Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 7 Septambra
HERINANDRON’NY 7 SEPTAMBRA
Hira 3 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 30 § 1-9 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 12-15 (8 min.)
No. 1: 2 Mpanjaka 13:12-19 (3 min. na latsaka)
No. 2: Namiratra Tany Afrika sy Espaina ary Portogaly ny Fahazavana Ara-panahy—jv p. 433 § 1–p. 438 § 3 (5 min.)
No. 3: Inona avy no Resahin’ireo Boky ao Amin’ny Soratra Grika Kristianina?—igw p. 31 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
Foto-kevitra ho An’ny Volana: “Izaho sy ny ankohonako kosa hanompo an’i Jehovah.”—Jos. 24:15.
10 min: Ahoana no Nampiharantsika Azy? Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao ny mpitory hilaza ny soa noraisiny rehefa nampihatra ny soso-kevitra tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Hatsarao ny Fanompoanao: Ampiofano ny Mpitory Vaovao.” Asao izy ireo avy eo hitantara zavatra mampahery mifandray amin’izany.
10 min: Ry Fianakaviana, Zatra Mivory Tsy Tapaka ve Ianareo? Lahateny miorina amin’ny Hebreo 10:24, 25. Manadinadìna fianakaviana iray misy ankizy. Ahoana no ataon’ny raim-pianakaviana mba ho loha laharana amin’izy ireo foana ny fivoriana? Inona no ataon’ny tsirairay mba hahafahan’izy mianakavy mivory tsy tapaka? Isaky ny inona izy ireo no manomana valin-teny? Inona ny ezaka mafy ataon’izy ireo mba hanatrehana fivoriana? Eo am-pamaranana, dia ampirisiho ny rehetra mba hivory tsy tapaka sy hanome valin-teny foana.
10 min: Miresaka ny Fahamarinana Amin’ny Havanao ve Ianao? (Asa. 10:24, 33, 48) Lahateny misy fiaraha-midinika miorina amin’ny Diary 2015 (p. 87, feh. 1-2; p. 90, feh. 1-3). Asao ny mpanatrika hilaza ny lesona noraisiny.
Hira 118 sy Vavaka