Antitrantero hoe Fanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana
Nanomboka tamin’ny Mey 2011, dia nampirisihina ny mpitory mba hanomboka fampianarana Baiboly isaky ny asabotsy voalohany amin’ny volana. Nasiana an’ilay hoe “Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana ho an’ny besinimaro, mba hanampiana antsika amin’izany. Tokony hasongadina amin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana rehefa asabotsy voalohany amin’ny volana àry hoe ahoana no azo ampiasana azy io mba hanombohana fampianarana Baiboly. Tokony hatao fampisehoana koa ilay izy.
Afaka mifidy ny anti-panahy hoe samy hanao fivoriana alohan’ny fanompoana mitokana ny andia-mpitory tsirairay ny asabotsy voalohany amin’ny volana. Afaka mifidy koa izy ireo hoe hiaraka ny rehetra ary ao amin’ny Efitrano Fanjakana, ohatra, no hatao ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Raha maromaro anefa ny fiangonana mampiasa ny Efitrano Fanjakana, dia tsy tokony hovana ilay andro manokana, satria fotsiny hoe tiana hatambatra ny andia-mpitory rehetra.