Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 2 Septambra
HERINANDRON’NY 2 SEPTAMBRA
Hira 47 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 13 § 20-26 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 1 Korintianina 1-9 (10 min.)
No. 1: 1 Korintianina 4:18–5:13 (4 min. na latsaka)
No. 2: Raha Misy Olona na Toerana Sambany vao Hitanao Nefa toa Efa Fantatrao, Midika ve Izany fa Efa Nisy Ianao Taloha?—rs p. 389 § 1–p. 390 § 2 (5 min.)
No. 3: Ahoana no Hahatonga ny Kristianina ho Faly Foana na dia Marary Aza?—Fil. 4:6, 7 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Fomba Fanolorana ny Gazety Amin’ny Septambra. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho mandritra ny 30 segondra na iray minitra hoe nahoana no mety hahaliana ny olona ao amin’ny faritaninareo ireo gazety ireo. Ampiasao avy eo ny matoan-dahatsoratra amin’ny Tilikambo Fiambenana, ka asao ny mpanatrika hilaza fanontaniana mahaliana azo apetraka. Asaivo milaza andinin-teny azo vakina izy ireo aorian’izay. Ataovy toy izany koa ny Mifohaza! Raha ampy ny fotoana, dia ataovy toy izany koa ny lahatsoratra iray hafa ao amin’ireo gazety ireo. Ataovy fampisehoana hoe ahoana no azo anolorana ny gazety tsirairay.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
10 min: Tahafo i Barnabasy. Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao ny mpanatrika hilaza hoe nahoana no manampy antsika mpitory ny manahaka an’i Barnabasy.
Hira 65 sy Vavaka