Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Aogositra: Mihainoa An’Andriamanitra, na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao, na Vaovao Tsara Natao ho Anao! Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly rehefa mitsidika ny olona liana. Septambra sy Oktobra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Novambra: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? na iray amin’ireto taratasy mivalona ireto: Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?, Hanao Ahoana ny Fiainana Amin’ny Hoavy?, Inona no Tena Mahasambatra ny Fianakaviana?, Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?, Iza no Tena Mpitondra An’izao Tontolo Izao?, Mbola ho Velona Indray ve ny Maty?, ary Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any?
◼ Manomboka amin’ny Septambra, dia hanao an’ity lahateny ity ny mpiandraikitra ny faritra: “Tena Mahasoa ve ny Lalan’Andriamanitra?”