Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Aogositra: Vaovao Tsara Natao ho Anao! na ny iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana (ho an’ny Silamo), Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao, Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? (mety hahaliana an’ireo te hanaporofo hoe diso ny evolisiona), Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, ary Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly rehefa miverina mitsidika. Septambra sy Oktobra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Novambra: Taratasy mivalona Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Raha liana ilay olona, dia omeo boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, ary miezaha hanomboka fampianarana.
◼ Ny bokikely Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah? no hodinihina amin’ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana, manomboka amin’ny herinandron’ny 28 Oktobra 2013. Rehefa vita io bokikely io, dia ny boky Manatòna An’i Jehovah no hodinihina manomboka amin’ny herinandron’ny 6 Janoary 2014. Tokony hanafatra an’ireo amin’ny fanafarany manaraka izay fiangonana mila an’izany.
◼ Izao no lahatenin’ny mpiandraikitra ny faritra, manomboka amin’ny Septambra: “Afaka Mandresy An’izao Tontolo Izao ny Fitiavana sy ny Finoana.”
◼ Boky vaovao misy:
Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra (ay) tandroy