Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 31 Aogositra
HERINANDRON’NY 31 AOGOSITRA
Hira 42 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 29 § 16-21, efajoro p. 299 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 9-11 (8 min.)
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana (20 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
Foto-kevitra ho An’ny Volana: “Izaho sy ny ankohonako kosa hanompo an’i Jehovah.”—Jos. 24:15.
10 min: Manolora Gazety Amin’ny Volana Septambra. Lahateny misy fiaraha-midinika. Ataovy fampisehoana aloha ny fanolorana an’ireo gazety, ka ampiasao ny fomba fitory modely. Iaraho midinika avy eo ireo fomba fitory ireo.
10 min: Mandray Sakafo “Amin’ny Fotoana Mety” ve Ianao? Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2014, pejy 3-5. Ampirisiho ny rehetra mba hampiasa tsara an’ireo lahatsoratra ara-baiboly na sakafo ara-panahy hafa ananan’izy ireo.
10 min: Inona no Tanjonao eo Amin’ny Fanompoana, Amin’ny Taom-panompoana 2016? Lahateny misy fiaraha-midinika miorina amin’ny boky Voalamina, pejy 118, fehintsoratra 2. Asio fampisehoana: Mpivady miresadresaka ny tanjony amin’ny taom-panompoana vaovao.
Hira 10 sy Vavaka