Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 24 Desambra
HERINANDRON’NY 24 DESAMBRA
Hira 5 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 3 § 1-6 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Zakaria 9-14 (10 min.)
No. 1: Zakaria 11:1-13 (4 min. na latsaka)
No. 2: Ny Vavaka Ataon’iza no Henoin’Andriamanitra?—rs p. 403 § 2–p. 404 § 5 (5 min.)
No. 3: Amin’ny Toe-javatra Inona avy no Azontsika Ampiharana ny Ohabolana 15:1? (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
15 min: Ampiasao Tsara ny Tranonkalantsika. Lahateny misy fiaraha-midinika miorina amin’ny pejy 3-6. Resaho ireo lafiny samihafa mampiavaka an’ilay tranonkala. Ampirisiho ireo manana ordinatera na fitaovana elektronika hafa mba hanaraka ny soso-kevitra voaresaka ato. Raha azo atao, dia ampirisiho ny rehetra hitady fomba hahazoana an’ireo lahatsoratra tsy miseho ao amin’ny gazety vita pirinty. Anisan’izany ny “Manontany ny Tanora” sy “Natao Hodinihin’ny Mpianakavy” tao amin’ny Mifohaza!, na ireo lahatsoratra ao amin’ny fizarana hoe “Tanora.” Eo koa ny lahatsoratra hoe “Ianaro ny Tenin’Andriamanitra” (lasa hoe “Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly”) na “Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Azo ampiasaina amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana na hiomanana hitoriana izy ireny rehefa avy nalaina tao amin’ny Internet sy natao pirinty. Rehefa eo amin’ny pejy 6, dia asio fampisehoana maharitra telo minitra ahitana mpitory miresaka amin’ny olona liana. Te hamaky boky na gazety amin’ny fiteny hafa ilay olona ka ampirisihin’ilay mpitory hampiasa ordinatera na hankany amin’ny cybercafé mba hijerena ny jw.org amin’ny fiteniny. Azo atao teny tankarana na vezo koa ny fiteny tian’ilay olona hampiasaina.
15 min: Mampiasa Tsara ny Tranonkalantsika ve Ianao? Anti-panahy roa miara-midinika an’ilay taratasy ho an’ny fiangonana rehetra tamin’ny 15 Febroary 2012. Ampirisiho ny rehetra mba hanao izay hahazoana an’ireo rakitra avy ao amin’ilay tranonkala, na hamindra an’izany amin’ny CD ary hizara an’izany amin’ny hafa. Andraikitry ny mpitory tsirairay izao ny mandray ny sakafo ara-panahy avy amin’ny mpanompo mendri-pitokisana. Mangataha fanampiana amin’ny havana na namana any an-tanàn-dehibe, mba hahazoana an’ireo rakitra ao amin’ny Internet, raha mipetraka any ambanivohitra ianao. Hasehonao amin’izany fa mankasitraka ny zavatra omen’i Jehovah anao ianao.
Hira 101 sy Vavaka