Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 17 Desambra
HERINANDRON’NY 17 DESAMBRA
Hira 97 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 2 § 20-27, efajoro p. 29 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Zakaria 1-8 (10 min.)
No. 1: Zakaria 8:1-13 (4 min. na latsaka)
No. 2: Ahoana no Ampisehoantsika fa Manaiky An’i Jehovah ho Tompo Fara Tampony Isika?—Sal. 73:28 (5 min.)
No. 3: Nahoana no Fahendrena ny Mianatra ny Fampianaran’i Jesosy Kristy, fa Tsy ny Filozofia?—rs p. 221 § 1–p. 222 § 1 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: “Fomba Fanolorana ny Gazety Amin’ny...” Lahateny misy fiaraha-midinika.
10 min: Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika: “Andriamanitra no Atahory, ary ny Didiny no Tandremo.” Lahateny velombelona, miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana (p. 272-275, feh. 3).
15 min: Efa Nampihatra ve Ianao? Lahateny misy fiaraha-midinika. Fintino vetivety ireto lahatsoratra ireto: “Aza Matahotra Mitory eny An-tsena!” (km 3/12), “Ampio ny Hafa mba Hihaino An’Andriamanitra” (km 7/12), “Afaka Mitory Takariva ve Ianao?” (km 10/12). Asao ny mpanatrika hilaza ny soso-kevitra efa nezahiny nampiharina, sy ny soa noraisiny.
Hira 117 sy Vavaka