ifaneraseranao ao amin’ilay lesona 48 hoe “Fidio Tsara ny Namanao”, ao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!
e FANAZAVANA SARY: Mianatra manao volo ny anabavy iray, dia mitory amin’ny mpiara-mianatra aminy sady mahay mandanjalanja tsara.