FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Febroary p. 14-19
  • Ataovy Tanjona ny Batisa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ataovy Tanjona ny Batisa
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NAHOANA NO MISY MISALASALA HATAO BATISA?
  • NAHOANA ISIKA NO MILA MITADIDY HOE EFA AKAIKY NY FARANY?
  • INONA NY SOA HO AZONAO RAHA TSY MANGATAKA ANDRO IANAO?
  • Azonao ve ny Dikan’ny Batisa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Vonona Hanokan-tena ho An’i Jehovah ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • ‘Araho Foana’ i Jesosy Aorian’ny Batisanao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Inona no Mampisalasala Anao Tsy Hatao Batisa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Febroary p. 14-19

20-26 APRILY 2026

HIRA 49 Ampifalio ny Fon’i Jehovah

Ataovy Tanjona ny Batisa

“Izao indrindra no fotoana fanehoana fankasitrahana!”​—2 KOR. 6:2.

HEVITRA HODINIHINA

Amin’izao mihitsy isika no tokony hiezaka hifandray tsara amin’i Jehovah sy hatao batisa.

1. a) Nahoana no mahasoa antsika ny atao batisa? b) Inona no hodinihintsika ato?

EFA nanokan-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa ve ianao? Raha izany, dia efa nangataka tamin’i Jehovah ianao mba hanananao feon’ny fieritreretana madio. (1 Pet. 3:21) Hita hoe modely ho an’ny tanora sy ireo vaovao ao amin’ny fiangonana ianao. Tena tsara ny fanapahan-kevitrao. Ahoana anefa raha mbola tsy vita batisa ianao? Azo antoka hoe tia an’i Jehovah ianao sady te hanao ny sitrapony. Fantatrao hoe tena ilaina ny batisa mba hahazoana ny famelan-keloka sy ny fankasitrahan’i Jehovah. (Asa. 2:38-40) Mety mbola hisalasala ihany anefa ianao. Dia inona no hanampy anao? Hodinihintsika ato hoe: 1) Nahoana no misy misalasala hatao batisa? 2) Nahoana isika no mila mitadidy hoe tena efa akaiky ny farany? Ary 3) inona ny soa ho azonao raha tsy mangataka andro ianao fa tonga dia manao ny fanovana ilaina mba hahafeno fepetra hatao batisa?

NAHOANA NO MISY MISALASALA HATAO BATISA?

2. Nahoana ny olona sasany no misalasala hatao batisa?

2 Misy misalasala ny hatao batisa satria matahotra. Matahotra, ohatra, izy sao dia tsy hahavita hampifaly an’i Jehovah na dia te hanompo azy aza. Raha izany no tsapanao, dia mamakia andinin-teny mampahatsiahy anao hoe tsy mitady ny tonga lafatra i Jehovah ary faly izy rehefa manao izay tsara indrindra vitanao ianao. (Sal. 103:13, 14; Kol. 3:23) Raha matahotra fanenjehana indray ianao, dia angataho i Jehovah mba hanampy anao ho feno toky hoatran’ny mpanao salamo. Hoy izy: “Manohana ahy i Jehovah, ka tsy hatahotra aho. Inona moa no azon’ny olona atao amiko?”​—Sal. 118:6.

3. Inona koa no misakana ny olona sasany tsy hatao batisa? (Jereo koa ny sary.)

3 Tia an’i Jehovah ny olona sasany, nefa misalasala ny hatao batisa satria hoe tsy ampy fahalalana. Fa hoatran’ny ahoana ny fahalalana ilainao? Diniho ity ohatra ao amin’ny Baiboly ity. Nisy horohoron-tany tao amin’ilay fonja nisy an’ny apostoly Paoly sy Silasy indray alina izay. Nitory tamin’ny mpiambina an’ilay fonja sy ny ankohonany izy roa lahy taorian’ilay izy. Niaiky izy mianakavy hoe nanao fahagagana Andriamanitra mba hanafahana ny mpanompony. Betsaka koa ny zavatra nianaran-dry zareo tamin’iny alina iny. “Natao batisa tsy nisy hataka andro” àry ry zareo. (Asa. 16:25-33) Raha mahafantatra an’i Jehovah ianao, tia azy amin’ny fo manontolo, mahalala an’ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly, efa nibebaka tamin’ny fahotanao, ary tena te hanaraka ny fitsipiny, dia efa vonona ny hatao batisa izany ianao.​—Mar. 12:30.

Mitory amin’ilay mpiambina ny fonja sy ny fianakaviany i Paoly sy Silasy mandritra ny alina. Mihaino tsara ry zareo.

Nitory tamin’ilay mpiambina ny fonja sy ny fianakaviany i Paoly sy Silasy. “Natao batisa tsy nisy hataka andro” ry zareo noho izany. (Fehintsoratra 3)


4. Inona no ifantohan’ny olona sasany ka manakana azy tsy hatao batisa? (Jereo koa ny sary.)

4 Ny sasany indray te hanao fanovana mba hampifaliana an’Andriamanitra, fa mifantoka be loatra amin’ilay zavatra tsy maintsy hafoiny. Tsara aloha ny mieritreritra an’izany alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra e! (Lioka 14:27-30) Diso mifantoka be amin’izany anefa ny olona sasany. Nanahy hoatr’izany i Candace, tamin’izy nisy nanasa hianatra Baiboly. Notezaina tao amin’ny fahamarinana izy nefa tsy nandroso. Hoy izy: “Fantatro hoe inona no tokony hataoko mba hampifaliana an’i Jehovah. Nisalasala anefa aho satria tiako ilay nanao ny fanaon’izao tontolo izao. Haiko hoe ho sarotra amiko ny hiala amin’ilay izy.” Ny hafa indray matahotra satria ambony be ny fitsipika takina amin’ny olona vita batisa. Manahy izy sao hanao fahotana lehibe aorian’ny batisa, dia hesorina tsy ho anisan’ny fiangonana. Raha mahatsapa hoatran’ireo ianao dia inona no azonao atao?

Mampianatra Baiboly ny anabavy iray, dia misaintsaina ilay vehivavy ampianariny. Saintsaininy ilay izy sy ny namany misotrosotro sady mandihy any amin’ny toeram-pandihizana.

Te hampifaly an’i Jehovah ny olona sasany nefa manahy hoe be dia be ny zavatra tsy maintsy hafoiny mba hanompoana azy (Fehintsoratra 4)


5. Inona no tokony hifantohantsika rehefa hanapa-kevitra hoe hatao batisa na tsia? (Matio 13:44-46)

5 Rehefa mividy zavatra isika, dia tsy ny vidiny ihany no jerentsika fa hoe tena ilaina koa ve ilay izy. Vidintsika avy hatrany ilay izy raha hitantsika hoe mahasoa antsika, na dia lafo vidy aza. Hoatr’izany koa amin’ny resaka batisa. Tsy ilay zavatra hafointsika ihany no tokony hifantohantsika fa ilay hoe isika lasa mifandray tsara amin’i Jehovah koa. Manasongadina an’izany ny fanoharana roa noresahin’i Jesosy. (Vakio ny Matio 13:44-46.) Resahina ao hoe faly be ny lehilahy iray rehefa nahita zava-tsarobidy. Namidiny àry ny fananany rehetra mba hividianana an’ilay izy. Nahita zava-tsarobidy koa ianao, dia ny fahamarinana momba an’ilay Fanjakana. Raha mieritreritra ianao hoe tokony hanaovana sorona tokoa ve izany dia saintsaino ireo fanoharan’i Jesosy ireo. Eritrereto hoe: ‘Tena resy lahatra ve aho hoe nahita zavatra sarobidy be? Sarobidy amiko ve ny fifandraisako amin’i Jehovah, ny fanantenana hiaina mandrakizay, ary ireo rahalahy sy anabavy be fitiavana?’ Ny valin-teninao amin’ireo no hahitana hoe inona no mila ataonao mba hahafahanao manapa-kevitra ny hatao batisa.

6. Inona no hanampy anao hampihatra an’izay nianaranao?

6 Noresahin’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ny mpamafy hoe mety hisakana ny olona tsy hanao fandrosoana ny toe-pony. Nanazava koa anefa izy fa handre ny teny “amin’ny fo tsara sy madio” ny olona sasany, ka hanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Lioka 8:5-15) Aza kivy raha misalasala ianao hoe ho vitanao ve ny hampihatra an’izay ianaranao. Afaka manampy anao Andriamanitra mba hanananao “fo vaovao”, izany hoe fo vonona hankatò ny tari-dalany. Angataho i Jehovah mba hanampy anao ho tia ny zavatra nianaranao sy hampihatra an’izany.​—Ezek. 18:31; f.a.p.; 36:26.

7-8. Inona no misakana ny tanora sasany tsy hatao batisa? (Jereo koa ny sary.)

7 Tia an’i Jehovah ny tanora sasany nefa misalasala ny hatao batisa satria misy vokany aminy ny zavatra lazain’ny hafa na ataony. Misy mpampianatra, ohatra, manao izay hahatonga ny mpianatra hieritreritra hoe mety ny fitondran-tena sasany na dia tsy mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra aza. Mampidi-doza anefa ny torohevitra hoatr’izany. (Sal. 1:1, 2; Ohab. 7:1-5) Tsy ho tratran’izany ianao raha manaraka ny modelin’ny mpanao salamo. Izao no nolazainy tamin’i Jehovah: “Lalin-tsaina kokoa noho ny mpampianatra ahy rehetra aho, satria misaintsaina an’ireo fampahatsiahivanao.”​—Sal. 119:99.

8 Ny ray aman-dreny Vavolombelona mihitsy indraindray no manakana ny zanany tsy hatao batisa. Mifantoka be loatra amin’ny fianaran’ny zanany sy ny asa hataony any aoriana ry zareo, na tsy mampirisika ny zanany hanana tanjona ara-panahy. Ahoana raha hitanao hoe tsy dia manohana anao amin’ny tanjonao ara-panahy ny ray aman-dreninao? Maninona raha miresaka amin-dry zareo? Matokia fa afaka ny ho naman’i Jehovah foana ianao na firy taona na firy taona.​—Ohab. 20:11.

Tovolahy iray miresaka ny lesona 23 amin’ny boky “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!” amin’ny ray aman-dreniny.

Maninona raha resahina amin’ny ray aman-dreninao hoe te hatao batisa ianao? (Fehintsoratra 8)


9. Nahoana ny olona sasany no mangataka andro fa tsy tonga dia atao batisa?

9 Efa mahafeno fepetra hatao batisa ny olona sasany, nefa mangataka andro noho ny faneren’ny namany. Angamba misy namany na olona akaikin’ny fony miteny aminy mba hiandry, amin’izay ry zareo miaraka atao batisa. Tsy mampaninona aloha ny hoe atao batisa miaraka amin’ny olona akaikin’ny fonao ianao e! Izany ve anefa no tokony hatao vato misakana? Tadidio hoe fanapahan-kevitrao manokana ny fanokanan-tena ho an’Andriamanitra. Tsy tokony hiankina amin’izay ataon’ny hafa izany.​—Rom. 14:12.

NAHOANA ISIKA NO MILA MITADIDY HOE EFA AKAIKY NY FARANY?

10. Nahoana ny olona sasany no mangataka andro fa tsy tonga dia manao fandrosoana?

10 Tsy miezaka ny hahafeno fepetra hatao batisa koa ny olona sasany satria mieritreritra hoe mbola ho ela ny farany. Mitombina ve izany? Nampitandrina ny mpianany i Jesosy hoe: ‘Tokony ho vonona foana ianareo, satria amin’ny ora tsy ampoizinareo no ho avy ny Zanak’olona.’​—Lioka 12:40.

11. Inona no hataontsika rehefa lasa mahafantatra kokoa an’i Jehovah isika, ary nahoana? (Salamo 119:60)

11 Ny fitiavana no tokony handrisika antsika hanokan-tena ho an’i Jehovah. Rehefa fantatsika kokoa ilay Andriamanitsika be fitiavana, dia vao mainka ho tiantsika ny didiny, ary ho tapa-kevitra ny hankatò azy ireny avy hatrany isika. (Vakio ny Salamo 119:60.) Nahoana koa isika no tokony ho tonga dia hankatò ny didin’i Jehovah? Nilaza i Jakoba mpianatra hoe tsy haintsika izay havoakan’ny ampitso. Tsy fantatsika raha ho faty isika rahampitso, dia tokony hataontsika androany ‘izay tokony hatao’ androany.​—Jak. 4:13-17.

12. Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny tanimboaloboka?

12 Ary ahoana ilay fanoharan’i Jesosy momba ny tanimboaloboka? Tsy nampianatra ve izy tamin’iny hoe nitovy ihany ny karaman’izay niasa tontolo andro sy izay niasa adiny iray? Marina aloha izany e! Mariho anefa hoe naninona no tsy nanomboka aloha kokoa ireo niasa adiny iray. Hoy ry zareo: “Satria tsy nisy nanakarama anay.” Tsy hoe tsy te hiasa tontolo andro ry zareo, fa tsy nisy nanakarama fotsiny. Tonga dia vonona ry zareo rehefa nantsoina. (Mat. 20:1-16) Asain’i Jesosy koa isika amin’izao mba ho lasa mpianany sy hanao ny asa fitoriana. Tokony hamaly ny antsony avy hatrany àry isika raha vao maheno an’izany.

13. Inona no ianarantsika avy amin’ny vadin’i Lota?

13 Tsy mety koa ilay mangataka andro fa tsy tonga dia manao fandrosoana, satria ho sarotra be ny hanao an’izany amin’ny ora farany. Izany no nahatonga an’i Jesosy hampitandrina ny mpianany hoe: “Tsarovy ny vadin’i Lota.” (Lioka 17:31-35) Hain’ny vadin’i Lota tsara hoe efa horavana i Sodoma sy Gomora. Toa mbola tsy nahafoy ny fananany anefa izy. (Gen. 19:23-26) Mampahatsiahy antsika koa izany hoe tsy hidanadana mandrakizay ny varavaran’ny famonjena. Hidian’Andriamanitra izy io amin’ny fotoana voatondrony, ary tsy hisokatra intsony mandrakizay.​—Lioka 13:24, 25.

14. Inona no tokony ho vokany eo aminao rehefa hitanao hoe tanteraka ny faminanian’ny Baiboly?

14 Tsy misy andro iray mandalo ka tsy ahitana hoe tanteraka ny faminanian’ny Baiboly momba ny farany. Na tsy iharan’ilay izy mivantana aza ianao, dia tokony handrisika anao hiroso ho amin’ny batisa ny zava-mitranga any amin’ny toerana samihafa. Diniho ity ohatra tamin’ny taonjato voalohany ity. Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Petera hoe tokony “ho mailo” na “hifoha” ry zareo, satria ‘efa nanakaiky ny faran’ny zava-drehetra.’ (1 Pet. 4:7; f.a.p.) Ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoly ilay hoe ‘farany’ eo. Nipetraka lavitra an’i Jerosalema ny olona nanoratan’i Petera, ka tsy tena hoe voakasik’ilay izy. (1 Pet. 1:1) Rehefa hitany anefa hoe tanteraka ilay faminaniana, dia vao mainka ry zareo natoky ny fampanantenan’i Jehovah hafa rehetra. Rehefa hitanao koa hoe tanteraka ny faminaniana mampiseho fa efa akaiky ny farany, dia tokony handrisika anao ho mailo izany, ka hanao an’izay rehetra azonao atao ianao mba hahafeno fepetra hatao batisa.

15. Inona no hanampy antsika ho vonona amin’ny andron’i Jehovah? (2 Petera 3:10-13)

15 Nohazavain’i Petera tao amin’ny taratasiny faharoa hoe ahoana no tokony hiheverantsika ny andron’i Jehovah. Mbola lavitra be io andro io, raha ho an’ny Kristianina niaina tamin’ny taonjato voalohany. Na izany aza, dia nilaza tamin-dry zareo i Petera hoe tokony “hanao an-tsaina foana” na “haniry mafy” ny hahatongavan’io andro io ry zareo. (Vakio ny 2 Petera 3:10-13; f.a.p.) Manao an-tsaina azy io koa isika, raha vonona na maniry mafy ny hahatongavan’izy io. Asehontsika hoe vonona isika raha ‘manana fitondran-tena masina sy mahafoy tena ho an’Andriamanitra.’ Mba eritrereto ange hoe hoatran’ny ahoana ny fihetseham-pon’i Jehovah rehefa mahita anao ‘mahafoy tena ho azy’ e? Azo antoka fa faly be izy mahita anao manokan-tena ho azy sy atao batisa!

INONA NY SOA HO AZONAO RAHA TSY MANGATAKA ANDRO IANAO?

16. Rahoviana ny fotoana tsara indrindra hirosoana amin’ny batisa? (2 Korintianina 6:1, 2) (Jereo koa ny sary.)

16 Izao no fotoana tsara indrindra hirosoana amin’ny batisa. (Vakio ny 2 Korintianina 6:1, 2.) Hitan’ilay tandapa etiopianina nihaona tamin’i Filipo hoe nila nanao zavatra haingana izy. Raha vao nahalala ny vaovao tsara izy sady nahita toerana azo nandrobohana azy, dia tsy nieritreritra hoe: ‘Aleo aloha hianatra bebe kokoa ka! Tsy mbola misy rano azo androbohana ahy ihany ve any alohaloha any e?’ Tsy nanao an’izany izy fa tonga dia niteny tamin’i Filipo hoe: “Inona no misakana ahy tsy hatao batisa?” (Asa. 8:26, 27, 35-39) Tena ohatra tsara izany! Rehefa avy natao batisa izy ‘dia nanohy ny diany sady faly.’

Sary: 1. Manasa an’ilay tandapa etiopianina mba hatao batisa i Filipo, dia miroboka ao anaty rano ilay tandapa. 2. Ilay mpianatra Baiboly sy ilay anabavy tao amin’ny sary teo aloha. Falifaly ry zareo miresaka amin’ny anti-panahy roa ao amin’ny Efitrano Fanjakana.

Ianarantsika avy amin’ilay tandapa etiopianina fa izao no fotoana tsara indrindra hirosoana amin’ny batisa! (Fehintsoratra 16)a


17. Inona no azontsika antoka?

17 Raha misalasala ny hatao batisa ianao, dia matokia hoe te hanampy anao ho lasa namany i Jehovah. (Rom. 2:4) Afaka manampy anao izy raha matahotra ianao, na mieritreritra hoe ho mafy be aminao ilay izy, na tsy manohana anao ny hafa. Rehefa vita batisa ianao dia hahatsapa hoe mahasambatra ny mampifaly an’i Jehovah. Tsy ho zava-dehibe aminao intsony amin’izay “ny zavatra any aoriana”, na izay nafoinao. (Fil. 3:8, 13) Tsy ho andrinao koa ny hahita “ny eo aloha”, izany hoe ilay fotoana hanatanterahan’i Jehovah ny fampanantenany ho an’ireo efa nanokan-tena sy vita batisa.​—Asa 3:19.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Nahoana ny olona sasany no misalasala hatao batisa?

  • Nahoana no tsy fahendrena ny mangataka andro?

  • Rahoviana ny fotoana tsara indrindra hirosoanao amin’ny batisa?

HIRA 38 Izy no Hampahery Anao

a FANAZAVANA SARY: Niteny tamin’i Filipo ilay tandapa etiopianina hoe te hatao batisa. Manatona ny anti-panahy koa ny mpianatra Baiboly iray, dia miresaka amin-dry zareo hoe te hatao batisa izy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara