Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 6 Janoary
HERINANDRON’NY 6 JANOARY 2014
Hira 132 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
cl p. 3 sy toko 1 § 1-9 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Genesisy 1-5 (10 min.)
No. 1: Genesisy 4:1-16 (4 min. na latsaka)
No. 2: Mazoto Mitory ny Fanjakan’Andriamanitra Ireo Manaraka ny Fivavahana Marina—rs p. 258 § 2 (5 min.)
No. 3: Vavolombelona Tsy Mivadika Manohana ny Zon’i Jehovah Hitondra—jv p. 10-13 § 2 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Fomba Fanolorana ny Gazety Amin’ny Janoary. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho mandritra ny 30 segondra na iray minitra hoe nahoana no mety hahaliana ny olona ao amin’ny faritaninareo ireo gazety ireo. Asao avy eo ny mpanatrika hilaza fanontaniana mahaliana azo apetraka mifandray amin’ny matoan-dahatsoratra amin’ny Tilikambo Fiambenana. Asaivo milaza andinin-teny azo vakina izy ireo aorian’izay. Ataovy toy izany koa ny Mifohaza! Raha ampy ny fotoana, dia ataovy toy izany koa ny lahatsoratra iray hafa ao amin’ireo gazety ireo. Ataovy fampisehoana hoe ahoana no azo anolorana ny gazety tsirairay.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
10 min: Inona no Lesona Raisintsika? Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao ny mpanatrika hamaky ny 1 Korintianina 9:19-23. Diniho avy eo ny fomba azo ampiharana an’io fitantarana io eo amin’ny fanompoana.
Hira 7 sy Vavaka