FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/13 p. 7
  • Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
km 12/13 p. 7

Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 30 Desambra 2013. Natao eo koa ny daty andinihana an’ilay fanontaniana, mba ho afaka hanao fikarohana ianao rehefa manomana isan-kerinandro.

1. Inona no hanampy antsika halemy fanahy rehefa mifandray amin’ny manam-pahefana? (Tit. 3:2) [4 Nov., w03 1/4 p. 25, feh. 18-19]

2. Inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Paoly tamin’i Filemona ao amin’ny Filemona 4, 5, ary 7? [4 Nov., w08 15/10 p. 31, feh. 2, 3; w91 15/4 p. 23]

3. Inona no tokony hataontsika mba hidirana amin’ny fitsaharan’Andriamanitra? (Heb. 4:9-11) [11 Nov., w11 15/7 p. 28, feh. 16, 17]

4. Inona no ianarantsika avy amin’i Samoela sy ireo mpitsara sy mpaminany tsy nivadika nampihatra izay “mahitsy”? (Heb. 11:32, 33) [18 Nov., w11 1/1 p. 25, feh. 5, 6]

5. Nahoana i Jakoba no nanoratra hoe ‘ny fahendrena avy any ambony dia madio aloha, ary avy eo tia fihavanana’? (Jak. 3:17) [25 Nov., w11 15/8 p. 30-31, feh. 15]

6. Iza ireo “maty” izay “nitoriana ny vaovao tsara”? (1 Pet. 4:6) [2 Des., w08 15/11 p. 21, feh. 7]

7. Inona ilay didy lazain’i Jaona, ao amin’ny 1 Jaona 2:7, 8, hoe “efa ela” nefa koa “vaovao”? [9 Des., w08 15/12 p. 27, feh. 6]

8. Iza ilay antsoina hoe “Alfa sy Omega”, ary iza ilay “Voalohany sy Farany”? (Apok. 1:8, 17) [16 Des., w09 15/1 p. 30, feh. 6]

9. Ahoana no anisiana “tombo-kase” ny Kristianina voahosotra? (Apok. 7:3) [23 Des., w07 1/1 p. 31, feh. 2]

10. Nahoana no azo antoka fa tsy maintsy ho tanteraka daholo ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana, ary inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika? (Apok. 21:5, 6) [30 Des., re p. 303-304, feh. 9]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara