13-19 APRILY 2026
HIRA 52 Fanokanan-tena ho An’Andriamanitra
Azonao ve ny Dikan’ny Batisa?
‘Ampianaro ny olona mba ho lasa mpanara-dia ahy, [dia] ataovy batisa.’—MAT. 28:19.
HEVITRA HODINIHINA
Inona no dikan’ny batisa? Nahoana izy io no zava-dehibe? Ary inona avy no tafiditra amin’izy io?
1. Inona no manaporofo fa anisan’ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ny batisa?
FALY BE isika rehefa misy olona atao batisa! Hoatr’izany koa no tsapan’ireo nanatrika ny fivoriana voalohany nataon’ny fiangonana kristianina. Nisy batisa mantsy tamin’izay, dia nisy lahateny nanazava an’ilay fampianarana fototra momba ny batisa. (Asa. 2:38, 40, 41) Nilaza ny apostoly Paoly fa anisan’ny “fampianarana fototra momba an’i Kristy ... ny fampianarana momba ny batisa samihafa.” (Heb. 6:1, 2) Na dia hoatran’ny hoe tsotra aza ny fampianarana momba ny batisa, dia mila azontsika tsara izy io. Nahoana?
2. Nahoana no mila azontsika tsara ny fampianarana momba ny batisa?
2 Matanjaka tsara ny trano rehefa tsara fototra. Hatanjaka tsara koa ny finoantsika raha azontsika tsara ny fampianarana momba ny batisa. Mila mahazo tsara azy io daholo isika, na vao miezaka ny hatao batisa na efa an-taonany maro no vita batisa. Hamaly an’ireto àry isika ato: Inona no dikan’ny batisa? Inona avy no tafiditra amin’ny batisan’ny Kristianina? Ary nahoana isika no atao batisa amin’ny anaran’ny Ray, sy amin’ny anaran’ny Zanaka, ary amin’ny anaran’ny fanahy masina?
INONA NO DIKAN’NY BATISANAO?
3. Inona no asehontsika rehefa atao batisa isika?
3 Rehefa atao batisa ianao, dia asehonao amin’ny besinimaro hoe manaiky ny fahamarinana momba an’i Jehovah Andriamanitra sy Kristy Jesosy ianao, nibebaka tamin’ny fahotanao, nanitsy ny fiainanao mba hanompoana an’i Jehovah, ary manaiky fa i Jesosy no ampiasain’Andriamanitra mba hamonjena antsika. Asehonao koa hoe efa niresaka tamin’Andriamanitra tamin’ny vavaka ianao fa te hanao ny sitrapony miaraka amin’ny fandaminany. Rehefa avy nanao an’io voady na fanokanan-tena io ianao ary natao batisa, dia manomboka mandeha eo amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.
4. Inona no dikan’ilay hoe aroboka tanteraka ao anaty rano? (Jereo koa ny sary.)
4 Rehefa atao batisa ianao dia aroboka tanteraka ao anaty rano ka hoatran’ny hoe alevina.a Avoaka avy ao anaty rano ianao avy eo ka hoatran’ny hoe atsangana indray. (Ampitahao amin’ny Kolosianina 2:12.) Manasongadina ny fiovana be nataonao ny batisa. Rehefa ilay misitrika ao anaty rano iny mantsy ianao, dia mampiseho hoe efa nialanao ny fomba fiainanao taloha. Rehefa mivoaka avy ao indray ianao, dia mampiseho hoe manomboka fiainana vaovao ka ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra no tena imasoanao.
Rehefa atao batisa ianao dia miala amin’ny fomba fiainanao taloha ary manomboka fiainana vaovao, ka ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra no tena imasoanao (Fehintsoratra 4)
5. Nahoana ny ezaka ataonao mba hiomanana ho amin’ny batisa no mitovy amin’ny asa nataon’i Noa tamin’izy nanamboatra an’ilay sambofiara? (1 Petera 3:18-21)
5 Vakio ny 1 Petera 3:18-21. Azo ampitahaina amin’ny asa nataon’i Noa tamin’izy nanao an’ilay sambofiara ny ezaka ataonao mba ho vonona ho amin’ny batisa. Raha vao manomboka mianatra momba an’i Jehovah ianao, dia mety ho sarotra be hoatran’ny nanao an’ilay sambofiara ihany ny fahitanao ny ezaka mila ataonao. Tena ilaina anefa ve ny miezaka? Ie. Eritrereto ange i Noa e! Andriamanitra mihitsy no nanao ny planin’ilay sambofiara. Tsy maintsy nanaraka tsara an’io planina io i Noa mba ho tafavoaka velona tamin’ilay Safodrano. Nankatò izy ka nahavita nanamboatra an’ilay sambofiara satria nanam-pinoana sady nampian’Andriamanitra. Hahavita hanaraka “ny didy rehetra nomen’Andriamanitra” koa ianao, hoatran’i Noa ihany.—Gen. 6:22.
6. Nahoana no lazaina fa mamonjy anao ny batisa?
6 Milaza ny apostoly Petera eo amin’ny andininy faha-21 hoe “mamonjy anareo ny batisa.” Tsy hoe tonga dia voavonjy akory ianao rehefa aroboka ao anaty rano, na hoe tonga dia voafafa ny fahotanao. Ny ran’i Jesosy ihany mantsy no manadio antsika amin’ny fahotana. (1 Jaona 1:7) Tena zava-dehibe anefa ny batisa satria Andriamanitra mihitsy no mandidy antsika hanao an’izany. Rehefa atao batisa koa isika dia ‘mangataka amin’Andriamanitra feon’ny fieritreretana madio.’ Ho faly i Jehovah hamela ny fahotantsika amin’ny alalan’ny soron’i Jesosy. Amin’izay heviny izay ny batisa no ‘mamonjy antsika.’
INONA NO TAFIDITRA AMIN’NY BATISAN’NY KRISTIANINA?
7. Ahoana no fanaovana batisa?
7 Milaza ny Baiboly fa mila aroboka tanteraka ao anaty rano ny olona atao batisa. Tsy miresaka tsipiriany hafa ankoatra an’izay izy io. Manampy antsika hahalala an’izay tokony hatao amin’ny batisa anefa ny Soratra Masina. Manampy an’ireo atao batisa, ohatra, ny torolalana ao mba hahafantarany ny fitafiana mety. Misy torolalana manampy ny mpanatrika hitondra tena tsara koa ao. (1 Kor. 14:40; 1 Tim. 2:9) Anti-panahy matetika no mandroboka. Tsy manindrahindra an’izay manana an’izany tombontsoa izany anefa isika. (1 Kor. 1:14, 15) Ankoatra izay, dia manan-kery foana ny batisa na betsaka na kely ny olona manatrika an’ilay izy.—Asa 8:36.
8. Inona avy ny fanontaniana apetraka amin’ny olona atao batisa, ary nahoana? (Asan’ny Apostoly 2:38-42) (Jereo koa ny sary.)
8 Resahin’ny Baiboly fa tokony ‘hanambara ampahibemaso’ ny zavatra inoantsika isika mba ho voavonjy. (Rom. 10:9, 10; f.a.p.) Amin’ny andron’ny batisa isika no tena mila manao an’izany. Misy an’ireto fanontaniana roa ireto àry apetraka amin’ireo hatao batisa: Voalohany, “efa nibebaka tamin’ireo fahotanao sy nanokan-tena ho an’i Jehovah ve ianao, ary mampiseho fa ekenao ny famonjeny amin’ny alalan’i Jesosy Kristy?” Manasongadina ny zavatra ataon’ny olona iray alohan’ny batisa io fanontaniana io, ary mitovitovy amin’ny zavatra nasain’i Petera nataon’ilay vahoaka tamin’ny Pentekosta. Izao kosa ny faharoa: “Mazava aminao ve fa rehefa atao batisa ianao, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah sady lasa anisan’ny fandaminany?” Mampahatsiahy antsika io fanontaniana io hoe mila miaina mifanaraka amin’ny fanokanan-tenantsika isika, ka manaraka ny tari-dalan’ny fandaminan’i Jehovah ary manompo miaraka amin’ny Kristianina hafa hoatran’ny mpianatra tamin’ny taonjato voalohany. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:38-42.) Mahafeno fepetra hatao batisa izay afaka mamaly hoe eny amin’ireo fanontaniana ireo.
“Manambara ampahibemaso” ny zavatra inoanao ianao rehefa atao batisa, ary mahatonga anao ho voavonjy izany (Fehintsoratra 8)d
9. Inona no tsy maintsy ataontsika tsirairay mba hankasitrahan’Andriamanitra isika?
9 Mety hoe efa nadio fitondran-tena ianao sady tsy nanao fahotana lehibe mihitsy, na dia mbola tsy nianatra ny fahamarinana aza. Na koa hoe notezaina tao amin’ny fahamarinana ianao ary nampian’ny ray aman-dreninao ho tia an’i Jehovah. Raha izany, mbola mila mibebaka sy atao batisa ve ianao mba hankasitrahan’Andriamanitra? Ie. Nandova ota mantsy isika rehetra ka tafasaraka tamin’Andriamanitra. (Sal. 51:5) Rehefa lasa nahafantatra an’i Jehovah anefa isika, dia nifidy hoe ny sitrapony no hataontsika alohan’ny antsika. Nibebaka noho ny fahotantsika àry isika, niova, ary nanomboka fiainana vaovao mampifaly an’ilay Raintsika any an-danitra. Azo atao batisa isika aorian’izay.—Asa 3:19.
10. Inona no tokony hataonao raha efa natao batisa tany amin’ny fivavahana hafa ianao?
10 Na dia efa natao batisa tany amin’ny fivavahana hafa aza ianao, dia mbola mila atao batisa vao ho lasa Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana? Satria mbola tsy tena nahalala ny marina momba an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy ianao tamin’izany. Ary na dia nanokan-tena ho an’Andriamanitra tamin’ny vavaka aza ianao, dia tsy manan-kery ilay fampanantenana nataonao satria mbola tsy nahalala tsara ny sitrapony ianao. Nihaona tamin’ny mpianatra vitsivitsy ny apostoly Paoly tany Efesosy. Efa natao batisa ry zareo saingy tamin-dry zareo mbola tsy nahalala ny fampianarana kristianina. Nasain’i Paoly natao batisa fanindroany àry ry zareo.b (Asa. 19:1-5) Hoatr’izany koa amin’izao. Rehefa manana fahalalana marina tsara momba ny sitrapon’Andriamanitra ihany ny olona iray vao manan-kery ny batisany.
“AMIN’NY ANARAN’NY RAY SY AMIN’NY ANARAN’NY ZANAKA ARY AMIN’NY ANARAN’NY FANAHY MASINA”
11. Inona no dikan’ny hoe atao batisa amin’ny “anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina”? (Matio 28:18-20)
11 Nasain’i Jesosy atao batisa “amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina” ny mpianatra vaovao. (Vakio ny Matio 28:18-20.) Inona no dikan’izany? Ny lazan’ny olona iray matetika no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘anarana’ ao amin’ny Baiboly. Mety ho tafiditra amin’izany koa ny andraikitra sy ny fahefan’ilay olona mitondra an’ilay anarana. Rehefa manao zavatra “amin’ny anaran’ny” olona iray na zavatra iray àry isika, dia mampiseho hoe manaiky ny fahefany na ny anjara asany. (Ampitahao amin’ny Matio 10:41.) Andao hojerentsika àry hoe ahoana no ampisehoantsika fa ekentsika ny andraikitra sy ny fahefan’ny Ray sy ny Zanaka ary ny anjara asan’ny fanahy masina.
12. Inona no dikan’ny hoe atao batisa amin’ny anaran’ny Ray? (Apokalypsy 4:11) (Jereo koa ny sary.)
12 Amin’ny anaran’ny Ray. Ekentsika hoe Raintsika any an-danitra na Mpanome Aina antsika i Jehovah. Izy ilay Andriamanitra mahery indrindra sy Mpamorona ny zava-drehetra. (Vakio ny Apokalypsy 4:11.) Miaiky koa isika hoe Mpihaino vavaka izy. Manaja tsara àry isika sady tsy misalasala mampiasa an’io anarana io rehefa mivavaka sy rehefa miresaka amin’ny hafa momba azy. (Sal. 65:2) Tsy ampy anefa izany raha te hatao batisa amin’ny anaran’ny Ray isika. Efa nahafantatra an’i Jehovah, ohatra, ny olona nihaino an’i Petera tamin’ny Pentekosta. Mbola nila niaiky anefa ry zareo hoe nataon’io Raintsika be fitiavana io izay hahafahan’ny olona hiaina mandrakizay amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.—Rom. 5:8.
Na dia efa vita batisa aza ianao, dia asehoy foana hoe ekenao ny andraikitra sy ny fahefan’ny Ray (Fehintsoratra 12)
13. Inona no dikan’ny hoe atao batisa amin’ny anaran’ny Zanaka? (Jereo koa ny sary.)
13 Amin’ny anaran’ny Zanaka. Ekentsika hoe Zanaka lahitokan’Andriamanitra i Jesosy. Izy no “lalana” satria amin’ny alalany ihany no ahafahantsika mifandray tsara amin’i Jehovah. (Jaona 14:6) Mpanavotra antsika koa i Jesosy, satria maty ho antsika izy mba hahazoantsika fiainana. Lasa te hanahaka azy isika mandritra ny androm-piainantsika fa tsy hoe amin’ny andron’ny batisantsika ihany. (1 Jaona 2:6) Mazoto mitory hoatr’azy àry isika ka tsy misy avelantsika hisakana antsika. (Lioka 4:43) Vonona hiaritra fanenjehana mihitsy aza isika noho isika tsy mivadika amin’Andriamanitra. (2 Tim. 3:12) Manaja an’i Jesosy koa isika noho izy “lohan’ny fiangonana.” Faly àry isika mankatò an’ireo asainy mitarika sy mikarakara ny mpanara-dia azy.—Efes. 4:8, 11, 12; 5:23.
Na dia efa vita batisa aza ianao, dia asehoy foana hoe ekenao ny andraikitra sy ny fahefan’ny Zanaka (Fehintsoratra 13)
14. a) Inona no dikan’ny hoe atao batisa amin’ny anaran’ny fanahy masina? (Jereo koa ny sary.) b) Inona koa ny batisa atao amin’ny voahosotra? (Jereo koa ilay hoe “Batisa Atao Amin’ny Voahosotra.”)
14 Amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ekentsika ny marina momba ny fanahy masina. Tsy olona izy io sady tsy anisan’ny Andriamanitra telo izay iray. Hery ampiasain’Andriamanitra kosa izy io. Ekentsika hoe ny fanahy masina no nitarika ny mpaminany sy ny mpanoratra Baiboly. Mamaky Baiboly tsy tapaka àry isika sady manaraka ny fampianarana ao amin’izy io. (2 Pet. 1:20, 21) Mitandrina koa isika mba tsy hanao fahotana lehibe satria misakana ny fanahin’Andriamanitra tsy hiasa amintsika sy ny fiangonana izany.—Efes. 4:30.
Na dia efa vita batisa aza ianao, dia asehoy foana hoe ekenao ny anjara asan’ny fanahy masina (Fehintsoratra 14)
15. Tokony hiezaka hanao inona isika?
15 Raha efa vita batisa ianao, dia miezaha hahazo tsara “ny fampianarana momba ny batisa samihafa.”c Miezaha koa hiaina mifanaraka amin’ny fampanantenana nataonao tamin’i Jehovah tamin’ianao nanokan-tena sy natao batisa. Ahoana anefa raha mbola tsy vita batisa ianao? Misy zavatra misakana anao ve? Hanampy anao ho vonona ho amin’ny batisa ny lahatsoratra manaraka.
HIRA 161 Ny Manao ny Sitraponao no Mahasambatra Ahy
a Ilay teny grika hoe baptisma, izay nadika hoe “batisa”, dia midika hoe “fandrobohana.” Aroboka tanteraka ao anaty rano àry ny olona iray rehefa atao batisa, fa tsy fafazana rano fotsiny hoatran’ny ampianarin’ny fivavahana sasany.
b Natao batisa tamin’ny “batisan’i Jaona” ireo mpianatra tany Efesosy ireo. (Asa. 19:3) Nampirisihin’i Jaona Mpanao Batisa ny Jiosy mba hibebaka tamin’ny fahotany noho ry zareo tsy nahavita nankatò ny Lalàn’i Mosesy. (Mar. 1:4, 5) Nataon’i Jaona batisa izay nibebaka. Tsy neken’i Jehovah intsony anefa ny batisan’i Jaona rehefa tsy nanan-kery intsony ny Lalàna. Nanomboka tamin’izay, dia ‘batisa iray’ ihany no ahazoana famonjena.—Efes. 4:5.
c Jereo ao amin’ny jw.org sy ao amin’ny JW Library®, ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly”, ilay lahatsoratra hoe “Inona no Atao hoe Batisa?”
d FANAZAVANA SARY: Mitsangana ireo olona hatao batisa amin’ny fivoriambe anankiray, ary manao fanambarana ampahibemaso ny zavatra inoany.