FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Febroary p. 2-7
  • Ampio Ireo Havanao Tsy Vavolombelona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio Ireo Havanao Tsy Vavolombelona
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • MIEZAHA HANGORAKA AN-DRY ZAREO
  • AZA MIFANTOKA AMIN’IZAY ZAVATRA TSY METY LAZAINY NA ATAONY
  • MIEZAHA HANAM-PAHARETANA SY HO BE FANANTENANA FOANA
  • ASEHOY HOE TIANAO RY ZAREO
  • AZA MANARY TOKY
  • ‘Tsy Mitondra Fihavanana’ ny Fahamarinana fa ‘Mitondra Sabatra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Henoy Tsara ny Valin’ireto Fanontaniana Ireto
    2025-2026 Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Faritra Miaraka Amin’ny Mpiandraikitra ny Faritra
  • Miantehera Amin’i Jehovah Rehefa Hanapa-kevitra
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Mbola Mahasoa Anao ve Ireo Fampianarana Fototra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Febroary p. 2-7

6-12 APRILY 2026

HIRA 82 ‘Aoka Hamirapiratra ny Fahazavanareo’

Ampio Ireo Havanao Tsy Vavolombelona

“Aza mba reraka manao ny tsara mihitsy.”​—GAL. 6:9.

HEVITRA HODINIHINA

Inona no azontsika atao raha tiantsika ny hifandray tsara foana amin’ireo havantsika tsy Vavolombelona sy hanampy azy ireo hahafantatra an’i Jehovah?

1-2. Inona no mety hahatonga antsika tsy hifandray tsara amin’ny havantsika tsy Vavolombelona?

HOY i Jesosy tamin’ny lehilahy iray te hanara-dia azy: “Modia any amin’ny havanao, dia tantarao amin-dry zareo daholo izay nataon’i Jehovah taminao.” (Mar. 5:19) Fantatr’i Jesosy mantsy hoe tian’ny olona ny mizara vaovao tsara amin’ny havany.

2 Tadidinao ve izay tsapanao tamin’ianao vao naheno ny vaovao tsara? Tsy andrinao angamba ny hiresaka an’ilay izy tamin’ny havanao! Mety ho tsy nahaliana an-dry zareo anefa ilay izy, na nampisy olana teo aminareo satria tsy nety tsara ny fomba niresahanao azy. Raha izany, dia inona no hanampy anao hifandray tsara amin’ny havanao foana na hihavana amin-dry zareo indray nefa tsy handika ny fitsipiky ny Baiboly?

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Handinika an’ireto isika ato: 1) Nahoana ny fangorahana no handrisika antsika hanampy ny havantsika tsy Vavolombelona na dia tsy liana aza ry zareo? 2) Nahoana isika no tsy tokony hifantoka amin’ny zavatra tsy mety lazainy na ataony? 3) Nahoana isika no mety hanampy ny havantsika hanaiky ny fahamarinana raha manam-paharetana sy be fanantenana? Ary 4) ahoana no ampisehoantsika hoe tiantsika ry zareo?

MIEZAHA HANGORAKA AN-DRY ZAREO

4. Ahoana no nataon’i Jesosy tamin’ireo olona tsy liana tamin’ny hafatra notoriny?

4 Tsy mora kivy i Jesosy rehefa tsy liana ny olona nitoriany. Nohariny tamin’ny olona iray nikarakara tanimboaloboka ny tenany. Nikely aina izy io nikarakara aviavy iray tsy namoa mba hahatonga an’ilay izy hamokatra. (Lioka 13:6-9) Efa telo taona mahery i Jesosy no niezaka nanampy ny Jiosy hanam-pinoana tamin’izy nilaza an’io fanoharana io. Nahoana izy no niezaka nanampy foana? Nangoraka an-dry zareo izy, dia izany no nahatonga azy hanam-paharetana tamin-dry zareo.

5. Inona no nahatonga an’i Jesosy hangoraka an’ireo Jiosy mpiray firenena taminy?

5 Nangoraka an’ireo Jiosy mpiray firenena taminy i Jesosy, satria tsy nanampy an-dry zareo hahafantatra ny marina momba an’i Jehovah ny mpitondra fivavahana. Hitan’i Jesosy hoe “hoatran’ny ondry tsy misy mpiandry” ry zareo. (Mar. 6:34) Nitomany mafy an’i Jerosalema mihitsy aza izy taloha kelin’ny nahafatesany. Fantany mantsy hoe ho faty ny ankamaroan’ny mponina tao satria tsy nanam-pinoana. (Lioka 19:41-44) Raha mangoraka ny havantsika hoatr’izany koa isika, dia vao mainka te hanampy an-dry zareo.

6. Nahoana isika no tokony hanam-paharetana amin’ny havantsika tsy Vavolombelona? (Galatianina 6:9)

6 Vakio ny Galatianina 6:9. Na dia mbola tsy liana aza ny havantsika amin’izao, dia tokony hanam-paharetana amin-dry zareo isika sady tsy ho reraka ‘hanao ny tsara mihitsy.’ Fantatsika mantsy hoe elaela ny olona iray vao lasa mino an’i Jehovah sy mahavita miala amin’ny zavatra ninoany hatry ny ela. Na ianao aza taloha mety mba anisan’ireo ‘tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an’Andriamanitra, teo amin’izao tontolo izao.’ (Efes. 2:12) Azo inoana hoe nisy nanampy ianao tamin’izay. Tsy mba te hanampy ny fianakavianao koa ve ianao mba hahafantaran-dry zareo kokoa an’i Jehovah?

AZA MIFANTOKA AMIN’IZAY ZAVATRA TSY METY LAZAINY NA ATAONY

7. Inona no nety ho nahatonga ny rahalahin’i Jesosy tsy hino azy?

7 Azo inoana hoe naheno momba ny fahagagana nataon’i Jesosy tany Galilia ireo rahalahiny iray tam-po aminy. (Lioka 4:14, 22-24) Tsy tonga dia nino azy anefa ry zareo. (Jaona 7:5) Fa maninona? Tsy miresaka an’izany ny Baiboly. Resahina ao kosa hoe nahoana ny Jiosy sasany no tsy nanara-dia an’i Jesosy. Misy antony roa, fara fahakeliny. Nisy natahotra sao hailikiliky ny fiaraha-monina. (Jaona 9:18-22) Ny hafa kosa efa nahafantatra an’i Jesosy hatramin’izy mbola kely, dia hoatran’ny tsy neken’ny sain-dry zareo mihitsy hoe solontenan’Andriamanitra izy. (Mar. 6:1-4) Nisy vokany tamin’ny rahalahin’i Jesosy angamba izany toe-tsaina izany. Mety ho hoatr’izany koa ve ny havanao?

8. Inona no mety hahatonga ny havantsika hiteny na hanao zavatra mampalahelo antsika?

8 Fantaro hoe nahoana ry zareo no milaza na manao zavatra mampalahelo anao. Nilaza ny havan’i Jesosy, indray mandeha, hoe “lasa adala izy.” (Mar. 3:21) Anisan’ny niteny an’izany koa angamba ny rahalahiny. Inona no nety ho nahatonga an-dry zareo hilaza an’izany? Resahin’ny teny manodidina hoe be atao be i Jesosy tamin’io, ka tsy nanam-potoana hisakafoana akory. (Mar. 3:20) Nieritreritra ve ny havany hoe nafana fo tafahoatra izy? Mety ho izay. Mety hieritreritra koa ny havantsika hoe mifantoka loatra amin’ny fivavahantsika isika. Raha izany no eritreretin-dry zareo, dia tokony hasehontsika amin’ny ataontsika fa tena mahay mandanjalanja isika.

9. Inona no azontsika atao mba hiova ny fiheveran’ny havantsika ny Vavolombelon’i Jehovah? (1 Petera 3:1, 2) (Jereo koa ny sary.)

9 Miezaha ho tsara fanahy sy hahay handanjalanja foana. Mety hiova ny fiheveran’ny havantsika ny Vavolombelon’i Jehovah raha asehontsika amin’ny teny sy ny atao hoe tsara fanahy isika. (Vakio ny 1 Petera 3:1, 2.) Inona, ohatra, no mety ho tsapan’ny lehilahy iray tsy Vavolombelona rehefa mandeha mivory sy manompo ny vadiny? Mety ho sosotra izy na hieritreritra hoe tsy misy miraharaha. Inona no azon’ilay anabavy atao raha tsy tiany hieritreritra an’izany ilay rangahy? Azony amboarina angamba ny fotoana anaovany fanompoana mba ho afaka hiaraka kokoa izy roa. Mety hifidy ny handeha hanompo, ohatra, izy rehefa miasa ny vadiny na tsy ao an-trano. Raha mahay mandanjalanja ny anabavy, dia mety hiova ny fiheveran’ny vadiny ny Vavolombelon’i Jehovah.

Sary: 1. Anabavy iray mikarakara sakafo antoandro sy kafe ho an’ilay vadiny tsy Vavolombelona alohan’ny handehanan’ilay rangahy miasa. 2. Mitory isan-trano miaraka amin’ny anabavy iray izy avy eo, ka mampiasa ny telefaoniny mba hizarana ny fahamarinana amin’ny vehivavy iray.

Raha tsara fanahy amin’ny vadinao ianao, na amin’ny teny na amin’ny atao, dia mety hiova ny fiheverany antsika Vavolombelona (Fehintsoratra 9)f


10. Ahoana no hanahafantsika an’i Jesosy rehefa misy manaratsy antsika?

10 Tsy voatery hamaly foana ianao rehefa misy manaratsy anao. Tsy niaro tena be i Jesosy rehefa nendrikendrehin’ny olona hoe tendan-kanina sy mpiboboka divay. Nasainy nijery ny zava-misy kosa ny olona. (Mat. 11:19) Nasehony tamin’ny fomba fiainany fa nahay nandanjalanja izy. (Ampitahao amin’ny Jaona 2:2, 6-10.) Aza mieritreritra koa hoe tsy maintsy valianao daholo izay lazain’ny havanao momba anao. Asehoy amin’ny ataonao kosa hoe mahay mandanjalanja sy mankafy fiainana ianao. Ry zareo ihany amin’izay no hahita ny tena marina. Dia raha maheno fanaratsiana momba ny Vavolombelon’i Jehovah ry zareo, dia ho hainy hoe diso izany.

MIEZAHA HANAM-PAHARETANA SY HO BE FANANTENANA FOANA

11. Ahoana no nitondran’i Jesosy an’ireo iray tam-po aminy?

11 Hita amin’ireo fitantarana ao amin’ny Filazantsara hoe nanam-paharetana tamin’ny rahalahiny foana i Jesosy. Azo antoka, ohatra, hoe teo koa ry zareo tamin’ilay fahagagana voalohany nataon’i Jesosy tany Kana. (Jaona 2:11, 12) Hitantsika teo hoe tsy nino an’i Jesosy ireo iray tam-po aminy ireo. Tsy hoe tsy nifandray tamin-dry zareo intsony anefa izy. Hita hoe tsara fanahy i Jesosy niresaka tamin-dry zareo, telo taona teo ho eo taorian’ilay fahagagana voalohany nataony tany Kana, araka ny fitantaran’ny Baiboly.​—Jaona 7:5-8.

12. Inona no hanampy antsika hanantena foana hoe mbola hisy hiova ny havantsika?

12 Efa nianarantsika fa tena mamindra fo i Jehovah. Manantena foana àry isika hoe mety mbola hanompo azy ny havantsika. Rehefa rava ny fivavahan-diso, dia mety ho tadidin-dry zareo fa efa niresaka an’izany isika.a (Apok. 17:16) Mety hanompo an’i Jehovah miaraka amintsika mihitsy aza ry zareo rehefa manomboka ny fahoriana lehibe. Na amin’izao aza anefa, dia manao izay azo atao isika mba hanampiana ny havantsika rehefa miatrika zava-tsarotra ry zareo. Iza no mahalala raha ho liana kokoa amin’ny fahamarinana ry zareo, rehefa mahita hoe be fitiavana sy tsara fanahy aminy isika?

ASEHOY HOE TIANAO RY ZAREO

13. Inona no mila itandremantsika na dia be atao amin’ny fanompoana aza isika?

13 Marina fa be atao amin’ny fanompoana isika. Tsy tiantsika hieritreritra anefa ny havantsika hoe tsy manam-potoana ho an-dry zareo isika, na hoe tsy tia an-dry zareo intsony. (Mat. 7:12) Ahoana no ampisehoantsika hoe tiantsika ry zareo? Ireto misy zavatra vitsivitsy azontsika atao.

14-15. Inona no fomba iray ampisehoantsika hoe tiantsika ny havantsika tsy Vavolombelona? Manomeza ohatra.

14 Miezaha hifandray amin-dry zareo foana. Mampiseho isika hoe tia ny havantsika raha ampahafantarintsika an-dry zareo izay mitranga eo amin’ny fiainantsika. Afaka mandefa SMS sy sary amin-dry zareo, ohatra, isika. Mety hoe sary tany amin’ny vakansy izany, na tamin’ny dia nataontsika na fety niarahantsika tamin’ny namantsika. Fanomezana kely na taratasy misy teny mamy dia efa mety hanatsara ny fifandraisantsika amin-dry zareo. Asehontsika hoe tiantsika ry zareo raha manao zavatra hoatran’ireo isika.

15 Diniho, ohatra, ny tantaran’i Anna, anabavy any Armenia. Miaraka be foana ny fianakaviany, indrindra rehefa fety na fankalazana aniversera. Rehefa lasa Vavolombelona i Anna, dia natahotra ny fianakaviany hoe hiova ny fifandraisan-dry zareo, na koa hoe hisy vokany amin’ny hoaviny ilay safidy nataony. Dia ahoana no nataon’i Anna? Hoy izy: “Rehefa mitsidika fianakaviana aho, dia resahiko amin-dry zareo izay zavatra iainako sy izay tena mitana ny fotoanako. Asaiko any an-trano koa ry zareo, dia ampahafantariko azy ny namako. Lasa fantatry ny ankamaroan’ny fianakaviako ny olona mifandray akaiky amiko, dia tsy mihafahafa amin’ireny ry zareo.” Hoy koa izy: “Betsaka ny havanay miteny hoe sambatra aho, dia tsy manahy momba ahy intsony ry zareo.”

16. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe niahy an’i Jakoba rahalahiny izy? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

16 Asehoy hoe miahy an-dry zareo ianao. Niseho tamin’i Jakoba rahalahiny i Jesosy, taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. (1 Kor. 15:7) Nasehony tamin’izany hoe tena niahy an’io rahalahiny io izy. Azonao an-tsaina ve ny fihetseham-pon’i Jakoba rehefa hitany hoe tsy nahafoy azy i Jesosy? Azo inoana hoe iny fihaonan-dry zareo iny no nahatonga an’i Jakoba ho resy lahatra fa i Jesosy no Mesia. I Jakoba indray angamba no nanampy ny fianakaviany hafa hino an’izany koa.b​—Asa. 1:14.

17. Ahoana no hampiharantsika ny torolalana ao amin’ny Romanina 12:15? (Jereo koa ny sary.)

17 Vakio ny Romanina 12:15. Rehefa miahy ny havantsika isika, na amin’ny mora na amin’ny sarotra, dia mety hiova ny fiheveran-dry zareo antsika.c Azontsika atao, ohatra, ny miarahaba an’izay tera-bao sy manao fanomezana mba hampisehoana hoe miara-paly amin-dry zareo isika. Rehefa misy maty indray, dia azontsika atao ny mampahery, na manome tanana, na mandefa karta misy teny fampiononana. Aza hadinoina koa ny mitsidika, na mitelefaonina, na mandefa SMS amin-dry zareo matetitetika, indrindra rehefa miatrika ny mafy izy.

Ilay anabavy tao amin’ilay sary teo aloha manao “selfie” miaraka amin’ny vadiny sy ny rafozam-baviny. Mipetraka eo amin’ny seza misy kodiarana ilay rafozany.

Raha miahy ny havanao ianao, indrindra amin’ny fotoana tena ilany an’izany, dia mety hiova ny fiheverany anao sy ny fivavahanao (Fehintsoratra 17)g


Hanatrika An’ilay Mariazy na Ilay Fandevenana ve Ianao?

Matetika no tafaraka ny mpianakavy rehefa misy mariazy na fandevenana. Diniho aloha ireto torolalan’ny Baiboly ireto vao manapa-kevitra ianao hoe ho any na tsia:

  • Hisy fotoam-pivavahana na fombafomba tsy tian’i Jehovah ve amin’ilay izy? (2 Kor. 6:14, 15)

  • Raha ho any ianao, ho vitanao ve ny hoe tsy handray anjara amin’ireny fombafomba ireny na dia misy manery anao aza? (Ohab. 22:3)

  • Fantatry ny havanao tsy Vavolombelona ve hoe tsy handray anjara amin’ny fombafomba tsy araka ny Soratra Masina ianao?

  • Raha hiditra any am-piangonana ianao, inona no ho vokatr’izany amin’ny mpiara-manompo hafa? (Fil. 1:10)

Resaho mazava tsara amin’ny havanao izay hataonao sy tsy hataonao, nefa mahaiza mandanjalanja. Ataovy izay azonao atao mba hadio foana ny feon’ny fieritreretanao eo anatrehan’Andriamanitra.e

18. Ahoana no hanahafantsika an’i Andrea?

18 Ampifankahalalao amin’ny mpiara-manompo ry zareo. Rehefa niaiky i Andrea hoe i Jesosy no Mesia, dia tonga dia nentiny tany amin’i Jesosy i Petera rahalahiny. (Jaona 1:40-42) Afaka manao hoatr’izany koa ve isika? Azo atao, ohatra, indraindray ny manasa havana anankiray mba hivory, na hisakafo miaraka amintsika sy ny namantsika. Ho hitany amin’izay hoe hoatran’ny olona rehetra ihany ny Vavolombelon’i Jehovah, sady mahafinaritra ry zareo.

19. Ahoana no tokony hitondrantsika ny havantsika, na dia tsy tena azon-dry zareo aza ny zavatra inoantsika? (1 Petera 3:15)

19 Vakio ny 1 Petera 3:15. Mety tsy ho azon’ny fianakaviantsika tsara hoe maninona isika no tsy manao zavatra sasany. Tsy hohadinoin-dry zareo mihitsy anefa ilay isika tsara fanahy sy manaja azy. Marina hoe tsy afaka mankalaza fety sy mandray anjara amin’ny fombafomba sasany miaraka amin-dry zareo isika. Mety ho faly anefa ry zareo rehefa miezaka manonitra an’izany isika, ka mitsidika an-dry zareo, misakafo miaraka aminy, ary manao fanomezana ho azy amin’ny fotoana hafa.

AZA MANARY TOKY

20. Nahoana no mampahery antsika ny ohatr’i Jakoba?

20 Marina hoe tsy anisan’ireo nanompo niaraka tamin’i Jesosy i Jakoba, nefa lasa mpianatra ihany izy tatỳ aoriana. (Gal. 1:18, 19; 2:9) Hita hoe nandray soa tamin’ny fampianaran’i Jesosy izy. Nahazo fanahy masina, ohatra, izy, dia nanoratra taratasy miresaka hevitra avy ao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra.d

21. Nahoana isika no tokony hanantena foana hoe mety mbola hanompo an’i Jehovah ny havantsika indray andro any?

21 Na eo aza ny ezaka ataontsika, dia mety mbola tsy ho liana amin’ny fahamarinana ihany ny havantsika, na mety mbola tsy ho tsara fanahy amintsika ihany. Nahoana anefa isika no tsy tokony hanary toky? Satria isaky ny tsara fanahy amin-dry zareo isika dia mampiseho hoe manahaka an’i Jehovah, ilay Andriamanitra mamindra fo, sy Jesosy Zanany. (Lioka 6:33, 36) Rehefa hitan’ny havantsika hoe tiantsika ry zareo, dia mety hiova ny fiheverany antsika any aoriana any. Mety hotsaroany aza ny fahamarinana efa noresahintsika taminy. Raha tsy milavo lefona isika, dia mety hanompo an’i Jehovah miaraka amintsika ny sasany amin-dry zareo, ka ho faly be isika.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Nahoana isika no hazoto hanampy ny havantsika tsy Vavolombelona raha mangoraka an-dry zareo?

  • Nahoana isika no tokony hanam-paharetana amin’ireo havantsika tsy Vavolombelona sady ho be fanantenana foana?

  • Ahoana no ampisehoantsika amin’ireo havantsika tsy Vavolombelona hoe tiantsika ry zareo?

HIRA 60 Iankinan’ny Aina io Asa Io

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Fantatsika Momba ny Didim-pitsaran’i Jehovah Amin’ny Hoavy?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Mey 2024, p. 11, feh. 11-13.

b Roa, fara fahakeliny, ny rahalahin’i Jesosy nanaiky ny fahamarinana, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty. Tsy iza izany fa i Jakoba sy Joda.

c Jereo ilay efajoro hoe “Hanatrika An’ilay Mariazy na Ilay Fandevenana ve Ianao?”

d Ampitahao ny Jakoba 1:2 sy ny Matio 5:11, 12; Jakoba 1:19 sy ny Matio 5:22; Jakoba 1:22; 2:24 sy ny Matio 7:21; Jakoba 2:13 sy ny Matio 5:7; 6:14, 15.

e Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2002 sy 15 Novambra 2007.

f FANAZAVANA SARY: Faly ny anabavy iray mikarakara sakafo ho an’ny vadiny, alohan’ny handehanany manompo.

g FANAZAVANA SARY: Maka fotoana koa ilay anabavy mba hitsidihana ny rafozam-baviny, izay tsy Vavolombelona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara