Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 31 Aogositra 2015.
Andriamanitra manao ahoana i Jehovah raha jerena ny vavak’i Solomona? Inona no soa azontsika raha misaintsaina ny toetrany isika? (1 Mpanj. 8:22-24, 28) [6 Jolay, w05 1/7 p. 30, feh. 2]
Nahoana no mandrisika antsika hanompo an’i Jehovah “amin’ny fo manontolo” ny ohatr’i Davida? (1 Mpanj. 9:4) [13 Jolay, w12 15/11 p. 7, feh. 18-19]
Naniraka an’i Elia ho any amin’ilay mpitondratena tany Zarefata i Jehovah. (1 Mpanj. 17:8-14) Inona no lesona lehibe ianarantsika avy amin’io tantara io? [27 Jolay, w14 15/2 p. 14]
Nahoana isika no lasa matoky kokoa an’i Jehovah, rehefa misaintsaina an’ilay tantara ao amin’ny 1 Mpanjaka 17:10-16? [27 Jolay, w14 15/2 p. 13-15]
Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Elia, tamin’izy namoy fo? (1 Mpanj. 19:4) [3 Aog., ia p. 102, feh. 10-12; w14 15/3 p. 15, feh. 15-16]
Inona no nataon’i Jehovah rehefa hitany fa namoy fo i Elia, ary ahoana no hanahafantsika azy? (1 Mpanj. 19:7, 8) [3 Aog., w14 15/6 p. 27, feh. 15-16]
Ahoana no niheveran’i Ahaba Mpanjaka an’i Elia? Nahoana ny Kristianina no tsy tokony hanahaka azy? [10 Aog., lv p. 164, efajoro; w14 1/2 p. 14, feh. 3-4]
Inona no ianarantsika avy amin’ilay fangatahana nataon’i Elisa tamin’i Elia, rehefa mahazo fanendrena vaovao isika? (2 Mpanj. 2:9, 10) [17 Aog., w03 1/11 p. 31, feh. 5-6]
Ahoana no azon’ny tanora anahafana ny finoana sy herim-po nananan’ilay zazavavikely israelita voatantara ao amin’ny 2 Mpanjaka 5:1-3? [24 Aog., w12 15/2 p. 13, feh. 11]
Inona no toetra nananan’i Jeho, ka tokony hananan’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao andro farany izao? (2 Mpanj. 10:16) [31 Aog., w11 15/11 p. 5, feh. 4]