6-12 JOLAY 2026
HIRA 98 Avy Amin’Andriamanitra ny Soratra Masina
Nahoana no Tena Ilaina ny Torolalan’ny Baiboly?
“Manao fanompoana masina [ho an’Andriamanitra] ianareo ... sady mampiasa tsara ny sainareo.”—ROM. 12:1.
HEVITRA HODINIHINA
Inona no atao hoe torolalana, ary ahoana no hamantarana azy ireny rehefa mamaky Baiboly?
1-2. a) Nahoana ny Baiboly no lazaina hoe boky tranainy? b) Nahoana no mbola azo ampiharina amin’izao ny zavatra resahin’ny Baiboly?
BOKY tranainy ny Baiboly. Nanomboka nosoratana izy io 3 500 taona teo ho eo izay, ary efa ho 2 000 taona izay no nahavitany. Na izany aza, dia mbola velona sy mahery “ny tenin’Andriamanitra” hita ao amin’izy io. (Heb. 4:12; 2 Tim. 3:16, 17) Olona an-tapitrisany izao no afaka milaza fa nanampy an-dry zareo hiatrika ny fiainana ny Baiboly.
2 Nahoana no mbola mahasoa hatramin’izao io boky tranainy io? Ireto misy antony roa: Voalohany, avy amin’ilay ‘Andriamanitra velona’, izany hoe ilay Mpamorona hendry indrindra, ny hafatra ao amin’ny Baiboly. (1 Tim. 4:10; Rom. 16:26, 27) Faharoa, tsy mety lany andro ny torolalana ao amin’izy io. Mahasoa foana ireny torolalana ireny na taloha na amin’izao, ary na inona na inona olana atrehin’ny olona.
3. Inona ny fanontaniana hovaliantsika ato?
3 Inona no atao hoe torolalan’ny Baiboly? Nahoana izy ireny no tena ilaintsika amin’izao? Ahoana no hamantarana torolalana rehefa mamaky Baiboly? Hovaliana ato ireo fanontaniana ireo. Ho hitantsika koa hoe nahoana ny fampianaran’i Jesosy no manasongadina fa tena ilaina ny torolalana.
INONA NO ATAO HOE TOROLALAN’NY BAIBOLY?
4. Inona no atao hoe torolalan’ny Baiboly?
4 Fahamarinana fototra iorenan’ny lalàn’Andriamanitra no atao hoe torolalan’ny Baiboly. Tonga dia misongadina ao amin’ny lalàna ny torolalana indraindray. (Mat. 22:37) Voafaritra tsara ny lalàna, nefa mbola tsara kokoa noho ireny ny torolalana. Mety ho voafetra ihany mantsy ny fotoana na ny toe-javatra azo ampiharana an’ireny lalàna ireny. Ny torolalana iorenan’izy ireny kosa azo ampiharina amin’ny toe-javatra samihafa, na taloha na amin’izao. (Sal. 119:111) Azo lazaina hoe fototry ny lalàna ny torolalana. Manampy antsika hahazo kokoa ny fomba fisainan’i Jehovah ny torolalan’ny Baiboly. Misy antony daholo ny lalàna tsirairay nataon’i Jehovah. Mila ovana ny lalàna indraindray, fa ny torolalana kosa tsy mety lany andro na lany daty.—Isaia 40:8.
5. Inona no tsy mampitovy ny lalàna sy ny torolalana? Hazavao amin’ny ohatra. (Jereo koa ny sary.)
5 Andao isika haka ohatra mba ho azontsika kokoa ny tsy mampitovy ny lalàna sy ny torolalana. Mety hiteny amin’ny zanany kely, ohatra, ny vehivavy iray hoe: ‘Aza mikasika an’io fatana io.’ Lalàna izany. Izao kosa ny torolalana iorenan’izy io: ‘Ho may ianao raha mikasika zavatra mahamay.’ Azo ampiharina amin’ny zavatra hafa ankoatra ny fatana io torolalana io, ohatra hoe fera fipasohana na zavatra hafa mahamay. Tsy voatery ho ao an-trano ihany no azo ampiharana azy fa na any an-toeran-kafa koa aza. Rehefa hampiasa fatana ilay zanany any aoriana any, dia mila mitandrina foana mba tsy ho may. Mety hiova àry ny lalàna fa ny torolalana iorenany kosa tsy miova.
Mety hiova ny lalàna fa ny torolalana iorenan’ilay izy kosa tsy miova (Fehintsoratra 5)
NAHOANA NO TENA ILAINA NY TOROLALAN’NY BAIBOLY?
6. a) Inona no nomen’i Jehovah antsika ao amin’ny Teniny? b) Ahoana no ahitana hoe manome voninahitra antsika i Jehovah?
6 Tia antsika i Jehovah dia manome antsika lalàna, amin’izay isika tsy hidiran-doza. (Jak. 2:11) Ampiany koa isika mba hahazo ny fomba fisainany na ny torolalana iorenan’ireny lalàna ireny. Dia ahoana indray rehefa tsy misy lalàna voafaritra tsara? Manome tari-dalana hanampy antsika amin’ny toe-javatra isan-karazany izy ao amin’ny Teniny. Afaka manampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara sy hanao izay mety ny torolalan’ny Baiboly. Manome voninahitra antsika i Jehovah, ka avelany handray fanapahan-kevitra isika mba hampisehoantsika hoe tiantsika izy ary te hankatò azy isika.—Gal. 5:13.
7. Nahoana no sarobidy ny torolalan’ny Baiboly? Hazavao amin’ny ohatra. (Jereo koa ny sary.)
7 Ahoana no hanampian’ny torolalan’ny Baiboly antsika? Diniho izao: Misy takela-by famantarana eny amin’ny arabe, any amin’ny tany sasany. Azo lazaina hoe lalàna ny eo amin’ny ankamaroan’ireny takelaka ireny, ary ho voasazy izay tsy manaraka azy ireny. Mety ho voalaza eo hoe firy ny hafainganam-pandeha farany ambony, na hoe tokony hajanona ny fiara. Betsaka koa anefa ny takela-by mampahafantatra ny mpamily hoe misy zavatra mety hampidi-doza. Ohatra hoe mety halama ny lalana na mety hisy biby hiampita tampoka. Mampiasa tsara ny sainy sady mitandrina tsara ny mpamily mahay rehefa mahita an’ireny fampitandremana ireny. Raha avy koa ny orana, dia mety handeha mora kokoa ilay mpamily. Hoatr’izany koa fa tsy manao an’izay zavatra raran’ny Tenin’Andriamanitra mivantana ny Kristianina. Mitandrina koa anefa isika mba tsy hieritreritra na hanao zavatra mety hahatonga antsika handika ny lalàn’Andriamanitra. Hahavita an’izany isika raha mahatakatra tsara ny fomba fisainan’i Jehovah.
Be dia be ny takelaka famantarana mampitandrina ny mpamily amin’izay zavatra mety hampidi-doza. Afaka manampy antsika hoatr’izany koa ny torolalan’ny Baiboly (Fehintsoratra 7)
8. Mampiofana antsika hanao inona ilay hoe mikaroka ny torolalan’ny Baiboly, araka ny Romanina 12:1, 2?
8 Nahoana koa no mahasoa antsika ny mikaroka ny torolalan’ny Baiboly sy mampihatra azy ireny? Mampiofana antsika hahafantatra ny fomba fisainan’i Jehovah, ohatra, izany. Rehefa mamaky tantara ao amin’ny Baiboly isika, dia mianatra mikaroka ny lesona azo ampiharina amin’ilay izy. Azontsika saintsainina hoe nahoana no nasain’i Jehovah natao ao amin’ny Teniny ireny lesona ireny, ary ahoana no handraisantsika soa amin’ilay izy. Hianatra ‘hampiasa tsara ny saintsika’ isika amin’izay mba hampifaliana an’i Jehovah. Miezaka isika mba hamantatra tsara ny “sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sy tena mety ary tonga lafatra.”—Vakio ny Romanina 12:1, 2.a
9. Inona koa ny soa azontsika rehefa manaraka ny torolalan’ny Baiboly isika? (Hebreo 5:13, 14)
9 Hihamatotra isika raha miezaka mampihatra ny torolalan’ny Baiboly. Hihatsara koa ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. (Vakio ny Hebreo 5:13, 14.) Mety hoe mila lisitra-na lalàna lava be ny ankizy mba hamantarany an’izay tokony hatao amin’ny toe-javatra isan-karazany. Mety ho tahotra ny ho voasazy fotsiny anefa no ankatoavany an’ireny. Tsy ataon’i Jehovah hoatran’ny ankizy kosa isika, fa entiny ho hoatran’ny olon-dehibe matotra. Matoky izy hoe handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny sitrapony isika, ary tena faly izy rehefa manao an’izany isika.—Sal. 147:11; Ohab. 23:15, 26; 27:11.
AHOANA NO HAMANTARANA NY TOROLALAN’NY BAIBOLY?
10. Ahoana no hamantarana ny torolalan’ny Baiboly?
10 Rehefa mikaroka lesona ao amin’ny Baiboly isika, dia hahita torolalana hanampy antsika hahazo ny fomba fisainan’i Jehovah sy izay tsapany momba ny toe-javatra iray. Hahita torolalana koa isika raha miezaka hamantatra ny antony nanaovana ny lalàna sasany. Raha azontsika tsara ireny antony ireny, dia vao mainka isika hahafantatra an’i Jehovah. Tsy maintsy mangataka fanampiana amin’i Jehovah anefa isika sady tsy maintsy miezaka manazatra ny fahaizantsika misaina, raha tiantsika ny hahazo ny fomba fisainany. (Ohab. 2:10-12) Afaka misaintsaina isika hoe: ‘Fa maninona Andriamanitra no nanome an’ity lalàna ity? Raha misy fitondran-tena halan’i Jehovah, dia ahoana no fiheverany ny fitondran-tena hafa mitovitovy amin’ilay izy? Inona no lesona ianarako avy amin’ity tantara ato amin’ny Baiboly ity? Dia ahoana no hampiharako an’izany eo amin’ny fiainako?’ Rehefa fantatsika ny antony nanaovana an’ilay lalàna sy ny lesona raisintsika avy amin’ilay tantara, dia ho afaka handray fanapahan-kevitra tsara isika eo amin’ny fiainana. Hifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah ny fanapahan-kevitsika amin’izay.
11. Ahoana no nanampian’i Jesosy antsika hahay hamantatra ny torolalan’ny Baiboly tao amin’ilay toriteniny teo an-tendrombohitra? (Jereo koa ny sary.)
11 Natoron’i Jesosy ny fomba hamantarana ny torolalan’ny Baiboly, tao amin’ilay toriteniny teo an-tendrombohitra. Hijery ohatra telo amin’izany isika. Nilaza an’ilay lalàna aloha i Jesosy. Avy eo izy nilaza ny antony nanomezana an’ilay lalàna na ny torolalana iorenany. Rehefa misaintsaina ny zavatra nolazain’i Jesosy isika, dia hahita hoe ahoana no hampiharana an’ireny torolalana ireny amin’izao androntsika izao. Ho hitantsika koa ny soa ho azontsika rehefa mampihatra azy ireny isika.
Nasehon’i Jesosy antsika tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra hoe ahoana no hamantarana ny torolalana iorenan’ny lalàn’Andriamanitra (Fehintsoratra 11)
12. Inona no anisan’ny torolalana iorenan’ilay lalàna ao amin’ny Matio 5:21, 22? (Jereo koa ny sary.)
12 Vakio ny Matio 5:21, 22. “Aza mamono olona.” Inona ny torolalana iorenan’io lalàna io? Tsy tian’i Jehovah hankahala olona isika, na amin’ny atao izany, na amin’ny teny, ary na any an-tsaintsika any aza. Asehon’i Jesosy avy amin’izany fa na dia tsy mamono olona aza isika, dia handika an’ilay torolalana ihany raha mankahala ny rahalahintsika. “Hatao ampamoaka” ny olona iray raha “tezitra foana amin’ny rahalahiny”, na manao teny manambany azy. Izany ihany mantsy no mahatonga ny famonoana olona.—1 Jaona 3:15.
13. Ahoana no ampiharantsika ny torolalana ao amin’ny Matio 5:21, 22? (Jereo koa ny sary.)
13 Ahoana no hampiharana ny torolalana ao amin’ny Matio 5:21, 22? Mila mitandrina isika mba tsy ho tezitra foana na hitana lolompo. (Lev. 19:18; Joba 36:13) Mety hahatonga antsika hankahala olona mantsy izany, ka mety hiteny na hanao zavatra mampahatezitra azy isika. (Ohab. 10:12) Tafiditra amin’izany ny fosafosa sy ny fanendrikendrehana, izay mety hanimba ny lazan’ny hafa. (Ohab. 20:19; 25:23) Na dia mbola tsy nisy akory aza ny tambazotran-tserasera sy ny pejy ao amin’ny Internet tamin’ny andron’i Jesosy, dia efa nanome torolalana izy. Manampy ny Kristianina matotra izy ireny mba hitandrina rehefa mampiasa fitaovana maoderina. Tsy tokony hanaratsy olona mihitsy anefa isika, na rahoviana na rahoviana, satria mety hanimba ny lazany izany.
(Fehintsoratra 12-13)
14. Inona ny torolalana iorenan’ilay lalàna ao amin’ny Matio 5:27, 28? (Jereo koa ny sary.)
14 Vakio ny Matio 5:27, 28. “Aza manitsakitsa-bady.” Inona ny torolalana iorenan’io lalàna io? Tsy ny fijangajangana ihany no halan’i Jehovah, fa ny eritreritra mahatonga ny olona hijangajanga koa. Nanazava i Jesosy fa efa nanota ny lehilahy iray, raha tsy mitsahatra mijery vehivavy (ankoatra ny vadiny) ka maniry hanao firaisana aminy. Tokony hohalavirina tanteraka àry ny eritreri-dratsy, na dia mitaky ezaka be aza izany. (Mat. 5:29, 30) Mihatra amin’ny Kristianina mpitovo koa io torolalana io.
15. Ahoana no ampiharantsika ny torolalana ao amin’ny Matio 5:27, 28? (Jereo koa ny sary.)
15 Ahoana no hampiharana ny torolalana ao amin’ny Matio 5:27, 28? Mila mitandrina isika mba tsy hieritreri-dratsy? (2 Sam. 11:2-4; Joba 31:1-3) Tsy mijery sary vetaveta mihitsy àry ny Kristianina matotra, na inona na inona karazany. Tsy mieritreritra izy hoe: ‘Mijery fotsiny ange aho fa tsy hoe mijangajanga e!’ Tsy hoatran’ny olona eo amin’izao tontolo izao isika, ka hihevitra hoe tsy dia mampaninona ny sary vetaveta sasany. Mbola tsy nisy fitaovana elektronika na filma na sary tamin’ny andron’i Jesosy. Na izany aza, dia manampy antsika hahalala ny fahitan’i Jehovah ny zavatra aparitaka amin’ireny fitaovana maoderina ireny ny torolalana nomen’i Jesosy. Hitantsika avy amin’izany hoe halan’i Jehovah ny mandefa zavatra vetaveta na manao resaka vetaveta amin’ny telefaonina, na manao zavatra vetaveta amin’ny Internet. Tsy hivadika amin’ny vadiny ny olona manambady, raha manaraka an’io torolalana io. (Mal. 2:15) Hanampy antsika rehetra koa izany, na manambady na tsia, mba tsy hanao zavatra mety hahatonga antsika hijangajanga.—Ohab. 5:3-14.
(Fehintsoratra 14-15)
16. Inona ny torolalana iorenan’ilay lalàna ao amin’ny Matio 5:43, 44? (Jereo koa ny sary.)
16 Vakio ny Matio 5:43, 44. “Tiavo ny namanao.” Inona ny torolalana iorenan’io lalàna io? Tian’i Jehovah horaisintsika ho namana ny olona rehetra, ka hotiavintsika. Mampalahelo fa diso ny fomba nampiharan’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy an’io lalàna io, ka nieritreritra ry zareo hoe afaka mankahala ny fahavalony izy. Fantatr’i Jesosy anefa hoe tsy izany no nanaovan’i Jehovah an’io lalàna io. Fantany fa tian’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra horaisintsika ho namana ny olona rehetra, na inona na inona firazanany na fiaviany.—Mat. 5:45-48.
17. Inona ny soa azontsika rehefa mampihatra ny torolalana ao amin’ny Matio 5:43, 44 isika? (Jereo koa ny sary.)
17 Ahoana no hampiharantsika ny torolalana ao amin’ny Matio 5:43, 44? Tia ny namantsika isika dia tsy hidikiditra amin’ny adin’izao tontolo izao. (Isaia 2:4; Mika 4:3) Izany fitiavana izany no mahatonga antsika ho tsara fanahy amin’ny olona tsy mitovy firazanana, na fiaviana, na fivavahana amintsika. (Asa. 10:34, 35) Hanampy antsika koa izy io, mba hamela an’izay nanao zavatra nampalahelo antsika na ny olona tiantsika.—Mat. 18:21, 22; Mar. 11:25; Lioka 17:3, 4.
(Fehintsoratra 16-17)
AMPIHARO FOANA NY TOROLALAN’NY BAIBOLY
18. a) Tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika? b) Inona no horesahintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
18 Faly isika fa entin’i Jehovah hoatran’ny olon-dehibe fa tsy hoatran’ny ankizy. Tiany hampihatra ny torolalan’ny Baiboly isika rehefa handray fanapahan-kevitra. (1 Kor. 14:20) “Fantaro foana [àry] izay sitrapon’i Jehovah”, isaky ny handray fanapahan-kevitra ianao. (Efes. 5:17) Hifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah ny fanapahan-kevitra raisintsika raha tia azy isika, fa tsy hoe matahotra ny ho voasazy fotsiny. Hanampy antsika handray fanapahan-kevitra mampifaly an’i Jehovah koa ny feon’ny fieritreretana. Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.
HIRA 95 Mihamazava ny Lalantsika
a Matetika ny Kristianina no ampirisihina handinika tsara ny torolalan’ny Baiboly. Mila azontsika tsara hoe inona no ifandraisan’ny torolalana iray amin’ny torolalana hafa, sy hoe inona no ifandraisan’ireny torolalana ireny amin’ilay fanapahan-kevitra horaisintsika. Afaka mampiasa ny fahaiza-misaina nomen’i Jehovah antsika isika, mba handraisana fanapahan-kevitra voalanjalanja tsara sy mampifaly ny fony. Hotahiny ilay izy amin’izay. Mbola nila nianatra nanao an’izany ireo Jiosy lasa Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Tsy maintsy nanaraka lalàna be dia be noforonin’ny mpitondra fivavahana mantsy ry zareo talohan’izay.